16
FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 SY FANOMEZANA LOKA MOMBA NY FAMPIHARANA NY FIFANARAHAN’NY VONDRONA SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA Taratasy Fandraisana anjara FAMPIHARANA NY RARINY ARA-TOEKARENA, FAMPIANARANA SY FANOFANANA. Ity loka ity dia entina hankasitrahana ny Fikambanana tsy Miankina amin ‘ny Fanjakana sy ny Fiarahamonina eny ifotony izay nahavita be teo amin’ny fanorenana fiarahamiasa sy tambazotra mahomby ho fampiharana ny Fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana, tamin’ny fitakiana tamberin’andraikitra eo amin’ny fitondrampanjakana, fanatanterahana atrikasa fandresen-dahatra eo ifotony, ary koa fampiroborobona ny hetsika ataon’ny vehivavy eo amin ‘ny faritry ny SADC. Ny faritra misy (*) dia tsy maintsy fenoina. Lohatenin’ny tetikasa Fampandrosoana firian-karena ny vehivavy. Mpanolotra Fanampin’anarana Anarana Berthe SOANAODY Iza no solonao tena Fikambanana Andraikitra Soamaneva mpampiofana Vavy/Lahy (safidio) Lahy Vavy X Firenena MALAGASY AdiresyMailaka [email protected] Finday 0321107434 Teny fanolorana* Manomeza teny fanolorana nataon’ny fikambanana, ohatra avy amin’ny filohan’ny fikambanana/tambazotra izay mamintina ny zava-bitan’ny tambazotra .Omeo ny anarany sy ny andraikiny. 1

Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

  • Upload
    others

  • View
    0

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 SY FANOMEZANA LOKA MOMBA NY FAMPIHARANA NY FIFANARAHAN’NY VONDRONA SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANATaratasy Fandraisana anjaraFAMPIHARANA NY RARINY ARA-TOEKARENA, FAMPIANARANA SY FANOFANANA.

Ity loka ity dia entina hankasitrahana ny Fikambanana tsy Miankina amin ‘ny Fanjakana sy ny Fiarahamonina eny ifotony izay nahavita be teo amin’ny fanorenana fiarahamiasa sy tambazotra mahomby ho fampiharana ny Fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana, tamin’ny fitakiana tamberin’andraikitra eo amin’ny fitondrampanjakana, fanatanterahana atrikasa fandresen-dahatra eo ifotony, ary koa fampiroborobona ny hetsika ataon’ny vehivavy eo amin ‘ny faritry ny SADC.Ny faritra misy (*) dia tsy maintsy fenoina.

Lohatenin’ny tetikasa

Fampandrosoana firian-karena ny vehivavy.

Mpanolotra Fanampin’anarana AnaranaBerthe SOANAODY

Iza no solonao tena

Fikambanana AndraikitraSoamaneva mpampiofana

Vavy/Lahy (safidio)

Lahy VavyX

Firenena MALAGASYAdiresyMailaka

[email protected] 0321107434

Teny fanolorana*Manomeza teny fanolorana nataon’ny fikambanana, ohatra avy amin’ny filohan’ny fikambanana/tambazotra izay mamintina ny zava-bitan’ny tambazotra .Omeo ny anarany sy ny andraikiny.

Ny fandrosoana tsy vitan’irery fa mila fiaraha-mientana. Noho izany ny vehivavy miara-mientana sy mandray andraikitra antoky ny fampandrosoana eo amin’ny firenena. Ny anaran’ny fikambanana SOAMANEVA ary ny andraikira dia mpampiofana.

1

Page 2: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Famintinana*Inona ny fiaraha-miasa nahorina sy ny zava-bitany ary inona no mapahomby izany Voateny 300.

Fiaraha-miasa tamin’ny ONG iray atao hoe SOAMANEVA tamin’ny fanatanterahana ny teti-kasa mitondra lohateny hoe “Fandraisana anjara amin’ny fampiofanana ny vehivavy, ary fampandrosoana ny asa tànana ao amin’ireo tanàna anaty kaominina ambanivohitra ny Ramena.

NY fiaraha-miasa napetraka teo amin’ny mpitondra fanjakana dia nisy fifanarahana na fifanekem-piaraha-miasa teo anivon’ny kaominina sy ireo mpamatsy vola teto Ramena. Io fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto antanana, ny vondron’olona ary ny vahoaka izay mpisitraka ny asa izay ho tanterahina .

Naroso teo amin’ny vahoaka rehetra ny antony nametrahana ny tetik’asa sy ny tanjona izay napetraka ka miantraika mivantana sy ankolaka amin’ny ankamaroan’ny vahoaka manodidina na ivalan’ny kaomininana.

Tsy vitany hoe mampahafantatra ihany fa nitohizana ny asa ka natao ny fiofanana tamin’ny vondrom-bahoaka izany hoe fikambanana maromaro misy eto an-toerana(fikambanam-behivavy,tao koa ny fikambanan’ny lehilahy mpanjono) mba hanananan’ireo trakefa ahafahana manatanterakasy manatsara ny asa ka ahafahana mivelatra amin’ny fampandrosoana tsaratsara kokoa .

-Ny zava-bitany tamin’izay dia ny fanofanana arak’asa, fianarana asan-tanana izay ampiasana akora izay misy eto amintsika ka tsy hafaranana lavitra no sady tsy handaniana vola betsaka ka hafahan’ny rehetra mandray anjara na eo amin’ny fanamboarana , na eo amin’ny fanatsarana ny fitaovana eo ampelatanana. Noho izany dia liana sy nandray anjara mavitrika, ny fikambanana mba hampandroso ny fikambanana misy azy.

Ny fandrafetana tetik’asa izay entin’ny tsirairay mandamina ny asa ho atao sy ny fotoana ho heverina hanaovana azy araka ny fotoana izay ahafahan’ny tsirairay. Satria ny finiavana sy ny fahavonon’ny isam-btan’olona no fitaovana mampahomby ny zavatra natao.

Ny tena tsara sady nampahomby ny asa dia voalohany indrindra ny fisian’ ny mangarahara eo amin’ny fitantanana eo amin’ny etina sy ny mpitondra, ny fisian’ny fahamarinam-potoana eo amin’ny fanatanterahana ny asa,ao koa ny fahafehezana ny asa izay natao indrindra ho an’izay mitarika. Ny fisian’ny fifanajana , ny fahaizana mamehy sy mandravona ny hevitra navoakan’ny rehetra,ny fahaizana mamehy ny olon entina eo amin’ny lafiny rehetra(na eoamin’ny sosialy, na ara-toe- karena…) ary ny fanomezana lanja ny olona sy ny hevitra izay avoakan’ny tsirairay

Tanjona fototry ny tambazotrana alliance*Ataovy lisitra misy teboka Voateny 300.

Mampandray anjara ny vehivavy amin’ny asa fampandrosoana Miaro ny tontolo iainanana amin’ny lafiny rehetra Mitady vola mba ho fampandrosoana ny fikambanana sy ho fanampiana ny namana sahiranaMampianatra ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny traikefa ananan’ny fikambananaMiady amin’ny fampitovin-jo ny vehivavy sy lehilahy ary ny zo ny ankizy

2

Page 3: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Mam pirorobo ny miralenta Fanomezana asa ho an’ny olona tsy an’asa eo anivon’ny fiaraha- monina. Satria maro ny tanora indridra fa ny vavy tsy mana-katao ka dia lasa mivarilavo amin’ny asa tsy sahaza ny amin’ny fahatanorana fa lasa manaonao foana (ohatra mivaro-tena, mitondra vohoka tsy nirina …) Ho fampandraisana anjara ho an’ny rehetra. Ilaina ny fampandraisana anjara ho an’ny olona rehetra eo amin’ny fampandrosoana satria raha samy mientana ny tsirairay dia maivana izay rehetra atao hoy ny hoabolana Malagasy manao hoe “entana takonina tsy mavesatra” Mampandroso sy manome trakefa ny vondron’olona hifotony mba ahafahany tsy miankin-doha amin’ny hafa. Satria ny tsy fahalalana io dia anisany sakana lehibe tsy ahafahana mandroso sy mivelatra ka liana tohana sy fandraisana adraikitra hoan’ny rehetra.Mampiena ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny firenena. Maro amin’ireny ny olona mananan fahaizana nefa tsy mahita asa ao koa anefa ny tsy ampy fahalalana ahafahana hanatateraka ny asa tokony hifanandrify aminy izany no hitaritana azy amin’ny lalana tokony halehany. Fampandraisana anjara mavitrika ho an’ny vehivavy .Sartria mbola maro ny vehivavy tsy sahy mandray andraikitra noho ny sakana maro samy hafa:ao izany tsy havelan’ny vadiny manao asa fitadiavam-bola, ao koa ny tsy sahy mijoro ho mahatoky amin’ny fahalalana izay ananany, misy koa ny tena tsy mahalala noho ny tsy fahafahana mivelatra na mifanakalo hevitra amin’hafaMampandroso ny firenena mba ho fanatsarana ny farim-piainan’ny tsirairay. Ny fandrosoan’ny firenena dia miainga avy ifotony izany hoe avy amin’ny tokantrano, vondron’olona na fikambanana, amin’ny Fokontany tsirairay, ka mikisaka any amin’ny kaominia, region, faritany ary mipaka any amin’ny firenena. Midika izany fa ny fandrosoan’ny firenena dia tsy vitan’irery fa mila ny fiaraha-mientan’ny olona rehetra.

Mpahazo tombotsoa sy mpiara-miombon’antokaTanisao eto ireo mpisitraka sy mpiara-miombona antoka; ireo izay nokendrena mivantana sy ny vinavinan’isan’ireo izay voakasika tsy mivantana

Mpahazo tombotsoa mivantana

Mpahazo tombotsoa tsy mivantana

Anaran’ny sokajy

Vavy

Lahy

Totaliny

Vavy

Lahy

Totaliny

Fikambanam-behivavy Iovona

25 25 40 35 75

Mpandrary sy mpanjono

25 20 45 32 34 66

Mpampianatra ao amin’ny kaominina

15 10 25 432 350 782

Totaliny 40 30 100 504 419 948

Fanarahamaso sy tombanezaka*Inona ny fomba fanarahamaso sy fitaovana nentinao nanao tombanezaka ny fiantraikan’ny hetsika? Mety ho mikasika ny ara-toetra sy ny ara-patra (qualitatifouquantitatif) Voateny 300.

3

Page 4: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Eo amin’ny fanarahamaso, tsara ny fanaovana azy amin’ny asa izay natao satria ny fanaraha-maso na ny fijeren ifotony ny zavatra natao no isany antony lehibe ahafan’olona manantanteraka ny asa izay nataony ho ara-dalana. Ahoana ary ny fomba nanatanteranao izay ka aharesilahatra ny mpandray anjara sy ahafehezany tsara ny zavatra nataony. Ho hazavaina mialoha ny zavatra hiandrasana aminy. Ambara mialoha koa ny fotoana hanatanterahana ny fitsidihana( azo tsy ambara koa ny fotoana arakaraka ny tranga misy) mba tsy hisian’ny fanomezantsiny sy ny tsy fahitana ilay olona eo amin’ny toerana misy azy satria maro ny andraikitra sahanin’ireny olona ireny ka mitaky ny tena marina raha olona tena vonona hiasa. Nefa raha olona tsy tena matotra izy eo no hamantaranao azy ka ahaizanao manatsara na manova tetika hafa na mandray fanapaha-kevitra hafa amin’ilay olona raha tsy mety manaraka ny torohevitra izy.

Ny fanaraha-maso dia hanaovana jery todika amin’ny ezaka vitan’ny kaominina sy ny vondron’olona na vondrom-piaraha-monina mikasika ny asa tokony hataon’ny hivon-toerana mendrika eo amin’ny fanatanterahana ny drafitr’asa efa napetraka. Ary koa fanombanana ny fandrosoan’ny asa izay nekena hotanterahina na koa ny fiantraikan’ny asa izay ho fampidirana ny miralenta ao amin’ny kaominina. Aroso ny vaha olana mety mifanaraka amin’ny tranga hita.

Ny fitaovana entina hanatanterahana ny tombanezaka dia efa homanina mialoha ny taratasy izay mirakitra ny mobamomba ilay olona ho tombanana, hita ao anatiny koa ny daty natanterahana ny asa, ny fomba fanatanterahana azy, avahana tsara ny andraikitry ny olona izay notombanana mba ahafahanana manavaka sy mahafantatra fa izao no andraikitry ny tsirairay ao anatin’ny tetik’asa napetraka. Ampitahana ny asa vita arakaraka ny fotoana efa lany mba ahafahana mamporisika amin’izay efa mandeha tsara ary manome tosika ho an’izay mbola mitaraidraika ao no ahitana ny fototry ny olana izay tsy ahafahana mampandeha ny asa.

Fifandraisana teo amin’ny sekretarian’ ny Alliance*Lazao ny fifandraisan’ny tambazotranao amin’ny sekretaria nasionaly na rezionalin’nyAlliance; ahoana ny nahafahan’izany tantsoroka izany nanamora ny asanao ary inona ny fomba hanatsarana izany tantsoroka izany? – Voateny 300

NY fifandraisana teo amin’ny tambajotra serkretera nationaly, regionally ny alliance dia misy ny faraha-miasa tena matipaka sady mahafinaritra. Satria tamin’ny fanombohana ny asa nidina taty ifony ny sekretera nationaly ireo nanoro hevitra sy nanoro lalana ary nijery ifotony ny zavatra natao. Kanefa tao ny olana kely izay nisy tamin’ireo vahoaka navory, tsy nijery fotsiny ny tompon’andraikitra fa niezaka nitady vaha olana ka voavaha ny olana ( ny olana tamin’izay dia rehefa hamory olona izahay dia nadefa fiantsoana ,nefa raha nahita iny fiantsoana ny olona dia liana naheno ity miralenta ity tena rototra ny olona nanatona mba hiaino sy ahafantatra ny ankapobeny ny miralenta. Teo zany tena nahafaly ny tompon’andraikitra ahoana ny atao dia nanontanianany mpivory tamin’ny fomba ahoana no nahafahanareo na narenesanareo nahatonga anareo vory maro toy izao. Niaiky ry zareo fa tsy nantsoina fa mba te handray anjara. Ary niresahana koa izay nahazo fiantsoanaka nanaiky ary tena tsy nanda ireo namany ka naroso amin’izay ny laha-dinika fampahafantarana nyfifanarahana ny fenitry SADC Mikasika ny miralenta sy ny fampandrosoana ka nofakafakana ny tanjona 28.

4

Page 5: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Jerevana manokana koa ny fari-pahaizan’ny tompon’andraikitra eto antoerana hafaka hanao ny asa ve sa tsia ny fanatanterahana ny andraikitra tandrify azy. Manamfy izany ny andininy faha 14:ny fampianarana sy fanofanana. Midika izany fa ny tompon’andraikitra dia azo omena tosika tandrify ny andraikiny omena azy. Ny fiarahana miasa misy amin’ireo sekretera roa ireo ka nafaka nifandinika sy nifanoro hevitra mba ahafahana ahita vokatra tsaratsara eo amin’ny fampandrosoana ny fiarian-karena sy ny fahalalana izay efa ananana eo anivon’ny fiaraha-monina.

Tsy vitan’izany ihany fa manampy betsaka anay ara-kevitra, ao koa ara-pitaovana ka ahafahana mampitombo sy manatsara ny fahalalan’ireo izay mikambana ao anatin’ny vondron’ny miralenta. Ka mety sady manamora ny asanay ny fifandraisana amin’ireo sekretera nasionaly sy regionaly.

Hetsika misongadina*Milazà farafahakeliny dimy. Voateny300

Maro ny hetsika izay misongadina amin’ny fanatanterahana ny asa satria fantatra fa tsy mora ny manao zavatra fa indridra ny fampiraisan-tsaina amin’ny karazan’olona maro samihafa toetra, samihafa karazana samy hafa fomba fisainana nefa ireny dia harena sarobidy. Ka noho izany ilaina paik’ady mazava eo amin’ny ny fanatanterahana ny asa rehetra.1-Ny fampahafantarana dia atao ny ahafantaran’ny olona rehetra, ny mpanantanteraka ny asa sy ny mpisitraka ny asa dia mila resilahatra, mialoha ny fanombohana. ary ny fanatanterahana azy dia amin’ny hendriny samy hafa: havory amin’ny toerana iray ny vahoaka mifanakaiky eo no asesy ny fanazavana, ny fomba faharoa dia atao ny video na film maneho asa mitovy amin’ilay tanjona ho tratrarina, manarak’izany dia ny afisy apetaka eo amin’ny toeran misy olona maro mandalo ary koa ny filazana amin’ny radio sy télé.2-Fanofanana arak’asa: eo amin’ny fanofanana arak’asa dia mila mihomana tsara eo amin’ny lafiny rehetra, olona, fitaovana, toerana, daty ary ny enti-manana ahafahana hampirindra ny asa. Rehefa vonona ny zavatra rehetra dia afafy ny fiantsoana. 3-Fanaraha-maso sy tosika, ilaina eo amin’ny asa efa notanterahina mba ahafahana manatsara misimisy kokoa satria ao no ahitana ny lesoka dia ahitsy sy ny tsara mety hitohizana sy alain-tahaka. 4-Fanombanana ny asa vita mba ahafahana mahita ny lalana tokony ho aleha sy ny fanatsarana tokony ho atao

5- Fitadiavana ny mpamatsy vola, ilaina ny mpamatsy vola mba ahafahana mivarotra ny vokatra vita eo amin’ny kaominina, faritra, faritany ary ny firenenena sy ny firenena hafa ivelany mba ahafahana mivelatra misimisy eo amin’ny fampandrosoa 6- Fivarotana ny vokatra dia mivelatra ho an’ny olona tsy ankanavaka na tompo-tany na vahiny.Izany dia natomboka teto antoeran ary mbola haparitaka manerana ny nosy.Fanaingana ny hoenti-manana*Lazao ny fomba nanainganao ny hoenti-manana (sora-bola) hoan’ny asa momba ny miralenta.

Sora-bola Ariary (farito mazava)

Fanamarihana

Sora-bola manokana ho Ar -fampahafantarana,

5

Page 6: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Sora-bola Ariary (farito mazava)

Fanamarihana

an’ny miralenta 30.000.000 -Fampiofanana,( fomba fadrariana, karazana fomba fitehirizana trondro, fikojakojana ny fitaovana.-fanaraha-maso sy ny tomba’ezaka

Ny miralenta ao amina tetikasa fototra (farito mazava )

Ar 2.000.000 Nividianana milina fanjairana

Sora-bola na zavatra natolotry ny fikambanana mpiara-miombona antoka (Faritomazava : kaominina,kaominia, touriste malala-tanana)KAO

Ar 1.000.000 Fividianana ny akora: satrana, rangy...nentina nanatanterahana ny asa (fadrariana tanty, sous-plat...)

zavatra hafa Ar 1.000000 Fividianana harato ho fanampiana ireo mpanjono

Totaliny Ar 34.000.000

Vokany

Fiarahamiasa amin’ny fitondrampanjakana *Inona ireo vokatry ny fiarahanao miasa amin’ny fitondrana amin’ny

fampiharana ny tanjona 28 voasoratra ao anatin’ny Fifaneken’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana ? Anisan’ny solontenam-panjakana ve ianao eo amin’ ny tambazotra eto amin’ny faritra sy iraisam-pirenena ? Manomeza ohatra iray farafahakeliny momba ny fiantraikany (influence) izay afaka nataonao teo anivon’ireo rafitra ireo.Voateny 200.

Ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fampiharana ny tanjona manamora ny asa izy noho izy efa mahafantatra ny fisiany sy ny fampiharana ny miralenta eo amin’ny fitondram-panjakana. Manomboka ny asa dia ny fifanarahana amin’ny mpitondra mba hanamarinana fa manaiky ny asa ny mpitondra, hatao ny sonia mpiaraha-miasa mba ho samy tompon’andraikitra ny rehetra fa tsy miravirvi-tanana ny mpitodra ary tsy miasa irery mpanatanteraka ny asa ny vondron’ny miralenta.

Midika izany fa manampy betsaka amin’ny fanatanterahana ny asa ny fisiany sy ny fandraisany’ny fanjakana antanana, fadraisany ny andraikiny eo amin’ny asa izay notanterahina (ohatra ny fiofanana). Ary raha misy ny lesoka sy ny tsy fahatomombanana ny asa dia samy tompon’andraikitra izy roa tonta. Ny malagasy rehetra manana andraikitra eo amin’ny fanjakana satria avy amin’olona tsiraira. Ka ny ohatra raisintsika amin’ny maha mpampianatra ny tenanay ao koa ny maha reny dia tsy afa-miala n’aiza n’aiza ny toerana ary na inona na inona ny asa ho atao dia mahatsiaro ho

6

Page 7: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

manana adidy amin’ny fanatanterahana sy fampiharana ny miralenta ny tenako ary mahatsiaro matiantoka zaho raha tsy manao ny tandrify ahy.

Porofo fijoroana vavolombelona *Manomeza porofo fijorona ho vavolombelona ny influence izay azonao natao amin’ny fanambarana tomponandraki-panjakana ambony, fanambarana nalaina tamina fandraisam-pitenenana na teo anivon’ny tambazotra iray ka mankasitraka ny asa ataon’ny fikambananao. Omeo ny anarany, ny fikambanana sy ny andraikiny.Voateny 200.

Fiarahamiasa amin’ny fiarahamonim-pirenena*Inona avy ireo paikady nampiasaina entina hahazoana ny fanohanan’ireo mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ka hiasany amin’ny fampiharana ny tanjona 28 ny Fifanarahana? Inona avy ny vokatra azo ? Voateny 200

Ireo paikady nampiasaina entina ahazoana ny fanohanana ireo mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ka hiasany amin’ny fampiharana ny tanjona 28 ny Fifanarahana dia : fanambarana mazava ny asa ho atao miaro ny zon’olombelona, miaro sy mikolokolo ny fananana iombonanan ary mitady koa ny asa fampandrosoana ka mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ifotony izay mpisitraka ny asa notanterahina, fahaizana mifandray amin’ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany ary ao koa ny fahaizana mikajy sy mitantana ary mikolokolo.

Ny vokatra azo dia mandeha tsara ny asa sady mandroso ny asa: mazoto ny mpandray anjara satria resilahatra ka feno fitiavana sy hery ny olona tsirairay eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Vita ny adidy sy ny andraikitra avy amin’ny isan-tsokajiny sy ny isan’ambatongany avy. Faly ny vahoaka nohon’ny fahazoana ny asa fivelomana, mazava ho azy fa miatsara ny fiainana eo amin’ny tokan-trano sy ny ankohonana, amin’ny Fokontany, kaominina faritra, faritany ary firenena. Manana asa ny tsy an’asa satria rehefa vita ny fiofanana arak’asa vitsy ny vehivavy mipetraka tsy manan-katao eo amin’ny fiaraha-monina mihena ny fotoana lanilany foana eo amin’ny zavatra tsy misy dikany. Mitombo ny harena sy ny toe-karena malagasy ary fiarian-karena noho ny fandraisan’ny rehetra ny andraikitra tandrify azy avy.

7

Page 8: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Porofo fijorona vavolombelona *Manomeza porofo fijorona vavolombelona ny influence izay azonao natao amin’ny fanambarana tomponandrakitra eo amin’ny fiarahamonim-pirenena iray ka mankasitrany asa ataon’ny fikambananao. Omeo ny anarany, fikambanana sy andraikiny.Voateny 200

.

Fiarahamiasa amin’ny vondrona ifotony*Inona no vokatry ny firotsahanao an-tsehatra teo amin’ny vondrona ifotony teo amin’ny Fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana? Manomeza ohatra iray farafahakeliny. Voateny 200.

Ny vokatry ny firotsahako an-tsehatra teo amin’ny vondrona ifotony teo amin’ny Fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana voalohany dia mampitombo ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony isan’ambara-tonga. satria misy ny fifanatonana, ny fifampiresahana, ny finakalozaan-kevitra eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra na ny mpitarika eto am-toerana. Vokatr’izany ny vondron’olonaifotony na ny vahoaka ifotony dia sahy mijoro ho mahatoky raha ohatra ka misy zavatra atao eto toerana.

Mampitombo ny fahalalana ary manamora ny asa izay hiandraketako amin’ny maha-mpampianatra sy maha mpampiofana ahy, noho ny karazana trangan’olana izay nosedraina sy novahana ary hita fa nahitana vahaolana rehefa avy eo. Izany no mana-porofo fa tsara ny fifandraisana ary ny vahoaka dia mitady ny olona izay manatona sy mifandray amin’ ireo ankaiky mba ahafahan’ireo mamoaka ny ao anatin’ireo tsirairay. Ohatra iray izay ambara amintsika fa nitombo ny fahalalan’olona ity mira-lenta ity sy ny fandraisan’ny vehivavy anjara eo amin’ny sehatry ny politika. Teo aloha dia tsy misy vehivavy mihitsy teo amin’ny ben’ny tanana sy ny mpanolontsaina teto amin’ny kaominina Ramen, ankehitriny dia efa misy sahy mijro ho mahatoky sy mandray andraikitra hirotsaka ho mpanolon-tsaina kominaly. Porofo fijorona vavolombelona *Manomeza porofo fijorona vavolombelona ny influence izay azonao natao amin’ny fanambarana tomponandrakitra eo amin’ny vondrona ifotony ka mankasitraka ny asa nataon’ny fikambananao.Omeo ny anarany,ny fikambanany sy ny andraikiny.Voateny 200

8

Page 9: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

.

Fiarahamiasa amin’ny haino aman-jery*Ahoana ny fomba niarahanao niasa tamin’ny haino aman-jery mba hanaparihahana ny Fifanarahana ny SADC ? Voateny 150

Voalohany indrindra dia ilaina ny fifanakalozan-kevitra, ny fahaizana miresaka, ny mandresy lahatra, ny fanaovana ny tetikasa mati-paika sy mandresilahatra ny maro, fametrahana ny tanjona mazava eo ampiandohana ka manaitra sy manintona ny rehetra.

Sady tsara ny fiaraha- miasa amin’ny haino aman-jery satria mba ahafahana manao ny dokambarotra ny asa andeha ho atao, ampahafantarana ny olona ny antompisian’ny zavatra ho atao sy ny lanjan’ny zavatra ho tanerahina ka hisian’ny fifampitokisana amin’ny olona mpampiasa sy ny mpiasa, ary fanambarana ny porofo fanamarihana mazava ny zava-bita rehetra tsy azo toherina sady mandresilahatra ny maro. Tsy azo atao ambanin-javatra io fiaraha-miasa io.

Porofo fanamarinanaRaha azo atao dia manomeza tatitra iray tamin’ny haino aman-jery vokatry ny fiarahanao miasa tamin’izy ireo .Lien URL, Pdf, You tube.

9

Page 10: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

Fanamafisana ny fahaiza-manao*Efa nikarakara fanamafisana ny fahaiza manaon’ny fikambanana hafa ve ny Fikambanana momba ny fampahafantarana ny Fifanarahan’ny SADC ? Manomeza ohatra iray. Voateny 200.

Ny fanamafisana ny fahaiza-manao dia anisany zavatra tsara sady mahomby eo amin’ny fampandrosana ny toe-karena sy ny fiariankarena. Ny tenanay dia efa maro ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay no karakaraina tamin’izany ny fikambanana iray ity atao hoe FIVEMIA izay hita ao amin’ny fokontany ambanivohitry Ramena. Nohamafisina ny falalan’izy ireo tamin’ny alalan’ fianarana zaitra vita amin’ny tanana toy ny lammban-datatra, lambam-pandriana, ny rido na io atao izay mba hita fa mety zakan’ny maro ny fividianana ny fitaovana ampiasaina nefa azo ataon’olona rehetra ny fampiarana sy fanatanterahana azy eo amin’ny fiainana andavan’andro. Hita fa mahavelona tsara sady afaka hivelarana misimisy. Nahaliana ny maro ka entanina ny fikambanana izay hafaka hanao tahaka na mihoatra noho izany mba hanampy izay ho heverina fa tokony mila izany eo amin’ny fiainany ka mila omena tosika kely mba ahafahany miroso eo amin’ny fampandrosoana

Nianatra koa ry zareo momba ny fandrariana. Ka io rary io izay natao io dia vita amin’ny satrana izay noheverina fa mba ho mora

10

Page 11: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

vidy ny akora ho ampiasaina ka ahafahan’ny rehetra handray anjara. Nisafidina mantsy ny fianarana mandrary satria io no efa asa fiveloman’olona eto an-toerana, ka nohamafisina sy nohatsaraina ny trakefa izay efa ananan’izy ireo mba ahafahan’ireo mivelatra sy mivoatra tsaratsara kokoa eo amin’ny fampandrosoana.

Porofo fijorona vavolombelona * Manomeza porofo fijorona vavolombelona fanambarana olona farafahakeliny iray izay nofanina ka hilazany ny zavatra nianarany .Omeo ny anarany,ny fikambanany sy ny andraikiny. Voateny 200.

Ireo vehivay sy ny lehilahy miaraka manao ny asan-tanana sy ny asa- bitan’ireo mba ho

fampandrosoana ny toe-karena.

Lesona azo notsohahina sy fanavaozana*1) Fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana: Momba ny

fampiharana ny Fenitry ny SADC, inona ny paikady nataonao rehefa tsy mitovy fijery amin’ny fikambananao nyfitondram-panjakana? Manomeza ohatra iray farafahakeliny ahoana izany tsy fitovian-kevitra izany nahafahana nahazoana vokatra tsaratsara kokoa.

Marina fa misy indraindray ny fitondram-panjakana tsy manaiky na mitsipaka ny hevitra izay ho atao na asa ho haroso nefa tsy ekena izany hevitra izany. Fa ilaina ihany ny faharetana, ny saina tsy mora kivy, mahay mandresilahatra ary sahy manatona ka manao hezaka mba hifandraisa-kevitra. Miezaka manao teny mamy sy malefaka mba ho fandrese-dahatra, mitady olona izay to teny mba hanampy handresy lahatra ary ho haverina ho hazavaina misimisy ny tombotsoa azon’ny vahoaka avy anmin’ny tetik’asa ho ata.

2) Fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka: Inona avy ireo lesona azo notsohahina tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana mpiara-miombon’ antoka samihafa?

Ny lesona azo tsoahina tamin’ny fiaraha-miasa taminay fikambanana mpiara-miombon’atoka dia ny fisian’ny mangarahara manomboka amin’ny voalohany, ny fahavononana avy amin’ny tsirairay, fametrahana ny fifanarahana mazava, fahavitana ny andraikitra ao anty fifanarahana, fametrahana tetik’asa mati-paika,

3) Lesona hafa ?Fametrahana Dina na lalàna ho an’izay mitsipaka ny fifanarahana. Satria indraindray misy olona minia mandratra ny asa na koa mahatsiaro tsy mahazo tombotsoa manokana ka tsy hafahana manohy ny asa.

4) Mihoatra amin’ireo lesona ireo, inona ny fomba fiatrehan’asa vaovao ho entin’ny Fikambanana amin’ny hetsika manaraka? Voateny 500.

Raha hoarana amin’ireo lesona ireo, ny fomba fiatrehan’asa vaovao ho entin’ny fikambanana amin’ny hetsika manaraka dia maromaro izay mbola ho kasaina ho atao satria ny fikasana dia ny hampandroso hatrany ny fikambanana mba ho tena matipaika sady haharitra amin’ny

11

Page 12: Gender Linksgenderlinks.org.za/.../20992_soanaody-berthe-justice-e… · Web viewIo fifanekena io dia nampafatarina ny ambaratongam-pitondrana eto amin’ny faritra,ny mpitondra eto

fampandrosoana. ka anatin’izany ny fanamafisana ny fampahafantarana ny vahoaka rehetra izay manodidina na ivelan’ ny faritra izay hiadidiana mba tsy hisy izay tsy resilahatra amin’ity miralenta ity. Ao koa ireo tanjona maro izay miisa 28 napetraky ny SADC na dia mbola tsy tratra ny tanjona dia miezaka ny haraka izay tratra eo amin’ny fanatrarana azy.

-Eoamin’ny tanjon’ny SADC dia marina fa efa nanaiky izany ny fitondram-panjakana, kanefa mbola maro ny fomba raikitapisaka izay tsy miova mandraka ankehitriny ka hiarahana mivondrona ny olona tsy ankanavaka fa indrindra hoan’izay efa nahazo fiofanana. Maro anefa anatin’izany ny asa mba hitovizana ny zo sy ny andraikitra amin’ny maha samy olombelona nefa tsy manova ny voajanahary amin’ny tsirairay.

Raha dinihina sy ho halalinina izao ny lalàna mifehy ny fanambadiana dia tokony hasiana fanazavana lalindalina ho an’ny olona rehetra satria misy izany na dia olona izay ho heverinao fa mahafantatra ny marina, na dia olona mba efa avara-pianana nefa tsy mahafantatra  ny zony eo amin’ny fananana iraisana. Ary amin’ireny làlana ireny dia tokony hatsarina mihitsy. Ka izany no mahatonga ny tenanay milaza fa ilana dia ilaina ny fanamafisana ny fampahafantarana ireo tanjona ireo ho an’ny olona rehetra mba hampandroso tsara ny fiaraha-miombonantoka ny vahoaka sy ny mpitondra mba hisian’ny fifampitokisana ho an’ny isan-tokantrano isam-piaraha-moninana ary ny firenena.

-Marina fa efa nisy ny fampahafantarana teo oloha, kanefa mbola tokony ho tohizana ihany ary ho tohizana hatrany ny asa mandrapaha-resilahatra ny olona rehetra. ao koa izany ny fampiofanana arak’asa izay fitaovana iray sady mahomby ka ahafahan’ny olona rehetra mivelona, ahafahana miasa sy manan’asa fivelomana -Ny vehivavy miralenta dia miasa ho an’ny fampandrosoana mandrakariva eo amin’ny vahoaka ifotony sy ny mpitondra Ny Fikambanan’ny vehivavy miralenta ny Ramena dia efa niheritreritra sy hamolavola drafitr’asa sy nanatanteraka ireto anjara asa ireto :-Fanadiona ny sisin-dranomasina indray isan-kerinandro mba ho madio ny torapasika ka azo hitsangatsangana ao anaty fahafinaretana, hialam-boly ary hiainana ao anaty rivotra madio tanteraka -Fambolena ny honko (magrove) eo amin’ny sisin-dranomasina mba ho fiarovana ny ala ao aminy sy ny biby na ny hazan-dranomasina izay mivelona amin’izany tontolo izany ka ireo rehetra ireo dia anisany fitaovana entina hisarihana mpizaha tany mamangy ny sisin-dranomasina ary ka mampidi-bola amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ramena

12