10
MIAINA AMIM- PINOANA Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2

Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

MIAINA AMIM-PINOANA

Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015

Page 2: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

1. MIAINA AMIM-PINOANA:1. Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9.2. Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5.

2. OHATRA HO AMIN'NY FIAINANA AN-DAVANANDRO:1. Raha manan-karena ianao: Ohabolana 28:8, 19, 20,

22, 24, 27.2. Raha mahantra ianao: Ohabolana 28:3, 6; 29:13.3. Raha mampianatra ianao: Ohabolana 29:15.

Tokony hiaina amin'ny finoana ny Kristiana. Tsy maintsy manao izay asain'Andriamanitra atao isika. Tsy maintsy matoky Azy isika, satria Izy no mitondra ny vokatra rehefa manao izay sitrapony isika.

Page 3: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

MITANDRINA NY LALANA“Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra hanohitra azy.” (Ohabolana 28:4)“Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.” (Ohabolana 28:7)“Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9)

Voalohany, manampy antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy izy mba ho afaka manao fanampahan-kevitra tsara isika. Fanampin'izany, dia manome antsika sori-dalana ho amin'ny fiainana an-davanandro amin'ny zavatra rehetra izy (sakafo, fialan-tsasatra, fifandraisana, ankohonana…)

Ny fitsipika voalohany amin'ny fiainana amin'ny finoana dia ny fanekena ireo tari-dalana omen'Andriamanitra antsika ho fivelomana ny fiainantsika: ny Lalàna.

Ahoana no hanampian'ny Lalàna antsika amin'ny fiainana ety?

Page 4: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

MAHALALA NY ZAVATRA REHETRA“Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.” (Ohabolana 28:5)

Ohabolana 28:4Ireo izay mahafoy ny lalàna

Mandoka ny ratsy fanahy

Fa izay mitandrina ny lalàna kosa

Mirehitra hanohitra azy

Ohabolana 28:5Ny ratsy fanahy

Tsy mahalala izay marina

Fa izay mitady ny Tompo

Mahalala ny zavatra ny rehetra

1

2

3

4

Ireo izay tsy manaraka ny lalàna dia tsy afaka ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy (teboka 1 sy 2). Mandoka ireo izay tsy tokony hodokafana izy ireo ary tsy afaka hahalala ny tena rariny.Ny lalàna no “mpitaiza” antsika (teboka 3). Mitarika antsika ho amin'Andriamanitra izy (Galatiana 3:24).Andriamanitra izany (teboka 4) no hanome rariny antsika mba ho afaka hanohitra ny ratsy isika sy hahalala ny "zavatra rehetra".

Page 5: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

RAHA MANAKARENA IANAO…“Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an'izay miantra ny mahantra.” (Ohabolana 28:8)

An'ny Raintsika ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao. Ny fiainana amin'ny finoana dia mitarika fanarahana ireo fitsipika omeny antsika ny amin'ny fahazoana harena sy ny fampiasana izany araka ny tokony ho izy.

Aza mampitombo harena amin'ny fampiasana tsy ara-drariny ny mahantra (Ohabolana 28:8)

Miasà mafy(Ohabolana 28:19)

Aza maimay ta hanakarena vetivety

Amin'ny fanotana (Ohabolana 28:20)Amin'ny fahihirana (Ohabolana 28:22)Na amin'ny fandrombana ny ray aman-dreninao (Ohabolana 28:24)

Manomeza ho an'ny mahantra(Ohabolana 28:27)

Page 6: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

RAHA MAHANTRA IANAO…“Ny mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany dia tsara noho ny manankarena nefa mandeha amin'ny lalana miolikolika.” (Ohabolana 28:6)

Mora kokoa sa sarotra kokoa ny fiainana amin'ny finoana raha mahantra ianao?

• Tsy manome rariny na oviana na oviana amin'ny fahotana ny fahantrana.

Mitovy ny andraikitry ny mahantra sy ny

manankarena (Ohabolana 28:3)

• Ny teo-panahin'ny olona iray dia tsy azo refesina amin'ny hareny.

Ny mahantra mandeha amin'ny fahitsiana dia tsara kokoa noho ny manankarena ratsy

fanahy (Ohabolana 28:6)

• Manome fiainana sy miahy na ny manankarena na ny mahantra Andriamanitra. Tsy maintsy mifanaja sy mifankatia isika rehetra.

Mitovy isika, na manankarena na

mahantra (Ohabolana 29:13)

Page 7: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

“Misy ireo milaza azy ho mino ny fahamarinana no tsy ampy fahaizana mandanjalanja tsara sady manao ambanin-javatra ny fankasitrahana ny tombambidin'ny fitondran-tena … Mety hanana vola sy fananana izy ireny, ka izany dia ampy hanome azy hery miasa mangina amin'ny sasany; kanefa tsy hampitombo na iota iray aza amin'ny fankasitrahan'Andriamanitra izany. Manana fahefana sy hery famoretana ny vola. Ny fahambonian-toetra sy fahamendrehan'ny fitondran-tena dia tsinotsinoavina raha olona mahantra no manana azy. Nefa ho inon'Andriamanitra moa ny vola sy ny fananana? Ireo biby fiandry eny amin'ny havoana an'arivony dia Azy. Izao tontolo izao sy izay eo aminy dia Azy. Toy ny valala ny mponina eto an-tany eo anatrehany. Ny olombelona sy ny fanana dia tsy inona fa vovoka kely eo amin'ny fandanjana. Tsy misy olona tokony hanolorany haja.”

E.G.W. (Testimonies for the Church, boky. 1, toko. 94, pj. 536)

Page 8: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

RAHA MAMPIANATRA IANAO…“Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza avela hanao izay tiany hatao dia mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15)

Rehefa manomboka mitolefika ny hazo iray, dia tsy maintsy harenina izy. "Nanarina" izany hazo izany amin'ny famatorana azy amin'ny kakazo iray. Izany asa fanitsiana izany dia tsy natao hanimbana ilay hazo, fa kosa hanatsarana azy.

Raha tsy miteny hoe "Tsia" mihintsy amin'ny zanaka isika eo amin'ny fitomboany, dia hamotika ny fiainany isika. Hitondra henatra ho an'ny manodidina azy izy.

Toy ny hazo ny olona. Ireo zavatra ratsy amin'ny toetratsika dia tsy maintsy "anarina", mba ho voaova ny fitondran-tena ratsy ataontsika.

Page 9: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

“Mety hanontany ity reny ity: 'Tsy tokony hanafay ny zanako mihintsy ve aho?' Mety hilaina ny fikapohana rehefa tsy nahomby ny fomba hafa. Kanefa tsy tokony hampiasa ny tsorakazo izy raha mbola azo ialana izany. Fa raha toa ka hita fa tsy ampy ny fepetra malefaka, dia tokony atao am-pitiavana ny fanasaziana izay entina hanitsiana ny ankizy. Matetika dia fanintsiana iray toy izany dia ampy mandritra ny fiainana, hanehoana amin'ny ankizy fa tsy izy no mihazona ny tsipiky ny fifehezana.”

E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students; toko. 13; pj. 116)

Page 10: Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015. 1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5

“Ireo Ely amin'izao vanin'andro izao, izay hita eny rehetra eny mangataka fialan-tsiny noho ny haitraitran'ireo zanany, dia tokony ho maika hanamafy orina ny fahefana nomen'Andriamanitra azy ireo hifehezana sy hanafaizana azy. Aoka ny ray aman-dreny sy ny mpiantoka, izay manao tsinotsinona sy manala tsiny ny otan'ireo izay eo ambanin'ny fiahian'izy ireo, hahatsiaro fa tonga fitaovana ho amin'ny ratsy izy ireo. Raha nampiasaina matetika ny tsorakazo famaizana, tsy amim-pahavinirana fa amin'ny fitiavana sy am-bavaka, fa tsy ny morainy tsy misy fetra; dia hahita ankohonana sambatra kokoa sy fiaraha-monina tsaratsara kokoa isika.”

E.G.W. (Child Guidance, toko. 47, pj. 276)