Upload
others
View
10
Download
0
Embed Size (px)
Citation preview
Lesona 9 hatao ny 29 Febroary, 2020
Ny rivotra efatra. Daniela 8:1-8, 15-22
Avy tamin'ny anankiray amin'ireny… Daniela 8:9, 23
Ny famelezana ny Fitoerana Masina. Daniela 8:10-12, 24-25
Ny fanadiovana ny Fitoerana Masina. Daniela 8:13-14, 26-27
Ny Daniela 7 sy 8 dia toko mifanazava. Ny toko 7 dia momba ny “mpanjakaefatra izay hitsangana avy amin'ny tany” (and. 17), ary ny toko 8 no manambara mazava ny anaran'ny sasany amin'izy ireo: Media-Persiana, nyondrilahy (and. 20); Gresy, ny osilahy (and. 21).
Efa ho amin'ny faharavany i Babylona, koa izany no tsy nilazana ny momba azyintsony ao amin'ny Daniela 8. Ary koa, ilay bibidia fahefatra sy ny tandrokakeliny dia maneho zavatra iray ihany ao amin'io toko io: ny tandroka kely.
Misy fahasamihafana lehibe roa eo amin'ireo toko ireo: ny fomba fiteny sy nyfanamafisana ny Fitoerana Masina. Ireo zavatra rehetra voambara ao amin'nyDaniela 8 dia misy ifandraisany amin'ny fanompoam-pivavahana atao aoamin'ny Fitoerana Masina avokoa. Misongadina ihany koa ny resakanifanaovana tamin'ireo zavamananaina avy any an-danitra.
Fotoana hafa roa ihany no ahitanafanononana miaraka momba nyondrilahy sy ny osilahy:
Ny fanamasinana ny FitoeranaMasina (Nomery 7)
Ny Andro Fanavotana(Levitikosy 16)
Ny ondrilahy no atao fanatitra mialoha nyosilahy amin'ireo fotoana roa ireo.
Ankoatran'ny hevitra manokana momba nyfahitana, dia misy fanazavana bebe kokoamomba ny fitsarana sy ny Andro Fanavotanaomen'ireo sary an'ohatra ireo.
Io fitsarana io dia mirazotra amin'ilayvoalaza ao amin'ny Daniela 7:9-10.
Persia ilayondrilahy(and. 4)
Avaratra
Andrefana
Atsimo
Avy andrefanaGresy ilay
osilahy (and. 5)
Tandroka efatra(and. 8)
Avaratra
Antsinanana
Atsimo
Andrefana
Ao amin'ity fahitanaity, dia voasoritramanaraka ny lafi-tanyefatra ny fihetsehana.
Rehefa maty i Aleksandra, dia niparitaka nanarakany lafi-tany efatra (rivotra) ireo jeneraliny.
Nambabo avy any antsinanamiankandrefana (Eoropa) i Persia (Iran ankehitriny). Aleksandra Lehibe kosa avyany andrefana (Gresy).
X
Mety ho maka hevitra roa ny andininy 8 sy 9 amin'ny dikan-teny sasany momba ilaytandroka kely na hoe avy amin'iray amin'ireo tandroka efatra no nipoirany na avy amin'irayamin'ireo rivotra efatra. Kanefa, dia mazava tsara ny dikan-teny fototra Hebreo mombaan'izany.
Andeha hodinihina ny teny fototra:
Rivotra efatra (f) ny lanitra (m, p)
avy tamin'nyanankiray (f)
amin'ireny (m, p)
Ny "genre" araka ny gramera ny “tandroka” (f) sy ny “rivotra” (f) dia mifanaraka amin'nyiray amin'ny “iray” (f). Saingy, ny “ireny” (m) dia amin'ny “lanitra” (m, pluriel ny tenyHebreo eto) ihany no mifanaraka. Noho izany, toy izao no tokony hamakiana io andalana io:
Ny fahefana izay asehon'ilaytandroka kely dia mitovy amin'ilaybiby fahefatra ao amin'ny Daniela 7.
Tsy avy amin'ny iray amin'ireofanjakana efatra (tandroka) taorian'iAleksandra Lehibe izy io, fa taorian'ny nanjakany (Daniela 8:22-23) tany andrefana (iray amin'ireorivotra efatra).
Tamin'izany fotoana izany no nipoitra ny ampira Romana. Nambabo ny ampira Grika rehetraizy.
Ny fivoaran'ny ampira Romana ho lasa fahefana ara-pivavahana diamifanandrify amin'ilay “tandrokakely” ao amin'i Daniela 7.
NY TANDROKA KELY Tk. 7 Tk. 8
Samy kely 8 9
Samy mihalehibe 20 9
Samy mampahory 21 10, 24
Samy miteny mihoam-pampana 25 25
Samy miady amin'nyvahoakan'Andriamanitra
25 24
Samy manana fe-potoana ara-paminaniana
25 13-14
Samy maharitra hatramin'nyfarany
25-27 17, 19
Samy horavain'Andriamanitra 26 25
“Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorinataminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.” (Daniela 8:11)
Niady tamin'i Jesosy (andriana) i Roma, nampitsahatra ny fanatitra (ny fanatitraisan'andro) ary nandrava ny tempolin'iJerosalema (ny Fitoerana Masina).
Fa, ireo toe-javatra voalaza ao amin'ity tokoity dia mitohy hatramin'ny fiafaran'izaotontolo izao (and. 17, 19). Koa satria tsy misyfahefana hafa intsony aorian'ilay tandrokakely, dia manana heviny lehibe tokoa ireoandininy ireo.
Nosoloina fahefana ara-pivavahan'nyfahefan'i Roma Papaly ny fahefana ara-politika sy ara-miaramilan'ny ampiraRomana.
Namely ny Fitoerana Masina i Roma Papaly. Tsy ilay tety an-tany izay efa rava, fa ilay any an-danitra izay ambaran'i Paoly ao amin'nyHebreo 9.
NY FAMELEZANA NY FITOERANA MASINA
Maneho ny vahoakan'Andriamanitra izay olom-pirenen'ny lanitra ireo (Eksodosy 12:41; Daniela 12:3; Filipiana 3:20)
Ny tafika sy ny kintana (and. 10)
Io ilay 1 260 taona ao amin'i Daniela 7:25Ny fanenjehana
(and. 24)
Nosoloina pretra olombelona ety an-tany Izy.Notafihina Jesosy
(and. 11, 25)
Ny asa fanelanelanana ataon'i Jesosy amin'ny maha-Mpisoronabe Azy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra dia nosoloina fanelanelanan'olombelona syolona masina.
Nesorina ny“fanatitra
isan'andro” (and. 11)
Fampianaran-diso no nampianarina, ary nyfahefan'ny Baiboly dia nosoloina lovantsofina.
Farany, nazeraamin'ny tany ny
fahamarinana (and. 12)
Ny fitoerana masina (ny tempoly) dianamboarina indray tamin'ny vanim-potoanan'ny ampira Persa (ondrilahy). Notafihina indray izy avy eo, indrindratamin'ny vanim-potoanan'ny ampira Grika(osilahy).
Ny ampira Romana (tandroka kely) no nandrava azy tanteraka.
Tsy nitsahatra hatreo ny fanafihana nyfitoerana masina. Nampitombo nyfanafihany (fizarana faharoa ataon'ilaytandroka kely) ho amin'ny FitoeranaMasina any an-danitra i Roma Papaly.
Koa tonga amin'izay ny fotoanahanadiovana ny fitoerana masina. NyAndro Fanavotana no maneho an'izany(Levitikosy 16).
NY FANADIOVANA: FOMBA AHOANA?“Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koananao tamin'ilay niteny hoe: ‘Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakarivasy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoeranamasina sy ireo maro be ho fanitsaka?’” (Daniela 8:13)
Rehefa miaiky ny fahotantsika isika, dia voavelaizy ireny (1 Jaona 1:9). Tsyheverin'Andriamanitra intsony izany (Mika 7:19). Noho izany, dia mahazo matoky isika fa voavela heloka.
Saingy, ny firaiketana ny fahotantsika dia tsyvoafafa raha tsy efa voatsara mandritra nyfanadiovana ny Fitoerana masina any an-danitrany fiainantsika (Levitikosy 16:30).
Noho ny fanatitra sy ny fanelanelanana ataon'iJesosy, dia ambara ho tsy manan-tsiny isika eoamin'ny Fitsarana. Tsarovy, fa araka ny Daniela 7:26-27, ny tanjon'ny fitsarana dia nyhanomezana ny Fanjakana ho an'ny olonamasina.
E.G.W. (Hery Mifanandrina, tk. 23, p. 421)
“Ary hoy izy tamiko: ‘Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afakaizany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina.’” (Daniela 8:14)
Hanomboka mialoha ny fiafaran'izao tontolo izao ny fanadiovana, satria miankinaamin'ny fanapahan-kevitra raisina ao amin'ny Fitsarana (izany hoe, ny fanadiovana nyFitoerana Masina) ny fandravana an'"ilay tandroka kely".
6 taona mahery kely monja ny 2 300 andro. Tsy ampy hahatanterahan'ireo zavatrarehetra voalaza ao amin'io toko io izany.
Noho izany, dia tsy maintsy mampiasa ny fitsipika momba ny iray andro mira iray taonaisika.
“Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina nyfitoerana masina.”
2300 taona
457 BC
Didynavoakan'iArtakserse
sy
1844 AD
Fanadiovana ny
fitoeranamasina
Nanomboka tamin'ny didy navoakan'i Artaksersesy ny 2 300 taona. Izy no mpajakan'i Persia izay nandefa an'i Ezra ho any Jerosalema (araka izay hazavaina ao amin'ny Daniela 9:25).
Ny fanadiovana ny Fitoerana masina dia nanomboka ny 1844 AD, taoriana indrindra nyfanenjehana nataon'ilay tandroka kely teo anelanelan'ny 538 AD sy 1798 AD.
“Noho izany ny fanadiovana ny
Fitoerana Masina dia mahafaoka
koa ny asa famotopotorana—izay
asa fitsarana. Tsy maintsy ho vita
alohan'ny fiavian'i Kristy
hanavotra ny vahoakany io asa io;
fa rehefa ho avy Izy, dia ho eny
Aminy ny famaliany, mba
hamaliany ny olona rehetra araka
ny asany. Apokalypsy 22:12.”
E.G.W. (Hery Mifanandrina, tk. 23, p. 421)