10
IREO VEHIVAVY TEO AMIN'NY ASA FANOMPOANA NATAON'I JESOSY Leson 6 ho an'ny 9 May, 2015

Leson 6 ho an'ny 9 May, 2015. Nandray anjara tamin'ny nahaterahany izy (Maria, Elizabeta sy Ana) Nomen'i Jesosy tombabidy izy (ilay mpitondratena tao

Embed Size (px)

Citation preview

IREO VEHIVAVY TEO AMIN'NY ASA

FANOMPOANA NATAON'I JESOSY

Leson 6 ho an'ny 9 May, 2015

IREO

VEH

IVAV

Y Nandray anjara tamin'ny nahaterahany izy (Maria, Elizabeta

sy Ana)

Nomen'i Jesosy tombabidy izy (ilay mpitondratena tao Naina)

Nanompo an'i Jesosy izy nandritra ny asa fanompoany sy ny

fahafatesany (Marta, Johana…)

Ohatra ny amin'ny …

Fankasitrahana (Maria Magdalena)

Finoana (ilay vehivavy nanendry ny akanjon'i Jesosy)

Vavaka (ilay mpitondran-tena nangataka ny rariny)

Fahalalan-tanana (ilay mpitondratena sy ireo farantsa kely

roa)

Inona no anjara asa notanan'ny vehivavy

teo amin'ny fiainana sy ny asa fanompoan'i

Jesosy?

IREO VEHIVAVY NANDRAY AN'I JESOSYAhoana no

nanambaran'i Elizabeta an'i Jesosy ho Ilay

Mesia Nampanantena

ina?

“Dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy hianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao. Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?’” (Lioka 1:42-43)

Ny hira fiderana fanomezam-boninahitra nataon'i Maria (Lioka 1:46-55) dia nanambara mialoha ireo revolisiona efatra nentin'i Jesosy.

1. Revolisiona ara-panahy (and. 46-50)

2. Revolisiona ara-pitondran-tena (and. 51)

3. Revolisiona ara-piaraha-monina (and. 51-54)

4. Revolisiona ara-paminaniana (and. 55)

Ilay mpaminanivavy antitra Ana no vehivavy voalohany mpitory ny filazantsara: “nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema [izy](Lioka 2:38)

JESOSY SY NY FAHORIANA

“Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.” (Lioka 7:13)

«Izy izay namerina indray tamin'ilay mpitondratena ny zanany lahitokana, izay efa nentina halevina dia mitsetra ny fahorian'ny reny nilaozan'olo-tiana ankehitriny. Izy izay latsa-dranomaso fiaraha-miory teo amin'ny fasan'i Lazarosy ary namerina indray tamin'i Marta sy Maria ny anadahany efa nalevona; Izy izay namela ny helok'i Maria Magdalena; Izy izay nahatsiaro ny reniny raha nihantona nijaly teo amin'ny hazo fijaliana; Izy izay niseho tamin'ireo vehivavy nitomany ka naniraka azy ireo ho mpitondra hafatra hanaparitaka voalohany ny vaovao mahafaly ny amin'ny Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty— Izy no sakaiza tsara indrindra ho an'ny vehivavy amin'izao fotoana izao ary vonona hanampy azy amin'ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainana.” E.G.W. (The Adventist Home, fizarana 8, tk. 33, pj. 204)

IREO VEHIVAVY IZAY NANOMPO AN'I JESOSY“… Maria atao hoe Magdalena, … Johana, vadin’ i Koza, mpitandrina ny fananan’ i Heroda, ary Sosana mbamin’ ny maro hafa koa, izay nanompo Azy tamin’ ny fananany,.” (Lioka 8:2-3)

Milaza ny amin'ireo vehivavy sasany izay tsy hoe nihaino ny fampianaran'i Jesosy fotsiny i Lioka fa ireo izay nandray anjara mavitrika tamin'ny asa fanompoany ihany koa. Nanompo an'i Jesosy izy ireny.Anisan'ireo vehivavy sasany lazain'i Lioka i Maria renin'i Jakoba (Lioka 24:10) sy Marta (Lioka 10:38-42).Tsy maintsy nananatra an'i Maria i Jesosy indray mandeha, noho izany dia afaka nandamina ny fiainany amin'izay izy. Zava-dehibe ny fanompoana, kanefa tsy tokony hatao alohan'ny fianarana “eo an-tongotr'i Jesosy” izany.

FANKASITRAHANA“Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra.” (Lioka 7:37-38)

Ny fandrarahana ranomanitra lafo vidy teo amin'i Jesosy (Marka 14:5) dia fanehoana fankasitrahana. Izany no fanehoana fisaorana eram-po noho izay nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainany.

Ny olona dia nahita azy ho “vehivavy mpanota”, fa i Jesosy kosa nahita vehivavy manosotra zava-manitra ho amin'ny fandevenana Azy (Mark a 14:8) . Nahita vehivavy izay hitomany noho ny fahafatesany Izy (Jaona 20:11) sy hanambara ny fitsanganany amin'ny maty(Jaona 20:18). Aoka isika ho feno fankasitraha amin'Ilay Mpamonjitsika toa an'i Maria koa.

“Ireo vahoaka be izay nifanizina nanodidina an'i Kristy dia tsy nanana firaisana velona taminy tamin'ny alalan'ny finoana marina. Fa vehivavy mahantra iray izay nijaly mafy nandritra ny taona maro ka nandany ny fivelomany rehetra tamin'ny mpitsabo kanefa tsy nahita fahatsarana akory, fa vao maika aza niharatsy hatrany, no nieritreritra fa raha mba afaka ny ho eo Aminy izy, raha mba afaka manendry na dia ny sisin'akanjony ihany aza izy, dia hahazo fanasitranana. Hain'i Kristy tsara izay rehetra tao am-pony, koa dia nametraka ny tenany teo amin'ny toerana izay ahazoany manatanteraka ny faniriany Izy. Nampiasainy izao fihetsika izao mba hanavahana ny fanendrena avy amin'ny tena finoana sy ny fikasihana kisendrasendra an'ireo mifanizina eo Aminy”

FINOANA “Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 8:48)

E.G.W. (In Heavenly Places, 11 Aprily)

Ny fifandraisana kisendrasendra amin'i Jesosy dia tsy hamonjy antsika; ny finoantsika ihany no afaka hanao izany rehefa manaiky Azy ho Mpamonjy antsika isika.

VAVA K A“Mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy … Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy?” (Lioka 18:5, 7)

Milaza ny tantaran'ny mpitondratena iray izay nahery nangataka rariny amin'ity fanoharana ity i Jesosy. Lesona lehibe telo momba ny vavaka no azontsika hianarana amin'io fanoharana io:

Mivavaha mandrakariva. Aza mba

ketraka. (1 Tesaloniana 5:17)

Ny vavaka manova zavatra (Kolosiana 4:3)

Ny vavaka arahina finoana sy faharetana

dia mandresy ny zavatra rehetra (Lioka 18:7)

FAHALALAN-TANANA

“Ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.’” (Lioka 21:2-3)Nanao fampitahana ny amin'ny antony

nanosika ilay Fariseo mpanan-karena sy ny antony nanosika ilay mpitondratena mahantra malala-tanana i Jesosy.

Ny Fariseo “mandany ny tranon'ny mpitondratena” (Lioka 20:47), fa ilay mpitondratena kosa dia nanolotra izay rehetra nananany ho an'Andriamanitra.

Mahita ny zavatra rehetra ny Mpamorona antsika. Tsy zava-dehibe Aminy izay omentsika Azy, afa-tsy ny fomba anomezantsika izany. Hitan'Andriamanitra ny fahalehibeazan'ny fanatitra ataontsika.

“Ny anton-javatra manosika antsika no mamaritra ny toetry ny asantsika, ka misy fitomboka aminy amin'ny fahafaham-baraka na amin'ny fahamendrehan'ny fitondrantena ambony. Tsy ny zava-dehibe izay hitan'ny maso rehetra sy derain'ny lela rehetra tsy akory no isain'Andriamanitra ho sarobidy indrindra. Ny adidy madinika atao amim-pifaliana, ny fanomezana kely izay tsy mahatonga fisehosehoana, ary mety ho tsy misy dikany eo imason'olombelona, no matetika ambony indrindra eo imasony. Ny fo feno finoana sy fitiavana dia mamy kokoa amin'Andrimanitra noho ny fanomezana lafo vidy indrindra. Nomen'ilay mpitondratena mahantra ny fivelomany hoenti-manao ny kely mety ho vitany. Nampiafy ny tenany tamin'ny sakafo izy mba ahazoany manome ireo farantsa kely roa ho an'ny asa izay tiany. Ary nataony tamim-pinoana izany, nino izy fa ny Rainy any an-danitra dia tsy hijery fotsiny amin'izao ny fahasahiranany lehibe. Io toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena io sy io finoana toy ny an'ny zaza io no noderain'ny Mpamonjy.”

E.G.W. (The Desire of Ages, tk. 67, pj. 615)