67

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana
Page 2: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA

Natao ny

Alakamisy 22 Novambra 2017

Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 02 - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 ...................... 03 - Fanitsiana ny tatitra .............................................................................................................. 11 - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 ...................... 14 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra .................................................................................. 17 - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna .......................................................... 17 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 24 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna ............................................ 51 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 62

Page 3: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

1

FIVORIAMBE FILOHA : Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max MPITANTSORATRA : - Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann

- Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine FOTOANA : Alakamisy 2 Novambra 2017, tamin’ny 11 ora sy 20 minitra, atoandro. FANDAHARAM-POTOANA : Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ireto volavolan-dalàna manaraka ireto : - volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 « portant code de l’électricité à Madagascar » ; - volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 « portant réforme du Fonds National de l’Electricité (FNE) ».

- 1 - - Fitohizan’ny fivoriana -

- Lakolosy -

Andriamatoa FILOHA Andriamatoa sy Ramatoa isany namana mpiara-mikambana ao amin ‘ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena ; Andriamatoa Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo; Ramatoa sy Andriamatoa Isany Solombavambahoakan’ i Madagasikara hajaina. Tompokolahy sy Tompokovavy. Mitohy ny fivoriantsika. Miarahaba antsika tonga manatrika izao fivoriana izao, arahabaina torak’izany koa Andriamatoa Ministry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo ary ianareo teknisiana manotrona azy. Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha, iangaviana ny Mpitantsoratra hanao ny fiantsoana anarana. Omena anao am-panajana ny fitenenana Ramatoa « Rapporteur Général Adjoint », mba hanatanteraka ny asa maha mpitantsoratra.

Page 4: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

2

- 2 - - Fiantsoana anarana -

Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka namana, raha mety Andriamatoa Filoha, aleo samy manonona ny laharany azafady ny Solombavambahoaka. ABDILAH ……………….. …………………………………….. …………………………………………………. TSIVOULANGNE Maximin Vita, Andriamatoa Filoha, ny fiantsoana anarana. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa « Rapporteur Général Adjoint » nanatanteraka ny andraikitra maha mpitantsoratra, tamin’ny fanatontosana ny fiantsoana anarana teo. Ny fandaharam-potoantsika izao marainan’ny Alakamisy 2 Novambra 2017 izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ireto volavolan-dalàna manaraka ireto : Voalohany, ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 momba ny fehezan-dalàna mikasika ny herinaratra. Ny faharoa, ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 mikasika ny fanavaozana ny tahirim-pirenena momba ny herinaratra na ny « Fonds National de l’Electricité ». Alohan’ny hirosoana amin’ny fandinihana izany dia tiako ny manolotra amintsika eto ny fialan-tsiny, tamin’ny fahataran’ny fanombohan’ny fotoanantsika androany, noho ny fisian’ny famindram-pahefana tamin’ny Filoha teo aloha sy ny Filoha vaovao, Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO amin’ny fitantanana ny Antenimierandoholona, ka anisan’ny voaasa sy nanatrika izany isika ; nandray anjara tamin’izany niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja maro eto amin’ny firenena sy tomponandraikitra maro. Izany no nahatonga ny fahatarana, ka ialana tsiny, sady eto koa no anambarako amintsika, fa misy fiovàna ao amin’ny Antenimierandoholona, ny Loholona Honoré RAKOTOMANANA izay Filoha teo aloha dia mijanona ho Loholona Zokiolona ao amin’ny Antenimierandoholona, fa Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO Minisitry ny Fambolena teo aloha no mitantana ny Antenimierandoholona amin’ny maha Loholona azy amin’izao fotoana izao. Fampahafantarana izany Tompokolahy sy Tompokovavy. Hiroso amin’ny fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny faha-27 Septambra 2017 momba ny fehezan-dalàna mikasika ny herinaratra. Koa iangaviana ampanajana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera hiroso etz anoloana. Araka ny fomba mahazatra antsika, ho fankaherezana azy, omentsika tehaka mirefodrefotra izy.

Page 5: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

3

- Tehaka -

Izay no fankaherezana anao hiroso etz anoloana, Andriamatoa Mpampakateny, handraisanao ny toerana. Omena anao ampanajana ny fitenenana.

- 3 - - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 -

Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA R. Benjamin Misaotra Tompoko. Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miharahaba anao sy ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Miarahaba ny vahiny izay tarihin’Andriamatoa Minisitra sy ireto namana mahafatifaty hajaina Solombavambahoaka ireto.

- Tehaka -

Nivory ny Alakamisy faha-26 Oktobra 2017 tamin’ny 9 ora, maraina, ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 «portant code de l’électricité à Madagascar». Andriamatoa SEBANY Mohamed, Filohan’ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana; Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1. SEBANY Mohamed 2. ANGELE Solange 3. ANDRIAMITANTSOA Benjamin 4. MILAVONJY Andriasy Philobert 5. RABETAFIKA Roberthine 6. JEAN DANIEL 7. Nala RAMAHATODISOLOMANANA 8. HOUSSEN Abdallah 9. NAHARIMAMY Lucien Irmah Tonga nisolotena ny Governemanta kosa ireto teknisiana manaraka ireto; Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1. RAJAONARIVELO Laurent SG MEEM 2. RASOLOJAONA Rivoharilala ORE 3. ANDRIANTSILAVO Andry DP.ORE

Page 6: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

4

4. ANDRIANTAHINA Mirindra ADER 5. RAKOTOARIMANANA Mamisoa SE ADER 6. RAKOTOFIRINGA Marc DGE MEEM Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia niangavy ny teknisiana mba hanazava ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Ny anton’ny fanovàna ny lalàna mifehy ny angovo dia efa tsikaritra hatramin’ny taona 2008. Ny tsapa tamin’izany dia ny fahitana fa tsy mifanaraka intsony amin’ny zavatra iainana ny lalàna mikasika ny angovo. Betsaka araka izany ny fahatapahan’ny herinaratra ary miteraka olana ara-tsosialy sy ara-ekonomika maro. Io lalàna vaovao io dia voarafitra mifanaraka amin’ny “Nouvelle Politique de l’Energie” na NPE izay natao tamin’ny taona 2015. Voarakitra ao anatin’ny PND 2015-2019 izy io. Marihana fa io no sehatra ahafahana mampiroborobo ny momba ny angovo eto amin’ny firenena. Tsy maintsy mitady sehatr’asa ny fanjakana arak’izany entina mamaly ny filana mikasika izany karazana angovo izany. Ato anatin’ity lalàna ity no ahazoana mametraka angovo moderina ho an’ny vahoaka sy hitsinjovana ny tsy fahatapahan’ny herinaratra matetika na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Voalaza ato anatin’ity lalàna ity ihany koa ny fampiasana ny angovo azo havaozina na “énergie renouvelable” toy ny “biomasse”, araka izay izy ary ahafahana mivarotra izany. Voalazan’izao lalàna izao ihany koa ny fomba ametrahana ireo atrik’asa maro sy ny hanamorana ny fombafomba arahina mba ahazoan’ny besinimaro misitraka izany. Mamariparitra ny momba ny “Fonds National de l’Electricité” na FNE ihany koa izao volavolan-dalàna izao. Mamaritra ny « cadre institutionnel réglementaire » momba ny angovo ity volavolan-dalàna ity ary mifanaraka amin’ny NPE izay voalaza teo aloha. Mirakitra soso-kevitra maromaro izy ity, izay miainga avy amin’ny mpisehatra samihafa. Isan’izany soso-kevitra izany ny fiantsoana ny mpamatsy vola avy eto an-toerana sy avy any ivelany mba hiditra ao amin’io sehatry ny angovo io. Manamafy izany ny tsy fahafahan’ny fanjakana manao « auto-financement » ka ilana fiara-mientan’ny besinimaro. Entina mamaly ireo fanamby lehibe ihany koa izao lalàna izao satria hezahina henjehina ao anaty fotoana fohy ny fampiakarana ny isan’ny olona misitraka ny angovo azo avy amin’ny herinaratra. Entanina amin’ny fampiroboroboana ireo fotodrafitrasa mikasika ny angovo azo havaozina ihany koa ireo mpamatsy vola ireo. Marihana fa manana « 8000 Megawatt » azo trandrahana i Madagasikara raha toa ka mbola eo amin’ny « 200 Megawatt » eo no mbola voatrandraka amin’izao. Tsy mikasika ny fanomezana jiro ihany no faritan’izao lalàna izao, fa mikasika ihany koa ny “efficacité énergétique” izay midika fampiasana angovo vitsy anefa ahazoana manao asa maro. Manana tanjona hanampy ny fanjakana izao lalàna izao, indrindra amin’ny fitadiavana loharanom-bola izay hita sy tsapa, fa mbola olana goavana eo amin’ny fanjakana. Misy fepetra maromaro araka izany no napetraka entina manamora izany fitadiavana loharanom-bola izany izay entina mampitony ny mpisehatra rehetra eo amin’io resaka angovo io.

Page 7: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

5

Voafaritra amin’izany ny mikasika ireo mpamatsy vola eto an-toerana toy ireo “banque primaire” izay marisarisa mikasika ny fanohanana ny mpandraharaha eo amin’io sehatra io. Manatsara tanteraka ny lalàna izay nivoaka tamin’ny taona 1998 ity lalàna vaovao ity. Azo sokajiana araka izany fa “moteur de développement” izao lalàna izao noho izy ahafahana miala amin’ny fahatapahana lavareny sady mametraka firindrana sy fangaraharana eo amin’ny lafiny famokarana sy fitsinjarana ny angovo azo avy amin’ny herinaratra. Manohy ny lalàna efa napetraka izao lalàna izao dia ny fampidirana ny mpandraharaha tsy miankina ao amin’io sehatra io. Marihana fa miisa 40 eo ho eo ny mpandraharaha amin’io lafiny io manerana ny nosy ary heverina hitombo izany amin’izao lalàna izao. Raha oharina amin’ny lalàna teo aloha dia hita fa maro ny fepetra noraisina entina manatsara ny sehatry ny angovo, toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanamaivanana ny fombafomba mikasika ireo “régime d’exploitation” sy ny fahazoana “contrats de concession” sy “contrats d’autorisation”, ny fametrahana “nouveaux seuils”, ny “régime de déclaration” vaovao izay mamela ny mpandraharaha hiasa malalaka amin’io sehatra io. Tsy mila mandalo fombafomba maro intsony ity farany, fa mampahafantra fotsiny ny asany izy. Natao izany mba ahafahan’ny fanjakana manara-maso ny mpisehatra mba hisorohana ny loza mety ateraky ny fitrandrahana. Miteraka famoronana asa maro ihany koa ity volavolan-dalàna ity amin’ny alalan’ny “activité de fourniture” izay hampiroboroboiny. Ny ohatra farany dia ny fametrahany ny fangaraharana tanteraka sy ny fitovian-jon’ny rehetra. Misy araka izany ny maha samihafa ny lalàna teo aloha sy izao lalàna vaovao izao. Mijanona ho “autorité concédante” ihany ny Minisitra toy ny teo aloha kanefa nanjary nanana andraikitra mamaripartira ny fitsipika lehibe ny politika momba ny angovo sy ny fandrindrana azy. Miampy ihany koa ny andraikiny mikasika ireo fandefasana tolo-bidy (appel d’offres) samihafa. Raha tamin’ny lalàna teo aloha dia misahana ny fitaterana sy fitsinjarana fotsiny no nataon’ny Minisitera. Amin'izao fotoana izao dia misahana ny famokarana ihany koa izy. Ity lalàna vaovao ity ihany koa dia mametraka ny ARELEC izay “autorité de régulation” mametra sy mampahafantatra ny vidin’ny angovo, manara-maso ny fenitra rehetra ary mampanaja ny fitsipiky ny fifaninanana eo amin’ny samy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny angovo. Mandrafitra ny fitsipika ara-teknika rehetra ihany koa izy io. Marihana fa manampy betsaka ny Minisitera izy io amin’ny fandrafetana ny politikam-panjakana rehetra eo amin’ny sehatry ny angovo. Ny ARELEC ihany koa dia manara-maso ireo fifanarahana maro samihafa toy ny “contrats de concession et d’autorisation” “déclarations”, “autorisation d’autoproduction” ary ny “licence de fourniture”. Manampy amin’ny fanamboarana ny “Grid code” ihany koa izy io. Misy eran-tany izany afa-tsy eto Madagasikara. Ny “Grid code” dia mametra mazava tsara ny fetr’andro ilazana ny tsy maintsy ametrahana jiro eny amin’ny mpanjifa, ny “fréquence”-n’ny herinaratra eto Madagasikara, ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Misy fivoriana isan-taona entina manao izany. Manarak’izany dia manao asa fanelanelanana ihany koa ny ARELEC eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa mba ahafahana mitady marimaritra iraisana raha toa ka misy disadisa miseho. Mitantana ny “base de données” ihany koa izy

Page 8: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

6

mba ahafahana mitondra asa fandrindrana eo amin’io sehatry ny angovo io. Mbola manana andraikitra maro ihany koa ny ARELEC, toy ny fitsinjovana ny fangaraharana, ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina ary ny fikajiana sy ny famerana ny vidin’ny angovo araka ny lalàna velona. Izao lalàna vaovao izao ihany koa dia mametraka ny fandaminana mikasika io angovo io eo amin’ny tontolo ambanivohita amin’ny alalan’ny ADER. Antsangana ihany koa ny FMD hoentina hamatsiana ny fotodrafitrasa eny ambonivohitra. Manome alalana ny ADER mikasika ny “activité de fourniture” sy manamaivana ny fombafomba ahazahoana ny “contrat de concession” sy ny “autorisation”. Tsy mila didim-panjakana toy ny “arrêté” na “décret” intsony ny mpandraharaha vao afaka miasa. Izao lalàna izao ihany koa dia manome hasina ny mikasika ny angovo azo havaozina izay nanokanany lohateny iray lehibe sy ny mikasika ny atao hoe “efficacité énergétique” toy izay mahakasika ireny karazana “ampoule LED” ireny ohatra entina mitsitsy ny angovo eo am-pelan-tànana. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fanolorana soso-kevitra sy ny fametrahana fanontaniana ny mpivory. SOSO-KEVITRA SY FANAMARIHANA 1. Nisy tamin’ireo mpivory nanamafy fa tena ilain’ny vanim-potoana ankehitriny izao volavolan-dalàna izao. Milaza ihany koa izy ireo fa tsy vitan’ny JIRAMA samy irery intsony ny famatsiana herinaratra, ka tokony hidiran’ny sehatra tsy miankina. Hita sy tsikaritra araka izany, fa manome vahana ny sehatra tsy miankina izy io. Nanolotra soso-kevitra ihany koa izy ireo no tokony hamoahana haingana ny didy fampiharana mahakasika izao lalàna izao. Voaresaka tao ihany koa ny tokony hananan’ny ARELEC fahaleovatena bebe kokoa mikasika ny fandaminana ny fitsinjarana ny tambajotran’ny herinaratra mba ahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka izany. Tokony hanome antoka ihany koa izy mikasika ny fisorohana ny fidangan’ny vidin’ny herinaratra be loatra. 2. Nisy nanamarika fa 75% rano eto Madagasikara dia very any an-dranomasina avokoa. Fanampin’izany dia tsapa sy hita fa manana “potentialité” betsaka i Madagasikara toy ny Distrikan’Ambilobe kanefa tsy voatrandraka. FANONTANIANA 1. Manao ahoana ny mikasika ny famatsiana jiro ao Isoanala. Mety ho avy eny an-toerana ihany ve ny ADER hamaha ny olan’ny jiro? Tsapa mantsy fa tokony hampidirina ao amin’ny fandaharan’asa mikasika ny angovo azo havaozina, indrindra fa izay azo avy amin’ny masoandro, ny faritra atsimo noho izy manana masoandro mandavan-taona. 2. Aiza ho aiza ny projet Volobe izay tokony ho entina hamatsiana jiro any Toamasina sy Brickaville?

Page 9: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

7

3. Voakasik’izao fanavaozana izao ihany koa ve ny momba ny rano toy ny “code de l’eau” ohatra? Mety misy ve ny “organisme” toy ny ADER misahana ny rano? VALIN’NY FANONTANIANA 1. Efa eo ampikarakarana an’io faritra atsimo io ny fanjakana amin’izao fotoana izao, ka vinavinaina ho angovo azo havaozina no apetraka amin’izany. Vita ny “appel d’offres” tao amin’ny faritra Atsimo andrefana, Anosy sy Androy, fa tsy misy nanolotra tolo-bidy hanohizana azy. 2. Raha mikasika ny “Projet Volobe” dia efa misy “accord de projet » miaraka amin’ny orinasa “Jovenna” sy “Colas” ary efa atao ny “étude de faisabilité” mikasika izany. Rehefa vita izany dia hidirana amin’izay ny fanaovana “contrat de concession”. Hapetraka atsy ho atsy ihany koa ny “ligne d’interconnectivité”. 3. Efa misy volavolan-dalàna izay atolotra amin’ny taona ho avy entina mandamina ny sehatry ny rano, efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao mikasika ny fijerena ny filan’ny mponina mikasika ny rano. Nanamafy ny teknisiana, fa efa manomana didy fampiharana ny fanjakana entina mampihatra haingana izao lalàna izao. Nilaza koa izy ireo fa ny fanombanana ny vidin-jiro na “tarification” dia tsy maintsy jerena miaraka amin’ny ARELEC. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory. LOHATENY VOALOHANY Toko voalohany Andininy voalohany: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faha-2 Andininy faha-2 ka hatramin’ny andininy faha-9: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-2 Andininy faha-10 ka hatramin’ny andininy faha-17: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-3 Andininy faha-18: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko voalohany Andininy faha-19 ka hatramin’ny andininy faha-22: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faha-2 Fizarana voalohany. Andininy faha-23 ka hatramin’ny andininy faha-25: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna.

Page 10: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

8

Fizarana faha-2. Andininy faha-26 ka hatramin’ny andininy faha-27: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faha-3 Andininy faha-28: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faha-4: Andininy faha-29 ka hatramin’ny andininy faha-41: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-4 Andininy faha-42 ka hatramin’ny andininy faha-48: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-5 Andininy faha-49 ka hatramin’ny andininy faha-54: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-6 Andininy faha-55 ka hatramin’ny andininy faha-57: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-7 Andininy faha-58 hatramin’ny andininy faha-77: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-8 Toko voalohany Andininy faha-78 sy ny andininy faha-79: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faharoa Andininy faha-80: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHA-9 Toko voalohany Andininy faha-81 ka hatramin’ny andininy faha-87: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko faharoa Fizarana voalohany Andininy faha-88 ka hatramin’ny andininy faha-89: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Andininy faha-93: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-90: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-91: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana)

Page 11: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

9

Fizarana faharoa Andininy faha-92: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-93: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Fizarana fahatelo Andininy faha-94: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) LOHATENY FAHA-10 Andininy faha-95: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-96: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-97: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-98: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-99: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-100: lany nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana (jereo tovana) Andininy faha-101: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-102: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) LOHATENY FAHA-11 Andininy faha-103: lany nasiam-panitsiana (Jereo tovana) Andininy faha-104: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-105: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana) Andininy faha-106: lany nasiam-panitsiana (jereo tovana). Noho ny tsy fahatratrana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia naato 30 minitra ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Rehefa izany dia nolanian’ny Vaomiera tamin’ny endrina nasiam-panitsiana sy nasiam-panovàna ny volavolan-dalàna laharana fah-026/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 “portant Code de l’Electricité à Madagascar” ary hoentina eo anivon’ny fivoriambe mba handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 15 minitra, atoandro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory Andriamatoa Filoha.

Page 12: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

10

TOVANA

FANITSIANA-FANOVANA

VERSION ORIGINALE VERSION AMENDEE

Chapitre III DES DISPOSITIONS RELATIVES AUX AUTORISATIONS, CONCESSIONS ET

DECLARATIONS

Chapitre IV DES DISPOSITIONS RELATIVES AUX AUTORISATIONS, CONCESSIONS ET

DECLARATIONS

Art. 89 Art. 90

Art. 90 Art. 91

Art. 91 Art. 92

Art. 92 Art. 93

Art. 93 Art. 94

Art. 94 Art. 95

Art. 95 Art .96

Art. 96 Art. 97

qqArt. 97 Art. 98

Art. 98 Art. 99

Art. 99 Art. 100

Art. 100 : Toute destruction volontaire d’installations d’électricité telles que définies à l’article premier sera punie des peines portées à l’article 103 alinéa 2 de la présente loi

Art. 101 : Toute tentative de destruction ou destruction volontaire d’installations d’électricité telles que définies à l’article premier sera punie des peines portées à l’article 100 alinéa 2 de la présente loi

Art. 101 Art. 102

Art. 102 Art. 103

Art. 103 Art. 104

Art. 104 Art. 105

Art. 105 Art. 106

Art. 106 Art. 107

Izay Andriamatoa Filoha, Tompokolahy sy Tompokovavy ny tatitra momba an’iny. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra an’izay tatitra izay. Sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra vao novakiantsika teo. Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny aloha isika fa fanitsiana ny tatitra no atao. Miainga avy amintsika Solombavambahoaka aloha ; rehefa tapitra izany izay vao omena ny avy ao amin’ny Governemanta. Koa iangaviana isika Solombavambahoaka izay manana fanamarihana mba hanangan-tànana mba hanomezana azy fitenenana.

Page 13: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

11

Andriamatoa RAZANAKOTO laharana faha-133, manana fangataham-pitenenana ; mikasika ny tatitra ve, Tompoko, sa adihevitra ankapobeny. Raha fanamarihana angamba ohatra ny tsy misy. Tsy misy fanamarihana avy amin’ny Solombavambahoaka. Mitodika aminao, Andriamatoa Minisitra, sao misy fanamarihana na fanitsiana avy aminao mikasika ny tatitra izay nentina teo. Mahazo mipetraka ianao, Andriamatoa Minisitra, eo amin’ny fandraisana fitenenana. Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Mahazo mitsangana ve, Andrimatoa Filoha? Andriamatoa FILOHA Mahazo mitsangana ihany koa ; mbola ho lava ity raharaha ity, ka izany no mahatonga ahy miteny hoe: omen-dalana ianao hipetraka, raha ohatra ka mitsangana no mety aminao vao maika mahatsara zavatra.

- 4 - - Fanitsiana ny tatitra -

Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena. Ny voalohan-teny alohan’ny hanomezana fanamarihana dia fitondrana ny arahaba ho anao, Andriamatoa Filoha, ho anareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ary indrindra ho anareo Solombavambahoaka tsara tarehy hoy ny Mpampakateny teo. Ombanay manana koa izay “qualificatif” izay, fa raha misy “beau gosse”, indrindra eto amin’ny firenena angamba dia ny Solombavambahoaka amin’ireo mpanao politika. Ny antony itsanganana dia ho fanomezam-boninahitra an’ity Antenimierampirenena ity sy ho fitondrana ny arahaba. Izay no ela fa hiditra ami’ny fanitsiana angamba, Andriamatoa Filoha, sady hipetraka amin’izay ihany koa. Misy fanitsiana vitsivitsy hitanay ato anatin’ity tatitra ity, resaka «formulation» fotsiny, misy zavatra latsaka kely na diso kely. Ao amin’ny pejy faha-4, misy hoe “autorité concédante”-n’ny Minisitera, andalana faharoa, “paragraphe 2, ligne 2” manao hoe : mijanona ho “autorité concédante” ihany ny Minisitra fa tsy Minisitera, olombelona mihitsy io, fa tsy Minisitera. Amin’io pejy faha-4 io ihany, amin’ny « paragraphe » mialoha ny farany, andalana faha-3 aorian’ny hoe : ADER. Mitantana ny atao hoe : « fonds national de l’électricité » izy io. Raha ny soso-kevitro, mba soloantsika tahaka izao, manomboka eo amin’ny hoe : mitantana ka hatramin’ny hoe soso-kevitra avy amin’ny. Iny « ligne » roa iny izany soloantsika ary atolotra ny sekretera ihany ny fanoratana azy, fa hotononiko : hatsangana ny FNED «Fonds National de l’Energie Durable» ho entina amatsiana ny fametrahana fotodrafitrasa eny ambanivohitra araka ny soso-kevitra avy amin’ny. Misolo an’izay ireo teny ireo.

Page 14: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

12

Eo amin’ny pejy faha-5 indray, ao amin’ny valim-panontaniana eo ambany, andalana voalohany, teboka voalohany, ny fehezan-teny farany manao hoe: hatreto anefa dia. Soloantsika tahaka izao: vita ny « appel d’offres » tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, fa ho an’ny Faritra Anosy sy Androy ihany koa dia tsy misy nanolotra tolo-bidy ka ho jerena ny hanohizana ny « appel d’offres ». Momba an’izay ihany, amin’ny fanontaniana eo ambony manao hoe : manao ahoana ny mikasika ny famatsiana jiro ao i Soanala fa tsy i Soanaly, any Toliara io toerana io. Manaraka, manao hoe: aiza ho aiza ny “projet volobe”, “bambou”, bararata be fa tsy fambolena ngeza-be tsy akory, volobe. Torak’izay ao amin’ny pejy faha-6, andalana voalohany, volobe koa no ilazana azy. Ao amin’ny pejy faha-7, andalana faha-3 manao hoe : toko faha-4 nasiam-panitsiana jereo ny tovana. Mety « copie-collé » ihany io, fa tsy nisy fanitsiana akory. Porofon’izany, ao amin’ny tovana, tsy misy miresaka ny andininy faha-29 ka hatramin’ny andininy faha-41. Lany tsy nasiam-panitsiana tsy nasiam-panovàna no tokony hisoratra eo. Miala izany ny nasiam-panitsiana ao anaty fonoteny sy io tovana io.

Fanamarihana fotsiny, Andriamatoa Filoha, momba an’ireto lisitra lavabe ireto, tsy hoe miova akory ny laharan’ny “article” ao anatin’ny lalàna, fa ny “référence” satria nisy “article” nofafana mihitsy tao anatin’ny volavolan-dalàna tamin’ny voalohany; « faute matérielle » iny. Tsy voaova ny « référence » vokatry ny fanalana ny “article”. Raha atao mangarahara dia nisy ny “article” taloha nampidirina taty anatin’ny volavolan-dalàna tany ampanamboarana azy ka rehefa nodinihana niaraka tamin’ny mpahay lalàna maro samihafa dia “domaine réglementaire” io fa tsy « domaine de la loi ». Nesorina ireny “articles” ireny, vokatr’izay ny “référence” amin’ny “article” taty aoriana noho ny ny fialan’ny “article” teo aloha; izay no niteraka an’ireto. Ny « référence » nahitsy ireo, ao amin’ny « article 101 » vaovao dia nampidirana ny soso-kevitra avy amintsika Solombavambahoaka manao hoe: « tentative de destruction ». Izany hoe, tsy notazonina ny hoe : toute destruction » fa na ny “tentative” aza dia heloka izay. Eo ihany koa dia mbola miditra ny « référence » amin’ny « article 103, alinéa 2 », ny « article 101 nouveau » io dia mi-« se référer » amin’ny « article 100, alinéa 2 ».

Izay Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena ny fanamarihana avy atz amin’ny Minisitera. Misaotra Tompoko Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanamarihana nentinao teo. Heveriko fa ny Solombavambahoaka tsirairay, indrindra ny mpitantsoratra ato amin’ny fandrarahana dia samy nandray naoty arak’izay fitsarana sy fanitsiana nataonao izay. Saika hanome soso-kevitra aho ho antsika Solombavambahoaka: eto ireto volavolan-dalàna roa ireto; samy mikasika resaka herinaratra daholo. Saika harosoko ny hoe, vita izay ny

Page 15: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

13

fanitsiana ny tatitra teo, saika hiangavy ny Mpampakateny hiroso avy hatrany amin’ny famakiana ny tatitra manaraka aho ary rehefa avy eo, rehefa vita ny fanitsiana momba azy, omena fitenenana, Andriamatoa Minisitra, hanazava ny antonanton’ireo volavolan-dalàna roa ireo, aorian’izay mandray fitenenana isika Solombavambahoaka. Rehefa vita ny fandraisam-pitenenana avy amintsika Solombavambahoaka izay vao miroso amin’ny adihevitra amin’izay isika alohan’ny handraisantsika fanapahan-kevitra. Hanontany anareo aho: Atsangano ny tànan’izay manaiky an’izany soso-kevitra izany.

- Solombavambahoaka miisa 32 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Noho izany, miangavy anao ampanajana, Andriamatoa Mpampakateny. Manangan-tànana, Andriamatoa Minisitra. Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra. Tsy misy Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Misy fanamarihana hadino kely tamin’ny teo aloha. Miteny momba ny faharoa ianao, ny fifandraisan’izy roa dia ny daty ; eo amin’ny hoe : volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny 17 Septambra 2017 ; mifanaraka izy roa ireto, Tompoko. Ny iray laharana faha-027/2017, andro iray no daty nanaovana azy roa ireo. Izany hoe ny faha-27 Septambra 2017 daholo. Ahitsy izany ny ao anaty tatitra, ny faha-27 Septambra 2017 no izy. Misaotra Tompoko. Azafady indrindra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra. Samy manitsy ny daty eny am-pelan-tànany izany ny Solombavambahoaka. Iangaviana am-panajana ianao, Andriamatoa Mpampakateny, hanao ny tatitra. Raha ny fihainoana azy teo dia tena matavy ny fitondrana ny tatitra teo. Omena anao am-panajana indray ny fanohizana ny famakiana ny tatitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny faha-27 Septambra 2017.

Page 16: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

14

- 5 - - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 -

Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA R Benjamin Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny alalana hamaky an’ity tatitra manaraka ity indray. Nivory ny Alakamisy faha-26 Oktobra 2017 tamin’ny 11 ora sy 15 minitra, atoandro, ny Vaomieran’ny Lalàna sy ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 “portant réforme du Fonds National de l’Electricité (FNE) ». Andriamatoa SEBANY Mohamed, Filohan’ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo Mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany: 4. SEBANY Mohamed 1- ANGELE Solange 2- ANDRIAMITANTSOA R. Benjamin 3- MILAVONJY Andriasy Philobert 4- RABETAFIKA Roberthine 5- JEAN Daniel 6- Nala RAMAHATODISOLOMANANA 7- HOUSSENE Abdallah 8- NAHARIMAMY Lucien Irmah Ireo avy ny teknisiana tonga nisolo-tena ny Governemanta: Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- RAJAONARIVELO Laurent SG MEEH 2- RASOLOJAONA Rivoharilala O.R.E 3- ANDRIANTSILAVO Andry DP ORE 4- ANDRIANTAHINA Mirindra ADER 5- RAKOTOARIMANANA Mamisoa SE ADER 6- RAKOTOFIRINGA Marc DGE MEEH Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hanazavany fohifohy ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Nambarany fa zava-dehibe ity volavolan-dalàna ity mba ho fitohizana sy fanatsarana ny lalàna laharana faha-2002-001 tamin’ny 7 Oktobra 2002, hampivelatra ny fisitrahana herinaratra eny ambanivohitra. Ny « Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER) » no misahana ny fitantanana ny tahirim-bola nasionaly natokana ho an’ny herinaratra izay nosokafana teo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana. Teo amin’ny famoahana vola tao amin’ny tahirim-bola-mpanjakana no nisy olana ka nahatonga ny tetikasa nihantona. Noho izany dia tsy ny ADER intsony no mitantana ny vola, fa « établissements de crédit »;

Page 17: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

15

hevitra tapaka taorian’ny fandinihana niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny Minisitera. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanomezana soso-kevitra sy fametrahana fanontaniana ny mpivory. Nisy nanao soso-kevitra amin’ny tokony hametrahana ao anatin’ny “considérant” ny lalàna laharana faha-2002-001 izay fototr’izao lalàna vaovao izao. Fanontanian’ny mpivory: 1- Iza avy no manana alalana hikirakira ny vola ao amin’ny “Fonds”? 2- Mankaiza ireo “redevance” nalain’ny “Fonds” teo aloha? 3- Inona ny antoka fa tsy ho voakitikitika ny vola ao amin’ny “Fonds »? Valim-panontaniana naroson’ny teknisiana: 1- Ireo rehetra manana “contrat d’autorisation ou de concession“ no afaka mangataka vola ao. 2- Ireo “redevance” sy vola rehetra teo aloha, avy hatrany dia arotsaka ao amin’ny “Fonds” araka ny andininy faharoa. 3- Araka ny voalaza ao amin’ny andininy fahadimy dia hisy fomba fiasa madio sy mangarahara hapetraka satria ho maro ireo mpamatsy vola hampiasa ny volany ka noho izany dia hisy ny “audit”. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandaniana isan’andininy ny Vaomiera mitambatra. Famelabelarana ny antonantony: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko I Andininy voalohany sy faha-2: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko II Andininy faha-3 hatramin’ny faha-8: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Toko III Andininy faha-9 hatramin’ny faha-12: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory. Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana manapa-kevitra dia naato 30 minitra ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Nolanian’ny Vaomiera mitambatra tamin’ny endriny tsy nasiam-panovàna sy tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 “portant

Page 18: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

16

réforme du Fonds National de l’Electricité (FNE)” ka hoentina eny anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 12 ora sy 5 minitra, atoandro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory Andriamatoa Filoha.

TOVANA

Izay, Andriamatoa Filoha, ny tatitra fa misaotra anareo naharitra nihaino. Andriamatoa FILOHA Misy tsy novakianao erz ambany Izay ny tatitra, Andriamatoa Filoha, fa misaotra anareo naharitra nihaino. Misy zavatra tsy voavakinao etsy ambany, Andriamatoa Mpampakateny. Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Ramasindraibe Benjamin Eny Tompoko, ny Mpampakateny : ANDRIAMITANTSOA R. Benjamin. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny.

- Tehaka -

Misaotra ny Mpampakateny isika nitondra izay tatitra izay. Averina ihany ny fanontaniana teo, saingy amin’ity volavolan-dalàna faharoa ity: sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana tamintsika teo. Miainga amintsika Solombavambahoaka aloha. Tsy misy. Misaotra antsika Solombavambahoaka.

VERSION ORIGINALE VERSION AMENDEE

Vu la Constitution, Vu la décision n° HCC/D du de la Haute Cour Constitutionnelle

Vu la Constitution, Vu la loi 2002-001 du 07 Octobre 2002 portant création du Fonds National de l’électricité, Vu la décision n° HCC/D du de la Haute Cour Constitutionnelle

Page 19: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

17

Raha tsy misy avy amintsika, mitodika amin’Andriamatoa Minisitra indray, raha manana fanamarihana na fanitsiana tianao entina amin’ny tatitra izay vao natao teo.

- 6 - - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra -

Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniana, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Indraim-bava fotsiny, teny iray ao amin’ny pejy fahatelo no hasiantsika fanitsiana ; amin’ny valim-panontaniana voalohany, andalana faharoa manao hoe: maka vola ao. Tsy alaina ny vola fa angatahana. Mbola misy ny “commission” ka azo soloina hoe: no afaka mangataka vola ao, fa tsy hoe maka vola ao. Mangataka izany no izy. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny nitondranao an’izay fanitsiana izay. Samihafa tokoa ny maka sy mangataka ary ny fomba fampiasana azy. Koa rehefa izany, vita ny mikasika ny tatitra; koa omen-dalana ampanajana ianao, Andriamatoa Mpampakateny, hiverina eny amin’ny toerana misy anao. Isika Solombavambahoaka kosa tahaka ny mahazatra, manome tehaka ho fankasitrahana azy.

- Tehaka -

Tehaka mirefodrefotra no ankasitrahantsika ny asa nentin’ny namana teo. Amin’izao fotoana izao, omena fitenenana ianao, Andriamatoa Minisitra, hanazava ny antonanton’izao volavolan-dalàna izao. Mialoha izany, saika hiangavy anao ampanajana sy ampitiavana raha ohatra azo atao, ny hanaovanao fanolorana ireto teknisiana ambony izay miara-dia aminao mba ho fantatry ny Solombavambahoakan’i Madagasikara; raha sitrakao Andriamatoa Minisitra.

- 7 - - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna -

Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniana, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Hotanterahana arak’izany tokoa izany. Eto anilako, izay tonga manome voninahitra antsika Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao, any ankamaroany dia tonga eto avokoa ny tomponandraikitra avy amin’ny

Page 20: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

18

Minisitera. Ohatran’ny misy tsy tazako ny sasany satria lava noho izaho, ka aleoko mitsangana sao tsy hitako izy ireo. Eto akaikiko eto ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Andriamatoa Laurent RAJAONARIVELO. Ny bikabika sy ny anarana no misy ifandraisany fa ny anarana tanim-boanjo hoy ny fitenenana, ka tsy araka ny eritreretinareo ny fihavanany. Tsy misy fihavanana aminy, fa ny bikabikany fotsiny no mitovy. Manaraka, ny “PCA”-n’ny JIRAMA, Andriamatoa BEFENO Hyacinthe. Manaraka, ny Filohan’ny « Office de Régulation de l’Electricité », Ramatoa Aimé ANDRIANASOLO. Efa mamboatra baoritra sy mifehy entana izy rehefa tonga ny fotoana handaniareo ity volavolan-dalàna ity ary raha « promulguer », vita ny momba ny ORE fa hiditra amin’ny ARELEC indray isika. Manaraka azy eo, Andriamatoa Mamisoa RAKOTOARIMANANA, anarana tanim-boanjo ihany fa tsy misy ifandraisana amin’izay olona fantatrareo. Izy no “secrétaire exécutif”-n’ny ADER. Mamisoa no anarany, izay no tsy voahitsy tamin’ny fanitsiana natao teo. Tsy Manirisoa fa Mamisoa. Azafady indrindra, misaotra anao, sady mamy izy no soa. Manaraka azy ao, ny Tale ao amin’ny « opération » amin’ny “Direction Générale des Hydrocarbures”. Manaraka azy ao, ny Tale Jeneralin’ny Akoran’afo Kolonely RASALOMANANA Hajatiana. Manaraka azy, ny Tale Jeneralin’ny « eau, assainissement et hygiène ». Izy no miandraikitra ny fanadiovana ny rano sy ny fidiovana. Manaraka azy, ny Tale momba « gestion des ressources en eau », Ramatoa RAMAHERISON Zo. Izy no mikarakara sy mitahiry ny antontan-taratsain-drano eto Madagasikara. Manaraka azy aoriana, ny Talen’ny « Environement » ao amin’ny Minisiteran’ny Angovo, Andriamatoa TSILANIZARA Maurille. Manaraka azy, ny Talen’ny « promotion de l’hygiène », Ramatoa RAVELOMALALA Joële. Manaraka, ny Talen’ny « Communication et Coordination Interne » ; izy no mpiserasera ary mety hifandray matetika aminareo eto amin’ny Antenimierampirenena sy ny « Institution » samihafa ary mifandray amin’ny Minisitera ihany koa. Manaraka, ny CGP, Ramatoa RAHAINGOARIMANANA Noelisoa ary Andriamatoa Andry ANDRIATSILAVO, « Directeur de la Planification » ao amin’ny ORE. Ny “Directeur de cabinet”-ko izay olom-pantatrareo loatra ary ho fantarinareo mihitsy koa amin’ity andro anio ity. Izy no RANDRIANOELY Martin “Directeur de Cabinet” ao amin’ny Minisitry ny Rano sy ny Angovo ary ny Akoran’afo. Ny olona izay tena ilainareo tanteraka mihitsy, ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Andriamatoa JAOMIARY Olivier. Ato aorinako ato, Andriamatoa RAKOTOFIRINGA Marc, izy no Tale Jeneralin’ny angovo. Andriamatoa RANDRIANARIVONY Augustin, Talen’ny “Energie alternative”; izany hoe mikarakara ny angovo ankoatran’ny solika sy ny herinaratra, toy ny “alcool”, sns… Andriamatoa ANDRIANJANAKA Rado, « Directeur Juridique ». izy no namolavola sy nikarakara ity volavolan-dalàna tonga eto amintsika ity. Ramatoa ANDRIANTAHINA Mirindra, « Juriste » ao amin’ny ADER. Manaraka azy ao, Andriamatoa ANDRIANTAHINA Tsiry, « Directeur de la Planification et des Etudes » ao amin’ny « Direction Générale de l’Energie ». Ramatoa CYNTHIA, DRH. Manaraka azy eo, mbola vaovao be izy eto Analamanga, noho izy vao notendrena ho Talen’ny fanadiovana na « Directeur de l’Assainissement » ao amin’ny Minisitera, hiara-hiasa

Page 21: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

19

amin’ny Andrimpanjakana sy ny Minisitera ary ny « société civile » amin’izao ady atao amin’ny pesta izao. Mifanakaiky aminy ao « comme par hasard », ny Talen’ny SAMVA. Samy vaovao daholo izy mirahalahy ireo satria mila ainga vao ny fanadiovana eto amin’ny firenena, ka izay no nanendrena azy mirahalahy ireo. Izay Andriamatoa Filoha no mpiara-miasa amiko; ireo no hampandroso antsika rehetra Solombavambahoaka rehefa misy ny ifandraisantsika amin’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Angovo ary ny Akoran’afo. Ho fanolorana an’ireto volavolan-dalàna roa ireto, tsy hanao resaka lava aho, Andriamatoa Filoha, isika Solombavambahoaka namana, fa hilaza fotsiny amin’ny abangovangony hoe: inona no antony nakana sy nandraisana an’ireto volavolan-dalàna vaovao ireto. Hiresaka ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 izay hanolo ny lalàna teo aloha dia ny lalàna laharana faha-98-032 izay nitantana ny sehatry ny herinaratra teto Madagasikara nandritr’izay 29 taona izay. Noho ny fivoaran’ny teknôlôjia sy ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao, noho ny fitombon’ny filana sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny herinaratra ary indrindra eo amin’ny fivoaran’ny fomba fihariana eto amin’izao tontolo izao dia tsy maintsy ampifanarahana amin’ny toetr’andro ny lalàna misy eto amin’ny firenena. Raha tsy hiteny afa-tsy ny mpiantsehatra ao anatin’ny famokarana sy ny fikirakirana ny herinaratra isika; tsinjaraina ohatran’ny misy eran’izao tontolo izao ny asa. Izay no fomba moderina satria ny « valeur ajoutée » na ny harin-karena, ny famoronana harena izany. Arakaraka ny mampitombo ny hetsika ao anatin’izay, miainga any amin’ny fitrandrahana, fanodinana ka hatrany amin’ny fivarotana eny amin’ny mpanjifa, mandalo fitaterana sns… Arakarak’ireny fandalovana amin’ireny sehatra sy dingana ireny no mampiforona ny harena ary iny harena miforona iny, miala tsiny fa miverina ho azy ny resaka mampahay toe-karena ny tena. Arakaraka ny fisian’iny harena miforona iny no maha mpanankarena ny firenena iray, fa tsy ny fananany harena an-kibon’ny tany na harena an-dranomasina na harena voajanahary fotsiny amin’ny ankapobeny. Raha tsy trandrahana izany, tsy hiteraka harena ho an’ny olona, fa tazanim-potsiny; raha ohatra isika manana tendrombohitra iray misy volamena, misy vatosoa; misy harena ao ambany ao ka tsy hotrandrahantsika, tsy miteraka harena ho antsika izany fa anarany fotsiny. Raha handray ohatra isika izao, any “Monaco”, fantatsika tsara « Principauté de Monaco » fa avo zato heny raha kely indrindra amin’ny harin-karena eto Madagasikara ny harenany, raha ny harena miforona isan-taona no jerena kanefa tsy misy na inona na inona afa-tsy haram-bato any aminy, « le caillou » rahateo no anarany. Haram-bato sy olombelona fotsiny no ao, fa tsy misy na inona na inona ankoatran’izay kanefa ny harena miforona ao anatin’izany « Principauté de Monaco » izany, farafahakeliny avo zato heny amin’ny harena miforona eto Madagasikara izay lazaintsika foana fa manankarena be. Izay no antony nametrahana ny fomba fihariana amin’izao fotoana izao hoe sarahana amin’izay ny mpamokatra, « la production », ny mpitatitra « transport » ary ny « distribution » any amin’ny fitsinjarana azy. Amin’ireo antanan-tohatra telo ny sehatry ny herinaratra ireo, samy afaka mamorona harena daholo. Eny fa na atz amin’ny farany aza; ny fitsinjarana, afaka manao « busness » madio, « busness » amin’ny “sens proper, anglais du terme” hoe misy « busness » hafa. Azo atao koa ny manao « fournisseur » tahakan’ireny eny amin’ny sehatry ny « téléphonie » ireny; afaka mivarotra

Page 22: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

20

« électricité » ianao na tsy namokatra na “1KW” akory aza, fa afaka mivarotra ianao. Mividy any amin’ny mpamokatra sy ny mpitatitra ianao, mandoa « redevance » any amin’ny mpitatitra ianao dia afaka mitsinjara any amin’ny mpanjifa. Natao hifanaraka amin’ny toetr’andro ity volavolan-dalàna ity ary eo indrindra koa ny fisian’ny fivoaran’ny famokarana herinaratra avy amin’ny ny fototra angovo azo havaozina izay tsy nisy na vao nitsiry angamba tamin’izany 29 taona lasa izany. Ireo no ataontsika amin’izao fotoana izao hoe: « énergie renouvelable », toy ny angovo azo avy amin’ny masoandro, azo avy amin’ny rivotra, azo avy amin’ny « énergies alternatives » izay efa voaresaka teo, fa indrindra ireo ambavan’ny masoandro sy ny rivotra izay tsy voalaza mihitsy tao anatin’ny lalàna laharana faha-98-032. Ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fitsinjarana asa eo amin’ireo mpisehatra rehetra ireo no antony voalohany nakana sy nandraisana ireto volavolan-dalàna vaovao ireto. Nasiam-panitsiana sy fanavaozana ireo mpisehatra rehetra; ao anatin’izany koa ireo andry mpanara-maso tahaka ny ORE. Amin’izao fotoana izao, karazana lamaody no iantsoantsika azy kanefa tsy lamaody fa zavatra ilaina mihitsy ny fametrahana ny « autorité de régulation » mahaleo tena tahaka ny fisian’ny ARNP, ny ARTEC sns… Izay no ametrahana azy atz amin’ny « électricité ». Momba ny famatsiana ny ADER sy ny fomba fiasany koa dia nasiana fanitsiana any amin’ny “domaine réglementaire” sy « domaine de la loi » ; any amin’ny « domaine réglementaire » no misy ny momba ny « statut »-n’ny ADER, any no havoakantsika, fa ny fisiany sy ny antom-pisiany no voalazan’ny lalàna. Ny antony faharoa nandraisana ity volavolan-dalàna vaovao ity koa dia ny fanamaivanana ny fitsipika sy ny fombafomba mifehy ny fandraharana eo amin’ny sehatry ny herinaratra, araka ny efa voalazako teo, hamaivanina arak’izay tratra ny fetra na ny « seuil » ahafahantsika mahazo « autorisation » na « concession » mihitsy. Taloha, teo amin’ny « 500KW », tsy maintsy « concession » izay ; kanefa miala tsiny amin’ny fitenenana, teny malagasy madio hoe : inona moa izay « 500 KW » eo amin’ny filana amin’izao fotoana izao raha ny fivoaran’ny tanàna sy ny fivoaran’ny angovo ilaina amin’ny famokarana no jerena. Lasa manasaro-javatra sy manela fotoana antsika raha zavatra kely tahaka izany no hakana “concession”, izay sarotsarotra kokoa vao azo. Eo anatrehan’izany, hotsorina arak’izay tratra ny fanomezana azy ireny araka ny voalazan’ity volavolan-dalàna ity. Misy anefa famokarana izay tsy maintsy anaovana “déclaration” tanteraka fa tsy atao gaboraraka. Izay mamokatra herinaratra rehetra na faran’izay kely indrindra aza, tsy maintsy manao “déclaration” na mangataka “autorisation” na mangataka “concession” mihitsy aza. Fahatelo farany, fampidirana sy famporisihana amin’ny fampiasana loharanon’angovo azo havaozina mifanaraka amin’ny politikam-panjakana momba ny “transition énergétique” no antony nanaovana ity volavolan-dalàna ity. Hitantsika amin’izany ny tombony amin’ny fampiharana io politika io. Atsy ho atsy, tsy isika rehetra angamba no ho voaantso amin’io lanonana io, fa manasa ny Filoha sy ny Birao Maharitra ary ny Filohan’ny “Commission de l’Energie”, mba hiaraka hitokana izany amin’ny Talata ho avy izao, momba ny Foibe Famokarana Herinaratra miaraka amin-dry zareo « Turque » na antsoina ny hoe AKSAF eny Ambohimanambola. Efa afaka

Page 23: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

21

miasa zato isan-jato izy io amin’izao fotoana izao raha tamin’ny 2 volana lasa no nisy an’iny loza iny. Efa “beau gosse” tanteraka izy ao na mbola « en phase d’essai » aza. Ho avy atsy ho atsy ihany koa ny « autorisation d’exploitation » ahafahany miasa tanteraka ary efa tena “moderne” sy raitra ny toerana misy azy. Raha ho an’Antananarivo manokana no resahana, ny fisian’ireo telo ireo no nialana tamin’ny famokarana zato isan-jato « diesel » tao anatin’ny fotoana maromaro izay nandritra ny « transition politique ». Amin’izao fotoana izao isika, efa miverina amin’ny famokarana herinaratra antsoina hoe “thermique”, ka « gasoil » no nampiasaina amin’izany. Hitantsika tamin’ny voalohan’ny taona, fa fantiantoka ho an’ny JIRAMA ny fomba fividianana azy ary efa nahitsy tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Tombony iray amin’ny tolobidy izay satria tsy mividy 1 000 Ariary ambonin’ny « prix à la pompe » intsony ny JIRAMA tamin’ny vidin’ny « gasoil » tamin’ny fotoan’androny. Amin’izao, efa ambanin’ny “prix à la pompe” ny tolobidy natao hoe : ireo manome, raha ambony indrindra, izany hoe izay manome votsibidy betsaka indrindra no raisina mba hisian’ny fifaninana. Tsy haiko izay misy amin’izao fotoana izao, fa miovaova araka ny vidin’ny solika eny amin’ny “pompe” no vidiny ; fa amin’ny ankapobeny aloha, ambany lavitra noho ny vidiny eny amin’ny fividianana azy ny eny amin’ny “pompe” izay ividianan’ny JIRAMA ny “gasoil” amin’izao fotoana izao. Tsy izay ihany anefa no tombony azo, fa noho ny “transition politique” nampiharina dia “technologie” vaovao no ampiasaina, ka nanao ny antsoina hoe : “transition énergétique” isika. Miala amin’ny “gasoil” isika dia mankany amin’ny “fuel lourd” na ny HFO araka ny teny Anglisy ; manodidina ny antsasaky ny vidin’ny “gasoil” no vidin’ny HFO iray litatra. Hitantsika amin’izany ny tombony azo avy amin’ny fifindrana amin’izay safidy vaovao izay. Farany, ny tombony azo aminy koa dia ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny vidin’ny herinaratra sy ny “planification”. Araka ny tatitra natao teo, ny “planification” sy ny “tarification”, tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny ORE amin’izao fotoana izao ary ny ARELEC rehefa lany soa aman-tsara sy hampiharina ity lalàna ity. Araka ny voalazan’ny tatitra teo, mizara zanadoha-teny 11 ary misy “articles 107” ity lalàna rehefa any amin’ny “version” farany. Efa eny am-pela-tànantsika ny volavolan-dalàna, ka hovakiako amin’ny teny frantsay satria somary teknika be loatra ny zavatra ao anatiny. Titre I : Des Définitions et Dispositions Générales. Titre II : Des Energies Renouvelables Titre III : Des Régimes Applicables à la Production, au Transport et à la Distribution. Izay no famaritana ireo sehatra telo ao anatin’ny famokarana herinaratra. Tsara raha faritana manokana ny zavatra vaovao ao anatiny, misy ny “de l’autoproduction” ; fahadimy , « des licences de fournitures »; ireo no anisan’ny zava-baovao amin’ny asa. Nampidirina ihany koa ny “notion” manao hoe : “de l’efficacité énergétique et du stockage”. Fahafito, « de l’autorité de régulation » na ny antsoina hoe ARELEC. Fahavalo, « de l’électrification rurale » izay tsy noresahana tamin’ny lalàna teo aloha.

Page 24: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

22

Marihako eto fa io no tena fanamby goavana indrindra ho an’ny fitondram-panjakana satria latsaka dia latsaka ary tena mbola latsaka isika amin’ny “taux de pénétration de l’électricité” any ambanivohitra izay tsy misy afa-tsy 6% monja ho an’ny mponina eny ambanivohitra no mahazo herinaratra moderina amin’izao fotoana izao. Noho izany, misy ezaka goavana tsy maintsy atao mikasika izany. Izay no antony anamboarana sy ampivoarana izay asa izay. Handray sahady ny volavolan-dalàna iray momba ny “Fonds National de l’Energie Durable” izay ahafahana mamatsy ity « électrification rurale » ity isika. Ao amin’ny « Titre IX : De la Règlementation des Tarifs »; na iza na iza hiteny hoe alalaho izany. Angamba tsy mbola amin’izao fotoana izao no ahafahana milaza ny fanalalahana izany araka ny tsena satria ny vokatra avy amin’ny mpamokatra sy ny tinadin’ny mpividy no amerana ny vidin’ny herinaratra. Tsy misy firenena manao an’izany rahateo, ka isika indray ve no hiana-kendry hamoromporona zavatra hafa izay mety hanahirana antsika. Zava-baovao izay kanefa mety hanahirana ny fampiharana azy avy eo; na aiza na aiza eto ambonin’ny tany, tsy misy an’izany “liberté de prix de fixation de l’électricité” izany, fa « réglementer » daholo ny « tarif ». Eo rahateo ny “Autorité de Régulation de l’Electricité” izay mijery ny tsy hahafaty ny reniny ary tsy hambotry ny zanany, izay ny mpanjifa no tiana lazaina amin’izany. Marihina fa hampifandrindra ny famokarana jiro sy ny fivarotana jiro ataon’ny JIRAMA no atao amin’izao fotoana izao, saingy miantoka ny famokarana sy ny fitaterana ary ny fitsinjarana amin’ny ankapobeny. Tsy afaka hiteny mihitsy isika hoe ampiakaro hatrany ny vidin’ny herin-jiro any amin’ny mpanjifa, fa tsy maintsy atao kosa ny « transition énergétique ». Hampidina ny sarany entina mamokatra isika mba hifanojo amin’ny vidiny ivarotana azy ka tsy hahafatiantoka ny JIRAMA raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Titre X : « De la Surveillance, du Contrôle et des Sanctions ». Satria ny « Autorité de Régulation », hanana fahefana hanasazy ihany koa, ankoatra ny fanaraha-maso izy. Tahaka ny lalàna rehetra teo aloha, tsy maintsy misy ny “dispositions transitoires” mikasika ity lalàna vaovao ity. Andriamatoa Filoha, izay no mikasika an’iny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 « portant code de l’électricité à Madagasar » iny. Fotoana iray ihany no andinihina sy handaniana ireto volavolan-dalàna roa ireto; ka holazaiko amin’ny ambangovangony hoe nahoana no nanao lalàna vaovao momba ny resaka “Fonds National de l’Energie Durable” koa isika. Araka ny efa nohazavaiko teo, famatsiana ho an’ny “électrification rurale” no nandraisana ity lalàna ity, mba hampisy mangarahara sy fifampitokisana eo amin’ny olona rehetra handray anjara sy hikirakira azy ity, indrindra amin’ny famatsiana ara-bola satria misy pitsopitsony amin’ny lafiny “administrative et financière” izay zavatra izay na eo amin’ny fomba famoahana vola fotsiny aza. Araka ity lalàna ity, hisy ny “disposition d’exécution finacière” izay tsy tiana havesatra loatra ohatra ny nataon’ny ADER. Tsy maintsy manaraka ireo pitsopitsony amin’ny fandaniam-bolam-panjakana isika mba hananana ny fomba fandaniam-bola manara-penitra kanefa hotsorina ny fikajiana azy.

Page 25: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

23

Faharoa, mba ahafahan’ireo mpamatsy vola, indrindra ireo « partenaire technique et financier » avy any ivelany, toy ny “Banque Mondiale”, ny “Union Européenne” sy ny PNUD ary ny BAD izay mandrotsaka vola hamatsiana ny « électrification rurale » izay tsy natoky ny ADER mihitsy amin’izao fotoana izao, noho izay fahatarana izay satria ny anjarantsika fanjakana Malagasy eo amin’ny hoenti-manana dia tena tara be ary indraindray aza, aman-taonany mihitsy vao misy vola entina manao ny « contre-partie » avy amintsika Malagasy. Izay no antony nanaovana ity lalàna ity, mba hananana an’io “fonds” io mba hampitomboana ny kitapom-bola. Ezahana koa ny hisian’ny mangarahara, hoy aho teo, ary hatao tsotra ny fomba fiasa amin’izany. Araka ny fanitsiana nentina teo, ireo mpiantsehatra manana tetikasa ka voatazona ny tetikasany no nofidiana hanatanteraka ny asa ary afaka mangataka famatsiana ao anatin’io « fonds » io izy amin’izay fotoana izay. Matetika, ny fangatahana no lasa aloha izay vao miroso amin’ny fanatanterahana ny asa; na izany aza, “formelement” no atao rehefa mahazo an’io tsena io izy mba hanatanterahany ny tetikasany. Afaka mangataka sy omena famatsiana amin’ny alalan’ity “fonds” ity ny mpanatanteraka ny asa amin’izay fotoana izay. Misokatra kokoa ny fanatanterahana io famatsiana io ary indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa momba ny herinaratra eny ambanivohitra. Andriamatoa Filoha, izay no famelabelarana tamin’ny ambangovangony momba ireo volavolan-dalàna roa ireo ary angatahana ny fandanianareo, zokibe sy anabavy ary rahalahy ato amin’ny Antenimierampirenena azy ireo. Misaotra indrindra tamin’ny nanaovanareo lohalaharana tamin’ny lalàna rehetra naroson’ny Governemanta, indrindra ireto volavolan-dalàna roa ireto satria tsapanareo ny hetahetanay mba ahafahanay miasa dieny izao raha vao lany ao anatin’ny iray volana na iray volana sy tapany eo miampy ny “promulgation”-n’izy ireto. Azo ampiharina eo noho eo ity lalàna ity satria anisan’ny andrasan’ny olona rehetra mpiantsehatra momba ny angovo tokoa. Hananantsika famatsiana ary eto aho dia efa milaza mialoha sahady fa hamahantsika tanteraka izay olana mety hiseho amin’ny fahatapahan-jiro sy famatsiana jiro, mba tsy hisy intsony izany fa hatelin’ny tantara anie ny “vocabulaire” hoe “délestage” izany; tahaka ny tsy fisian’izany intsony eto Antananarivo amin’izao fotoana izao satria efa nalevina tamin’ny 12 Febroary ny “délestage” teto Antananarivo. Momba ny fahatapahan-jiro misy eto amin’ny faritr’Antananarivo raha izay no resahana, noho ny tsy fahazakan’ny fitaovana misy amin’izao fotoana izao no antony. Ireo mpanjifa sy mpampiasa jiro; avahako tsara fa ireo misoratra ara-dalàna ao amin’ny JIRAMA no mpanjifany, fa ireo mpampiasa jiro manao “branchement parallèle” izay miteraka ireny fahatapahana ireny kosa tsy mpanjifany. Ny fitambaran’ireo no miteraka ireny fahatapahana ireny ary mahatonga ny fahasimban’ny fitaovana. Amin’izao fotoana izao, tsy afaka mametra mihitsy isika hoe andao hosoloina firy “KV” io “transforamateur” io satria na ny JIRAMA aza tsy mahafantatra mihitsy izay tena filana any anatin’ireny “quartier” ireny raha tsy hilaza afa-tsy ireo ahitana olana matetika isika. Tsy hanonona “quartier” aho satria sao hanafintohina ny mpiara-belona izany. Maro ireo “quartiers” eto andrenivohitra efa tsy fantatra intsony hoe firy marina no fandaniana ao anatiny. Miteraka fantiantoka an’arivony tapitrisa ariary ho an’ny JIRAMA izany.

Page 26: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

24

Hamaranako azy, misaotra manokana anareo Birao Maharitra, tarihin’Andriamatoa Filoha aho eto satria nomenareo voninahitra izahay ato amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Angovo ary ny Akoran’afo; ny tenanao mihitsy Andriamatoa Filoha no tonga mitantana ity “séance plénière” ity. Mamerina ny fisaorana ho anao; Andriamatoa Filoha, toy izany koa ianareo Solombavambahoaka rehetra. Mangataka anareo mba handany ity volavolan-dalàna ity, izay ho tombotsoa ambonin’ny firenena ka ahafahana mampandroso azy haingana. Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy.

- Tehaka –

- 8 - - Adihevitra ankapobeny -

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, izahay, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanampim-panazavana nentinao teo. Maha te-hidera mihitsy ny fomba firesakao amin’ireto rahalahy sy anabavy Solombavambahoaka ireto. Voalohany, nanome voninahitra sy ny fanajana anay ianao tamin’ny fijoroana nataonao teo na efa nomen-dalana hipetraka aza ianao mbola nijoro ihany. Teo ihany koa ny filazanao fa « beau gosse » ny Solombavambahoaka izay hita fa tena « beau gosse » tokoa ny Solombavambahoaka lehilahy; eo ihany koa ny Solombavambahoaka vehivavy, hita fa tsara tarehy ihany koa. Isaorana anao izany, Andriamatoa Minisitra. Zava-dehibe aminay tokoa izany ka ankasitrahanay, Andriamatoa Minisitra. Heveriko fa hampahery sy hampazoto ny Solombavambahoaka amin’ny fandinihana sy ny fandraisana ny fanapahan-kevitra ary ho tombotsoan’ny firenena araka izay voalazanao teo. Misaotra indrindra. Araraotiko eto ny miarahaba anareo eny ambony. Miangavy anareo ato amin’ny ilany ato mba hitsangana satria fivoariambe azon’ny besinimaro atrehana ity fivoriana ity. Tonga eto ianareo olom-pirenena. Isaorana ianareo ary izany tokoa no tokony ho izy mba mamantatra hoe inona no zavatra atao ato amin’ny Antenimierampirenena, mba ahafahanareo milaza amin’ny vahoaka any amin’ny toerana niavianareo any. Isaorana ianareo amin’izany ary omena alalana ianareo hipetraka. Izay no izy fa hiroso amin’ny fandraisam-pitenenana isika. Tonga eto amiko eto ny fangataham-pitenenana avy amin’ny Solombavambahoaka ka ny Solombavambahoaka laharana faha-133, Andriamatoa RAZANAKOTO, avy any Andramasina no mamaky lay amin’ny fandraisam-pitenenana. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka.

Page 27: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

25

Miangavay antsika Solombavambahoaka mba hangina, Tompoko, fa ireto no fangataham-pitenenana nataonareo ary omena fitenenana araka ny filaharana ny fandraisana izany. Omena fitenenana ianao, Andriamatoa Solombavambahoaka, laharana faha-133. Ento ny fitenenanao, Tompoko. Andriamatoa RAZANAKOTO Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anao sy ireo mpiara-miasa aminao ao amin’ny Birao Maharitra. Miarahaba antsika Solombavambahoaka tonga manatrika ity fotoana ity. Miarahaba anao Andriamatoa Minisitra sy ireo mpira-miasa aminao. Andriamatoa Filoha, iarahantsika mahalala fa any Andramasina no misy ny Farihin’i Tsiazompaniry izay mamatsy rano an’Antananarivo ary mamatsy jiro ny faritra maro eto Madagasikara. Mamakivaky ny Distrikan’Andramasina ny “réseaux”-n’ny JIRAMA. Misy toerana sasany ametrahana “transformateur” ka tonga dia mahazo jiro ary ny fahitanay an’izany zavatra izany no nahatonga anay nametraka fangatahana tany amin’ny ADER. Mipetraka any ny fangatahanay ary maro izany fangatahana izany. Nivezivezy teo foana izay zavatra izay. Kivy tanteraka no niafaranay satria hatramin’izao, tsy misy valiny ireny fangatahana ireny. Tonga angamba ny fotoana satria efa misy an’ireto lalàna ireto, mino izahay fa hojerena manokana ny fangatahan’ny vahoakan’Andramasina amin’ny fampidirana jiro amin’iny faritra misy anay iny. Ity mantsy no tena mampalahelo: raha tany aminay ny Filohampirenena tamin’ny taona 2015, nampanantena izy fa hampiditra jiro amin’ny toerana iray ary hampidirina tsy ho ela, hoy izy, ny jiro kanefa mandraka ity ny androany, tsy misy valiny izany. Indreo ianareo, efa voatendry ny Sekretera mpanatanteraka, nisy koa ity lalàna vaovao ity; mino sy manantena izahay fa ho tanteraka ny fanirian’ny vahoakan’Andramasina. Manainga antsika Solombavambahoaka ny tenako eto satria rehefa tena nandinika an’ity lalàna ity aho; hita tokoa fa misy tombotsoa ho an’i Madagasikara sy ho an’ny vahoaka Malagasy izy ireto. Koa manainga antsika handany azy ary manantena antsika rehetra hiara-hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra ka handany azy. Misaotra Tompoko. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot, laharana faha-88, avy any Fenoarivobe. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka.

Page 28: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

26

Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy. Tena hitondra fanovàna lehibe amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara ary inoana fa hitondra fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, Andriamatoa Minisitra ity lalàna ity. Alohan’izany, holanianay izy ity, fa na izany aza, Andriamatoa Minisitra, manararaotra amin’ny fahatongavanao eto amin’ny Antenimierampirenena satria misy tohodrano ao Voloho, izay vatsian’ny Banky Sinoa ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Morarano, Marotampona, Distrikan’i Fenoarivobe; misy ifandraisany amin’ny Kaominina Totohazo, Distrikan’Ankazobe sy ny Kaominin’i Miantso. Miteraka resabe izy io “projet présidentiel” io, Andriamatoa Minisitra, satria miakatra 28 metatra ny hahavon’ny rano, “normal” ny hahavon’ny rano hanatanterahana an’io. Noho izany, hisy tanimbary aman’aliny hekitara angamba no ho dibo-drano amin’izany. Tsy manohitra an’izany izahay, Andriamatoa Minisitra, fa araka ny resaka mandeha, hamatsiana jiro an’Antananarivo izy io, ka ho maizina ampototry ny mazava izahay satria lalovan’ny fahazavana anefa tsy mahita akory. Mba mangataka aminao, Andriamatoa Minisitra, amin’ny hamatsianareo anay. Efa manomboka ny asa ary efa mandeha ny “installation de chantier” an’ireto Kaominina ireto: Kaominina Morarano Marotampona, Distrikan’i Fenoarivobe; Kaominina Firavahana, izay tsy lavitra an’io toerana io ary anisan’ny manana tanimbary voakasika koa ary indrindra, mba ataovy mazava tsara, Andriamatoa Minisitra, ny fifanarahan’ireo amin’ireo mpanao asa sy ny fomba fandoavana onitra amin’ny fahasimban’ny tanimbarin’ny olona satria manamorona an’io toerana io, amin’iny ranon’Ikopa iny ny tanimbarin’ny olona ka lasa tsy hanan-kohanina izy ireo raha tsy ataonareo mazava tsara ny fifanarahana amin’ireo. Hiteraka resabe izany, ka hanahirana satria somary mandratsy endrika ihany kanefa zava-dehibe tahak’izany no ho tanterahina eto amin’ny firenena. Faharoa, manararaotra ihany koa Andriamatoa Sekretera Mpanatanteraky ny ADER: manao ahoana ny fandehan’ny tetikasanareo izay efa ela tokoa na mikasika ny tohodrano ao Kimpantsy, ao amin’ny Kaominina Firavahana izay efa lasa ho Kaominin’i Mangantany izy amin’izao, fa raha tamin’ny fotoana nifanatonana no nilazanareo hoe: misy mitrandraka volamena ao amin’ny rano izay tsy mety raha ny ara-teknika no jerena satria lasa ao anatin’ny rano izay tokony hahazoana ny “chutte” ny hahavony hany ka lasa mihena ny “débit”-n’ny rano. Rehefa nandeha nijery tany ny tenako niaraka tamin’ny Ben’ny Tanàna, tsikaritra fa ohatran’ny azo hajariana ihany ny toerana, Andriamatoa Sekretera Mpanatanteraka. Tokony hataonareo izany satria afaka mamatsy tanàna maromaro izany ary ao anatin’ny politikam-panjakana rahateo ny fanapariahana ireny herin-jiro azo havaozina ireny. Farany, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA: 84 KW no vatsian’ny JIRAMA ao amin’ny renivohitry ny Distrikan’i Fenoarivobe ary “groupes” telo izay efa tsotsofina mihitsy sy tondrahana rano isaky ny mandeha. Tsy mba manana vinavina ve ianareo, satria mitombo hatrany ny filan’ny mpanjifa ary misy ihany koa ireo renivohitry ny Distrika izay te-hisitraka

Page 29: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

27

izany. Koa mba ampitomboinareo, Tompoko, io 84 KW io. Raha oharina tamin’ny nitokananao ny tany Belobaka, Andriamatoa Minisitra, Kaominina kely misy mponina miisa 4 000 eo ho eo, raha oharina amin’ny renivohitry ny Distrika izay misy mponina aman’alina satria 100 KW, raha tsy diso aho no notokananao tany. Isaorana ny fitondram-panjakana momba ny renivohitry ny Distrika satria 84 KW ihany no mamatsy ao. Koa miangavy ny hanavaozana ny fitaovana ao izahay na mangataka “groupe” mihitsy, Andriamatoa Minisitra, satria tamin’ny andron’ny Amiraly Didier RATSIRAKA no nisy “groupe” farany tonga tany; ireo foana no kojakojaina ao ary efa tondrahana rano isaky ny mandeha. Misaotra, Andriamatoa Minisitra. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisana fitenenana. Heveriko fa voarain’Andriamatoa Minisitra sy ireo tomponandraikitra ambony ny hafatra nalefanao teo. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-87, Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges Misaotra Andriamatoa Filoha. Voalohany, miarahaba anareo “delegation” matanjaka sy tanora, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra tanora sady matanjaka be sy mahafinaritra be. Mahafinaritra izy rehefa mitsiky ary mahafinaritra ohatra ny asa ataony ihany koa izany. Alohan’ny hitenenako, na inona na inona resaka, miangavy ny rehetra ny tenako mba handany an’ity volavolan-dalàna ity. Holaniana satria mila jiro sy fahazavana ny vahoaka Malagasy. Andriamatoa Minisitra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA, alohan’ny tena hitenenako, misy olana be loatra ny jironay ao Antsirabe, momba ny “Triple A”. Raha ohatra ka tsy fahotana mahafaty, mba itadiavo vahaolana ihany fa afaka mandoa jiro daholo ny olona; voaloa ny jiro ka mba alefaso satria simba ary maty daholo ny rononon’ny vahoaka. Tsy asiantsika resaka iny, fa izay fotsiny no mba teniko satria efa voaloa ny vidin-jiro. Faharoa, mikasika ny ARELEC izay voatonona tato anatin’ity zavatra ity. Mangataka ny famaritana ny atao hoe ARELEC satria tsy fantatra izy io; “groupe” ve izy io sa inona. Tsara fantarina izany ry vahoaka Malagasy. Iza avy izy ireo, orinasa ve izy io; firy taona no fotoam-piasany. Nisy ny EEM, niditra ny SEM na ny “Société d’Energie de Madagascar” ary ny ADER indray ireo no mamatsy anay any ambanivohitra any. Ny zavatra apetraka, iza marina no tena tomponandraikitra ary inona marina no tena izy satria ohatra ny maheno zavatra hafahafa

Page 30: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

28

aho raha nandeha tany Farahantsana tamin’ny Alatsinainy. Tiako hazava eto ireo zavatra ireo satria zara aza mba misy an’ity. Iza ny ADER ary iza koa ny orinasa Italiana manao asa mitovy aminy. Sao sanatria lahy ka ifaninanana ity zavatry ity rehefa avy eo. Sao hifanohy amin’ny diabe nataontsika tany Italia raha hanao ny asa, fa ohatran’ny hoe hiala ny ADER; milaza ireo olona miasa ao fa tsy ny ADER intsony no miasa ao Farahantsana fa io orinasa Italiana TOZZIGREEN io. Fahatelo, mikasika ny SEM na ny ADER ihany no tiako tenenina, momba ny “électrification rurale”. Tamin’io no nisian’ny “Energie II”, haintsika tsara izany. Hatramin’izay, Andriamatoa Minisitra, manomboka any aminay, any Arivonimamo hatreo Imeritsiatosika. Izany hoe miditra mankany amin’ny ilany atsimo iny na amin’ny ilany avaratra ka mankany Faharetana, mankany Morarano amin’ny ilany Atsimo, mankany amin’ny “Cur” mianatsimo any. Misy ny “poteau” ary tonga ny Jiro, fa tsy hita izay nalehan’ny “compteur” mandraka ity ny androany. Mangataka izahay, aleo mba apetraka ny “compteur”-n’olona, ny zavatra rehetra efa mipetraka eny amin’ny tranony kanefa tsy misy “compteur”. Izany hoe tany amin’ny “mandat”-ko fahafiry izany, hatramin’izao mbola tsy mipetraka kanefa efa akaiky ho rava ity mandat” manaraka. Manaraka izay, mikasika ny Faharetana. Tamin’ny taona 2007 no efa nieritreretana ny ny nanaovana vato fehizoro an’i Faharetana. Nifanarahanay tamin’izay; mbola tao amin’ny Minisiteran’ny Tetibola angamba ianao, Andriamatoa Minisitra tamin’izany, fa hamatsy ny andrefan’Iarivo manontolo sy Itasy no nifanarahan’ny Solombavambahoaka, nanao sonia tamin’izany, i Farahantsana no noresahana tamin’izany. Gaga anefa izahay ankehitriny, ohatran’ny nolazain’ny teo aloha momba an’i Fenoarivobe ihany, toa nivily ny fiara, lasa any Ambohidratrimo irery fa nianjaka Arivonimamo kanefa ao anatin’ny Distrikan’Arivonimamo no misy an’i Farahantsana. Izany hoe tsy hanana na inona na inona mihitsy izahay kanefa izahay no niady ny fanaovana sonia nampidirana an’i Farahantsana tamin’ny taona 2007. Noho izany, mangataka, Andriamatoa Minisitra sy Andriamatoa Tale Jeneraly ny mba hijerana an’izay. Andriamatoa Filoha, nalefanao namonjy fivoriana tany “Bruxelles” izahay, mikasika ny angovo azo havaozina no naleha tany. Mba te-hanontany ihany izahay satria ny Filoha Lefitra eo akaikinao no tena niady sy nandray “micro” tamin’izany; nivazavaza mihitsy izy tamin’izany ary nivoaka ihany ny marina fa nahazo vola be ny Afrikana hanaovana ity angovo azo havaozina ity. Mba te-hahafantatra izahay hoe: ohatrinona no azontsika tamin’ny “Union Européenne” satria efa tapaka mihitsy io izay vao niala tany izahay. Ahoana ianareo ao amin’ny Minisitera tamin’izay satria tamin’ny herin-taona izy io. Andriamatoa Minisitra BORLO no nitarika anay tamin’izay. Farany, ho an’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA vaovao. Mahafinaritra ary faly miarahaba anao izahay, tena mahery fo tokoa ianao. Betsaka ny trosan’Arivonimamo ao amin’ny JIRAMA amin’ity resaka “redevance” ity. Milaza aminao aho sady mitaraina, Andriamatoa Minisitra, satria tany amin’ny Repoblika Voalohany no nisian’izany jiron’Arivonimamo izany. Izany hoe tao io jiro io, rehefa miditra any an’ala ianao dia mahita an’ireny ramanavy mihantona ireny. Ohatran’ireny ny jiron’Arivonimamo; sady tsy misy tahony ny “ampoule”, tsy azo raisana intsony fa mety hianjera kanefa ny volanay any

Page 31: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

29

amin’ny JIRAMA marobe. Efa notakiana izy io, izaho mihitsy no nitaky; misolo foana ny Minisitra sy ny Tale Jeneraly; ohatran’ny manao sangodim-panina ka tsy hita intsony izay alehany. Tena angatahanay ny hamerenana ny jiron’Arivonimamo satria efa tsy izy intsony, menatra izahay raha mijery an’ireny tahon-jiro ireny. Jerenao, ohatran’ireny ramanavy ireny, tsofin’ny rivotra dia mianjera, apetaka ny “ampoule” dia mianjera satria tsy misy tahony intsony. Tamin’ny andron’ny Minisitra Abdon ANDRIAMIRADO no nisian’izany voalohany. Izay angamba no azo tenenina, Andriamatoa Minisitra. Mino sy manantena izahay fa ho lany, tsy misy na inona na inona ity. Miangavy izahay ny hanatanterahana izay voalaza teo. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka, RANDRIAMAHEFA Henri Charles, voafidy tao Moramanga; mitondra ny laharana faha-90. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles Misaotra, Andrimatoa Filoha. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo “staff” maro be miara-dia aminao. Andriamatoa Minisitra, tsara sy mampilendalenda ny zavatra nohazavainao teo. Hita tokoa fa rariny sy hitsiny raha mitondra ireo “staff” marobe ireo ianao satria tena mifanaraka amin’ny toetr’andro ity « code de l’électricité à Madagascar » ity. Eo anatrehan’izany, handany an’ity aho ary hitaona ny namako handany azy saingy misy ihany fanontaniana tiako hapetraka. Voalohany, mikasika ny PAGOSE, nahazo “65 Millions de Dollars” tamin’ny Banky Iraisam-pirenena isika mba hoentina hividianana “compteurs” sy “transformateurs” ary hanaovana foto-drafitrasa “hydroélectrique” eto amintsika mba hanatsarana ireo fitaovana isan-karazany ao amin’ny JIRAMA. Mikasika an’io zavatra io no saika hanontaniako hoe: manao ahoana ny fipetrak’io. Efa “effectif” ve ary efa mandeha tsara ve ny fampiasana an’io vola io eto Madagasikara, indrindra ao amin’ny JIRAMA satria izy no tena voakasik’io. Ireo no fanontaniana. Faharoa, mikasika ny resaka “transition énergétique” izay nolazainao teo. Tsara izany satria manome malalaka ny mpandraharaha rehetra te-hamokatra herinaratra; ao anatin’izany ny angovo azo havaozina, ny “éolienne”, ny “énergie solaire” sy “biomas” ary ny nolazainao teo koa hoe ny “énergie alternative”. Tsara tokoa izany io fa ohatra ny te-hiangavy an’Andriamatoa Minisitra, asa raha tokony hisy “table ronde” aorian’ny fahalanian’ity volavolan-dalàna ity. Marina fa misy politika nasionalin’ny angovo eto amintsika, fa ny fomba hanatanterahana azy no mety ho olana satria ohatra ny any « La Réunion » izao, betsaka ny momba ny « énergie éolienne », tokony ho betsaka koa ny faritra asiana an’izany eto Madagasikara.

Page 32: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

30

Efa maro izao ny mivarotra ny kojakoja mikasika ny “énergie solaire” eto Madagasikara, betsaka ny Kaominina tokony hanana an’ireny zavatra ireny, fa eo amin’ny torolalana na torohevitra hoe aiza no ahitana ny mikasika azy io mba ahafahantsika mampivoatra sy miala amin’ny 6%, araka ny voalazan’Andriamatoa Minisitra teo. Mba miditra amin’ny tena politikan’ny angovo manerana an’i Madagasikara isika satria misy ny olana. Efa saika voavaha daholo izao ny olana ato anatin’ity lalàna ity. Efa misy an’ity ARELEC ity; koa mino aho fa handeha tsara amin’izay satria ity “code” ity izao no baiboly hoentintsika, hoentinareo hiasa. Tsara izy ity fa amin’ny fanatanterahana azy sy ny fomba hahitana vola hamatsiana ireny manerana an’i Madagasikara no mety ho olana; tokony hitovy tantana daholo ny Kaominina rehetra. Izay no mba apetrako, Andriamatoa Minisitra, fa izaho dia vonona handany azy ireto. Misaotra, Andriamatoa Minisitra. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Omena fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka voafidy tao Maroantsetra, Andriamatoa DINAH Romuald, laharana faha-14. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa DINAH Romuald Miarahaba anao Andriamatoa Filoha sy ny Solombavambahoaka namana. Miarahaba ihany koa an’Andriamatoa Minisitra sy ny delegasiona miaraka aminy. Rariny dia rariny ary isaorana ianao, Andriamatoa Minisitra sy ny ekipa miaraka aminao sy ny ao amin’ny JIRAMA amin’ity zavatra ity satria iaraha-mahalala fa tena iankinan’ny fiainam-bahoaka ity resaka herinaratra ity. Tsapa izany na eo amin’ny fanorenana orinasa madinika sy salantsalany na lehibe raha tsy misy herinaratra, tsy ho tafavoaka izany. Raha tsy ara-dalàna izany herinaratra izany dia tsy tafavoaka izany. Raha midangana koa ny vidiny, tsy tafavoaka ihany. Eo anatrehan’izay, ny fiainam-bahoaka, manomboka amin’ny vahoaka tsotra ka hatramin’ny faratampony amin’ny lafim-piainana; mila an’ity ihany koa satria iankinan’ny fampidiram-bola ao antokan-trano izay iarahantsika mahalala. Ny asan-dahalo, raha maizina ny tanàna, mahery ny asan-dahalo satria ao amin’ny aizina no ahavitany an’izany rehetra izany. Rariny ary isaorana ianareo amin’ny finiavanareo nanao an’ity zavatra ity ary handany azy izahay satria ilaina tokoa izany. Etsy andaniny, ny zava-misy Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminareo akaiky, mbola misy olana kely. Ohatra: ao Maroantsetra, mety misy Distrika hafa ihany koa ohatran’izay. Ao Maroantsetra, misy ny angovo azo havaozina fa ny olana, mbola tapaka ny jiro. Araka ny notenin’ny teknisiana hoe: midina, hono, ny herin’ny renirano izay

Page 33: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

31

itrandrahana an’io herinaratra io ka lasa tapatapaka ny jiro satria tsy maha tafavoaka izay tokony ho ilaina ny renirano. Izay no olana voalohany. Ny olana faharoa, maro ny olona te-hanjifa ny herinaratra kanefa tsy maharaka ny JIRAMA. Raha anontaniana ny tomponandraikitra ao aminy, mamaly ry zareo hoe: tsy manana “compteur” sy ny pitsopitsony izay ilaina amin’izany, hono. Fanampin’izay, ny olona efa nandoa ny sarany izay voasoratra tao anaty “devis” tao anatin’ny iray taona, roa taona, telo taona, mbola tsy tafiditra ao antokan-trano ihany ny herinaratra kanefa efa voaloan’ny olona daholo ny vola rehetra ilaina, tsy misy “compteur”, tsy misy “fil” araka ny filazan-dry zareo. Izay no olana satria raha ny Distrikan’i Maroantsetra, efa angovo azo havaozina no tokony hampiasaina. Raha ohatra ka naharaka izy, nampidi-bola be tao amin’ny JIRAMA satria maro ny te-hanjifa fa izy no tsy maharaka. Noho izany, mandroso soso-kevitra izaho, efa noteneniko ity hoe: raha tsy maharaka amin’ny “compteur” sy ny pitsopitsony izay ilaina amin’izany ny JIRAMA, nahoana raha mandeha mifampiraharaha amin’ny mpanam-bola, tenenina aminy hoe: afaka manafatra “compteur” ve ianao, ity no kalitaon’ny “compteur” ilaina, ny “fil” ilainay, ity no toerana fanafaranay azy dia amidy tahaka varotra rehetra. Amin’izay fotoana izay, ny olona te-hanjifa rehefa tsy misy “compteur” ny JIRAMA dia mandeha mifanaraka mividy any amin’ny mpanam-bola izay efa nifanaraka tamin’ny JIRAMA fa hatao ny “facture” arak’izay filan’ny olona ary ny mpiasan’ny JIRAMA ihany no manao “installation” rehetra, mampiditra ny herinaratra mba hialana amin’ny “accident” mety hitranga. Mety hilaza isika hoe: ahoana no hividianan’ny olona “compteur”. Toy izao no soso-kevitra: tafiditry ny olona ny jiro ohatra, jeren’ny JIRAMA ny “facture” nividianany azy tany amin’ny mpanam-bola, ka izay rehetra lanin’io mpanjifa io isam-bolana no atao kajikajy mandra-piverin’ny ny vola nividianany “compteur” sy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izay, tsy mandoa vidin’ny herinaratra izy. Rehefa tapitra ny vola mifanandrify amin’ny “facture” notakian’ny JIRAMA, lasa fananany iny fitaovana iny rehefa avy eo. Izay no soso-kevitra hitako satria maro ny olona te-hanjifa fa tsy maharaka ny JIRAMA kanefa ny mpanjifa no mampidi-bola ho azy. Soso-kevitra iny fa tsy voatery harahina. Mikasika ny angovo azo havaozina, ohatra ny ao Maroantsetra, efa angovo azo havaozina kanefa ny vidin’ny herinaratra 1KWH mbola tsy mifanaraka amin’izay maha angovo azo havaozina azy izay. Ohatr’izany, “tarifair 1.5” izao no mbola iainan’i Maroantsetra amin’izao fotoana izao kanefa tokony ho “tarifaire 1” amin’ny angovo azo havaozina. Izay koa no olana manaraka. Etsy andanin’izay, mikasika ny fandaniana midangana eo amin’ny mpiasan’ny JIRAMA. Toy izao koa ny olana araka ny henonay: ny mpiasan’ny JIRAMA dia henonay hoe tsy mandoa herinaratra kanefa ny zavatra tokony ho fantantsika ao anatin’io, raha izaho no mpiasan’ny JIRAMA, mety mifampiraharaha amin’ny olona hoe alefaso atz ny “congelateur”-nao sy ny “frigidaire”-nao dia atao amin’ny anarako. Mety hisy an’izany eto Madagasikara kanefa tsy fantatsika. Zava-misy daholo izany amintsika Malagasy. Misy koa mampimenomenona ny vahoaka any, tapaka ny jiro kanefa ny “facture” tsy miova hatrany.

Page 34: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

32

Misy koa tranon’olona mikatona mandritra ny roa volana kanefa misy “facture” mivoaka amin’iny volana tsy nampisy olona nipetraka tao an-trano iny. Iza no mandany herinaratra ao, ny voalavo sa inona? Izay no fanontaniana mipetraka. Izay angamba ny ahy, Andriamatoa Minisitra. Misaotra fa ho lanianay ity sady iainana ary iankinan’ny fiainam-bahoaka. Misy fangatahana kely ity, Andriamatoa Minisitra: misy zavatra avy amin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Sekreterany ary ny vahoaka; omena anao sy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA izany, mikasika ny famatsiana jiro ho an’ny lalana na ny arabem-panjakana. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-80, voafidy tao Ambositra, ny Solombavambahoaka RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady avy any Imady. Omena anao ampanajana ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika namana rehetra. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy. Ny voalohan-teny, ohatran’ny somary mba miakatra kely ny “taux d’espérance” fa ho tsara ny fahazavana eto Madagasikara raha mahita an’ity “code de l’électricité” ity. Fomba fiteny ny hoe: vary sy rano, an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao. Eto indray angamba dia hoe: jiro sy ny rano, hatrany an-tsaha tsy mifandao, mitondra fahazavana ao anatin’ny isan-tokan-trano. Betsaka izay efa voalaza teo izay, Andriamatoa Minisitra, fa ho an’Ambositra manokana, misy Kaominina anankiroa efa nametrahanareo jiro, tao koa ny ADER. Ny Kaominina Kianjandrakefona izay efa voatenin’Andriamatoa Praiminisitra tamin’ny nanolotra ny PGE tamin’ny fotoan’androny. Efa tamin’ny taona 2012 no nanomboka ny asa kanefa hatramin’izao, mbola 80% ihany no vita. Toy izany koa ny Kaominina ao Andina. Isaorana ianareo ao amin’ny Minisitera, fa ny ao Ilaka efa mandeha tsara ary tena miteraka famoronan’asa be dia be ao anatin’io, amin’iny RN7 iny. Manaraka, inona no mahatonga ny ao Ambositra ho lafo be ny vidin-jiro. Raha ampitahaina amin’ny Distrika hafa, tena lafo ny ao an-toerana; izany no mahatonga ireo orinasa saika nikatona raha tsy hilaza ny afa-tsy ny AFOMA sy ny namany isika. Tamin’ny fotoan’androny dia nametrahana orinasa lehibe tao, izay natsoina hoe HODIMA, nanamboatra fitaovana vita tamin’ny hoditra. Noho ny tsy fisian’ny herinaratra, nikatona tanteraka izy io efa ho 20 taona izay. Izahay anefa manana “chutte d’eau” matanjaka maromaro ary ny kely indrindra

Page 35: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

33

amin’izany mahatratra “5 Megawatts” ary ny lehibe indrindra hatrany amin’ny “30 Megawatts”. Ao antampon-tanànan’Ambositra anefa tsy mila afa-tsy “1,2 Megawatt”. Raha mba tanteraka izany Dangoro izany, izay mety mahatratra hatrany amin’ny “30 Megawatts”, amin’izay ny Distrikan’Ambositra manontolo no hahazo fahazavana. Koa apetraka aminareo izany mba hahatonga ny “création d’emploi” sy ny fisian’ny orinasa marobe manerana an’i Madagasikara. Izay angamba, Andriamatoa Minisitra. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mankasitraka Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Omena fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-117. Ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle, voafidy teto Antananarivo Renivohitra. Omena anao ampanajana ny fitenenana. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminao. Izao no fanontaniana Andriamatoa Minisitra: mbola azo lazaina hoe “société nationale” ve ny JIRAMA. Izany hoe “société nationale à 100%”. Tamin’ny fiantombohan’ny JIRAMA, tamintsika nahazo fahaleovantena no namorona an’io orinasa io isika. Orinasa nasionaly izy tamin’izany, nanao ny fampiasam-bola rehetra izay nilainy tamin’izay isika kanefa taty aoriana, nanomboka tamin’ny andron’Andriamatoa Didier RATSIRAKA, tonga ny olona nividy fitaovana dia nofain’ny JIRAMA. Tsy nanao fampiasam-bola intsony izy rehefa avy eo. Taty aoriana, nanaraka ny HENRI FRAISE, nividy fitaovana lehibe rehetra izy ary nandoa ny hofan’ireny ny JIRAMA; tsy nanana fahafahana hampiasa vola hividianana fitaovana izay ilainy intsony izy. Rehefa avy eo, tonga koa ny EDELEC sy ny karana rehetra izay nividy fitaovana hofain’ny JIRAMA koa. Rehefa miresaka amin’ny mpiasan’ny JIRAMA hoe: maninona no miakatra be ohatran’izao ny “facture”; mamaly izy hoe: tsy maintsy mandoa ny hofan’ny fitaovana ofain’ny JIRAMA isika ary tsy mahazo asiana fahatarana ny fandoavana azy satria tsy manaiky izy ireo fa izany no fifanarahana natao tamin’ny “secteur privé”. Koa mangataka, Andriamatoa Minisitra, satria izaho no mety tsy mahafantatra, fa mandre an’izany ary tsara angamba ny manararaotra mahita anao manoloana anay eto; mba tantarao anay, ianareo mampividy an’io “secteur privé” io, indrindra fa ny karana izay nanao an’io, lasa mpanan-karena be, avoaka amin’ny fahitalavitra mihitsy hoe: “le premier fortune de Madagascar”; tena nahazo mihitsy ary tena nahavoa be izy tao amin’ny JIRAMA satria nametraka entana ao izy ary manofa izany ny JIRAMA. Ny vahoaka ohatran’ny somary mijaly ihany satria tsy maintsy manenjika ny hofan’ny fitaovana ofain’ny JIRAMA. Mba tantarao anay, Andriamatoa Minisitra, ahoana no tena fandehan’io miaraka amin’ity “code de l’électricité” ity.

Page 36: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

34

Manaraka, ianao niteny hoe: tonga dia horesahana ny “électricité” miaraka amin’ny “fonds national de l’électricité”. Rehefa nojereko ny ao amin’ny “ressources de FNE”, tsy hitako ato mihitsy, tsy fantatro na ankolaka no nametrahana azy, mbola hisy ao amin’ny “loi de finances” amin’ny tetibolantsika ve izany. Indray andro any ve, mbola hisy koa satria ato misy soratra eny amin’ny farany manao hoe: “et toutes autres ressources appropriées”. Mety hisy ve ny tetibolam-panjakana hampidirana, hatao « ressources de FNE » sa tena ireo nolazainareo ireo satria misy “dotation” sy ny “prêt” isan-karazany sy ny sisa avy any ivelany ato. Izay no “ressources”, fa rehefa tena sahirana, moa tsy ho lasa indray hiditra any amin’ny tetibolam-panjakana izany, ohatran’ny anaovana ny tetibola ankehitriny satria rehefa nandinika ny tetibola izahay dia mahita hoe: fanampiana ny JIRAMA, fanampiana ny « Air Mad », “les deux sociétés nationale de Madagascar” izay ampiana hatrany. Mbola hampiana amin’izany koa ve io FNE io sa ahoana. Mba tantarao anay koa izay. Izay Andriamatoa Minisitra no mba tiako ho fantatra, fa tena faly mihitsy izahay satria tonga eto ianao, manararaotra ny maha eto anao, mba lazao anay ny tena marina satria heno foana izany, ka aleonao mba milaza ny marina. Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Heveriko fa misy fanitsiana kely tokony hatao, Andriamatoa Minisitra, amin’ny volavolan-dalàna faharoa, ny hoe laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017 « portant réforme du Fonds National de l’Electricité » miova ho “Fonds National de l’Energie Durable” sa mijanona ho “de l’Electricité” ihany. Ny fanitsiana nataon’ny Mpampakateny mikasika ny tatitra dia momba ny laharana faha-027/2017, ahitsintsika Solombavambahoaka ho “portant réforme de Fonds National de l’Energie Durable”. Andriamatoa Minisitra, samihafa sa manao ahoana, satria tany amin’ny tatitra no nisy an’izay fanitsiana izay. Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’Afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. “Fonds National de l’Electricité” izay fotsiny no lohatenin’ny volavolan-dalàna. Andriamatoa FILOHA Mazava izany. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RASOANOROMALALA Marie Horace, laharana faha-111, voafidy tao Antananarivo faha-6, Ambohimanarina. Ramatoa Filoha Lefitra RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina teo ve mangataka fitenenana sa manao satroka.

Page 37: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

35

Ramatoa RASOANOROMALALA Marie Horace Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Manantitra ny arahaba ho anao. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo teknisianina matanjaka miaraka aminao tonga eto amin’ny Antenimierampirenena. Ny lalàna toy izao dia antenaina fa hisy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka satria tsy hanaonao foana isika, ka lalàna tsy hitondra tombotsoa ho azy no hataontsika. Miezaka ny hanaraka ny fenitry ny namana hoe: handany ny lalàna, saingy misy ny mahararin’ny vahoaka. Efa nanambara izany ny namana teo; tsy aritra ka tsy maintsy ambara ny amin’ny hoe: fitaovana ao amin’ny JIRAMA, ny fampidirana jiro ohatra, ny “compteur” izay voalazan’ny namana teo. Hatramin’ny taona 2012 hono izao no atao kanefa efa taona 2017 isika izao; mbola tsy ao ny “compteur” izay nanaovana fangatahana tamin’ny taona 2012. Mangataka, Andriamatoa Minisitra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA, mba jereo akaiky izany satria misy nanao fangatahana tamin’ny taona 2016 kanefa efa nahazo. Ny tiana ambara amin’izany dia misy mahita lalana ambanin’ny tany ve sa lalana eny amin’ny lanitra sa tsy fantatra. Tokony hojerena manokana, Andriamatoa Minisitra, ny mikasika ny “compteur”-n’ny JIRAMA izay satria tena mampikaikaika ny vahoaka. Tamin’ny taona 2012 ny vola no efa naloa, mandrak’izao mbola tsy nivaly. Faharoa, mikasika ny tariby mitondra herinaratra: efa navoaka tamin’ity efitra ity, tamin’ny fotoana nihaonana tamin’ny Governemanta saingy tsy nahazo valiny mahafapo ny momba izany. Eny aminay, faritra Ambohimanarina iny, Antananarivo faha-VI, ny tariby mitondra herinaratra dia milatsaka amin’ny tany matetika, tamin’ny taona 1960 no nanamboarana farany azy ireny ary mandrak’ankehitriny, mbola tsy nojerena. Tsy mba misy ve hevitra azo anamboarana an’ireny teriby ireny satria loza eo antampon-dohan’ny vahoaka izany. Izay, Andriamatoa Minisitra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA no hetaheta tsy hay notazonina, tsy maintsy ambara aminareo satria raha mijery ny fanatsarana ny herinaratra, ny mitondra azy ireo aloha no tokony hojerena voalohany, loza mananontanona anay eny amin’ny Boriborintany faha-VI ny filatsahan’ireny tariby ireny amin’ny tany. Tsy indray mandeha, fa ao anatin’ny iray volana, tsy maintsy misy tariby milatsaka amin’ny tany foana. Ny hany azo atao, akarina ny tariby ary iny ihany no mipetraka eo, avy eo milatsaka indray. Misaotra Tompoko, nandray izay hetahetan’ny vahoaka avy eny amin’ny Boriborintany faha-VI izay. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisana fitenenana. Omena fitenenana ny Solombavambahoaka laharana faha-60, Ramatoa RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona, izay voafidy tao Manjakandriana.

Page 38: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

36

Ramatoa RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Anterina ny fiarahabana ny vahinintsika eto amin’izao Lapan’ny Antenimierampirenena izao. Ny volavolan-dalàna natolotrareo, Andriamatoa Minisitra, mahavelom-bolo satria misy hoe 6% ho anareo any ambanivohitra ny fanjifana azy ary amin’ny taona 2030, hiakatra 70% izany. Hazava ny any aminay ka hitarika anay amin’ny fandaniana ireto volavolan-dalàna roa ireto izany. Andriamatoa Minisitra, tiana ihany ny hamahavaha kely amin’ny lalàna “portant réforme du FNE” ity, misy milaza ao fa ireto daholo ny vola mety ho azon’ny ADER. Izay no tena mikasika anay, Andriamatoa Minisitra, izahay any ambanivohitra izany. Misy milaza ato hoe: « une contribution spéciale prelevée sur chaque Kilowattheure ». Efa iainanay io amin’ny fakana ny vola any amin’ny JIRAMA. Hararaotiko ny fisian’ny PCA-n’ny JIRAMA sy ny Tale Jeneraliny eto; arahabaina tonga eo amin’ny toerana ianareo ary manantena ny fiaraha-miasa aminareo. Tsimponina ao ny vola sao tsy hita toy ny any amin’ny Kaominina. Ny an’ny Kaominina any ambanivohitra dia misoratra hoe: ohatrinona ny kaontinay. Izao no kaontinareo alaina eny Ambatonakanga na eny Mahavoky; tsy hita anefa izay anaovana ireny kaonty ireny any amin’ny Kaominina, fa zara aza mihodina ny Kaominina any ambanivohitra. Izay, Andriamatoa Tale Jeneraly, Andriamatoa PCA-n’ny JIRAMA, Andriamatoa Minisitra, mba tokony hojerena kely, rehefa tonga marina mihitsy ny “fonds de contribution” alaina any amin’ny “kilowattheure” tsirairay, aoka mba hiasa amin’ny tokony ho izy. Manarak’izay, Manjakandriana no resahana eto. Toerana misy an’i Telomita, misy an’i Mandraka ary an’i Tsiazompaniry. Misy an’ireo tohodrano ireo kanefa toa maizina ampototry ny mazava izahay; Kaominina telo no misy an’ireo, leo be aho Andriamatoa Lehiben’ny ADER rehefa mitondra an’ireo be malabary ireo mankeny aminy aho. Haninona indray, Ramatoa Solombavambahoaka, mikaikaika izahay satria avy any aminay ny jiro, ny “barrage”, nanao ahoana ny momba an’Antanetibe, Andriamatoa Lehiben’ny ADER, efa any daholo ny zava-drehetra, ny anjaran’ny JIRAMA efa natolotra ny Kaominina madiodio, anjaran’ny ADER sisa. Takona izy ka tsy hitany aho, tsy leo be ahy indray izy mahita ahy eto. Farany, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA: efa vita ny “devis”-n’ny olona, efa voaloa ny “facture”-n’ny olona fa miandry. Izay no tiako anontaniana, ny noresahan’ny Solombavambahoaka avy any Moramanga teo hoe: maninona ny PAGOSE; mino aho fa misy « compteur » any aminay, fa iza no « prioritaire » ao anatiny. Mitaraina ny olona hoe: ahoana ihany, Ramatoa Solombavambahoaka. Manao « intervention » any amin’ny JIRAMA izahay kanefa lazaina hoe: andraso aloha, andraso aloha. Izay no mikasika ny « compteur » iasan’ny olona any ambanivohitra. Hararaotiko vetivety eto, Andriamatoa Minisitra, efa eto ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA sy ny tomponandraikitry ny rano: ao Manjakandriana, misy Fokontany miisa 12 tokony hampidirana rano, ny “Wateraid” no mikarakara azy. Nozarainy roa izy io, natao 4 sy 8 ny

Page 39: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

37

Fokontany; aleo aloha handeha ny Fokontany 4 dia manaraka ny Fokontany 8, hatramin’izao, mbola tsy heno izay zavatra nataon’ny “Wateraid”. Farany, aza tezitra ianao, Andriamatoa Solombavambahoakan’i Miarinarivo, fa nantsaka aho tany Miarinarivo, tapaka ny rano tao satria nandalo tany aho dia hoy Andriamatoa Solombavambahoaka hoe: efa hokarakaraina. Matoky an’izay aho, Andriamatoa Solombavambahoaka, matoky an’izay aho, Andriamatoa Minisitra, raha ny rano no resahana. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Omena fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-141, TODY Arnaud. Misy manao satroka. Ramatoa KATHY Misaotra, Andriamatoa Filoha. Sao mba tokony hiverina amin’ny fandaharam-potoana isika, Andriamatoa Filoha. Fandaniana an’ity lalàna ity no hataontsika eto, fa tsy hiteny ny olana any anivon’ny Kaominina; mbola eo ny fihaonana amin’ny Governemanta. Eto izahay dia mangataka amin’Andriamatoa Minisitra sy ny ekipany, mba handray ny Solombavambahoaka tsirairay, fa tokony hiverina amin’ny fandaharam-potoana isika. Misaotra Tompoko. Andriamatoa TODY Arnaud Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy. Satroka Andriamatoa Filoha no voalohany izay vao hiditra amin’ny fandraisam-pitenenana aho. Araraotiko ny miteny azy eto, Andriamatoa Filoha: alahelonay izy ity, horesahanay eto ireto Sefom-pokontany maromaro izay isaorana an’Andriamatoa Filoha manokana nampitsangana azy ireo raha niala avy tany Soanierana-Ivongo ka nandeha taty. Ny mampalahelo, Andriamatoa Filoha, ny “Préfet de Région” any Analanjirofo dia noteren’ny “Adjoint de District” ao Soanierana-Ivongo hisakana ireto Sefom-pokontany ireto tsy hiakatra eto Antananarivo. Nilaza izy hoe: ataovy izay faran’ny mety tsy hiakaran’ireo Sefom-pokontany atz Antananarivo miaraka amin’ny Solombavambahoaka. Ny ahy aloha vao androany, fa ny sasany tsy mbola fantatro.

Page 40: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

38

Izay, Andriamatoa Filoha, fa hiverina amin’ny fandaharam-potoana isika. Inona Andriamatoa Minisitra no vahaolana fohy ezaka horaisintsika mandrapihatran’ity lalàna ity satria hoy Andriamatoa Minisitra: raha ohatra mihatra ity dia ho voavaha ny olana amin’ny “délestage”. Angamba mety mbola ho lavitr’ezaka izay; mbola mitohy hatramin’izao ny resaka “délestage” na inona na inona fomba iresahantsika azy; na eto Antananarivo na any amin’ny faritany, misy fahatapahan-jiro matetika foana, Andriamatoa Minisitra. Aminay vahoaka, “délestage” foana izany, ka inona no vahaolana fohy ezaka horaisintsika mandrapahatongan’izay. Faharoa, misy “acheteur central” na tsy fantatro na “exploitant” no filaza azy. Tsara Andriamatoa Minisitra raha omentsika vahana manokana ny mpampiasa vola eto an-toerana. Ny “exploitant national” fa tsy ny vahiny habosesikantsika eto handeha hividy an’ireny “source énergétique”-ntsika ireny. Fahatelo, raha ampitahaina amin’ity “code” ity, inona amin’izay no andraikitry ny JIRAMA, mitovy amin’ny voalazan’ny namako teo aloha teo ve; inona no andraikitra sahaniny aorian’ny fandaniana an’ity “code” ity. Izay ihany angamba ny ahy, Andriamatoa Minisitra. Misaotra indrindra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Satroka no nataon’ny Solombavambahoaka KATHY teo. Mbola maromaro izy ato hoy ny tsy mahay manisa. Amin’izao fotoana izao, mbola ao anatin’ny adihevitra ankapobeny mikasika ireto volavolan-dalàna ireto isika. Hatreto aloha, izay resaka nandeha teto dia momba ny herinaratra; koa apetraka amintsika ny fanontaniana hoe: hiverina tanteraka amin’ny volavolan-dalàa ve isika, tsy afaka hiresaka ny zava-misy any amin’ny “circonscription” tsirairay ny Solombavambahoaka sa tohizana tahak’izao satria ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia tsy afaka ny handrara ny Solombavambahoaka tsy hiteny raha ohatra zavatra mikasika ny votoatin-draharaha no hotenenina. Mangataka antsika mba hanangan-tànana, ny fanontaniana apetraka dia roa samihafa. Ny fanontaniana voalohany izay mbola tsy valiana izao dia izao manao hoe: atsangano ny tànan’izay milaza ny hitohizan’ny fandraisan’ny Solombavambahoaka fitenenana amin’izao endriny izao. Andraso aloha, mbola tsy manangan-tànana, mbola mampahafantatra ny fanontaniana aloha. Ny fanontaniana faharoa, atsangano ny tànan’izay mitsipaka. Izay maro an’isa amin’io no horaisintsika. Sarotra mantsy ny hiteny hoe: tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana izao zavatra ataontsika izao. Eny ary hapetraka ny fanontaniana: Atsangano ny tànan’izay manaiky ny hitohizan’ny fandraisan’ny Solombavambahoaka fitenenana amin’izao fotoana izao.

- Solombavambahoaka miisa 12 no nanangan-tànana -

Page 41: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

39

Atsangano ny tànan’izay mitsipaka ny fanomezam-pitenenana ny Solombavambahoaka. Ny fanontaniana apetrako eto dia mifanohitra amin’ny fanontaniana teo aloha. Atsangano ny tànan’izay milaza fa ao anatin’ny votoatin’ity lalàna ity ihany no fanontaniana tokony hapetraka.

- Solombavambahoaka miisa 19 no nanangan-tànana - Izay tsy milaza ny heviny.

- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana - Ny dikan’izay, ireto Solombavambahoaka handray fitenenana manaraka ireto, angatahana mba tsy hiala ao anatin’ny votoatin’ny volavolan-dalàna ny fanontaniana izay hapetraka. Tsy hita intsony anie hoe inona no tianareo hatao. Andriamatoa RAVAHIMANANA Guillaume Marie Ubald, ny fanontanianao ve ato anatin’ity sa tsy ato anatiny? Omena anao ampanajana ny fitenenana. Andriamatoa RAVAHIMANANA Guillaume Marie Ubald Andriamatoa Filoha sy ny mpiara-dia aminao; ianareo miaraka amin’ny Minisitra, isika ato amin’ny Antenimierampirenena. Saika hataoko lava ny fitenenana saingy tena tsotra ary fohy anefa mety ho henjana ho an’ireo izay mietritreritra zavatra hafa. Betsaka ny efa voateny teo, fa ny hoteneniko fotsiny, aleo afohezina satria efa holaniana. Rehefa holaniana, ny “décret d’application” no atao izay mahahaingana azy, mba tsy hitenenako firy aminao, Ramatoa Solombavambahoaka, avelako any ny resaka ranon’i Miarinarivo, fa efa miresaka foana izahay hatramin’izao. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana Afoheziko ny teniko, Andriamatoa Filoha. Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, satria ireo delegasiona entinao ireo dia mahavelom-bolo anay amin’ny fandrosoana entinareo. Ny andrasanay Solombavambahoaka dia ny fampiharana azy ity satria raha hijery an’i Sambava manokana, maizina any an-toerana. Farany, Andriamatoa Minisitra: mba handanianay azy ity ary nolazainao teo hoe maka ao, maka ao noho ny fiaraha-miasa tadiavinay aminareo JIRAMA. Ny mampalahelo, tamin’ny andron’ireny jiro tapaka foana ireny, ny vahoaka efa mila hitokona ka izahay

Page 42: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

40

Solombavambahoaka no misakana azy ireo hoe: aza mitokona aloha fa ny antony mahatonga izany, tsy avy amin’ny JIRAMA, fa rehefa tonga Andriamatoa Minisitra ny fanatsarana azy, aoka mba hasiana lanjany ny Solombavambahoaka satria efa mba niady mafy izahay hanao izay tokony hahalany azy ity. Raha mba misy ny reharehan’ny “contrôleur”, ka hampianatra ny vahoaka hanao ny tsy tokony hataony, mba henoy ny Solombavambahoaka. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RAZARANAINA Nomenirina. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RAZARANAINA Nomenirina Mankasitraka anao Andriamatoa Filoha, RAKOTOMAMONJY Jena Max, nanome ny fitenenana. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny delegasiona miaraka aminy. Miarahaba antsika Solombavambahoaka. Fohy dia fohy araka ny voalaza: mangataka fitoniana kely satria somary niakatra isika mianakavy teo. Mankasitraka an’Andriamatoa Minisitra satria 19 taona latsaka telo volana taty aoriana vao nisy “réforme”-n’ny “code” momba ny jiro sy ny rano eto Madagasikara. Tsy manome tsiny ny olona teo aloha izay nodimbiasinao satria resaka lehibe ity araka ny voalaza teo. Tsy ny maha ao anaty “majorité présidentielle” ny tenanay fa ho lany, afaka ambara koa fa ho lany “à l’unanimité” ity lalàna ity. Manarak’izay, hiverina amin’ny voalazan’Andriamatoa Filoha teo aho hoe: tsy mivaona amin’ity resaka lalàna ity ny resaka androany na tapatapaka matetika ny jiro sy rano any Fianarantsoa. Apetrako eo fotsiny izay. Izao no zavamisy, satria “denier public” no ampiasana amin’ny fandaniana rehetra ao anatin’ny herinaratra eto Madagasikara iray manontolo. Nanambara, Andriamatoa Minisitra, teo hoe: novidina 1 000 Ariary mihoatra ny “prix” nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana no nividianantsika tany aloha ny solika; amin’izao fotoana izao, efa ambanin’izany “prix” izany no ividianantsika azy. Izahay mba mahita “piste” lavidavitra kokoa na ataontsika hoe any amin’ny taona 2030 ny ezaka hahatratrarana ny 70%. Aiza ho aiza i Tsimiroro, Andriamatoa Minisitra; ny menaka mavesatra hoe iny no tena vahaolana maharitra hitondra ny herinaratra ho an’i Madagasikara, raha hividy any amin’ny “Galana”, “Jovenna”, “Shell” isika; mahita izahay fa ny vahaolana tena izy dia ny fitantanan’ny fitondram-panjakana ny “Madagscar Oil”, sahala amin’ny nanaovan’i “Iran” sy “Arabie Saoudite” ny ARAMCO tamin’izany andro izany, niakatra “cour international de justice” izany saingy tsy idirako lalina izay. Izay no “piste” tena izy, Andriamatoa Minisitra.

Page 43: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

41

Mankasitraka, Andriamatoa Filoha. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamataoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RAHERISOA Vololona Victorine. Ramatoa RAHERISOA VOLOLONA Victorine Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Anterina ny arahaba ho antsika mianakavy. Voalaza teo fa tsy mivoaka ao anatin’ity zavatra ity isika na misy ifandraisany amin’izay ihany ny ampahany hotenenina. Eto ny tenanay, Andriamatoa Minisitra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ho avy handom-baravarana any aminareo mba hitondra ny hetahetanay ao Ambohimanarina satria raha miteny isika hoe Antananarivo Renivohitra, tsy hino ianao, Andriamatoa Minisitra, raha ilazana fa eto Antananarivo Renivohitra dia mbola misy an’izany Fokontany Ampefiloha Ankeniheny izany eny Ambohimanarina, Antananarivo faha-VI, tsy misy jiro, tsy misy rano. Izay no anaovako hoe ajanoko eo izay fa ho any amin’Andriamatoa Tale Jeneraly aho hiresaka an’izany. Etoana ny tenako araka ny nolazain’ny namana rehetra teo, handany an’ity volavolan-dalàna ity satria raha mijery ny famelabelaran-kevitra teo aho, efa tamin’ny taona 2008 no nisy ny hetaheta hanatsarana sy hanavaozana ny JIRAMA. Ankehitriny efa taona 2017 izao; ianareo no hanatanteraka izany; zava-dehibe aminay izany, Andriamatoa Minisitra, ka isaorana anareo indrindra satria ny vina rehetra napetrakareo ato momba ny politika vaovaon’ny angovo dia mahavelom-panantenana. Araka ny notenenina teo, tsy manan-kambara firy izahay, fa ny fahatongavana any aminareo no anisan’ny hanamarika ny fiaraha-miasa eo amintsika ary hisian’izany fampandrosoana mipaka any amin’ny vahoaka izany. Misaotra anareo sahady handray anay amin’ny fotoana mahamety azy. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka laharana faha-120, Ramatoa RAVELOHANITRA Nirina, voafidy tao Antsirabe II. Omena anao ampanajana ny fitenenana? Ramatoa Solombavambahoaka. Notsoahiny ny fandraisam-pitenenany. Omena fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy, Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson.

Page 44: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

42

Omena anao ampanajana anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba antsika tomponandraikitra manatrika etoana. Tsy hohalavaina ny resaka, fa efa hiroso amin’ny fandaniana ny lalàna isika. Hanatona ny tomponandraikitra voakasika izahay ankoatra ny noresahana teo ka tsy horesahana eto intsony izany. Mikasika ity volavolan-dalàna ity, ny “code” izany, Andriamatoa Minisitra: raha mety, ny “code” rehetra tokony mba hadika amin’ny fiteny Malagasy, aparitaka sy ampahafantarina ny vahoaka satria maha kaodikaody ny vahoaka ny zavatra tsy fantany rehefa amin’ny dikateny hafa. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-64, Ramatoa RAHARINIRINA Sidonie, voafidy tao Mananara Avaratra. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RAHARINIRINA Sidonie Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny vahiny rehetra sy ny tompon-trano. Efa nazava ny resaka teo hoe: tsy mahazo mitaraina ny olana any amin’ny tanàna misy ny tsirairay, fa na izany hiresaka kely fotsiny aho. Ny any Mananara Avaratra ny “délestage” mbola tsy mifarana hatramin’izao. Ny olana, “800 Kilowatts” no ilainay, ny antsasak’izay no mandeha. Ny zavatra angatahako dia kely fotsiny: mba omeo “groupe” vaovao izahay fa tsy izay efa avy nampiasain’ny olona no alefa any aminay. Manarak’izany, “gasoil” no mamatsy any aminay, avy any Toamasina no alefa any Maroantsetra ary izahay any Mananara no maka azy any Maroantsetra. Inona no sakana tsy andefasana azy mivantana any Mananara mba hahamora ny fitaterana. Tsy hiady rano roa izahay; rehefa ratsy ny rano dia tsy tonga any Maroantsetra ny sambo; rehefa ratsy ny rano tsy tonga any Maroantsetra ihany koa ny avy any Mananara haka solika. Miangavy izahay mba hanovàna izay fomba fiasa izay. Miangavy mba hahazo “groupe” vaovao satria mijaly izahay ao Mananara. Misaotra Tompoko.

Page 45: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

43

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-116, Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc, voafidy tao Ambohidratrimo. Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra. Fohy dia fohy ny fanontaniana satria efa notenenin’ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Georges teo ihany, momba ny “centrale hydraulique” ao Farahantsana izay tokony hamatsy ny Distrikan’Ambohidratrimo, satria ao Ambohidratrimo sy Ivato dia misy an’ireo “zones industrielles” maro. Ao anatin’izay ny fanontaniana saika hapetrako momba ny “Fonds National de l’Energie Durable”. Ahoana ny “accord” miaraka amin’ny “partenaire privé” amin’ny “investisseur” rehetra satria hanao “centrale hydraulique” raha ohatra “privé” fa tsy ny fanjakana, ahoana no fandehan’ny “accord” miaraka amin’izy ireo. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-129, Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Harifanja Francette, voafidy tao Beroroha. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Harifanja Francette Misaotra, Andriamatoa Filoha. Faly miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy. Tsotra dia tsotra, Andriamatoa Filoha, no teny ataonay. Tokony holaniantsika amin’izay ity lalàna ity, saingy mangataka kely, Andriamatoa Minisitra, aiza ho aiza no misy ny biraon’ny ADER. Ny antony ijanonanay eto, Andriamatoa Minisitra, tena zava-dehibe aminay ny fandaniana ity lalàna mikasika ity jiro ity. Mila fahazavana ny Distrikan’i Beroroha, mila rano ihany koa. Misaotra Tompoko.

Page 46: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

44

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-52, Andriamatoa RABEKIJANA Solofohery, izay toa tsy hitako eo. Tsy eo izy, mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Hanitra, voafidy teto Antananarivo Renivohitra. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina Misaotra, Andriamatoa Filoha. Manantitra ny fiarahabana ho antsika ato anaty efitrano fivoriana sy ireo vahiny ihany koa. Mizara telo ny zavatra tiako hotenenina. Mikasika ireto lalàna anankiroa ireto aloha, arahabaina ianareo nahavita ireto lalàna ireto fa tsara izy ireto. Ny Antenimierampirenena dia manana “volonté” hanao azy satria tsara izy ireto; izay anefa no zavatra tsy ampy hatramin’izay. Faharoa, satria tsy afaka hiteny eto, ka ny Solombavambahoaka TIM dia hanao “interpellation verbale” ho an’ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, ny Minisitry ny Varotra, ny Minisitry ny Tontolo Iainana, ny Minisitry ny Indostria. Hatao amin’ny Alatsinainy izay, Andriamatoa Filoha, hanao “interpellation officielle” ny Solombavambahoaka TIM sy ny Vondrona Parlemantera. Fahatelo farany, mikasika ity volavolan-dalàna ity ihany: marina fa misy zavatra maromaro vaovao ato, miditra amin’ny antsipiriany kokoa; tsara izy ireto, fa ny tranga eto Antananarivo manokana, mety ho tafiditra amin’ny “interpellation” kanefa resahana eto ihany satria mahasoa ny vahoaka ity resaka SAMVA ity izay “rattaché” amin’ny Minisiteran’ny Rano. Fantatra fa anisan’ny fototra lehibe iray amin’ny fahadiovana eto Antananarivo ary misy olana amin’ny Kaominina Renivohitr’Antananarivo. Mila resahana ary hamafisina tsara izany ary tokony havelantsika mihitsy ny lafiny politika, ho an’Antananarivo izay Renivohitr’i Madagasikara no resahana eto. Ny SAMVA dia misahana ny fanadiovana ny Kaominina rehetra, mitantana ny fako ary ny lehiben’ny “voirie” izany sy ny fanadiovana dia an’ny Kaominina, fa noho izy sahanin’ny Minisiteran’ny Rano mivantana, lasa misy olana be. Mety efa betsaka ny resaka tamin’izany, fa androany izahay ato amin’ny Antenimierampirenena no miresaka an’izay SAMVA izay. Ny resaka rano eto Antananarivo, araka ny notenenin’ny namana Solombavambahoaka RAHERISOA Vololona Victorine teo hoe: eto Antananarivo Renivohitra, betsaka ny faritra tsy manana rano sy jiro. Eto Antananarivo Voalohany, hitantsika, ohatra fotsiny io Ankasina io, any anaty rano no misy ny “fil de fortune”, misintona jiro any amin’ny tranon’olona izay manana “compteur” izy, tena zava-doza satria any anaty rano no atsofoka ny “fil” rehetra. Tokony hijerena hevitra izany mba ahafahana mamatsy an’ireny toerana ireny, ny tanana efa

Page 47: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

45

lasa Fokontany kanefa ny JIRAMA tsy mety mamatsy azy satria trano tsy ara-dalàna no ankamaroany; misy tokony azo ifampiresahana ihany anefa mikasika izany. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka HELSON Brisson Erafa, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’i Toliara. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa HELSON Brisson Erafa Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Minisitra, miarahaba anareo sy ny ekipanao ary vodiomby, hono, tsy miainga aloha; ireto Solombavambahoaka ato amin’ny Lapam-panjakan’ny Antenimierampirenena. Andriamatoa Filoha, rehefa nodinihana lalina sy noeritreretina ireto volavolan-dalàna laharana faha-026 sy faha-027 ireto, eritreretina fa hampivaha ny olana misy eto Madagasikara satria resaka famatsiana jiro. Andriamatoa Minisitra, mikasika ny “chateau d’eau” efa misy any amin’ny Kaominina ambanivohitra maromaro ireny, any amin’ny Faritra Andrefana, efa simba noho ny “système d’organisation”; ONG no mitantana ny famatsian-jiro kanefa efa ho iray taona izay no tsy mandeha. Midika izany fa tokony hovaina ny “système” manoloana izay zavatra izay. Soso-kevitra izay, Andriamatoa Filoha, fa eto am-pamaranana, miantso ny namana rehetra mba handany an’ireto volavolan-dalàna ireto. Misaotra Tompokolahy. Mankatelina Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana farany ny Solombavambahoaka voafidy tao Besalampy, Ramatoa DELPHINE Florentine. Omena anao ampanajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa DELPHINE Florentine Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo eny ambony “perchoir”. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo delegasiona miaraka aminy. Andriamatoa Filoha, tsy mpiteny loatra izahay raha ato anatin’ity Antenimierampirenena ity. Noho ny fahitana ny Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA tonga eto, lasa mandray

Page 48: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

46

fitenenana izahay. Fantatray fa hisy ny fihaonana amin’ny Governemanta, fa androany kosa mivantana kokoa, mahafinaritra ahy ny mijery anareo mba hitantarako ny zava-misy. Matoa i Madagasikara mandroso dia ny any ambanivohitra rehetra any no manjifa an’ity resaka JIRAMA ity. Tiako ny mampita hafatra mivantana amin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny JIRAMA satria any aminay, efa ho 3 taona ny olona no nangataka rano, nangataka ny hampiditra jiro hatramin’ny taona 2015 kanefa hatramin’izao tsy mbola tafiditra. Olona miisa 5 ireo, fa tsy maro, tsy fantatro hoe inona no antony; ny vola anefa efa voaloa daholo. Mangataka, Andriamatoa Tale Jeneraly, mba haroso io zavatr’olona any Besalampy any amin’ny Faritra Melaky io. Faharoa, momba ny “gasoil”: any Besalampy, 30 barika isam-bolana no anjaranay; efa niresaka tamin’ny Talem-paritra tany Mahajanga aho, namelabelatra ny olan’i Besalampy satria, Andriamatoa Tale Jeneraly, tranga manokana eto Madagasikara amin’ny lalana ny any an-toerana. Ho avy izao ny volana Desambra, botry no mitondra mankany aminay kanefa rehefa tonga ny orana, tsy afaka mankany intsony ny botry. Noho izany, mangataka izahay mba hakarina io 30 barika io satria 10 na 15 andro ao anatin’ny iray volana no mba misy jiro any Besalampy. Mampalahelo fa tsy ampy io 30 barika hoy ny “chef secteur”. Efa atao ny fanaraha-maso ary tsy hiresaka zavatra betsaka aho, fa mba mangataka izahay ny hampiakarina an’io 30 barika io, Andriamatoa Tale Jeneraly, mba tsy hahemotra intsony koa fa hotohizana mandrakizay, mandrakizay. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Omena satroka ianao Solombavambahaka MILAVONJY Andriasy Philobert. Andriamatoa MILAVONJY Andriasy Philobert Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminy. Andriamatoa Filoha, amin’ny maha Filohan’ny Vaomieran’ny Angovo ahy, manome fisaorana anareo Solombavambahoaka namana aho tamin’ny fanontaniana napetraka teo. Alohan’ny hirosoana amin’ny fandaniana, hisy valim-panontaniana hataon’Andriamatoa Minisitra. Miangavy aho satria mitovitovy ny fanontanian’ny Solombavambahoaka rehetra ary ny fotoana mandeha; ireo Solombavambahoaka nitaraina tamin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ataoko fa zon’izy ireo ny mamonjy azy mivantana mba hahazahoany fahafaham-po amin’ny valim-panontaniana sy ny mety ho fiarahana mitady vahaolana amin’izay olana mahazo azy any amin’ny fari-piadidiany. Tokony ho valim-panontaniana ankapobeny no homen’ny Minisitra mba hirosoantsika amin’ny fandaniana an’ireto volavolan-dalàna ireto satria mandeha ny ora, ny kibo tsy mba lamosina; mbola manam-potoana ihany koa isika rehefa avy eo, Andriamatoa Filoha. Koa miangavy antsika rehetra am-panetren-tena mba hiroso amin’izany.

Page 49: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

47

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Izay indrindra no saika hoteneniko teo, Andriamatoa Solombavambahoaka. Isika efa nisafidy teo fa tsy hivaona amin’ity volavolan-dalàna ity ny fanontaniana apetraka; sahala amin’izay koa ny valin-teny izay omen’Andriamatoa Minisitra. Koa izay rehetra napetratsika teto mikasika ny fari-piadidiana tsirairay, aoka mba ho amin’ny fihaonana amin’ny Governemanta no hitondran’Andriamatoa Minisitra ny valin-teny mifanadrify amin’izany. Ny sasany kosa mankany amin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA; angatahana ianao Andrimatoa Tale Jeneraly mba handray an’ireo Solombavambahoaka ireo. Fanampiana lehibe ho an’ireo tomponandraikitra ambony ny fandraisana azy ireo, ny fihainoana azy ireo mba ahafahana mamaha ny olana misy eto amin’ny firenena. Noho izany, omena anjara fitenenana ianao, Andriamatoa Minisitra, hamaly ny fanontaniana izay mikasika mivantana an’ireto volavolan-dalàna roa ireto; vahanao misesy arak’izay voalaza teo. Izay rehetra ivelan’izay, rehefa tonga ny fotoana hihaonan’ny Governemanta amin’ny Solombavambahoaka, any no valiana na any amin’ny “audience” ataon’ny Solombavambahoaka any amin’ny birao; any ianareo mamaly azy mba ahafahantsika miroso. Satria efa lasa ny fotoana ary mbola misy volavolan-dalàna roa lehibe no handraisana fanapahan-kevitra rehefa avy eo, koa avy hatrany dia omena anao ampanajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Hasesy ny famaliana azy ireo anefa angatahako ihany, Andriamatoa Filoha, raha misy mitovitovy, “anticiper”-ko ihany ny famaliana azy. Andriamatoa FILOHA Azafady, tsy hoe manapaka ny teninao hoe misesy teo; tsy hoe isaky ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka, fa volavolan-dalàna roa izy ireto. Tonga dia mitohy ny fandraisanao ny famaliana azy, fa tsy hoe nametraka fanontaniana Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana dia valiana, nametraka ny Solombavambahoakan’i Betioky dia valiana. Tsy misesy ohatran’izay, fa ny volavolan-dalàna roa no valianao misesy. Misaotra Tompoko. Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’Afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Raha izay no izy, hovaliako mitambatra izy rehetra. Misy fanontaniana mikasika ny fitantanana ny sehatra “électricité” ity. Niverimberina teo ny hoe: inona marina ity ARELEC ity; inona no anjara asan’ny tsirairay ao anatiny. Inona no fipetraky ny JIRAMA aorian’ny fisian’izay lalàna vaovao izay. Mipetrapetraka ao anatin’izay daholo ny fanontaniana teo. Voalohany, ny fisian’ity lalàna ity, araka ny efa nanazavako azy teo dia hametraka ny tsirairay ao anatin’ny fomba famokarana

Page 50: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

48

herinaratra, ny fomba fandraharahana ao anatin’ny sehatry ny herinaratra amin’izao fotoana izao araka ny fomba moderina. Izay no ahafahantsika mampitombo ny antanan-tohatra hiteraka harena sy hampanan-karena. Tsy ny olona ihany, fa ny firenena mihitsy amin’ny alalan’ny fisian’ity sehatry ny angovo ity. Tsy hoe “création de valeur ajoutée” fotsiny, fa indrindra ny fanomezana fahafahana na ny ataontsika hoe “opportunité” ahafahan’ny malagasy hihary sy hamorona harena; satria raha vao tsy misy herinaratra, tsy misy ny angovo entina mamokatra. Izay no ataon’ny vazaha hoe: “voeux pieux” ihany na nofinofy fotsiny no hataontsika eto rehefa tsy misy ny angovo. Efa voalaza teo hoe misy orinasa maro tokony hisokatra sy tokony hiasa kanefa noho ny tsy fisian’ny herinaratra, voatery natsahatra ny tetikasa, eo ihany koa ny fahalafosan’ny herinaratra. Nisy fanontaniana teo mikasika ny hoe: maninona any Ambositra, any amin’ny toerana hafa no lafo be ny vidin’ny herinaratra. Miankina amin’ny fomba famokarana sy fitaterana, indrindra fitsinjarana azy izay lafiny izay. Ny JIRAMA amin’izao endriny izao dia manana “concessions” telo mitambatra: “production, transport et distribution”. Ireo “concessions” telo ireo, “concession” iray ihany no mitondra azy ho an’ny JIRAMA amin’izao fotoana izao; ny rano koa tahaka izay. Koa amin’ity lalàna vaovao ity, tsy maintsy omena an’ireo “concessions” telo momba an’ireo sokajin’asa telo ireo ny JIRAMA. Izay no mamaly ny hoe: hanao ahoana ny JIRAMA. Tsy eo ny Solombavambahoaka nametraka ny fanontaniana anefa izay mihitsy no valin-teny ho azy manao hoe: ny JIRAMA dia mijanona amin’ny maha orinasa azy sy amin’ny maha orinasam-panjakana azy ihany koa. Zato isan-jato izy io, Ramatoa Solombavambahoaka. Tsy mbola nihena na ariary aza ny petra-bolam-panjakana, fa 100% no an’ny fanjakana. Tsy ny fanofany fitaovana enti-mamokatra akory na ny fividianany herinaratra avy amin’ny mpamokatra ivelany no ilazana fa lasa 50% sisa, fa ohatran’ny fomba entina mamokatra ihany; rehefa tsy zakanao intsony ny mamokatra azy 100%. Izay angamba no tsy maha 100% nieritreretana azy. Ny maha “société nationale” azy 100%, fa ny famokarana no mety tsy 100% satria tsy araky ny JIRAMA irery no sady mamokatra no mitatitra no mitsinjara any amin’ny faritra rehetra. Raha eto Antananarivo manokana, ireo izy; efa hitantsika ireo ny orinasa maro samihafa mamokatra herinaratra. Tsy ireo telo noresahako teo ihany hoe “Symbium, Tac, Jovenna”, iray ihany izany; ny “Aksaf” efa misy, ny “Agrico”, ny HFF, ny Henri Fraise. Misy any Ambatolampy, Behenjy. Ireny no manampy ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, indrindra amin’ny “réseau interconnecté” eto Antananarivo. Tsy ny fividianana amin’ireny olona ireny akory no ilazana fa tsy 100% ny maha orinasam-panjakana azy, fa mbola mijanona ary mbola hijanona. Ho an’ny mpanao lalàna ary ho an’ny vahoaka ihany koa satria “séance publique” izy ity; averiko eto, fa tsy misy eritreritra na iray minitra monja aza momba izany “privatisation”-n’ny JIRAMA izany. Raha misy mieritreritra hitaditady an’izany, manonofy ririnina eo izy, fa tsy hisy an’izany akory, fa mijanona 100% ho an’ny fanjakana ny JIRAMA na inona na inona endrika ny maha fanjakana azy; na inona endriky ny fitompoana ny “action” ao anatiny,

Page 51: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

49

100% an’ny fanjakana io. Misy foana endrika maha fanjakana azy ary 100%, tsy ifampizarana amin’iza na iza. Manaraka, momba ny rano manao hoe: rehefa tsy misy jiro dia tsy misy koa ny rano; matetika izany. Ho an’ny famatsiana rano eto andrenivohitra na amin’ny tanàn-dehibe, miankina indrindra amin’ny famatsiana herinaratra ihany koa izay. Ny hamahana ny olana momba ny “délestage”. Izay no notenenin’Ingahirainy teo hoe: izahay tsy te-hahalala, fa “délestage” izany aminay. Angamba tsy azo atao letrezana toa izany hoe: rehefa i Zanakoto dia i Zanakoto, fa rehefa Razafindrakoto dia Razafindrakoto, fa tsy hanao hoe: Ikotozafy ihany no Alexis isika, fa rehefa JIRAMA dia JIRAMA, ny mpamokatra hafa dia hafa. Isika tsy afaka hiteny hoe rehefa tapaka ny jiro dia “délestage”, ny sasany iankinan’izy rehetra. Misy olona miankina amin’ny “interrupteur” ao an-trano, lazainy fa “délestage”-n’ny JIRAMA indray ity kanefa “interrupteur” no iankinany ka maty ny jiro. Tsy tapaka ny jiro fa maty ny jiro. Izay hevi-diso izay no lasa fahazarana ho antsika malagasy amin’izao fotoana izao. Raha vao maty jiro na inona na inona fahatapahana, lazaina fa “délestage”. Averiko indray, averina impito amby folo hoy ny mpanao “marketing”, ny teny anankiray dia tavela, tafiditra tsara. Mba ampidirana azy tsara amintsika rehetra eto Madagasikara, fa ny “réseau interconnecté” eto Antananarivo, efa tsy misy “délestage” intsony nanomboka tamin’ny 12 Febroary 2017. Ny fahatapahan-jiro misy eto Antananarivo dia vokatry ny “fil” mandeha any anaty rano izay noresahan-dRamatoa Solombavambahoaka teo. Halatra, tsarina fa halatra “courant” ireny ary ny olona mangalatra “courant”, efa “crime” mitovy amin’ny halatra rehetra izany. Tsy halatra tsotra ny halatra“courant” sy halatra rano atao amin’ny JIRAMA, fa na iza na iza orinasa mizara rano sy mitsinjara herinaratra, rehefa mangalatra ianao dia “crime” izay, “délit” izay, samy mizaka ny vokany ao anatin’izay. Tsara apetraka izay resaka izay hoe maninona no tapaka foana, satria misy olona mieritreritra azy, fa tsy mahandry ny “compteur” marobe vao hatao, avy hatrany, mandidy dia homana, atao “branchement” any anelakelan-tranon’ny olona any, any ambanin’ny tany ary araka ny noteniko hoe: hisy ary efa misy izany ary efa misy ny tratra, tsy ny vahoaka madinika ihany, araka ny notenenin’ny sasany no tratra ao anatin’izany, fa misy tena vaventy be. Ny mahavariana amin’izy ity, ny vaventy no tena mahay mangalatra, fa tsy ny mandinika loatra. Fantatsika, niseho tamin’ny gazety ireny, ny toerana misy “transformateur” mihitsy, misy an’ireo fitaovana rehetra anomezana herinaratra azy no alainy, izay tsy an’ny JIRAMA akory na kely aza. Koa anaovana antso avo amintsika rehetra any amin’ny Fokontany any ny momba izany. Misaotra an-dRamatoa Solombavambahoaka niteny an’izay hoe: eny Ankasina; tsy te-hiteny an’Ankasina aho, fa ohatra efa miseho iny. Tsy eny ihany, fa maro ireo Fokontany eran’i Madagasikara no ahitana halatra “courant” izay mampijaly ireo olona mandoa ara-dalàna sy ny mpanjifa ara-dalàna ao amin’ny JIRAMA na tsy ao aminy koa aza. Tonga dia miampita aho hoe: tsy ny JIRAMA irery ihany no hanao an’ity raharaha ity, fa misokatra ho antsika rehetra ny famokarana, ny fitaterana ary fitsinjarana ny jiro manomboka izao. Rehefa lany ireto lalàna ireto, efa misokatra ho antsika rehetra rahateo ihany koa izy amin’izao fotoana izao; misy ireo tanàna tsy ny JIRAMA intsony no mitatitra sy mamokatra ary mitsinjara ny jiro, fa olona ivelany na ny tsy miankina izany, tahaka ny any amin’ny faritra Ampasindava any Antsiranana. Marina fa somary lafolafo, 1 500 Ariary ny “KiloWatt”. Ny mahatonga an’izay, izy irery ihany no manao an’io asa io ao anatin’ny faritra, tsy misy

Page 52: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

50

mpiara-miasa. Noho izany, tsy misy resaka “peréquation” azo atao ao anatin’izay, fa mamokatra, mitatitra ary mitsinjara izy. Izy mpandraharaha tsy miankina avokoa no manao an’izany. Aoka ho fantatsika ity zavatra iray ity: io “courant” tonga any amintsika io, tsy tonga ho azy any an-tranontsika izany, fa misy ny fitaovana itaterana azy ary lafo lavitra noho ny 1km amin’ny “goudron” ny 1km amin’ny “ligne de transport”-n’ny herinaratra. Izany no tena mahalafo ny vidin-jiro na aiza na aiza eto ambonin’ny tany. Efa mananika, aleoko tsy miteniteny foana, fa nohamafisin’ny teknisiana hoe: “3 Millions de Dollars” ny 1km amin’ny “ligne de transport”; izay no sarany. Raha ny mpandraharaha no manao ny “investissement” hitaterana azy no sady hitsinjara azy miaraka amin’ny famatsiana ny “compteur”. Azontsika saintsainina amin’izay ny halafony, izay no anisan’ny anaovan’ny fanjakana tetikady sy teti-panorona isan-karazany amin’ny famatsiana jiro. Izay no mahatonga hoe: any amin’ny toerana misy “barrage”, eritreretintsika fa tonga dia “barrage” ity, tonga dia eto amin’ny Kaomininay. Izay no matetika tsy mahatanteraka ny tetikasa satria lafo loatra, tsy ho zakan’ny faritra hovatsiana. Ny tetikady amin’izao fotoana dia ny hanaovana azy ho “reseau interconnecté”. Koa aza malahelo ianao, Andriamatoa Solombavambahoaka sy Ramatoa Solombavambahoaka isany hoe: eto aminay izy ity no vokatra kanefa izahay indray no tsy mahazo. Tahaka ny rano ao Ankadivoribe, lasa lalovan’ny rano fotsiny izahay, fa nahoana izahay no tsy misotro sy tsy misitraka izany. Tsy maintsy atao izay isitrahan’ny olona eo amin’ny faritra akana azy amin’izay samy mahazo tombotsoa. Tahak’izay no mahatonga ny hoe, miala tsiny aho manao ohatra an’i Mandrare sy Amboasary. Ao Mandrare no alaina ny rano, faritr’Amboasary izany; tsy azo atao mihitsy ny hilaza hoe: alainay fotsiny ny ranonareo ka hoentinay any Sampoina sy Maroalimpotsy, Maroalimainty, fa ianareo eto Amboasary mijanona amin’izao. Efa nataon’ny fanjakana fanamby ny fanamboarana ho moderina ny famatsiana rano any Amboasary amin’ny endriny vaovao. Sanatrian’izany, homena olona any ambadika any fotsiny izany. Samy Malagasy, fa na izany aza, tsy azao atao izay zavatra izay. Ny azo lazaina ankoatran’ny resaka teo, isika rehetra efa samy nitatitra ny maharary ny faritra misy antsika tsirairay avy. Misokatra ny varavaran’ny Minisitra ary ny resaka hoe “beau gosse” teo, pimaso ho anareo rehetra manjamanja ireo izany, ho anareo rehetra. Koa mandrosoa, Tompoko, tongava mitondra ny hetaheta sy ny zavatra manahirana momba ny faritra misy antsika. Isaorana manokana ianareo ary izahay miteny hoe: ny tsy tonga eto aza mbola hihazakazaka any maheno an’izany, koa maika ianareo izay tonga eto manome voninahitra ny Minisitera. Koa raisina an-tànan-droa ianareo araka ny ahafahana manao. Eo koa ny politikam-panjakana izay tsy maintsy misy ny “priorité” sy ny fomba ara-teknika ahafahana mametraka ny hiamatsiana ny Kaominina na ny Distrika mba hahazoany misitraka ny zavatra vita rehetra. Raha misy zavatra tsy voavaliko tamin’ny famaliana nataoko teo, araka ny teniko, misokatra ny varavaran’ny Minisitera, afaka mifanatona isika. Mbola ho avy koa ny fotoana hiatrehan’ny Governemanta ny Solombavambahoaka amin’ny tatitra sy ny “rencontre avec les parlementaires”; eo isika no afaka mamaly izay tsy voateny.

Page 53: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

51

Miala tsiny aho, Andriamatoa Filoha, raha hiteny an’ity hoe angamba ny “forme” fotsiny. Ahy samirery izy ity; izay mampetipety ahy no teneniko, fa ny Governemanta tsy fantatro izay eritreriny. Sao tsy ho voavaly ohatran’ny teo ny hetahetanareo rehefa tsy omenareo fotoana hamaliana izany izahay, hany ka lasa lava ny fanontaniana, fa ataovy fanontaniana tena izy ary hovaliana araka ny tena izy ihany koa. Raha tahaka ny “forme”-ntsika roa andro sy roa alina teto iny kanefa lasa fotsiny izahay Governemanta, tsy namaly na indraimbava akory aza, tsy voavaly ny hetahetam-bahoaka izay nentintsika ka sao tsy mety. Ahy manokana iny, fa raha mety amintsika Solombavambahoaka hoe ohatra an’izay, tsy sanatrian’izany hanome lesona akory aho na hanome hetaheta satria tsy afaka mitondra hetaheta atz aminareo ny Governemanta. Soso-kevitra ihany ny ahy iny mba ahafahana mamaly ny hetahetantsika. Misy fanontaniana, tsy voatery ho “interpellation” ihany anie no ahafahantsika mifampiresaka, fa afaka alefanareo an-tsoratra izany. Tsy an-tsoratra “interpellation” akory izany, tsy fanontaniana ho an’ny Governemanta, fa ny hetahetam-bahoaka sy ny zavatra tianareo hatao, azonareo alefa any aminay amin’ny alalan’ny “mail” sy “sms” izany kanefa afaka mifanatona koa isika. Izay, Andriamatoa Filoha, no azo amaliana ireo fanontaniana maro sesehena, nijerena sy nihainona ny hetahetan’ny Solombavambahoaka tsirairay. Misaotra indrindra antsika Solombavambahoaka, tonga maro nanatrika izao fivoriambe amin’ny handaniana an’ireto volavolan-dalàna roa miaksika ny “code de l’électricité” sy ny “réforme du fonds national de l’électricité” ireto. Misaotra anareo indrindra, Tompoko.

- 9 - - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna -

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanampim-panazavana izay narosonao teo. Mitodika amin’ny Solombavambahoaka isika izao. Hiroso amin’ny fandinihana isan’andininy amin’ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 tamin’ny faha-27 Septambra 2017 momba ny fehezan-dalàna mikasika ny herinaratra isika ary harahin’ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’io daty io ihany, momba ny fanavaozana ny “fonds nationale de l’électricité” isika izao. Ny voalohany amin’izany, ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017; ahitana lohateny miisa 11 ary misy andininy miisa 106 izany volavolan-dalàna izany. « Titre Premier: Des Définitions et Dispositions Générales » Ahitana « chapitres » miisa roa.

Page 54: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

52

« Chapitre Premier: Des Définitions ». Ahitana andininy voalohany, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?

- Tsy misy - Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny andininy voalohany. “Chapitre II: Des Dispositions Générales” Ahitàna andininy miisa 8. Andininy faha-2 ka hatramin’ny andininy faha-9; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany koa ny “chapitre II” araka ny voalaza teo. « Titre II: Des Energies Renouvelables » Ahitana andininy miisa 8. Andininy faha-10 ka hatramin’ny andininy faha-17; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Page 55: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

53

Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy -

Lany koa ny « Titre II: Des Energies Renouvelables ». « Titre III: Des Régimes Applicables à la Production, au Transport et la Distribution » Ahitana « Chapitres » miisa 4. Andininy faha-18, tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa ny andininy faha-18 izay voalaza teo. “Chapitre I: De l’Autorisation” Ahitana andininy miisa 4. Andininy faha-19 ka hatramin’ny andininy faha-22; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa ny “chapitre I” araka ny voalaza teo. « Chapitre II: De la Concession » Ahitana andininy miisa 5. Andininy faha-23 ka hatramin’ny andininy faha-27; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Page 56: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

54

Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy -

Lany hatrany ny « chapitre II : De la Concession ». « Chapitre III: De La Déclaration » Ahitana andininy tokana, andininy faha-28 ; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny « chapitre III: De la Déclaration ». « Chapitre IV: Des Dispositions Relatives aux Autorisations, Concessions et Déclarations » Ahitana andininy miisa 13. Andininy faha-29 ka hatramin’ny andininy faha-41; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 41 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny “chapitre IV” araka izay voalaza teo. “Titre IV: De L’Autoproduction” Ahitana andininy miisa 7. Andininy faha-42 ka hatramin’ny andininy faha-48; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Page 57: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

55

Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy -

Lany ny « Titre IV: De l’Autoproduction ». “Titre V: Des Licences de Fourniture” Ahitana andininy miisa 6. Andininy faha-49 ka hatramin’ny andininy faha-54; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa ny « Titre V : Des Licences de Fourniture ». « Titre VI: De l’Efficacité Energétique et du Stockage ». Ahitana andininy miisa 3. Andininy faha-55 ka hatramin’ny andininy faha-57; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany ny « Titre VI : De l’Efficacité Energétique et du Stockage ». « Titre VII: De l’Autorité de Régulation de l’Electricité ». Ahitana andininy miisa 20. Andininy faha-58 ka hatramin’ny andininy faha 77; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Page 58: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

56

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny « Titre VII: De l’Autorité de Régulation de l’Electricité ». « TITRE VIII : De L’Electrification Rurale » Ahitana « Chapitres » miisa 2. « Chapitre I: De l’Agence de Développement de l’Electrification Rurale ADER ». Ahitana andininy miisa 2. Andininy faha-78 kahatramin’ny andininy faha-79; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany ihany koa ny “Chapitre I”, ao amin’ny “Titre VIII” araka ny voalaza teo. « Chapitre II: Du Financement du Programme d’Electrification Rurale ». Ahitana andininy tokana, andininy faha-80; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany koa ny “Chapitre II” amin’ny andininy voalaza teo. « Titre XI: De La Réglementation des Tarifs ». Ahitana « chapitres » miisa 2. « Chapitre I: Généralites » Ahitana andininy miisa 7.

Page 59: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

57

Andininy faha-81 ka hatramin’ny 87; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany hatrany ny « Chapitre I: Généralités ». “Chapitre II: Systèmes Tarifaires” Marihina fa nisy fifandisoana teo amin’ny fanoratana ny laharan’ireo andininy amin’ity “chapitre II” ity ka ahitsintsika toy izao. Aorian’ny andininy faha-89, ahitsintsika, andininy faha-90, fa tsy hoe andininy faha-93. Noho izany, mihemotra tarehimarika iray araka izany ireo laharana amin’ny andininy manaraka. Ahitana andininy miisa 8. Andininy faha-88 ka hatramin’ny andininy faha-95; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa izany ny andininy faha-88 ka hatramin’ny faha-95, tsy nasiam-panovàna. « Titre X: De la Surveillance, du Contrôle et des Sanctions ». Ahitana andininy miisa 8. Andininy faha-96 ka hatramin’ny andininy faha-103, ka ny andininy faha-96 hatramin’ny andininy faha-100 ; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Page 60: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

58

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny andininy faha-96 ka hatramin’ny faha-100. Andininy faha-101, izay andininy faha-100 teo aloha, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao: « Article 101: Toute tentative de destruction ou destruction volontaire d’installations d’électricité telles que définies à l’article premier sera punie des peines portées à l’article 102, alinéa 2 de la présente loi ». Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany ny fanitsiana ny andininy izay nataon’ny vaomiera tao amin’ny andininy faha-101. Andininy faha-102 sy ny andininy faha-103; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany ihany koa ny andininy faha-102 sy ny andininy faha-103, tsy nasiam-panovàna.

Page 61: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

59

« Titre XI: Des Dispositions Transitoires » Ahitana andininy miisa 4. Andininy faha-104 ka hatramin’ny andininy faha-107, tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka. - Tsy misy -

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa ny “Titre XI”, tsy nasiam-panovàna. Vita izay ny fijerena isan-andininy mikasika ity volavolan-dalàna ity. Koa ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenenano no hampiharintsika amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity. Izay mandany ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 dia atsangano ny tànana.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambarako fa lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 momba ny fehezan-dalàna mikasika ity herinaratra ity. Hiditra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna manaraka dia ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny 27 Septambra 2017, mikasika ny fanavaozana ny tahirim-pirenena momba ny herinaratra isika. Fijerena isan’andininy aloha no hataontsika. Ahitana lohateny miisa 3 sy andininy miisa 12 ity volavolan-dalàna ity. « Titre Premier: Du Fonds National de l’Energie Durable ». Ahitana andininy miisa 2; tsy nasiam-panovàna.

Page 62: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

60

Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany ny « Titre premier », mikasika ny « fonds nationals d’énergie durable » teo. « Titre II: De la Gestion du Fonds National de l’Energie Durable ». Ahitana andininy miisa 6. Andininy faha-3 ka hatramin’ny andininy faha-8; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany koa ny « Titre II”, izay mikasika ny fandraisana an-tànana ny «fonds de l’énergie durable» teo. « Titre III: Dispositions Transitoires et Diverses ». Ahitana andininy miisa 4. Andininy faha-9 ka hatramin’ny andininy faha-12; tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana -

Izay mitsipaka.

- Tsy misy -

Page 63: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

61

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Lany izany koa ny “Titre III: Dispositions Transitoires et Diverses”; izay ihany koa no mamarana ny fijerena ny isan’andininy. Hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ankapobeny mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny faha-27 Septambra 2017 mikasika ny fanavaozana ny tahirim-pirenena momba ny herinaratra ity isika. Ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena hatrany no hampiharintsika amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity. Atsangano ny tànan’izay mandany ity volavolan-dalàna ity.

- Solombavambahoaka miisa 43 no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambarako fa lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 tamin’ny faha-27 Septambra 2017 mikasika ny fanavaozana ny tahirim-pirenena momba ny herinaratra. Taorian’ny fandaniana ireo volavolan-dalàna roa ireo; omena fitenenana am-panajana ianao, Andriamatoa Minisitra, raha misy teny tianao ambara. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Ankoran’afo Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha; Andriamatoa sy Ramatoa isany mambran’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena; Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoaka. Tsy manan-kambara firy izahay satria efa betsaka ny voalaza teo, tena mendri-piderana ny fahalanian’ireo lalàna roa ireo teto amin’ny Antenimierampirenena.

Page 64: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

62

Mendri-piderana ny Solombavambahoaka satria nahatsapa ny fahalehibeazan’ireto volavolan-dalàna ireto eo amin’ny fampandrosoana sy ny fitaovana hampandrosoana ny herinaratra na ny angovo azo avy amin’ny herinaratra eto amin’ny firenena. Tsy nasianareo lokoloko na zavatra hafa ny fandaniana azy, fa nolanianareo tamin’ny “unanimité” hoy ny fitenenana. Koa misaotra anareo izahay avy amin’ny Minisitera. Tsy fahadisoako angamba ny hiteny hoe: izahay indray no hanao Solombavambahoaka eto satria hetahetan’ny vahoaka ary fanirian’ny vahoaka no navadika ho lalàna tamin’alalan’ireo volavolan-dalàna ireo. Amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy izay hahazo tombotsoa amin’ity “code de l’électricité” ity sy amin’ity “fonds national de l’énergie durable” ity no isaorana anareo Solombavambahoaka noho izay andraikitra lehibe noraisinareo izay. Koa mankasitraka sy mankatelina, Tompoko, tamin’ny fandraisana andraikitra goavana nataonareo ary horaketin’ny tantara anie izao andro izao satria araka ny teny teo hoe: 29 taona lasa izay no namoahana lalàna tahaka ity ary izao indray vao nisy an’izany. Mino izahay, fa ny andininy angamba sisa no misy fanampiana sy fanamboarana any aoriana any, fa nandaniana andro maro tokoa ity lalàna ity ary nandaniana herimpo sy herin-tsaina ny nanaovana azy. Tsy midera tena akory izahay, fa anisan’ny lalàna tsara voatra izy ireto satria nandraisan’ny rehetra anjara ary ekana fa tsy teo ianareo Solombavambahoaka tamin’ny famolavolana azy kanefa noho ny fanajana izay rafitra amin’ny maha mpamolavola sy mpandany azy amin’ny resaka lalàna izay dia efa noraisinay rahateo ny hetahetanareo tato amin’ny Antenimierampirenena na taty amin’ny Parlemanta. Izany no mahatsara ny fiaraha-miasa. Mamerina ny fisaorana anareo izahay, Tompoko. Misaotra indrindra.

- Tehaka -

- 10 - - Fiatoan’ny fivoriana -

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra. Izany tehaka mirefodrefotra izany no mari-pakasitrahana avy amin’ny Solombavambahoaka izay ombanay manana. Misaotra anao Andriamatoa Minisitra sy ianareo teknisianina ambony niara-nidinika taminay sy nanome fanazavana mikasika ireo volavolan-dalàna ireo. Tompokolahy sy Tompokovavy, Solombavambahoaka hajaina isany, mialohan’ny hiatoan’ny fivoriana, ampahatsiahivina isika fa anio tolak’andro, manomboka amin’ny 3 ora sy 30 minitra, hisy ny fivoriambe handinihana ireto volavolan-dalàna manaraka ireto : Voalohany, ny volalonan-dalàna laharana faha-020/2017 « régissant le système integré d’information de Banky Foiben’i Madagasikara ».

Page 65: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana
Page 66: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

FIZAHAN-TAKELAKA Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 02 - Teny nataon-dRamatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine ........................... 02 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 02 - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-026/2017 ...................... 03 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA R. Benjamin .............................................. 03 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 10 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo ...................................................................... 11 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 11 - Fanitsiana ny tatitra .............................................................................................................. 11 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 12 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo ...................................................................... 13 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 13 - Famakiana ny tatitra momba ny volavolan-dalàna laharana faha-027/2017 ...................... 14 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA R Benjamin ............................................... 14 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 16 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Ramasindraibe Benjamin ......................... 16 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra .................................................................................. 17 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniana, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo ...................................................................... 17 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 17 - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna .......................................................... 17 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Ankoran’afo .................................................................... 17 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 24 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 24 - Teny nataon’Andriamatoa RAZANAKOTO ............................................................................. 25 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 25 - Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot ............ 26 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 27 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges .............................. 27 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 29 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ............................................... 29 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 30 - Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ......................................................................... 30 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 32 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady ........................................ 32 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 33 - Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle .......................... 33

Page 67: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg fileFOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Alakamisy 22 Novambra 2017 Atoandro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana

- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 34 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’Afo ..................................................................... 34 - Teny nataon-dRamatoa RASOANOROMALALA Marie Horace .............................................. 35 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 35 - Teny nataon-dRamatoa RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona ............................................. 36 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 37 - Teny nataon-dRamatoa KATHY ............................................................................................. 37 - Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud .............................................................................. 37 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 38 - Teny nataon’Andriamatoa RAVAHIMANANA Guillaume Marie Ubald ................................. 39 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 39 - Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ..................................................... 39 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 40 - Teny nataon’Andriamatoa RAZARANAINA Nomenirina ....................................................... 40 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 41 - Teny nataon-dRamatoa RAHERISOA VOLOLONA Victorine .................................................. 41 - Teny nataon’Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson ................................................................ 42 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 42 - Teny nataon-dRamatoa RAHARINIRINA Sidonie ................................................................... 42 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 43 - Teny nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc .................................................................... 43 - Teny nataon-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Harifanja Francette ......................................... 43 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 44 - Teny nataon-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina ........................................ 44 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 45 - Teny nataon’Andriamatoa HELSON Brisson Erafa ................................................................ 45 - Teny nataon-dRamatoa DELPHINE Florentine ...................................................................... 45 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 46 - Teny nataon’Andriamatoa MILAVONJY Andriasy Philobert ................................................. 46 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 47 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Akoran’afo ...................................................................... 47 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna ............................................ 51 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 51 - Teny nataon’Andriamatoa RASOLOELISON Lantoniaina, Minisitry ny Rano, ny Angovo sy ny Ankoran’afo .................................................................... 61 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 62 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 62