1
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN----DRAZANADRAZANADRAZANADRAZANA
1. TANJONA � Vokatra tsaratsara kokoa sy azo antoka (hena, atody, zezika);
� Fanampin’ny vola miditra;
� « boatin-drakitra »
2. FANATSARANA NY TRANONY
• Inona ny asan’ny tranon’akoho?
• Fiarovana @ fahavalo (bibidia, halatra, toetr ’andro, aretina);
• Manamora ny fanaraha-maso ny tahiry sy ny vokatra (zezika, atody,
taranaka);
• Manamora ny fikarakarana (sakafo, rano, fiarovana, fampanarahana, …);
• Manome ny fepetra ilain’ny biby mba hamokarany (toetr’andro,
fahanginana, sns)
• Inona ny fanatsarana azo entina @ tranony?
- Asiana tavy misy fanafody eo @ fidirana;
- Sarahina ny akoho tsy mitovy ambaratongany : lehibe (2 isaky ny metatra
tora-droa); mitarika (1-2 isaky ny m²); vantony (5 isaky ny m²);
- Mampiasa lafika (taim-bakona � mitombo ny zezika);
- Asiana toerana fanatodizana (1/akoho 3) (30*30*30 cm) misy lafika, diovina
isan-tapa-bolana;
- Asiana fiteroteronana;
- Asiana tavim-pihinanana (volo, 1m/200) sy tavi-pisotroana (tavoahangy na
volo, 40 l/100 akoho);
- Asiana kesika fanalana tsingoatra na parasy, avaozina isam-bolana
(fanafody carbalap 1 sotrokely + lavenona 2 sotrokely + fasika 5 sotrokely
isaky ny akoho);
- Asiana toerana fanokanana eo anilany (biby vaovao sy marary);
2
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
Rehefa manara-maso ny fiompiana dia avy any @ kely no mandeha any @ lehibe
3. FANATSARANA NY SAKAFONY
• Inona no zavatra entin’ny sakafo? Inona no andrasana @?
Mameno ny filàn’ny biby ompiana:
→ Hery � manatavy tena, mivezivezy, mitombo; mamokatra atody;
→ Zarinofo � manolo ny sela maty, mitombo, mamokatra atody;
→ Mineraly � mamokatra taolana;
→ Vitaminina; singa madinika;
→ Rano
• Mahafeno ireo filàna ireo ve ny fiompiana nentim-paharazana? Inona ny fanatsarana
azo entina?
• Mamokatra ny sakafo eo an-toerana (mora vidy; tsisy aretina; azo antoka ny
kalitao; sns);
3
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
• Volena ahi-maitso ny toeram-piompiana;
• Mitondra ny karazan-tsakafo misy ireo filàna isan’ambaratongany:
Sokajin-tsakafo Mitondra Filàn’ny zanany
Filàn’ny lehibe
- Voa madinika (vary, apemba, katsaka, sns); - Mangahazo, vomanga, sns
Hery kely betsaka
Ampombom-bary na katsaka; Voa-na boribory ravina (soja, vonemba, sns) [nampangotrahana]; viky; vovo-trondro; patsa; Ramilamina maina; Radaka; valala; termites; sns
Zarinofo betsaka kely
Siran-dakozia; Vovo-taolana may; korofak’akora (nototoana na may); Akoran’atody nototoina
Mineraly kely kely
Rano antonony antonony
• Akohokely: mila totoina madinika ny sakafo; tsy fenoina ny tavy fa aeliny;
Ohatra (raha tsy misy sakafo hafa):
→ Mangahazo : 31,1 kg;
→ Rà-kena maina: 4,2 kg;
→ Soja voany: 40,7 kg; → Vovo-taolana may: 3,6 kg;
→ Apombo mafy: 20,5 kg;
→ Sira: 1 kg
(10 – 30 g/ akohokely isan’andro hatr@ 4 herinandro)
• Akoho lehibe sy vantony : (ohatra raha tsy misy sakafo hafa), hatr@ 120g
isan’andro
Akora (kg) Vantony Akoho lehibe
Apombo mafy 30 21,7
Apombo malemy 30 12,4
Soja voany 23,1 36
Vovo-taolana may 6,4 5,3
Mangahazo 8,4 24,6
Rà-kena maina 2 0
sira 0,5 0,5
Afaka atao koa ny manome fanampi-
tsakafo (tsakitsaky voatoto) 10 hatr@ 15 g
isan’andro isaky ny akoho ho an’ireo
akoho mirenireny fa tsy mivala
Afaka atao koa ny manome
fanampi-tsakafo (tsakitsaky) ho
an’akoho mirenireny :
- 20 g/andro/akoho : 1-2 volana
- 30 g/andro/akoho : 2-3 volana
- 40 g/andro/akoho
manomboka ny fahatelo
volany hatr@ fahaenim-bolany
4
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
4. FANATSARANA NY FITANTANANA � Saraina @ zanany ny reniakoho1 volana aorian’ny fahafoizany;
� Hamarinina ny isan’ny lahy sy vavy (akoho lahy 1 ho an’ny reniakoho 5, 10
raha mivala ny akoho)
� Tsy azo atao ny mampiaraka ny mpifady (tamboko iraika, mpianaka) ;
� Diovina isan’andro ny tavy (sakafo, rano);
� Havadibadika ny lafika mba ho maina na soloina (tanjona fiarovana ny
fahasalaman’ny akoho sy ny zezika)
� Tsara raha raisina an-tsoratra ny hetsika rehetra atao mba ahafahana mikajy
ny tombom-barotra.
5. FANATSARANA NY FAHASALAMANA • Fanarahana ny fitsipika « bio-sécurité »;
• Fanaovana ny vakisiny sy fanalana katsentsitra ara-potoana:
5
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
ARETINA FITSABOANA FISOROHANA FANAOVANA FISOROHANA FAMERENANA NY FISOROHANA
Pesta Tsy misy vakisiny Manomboka 3 herinandro Isaky ny 1 taona
Barika Eny vakisiny Manomboka 3 herinandro Isaky ny 3 volana
Tety Tsia vakisiny Manomboka 1 herinandro Indray mandeha ihany
Katsetsitra Eny Fanafody 3 herinandro Isan-3 volana
Parasy sy Tsingaotra
Eny Fanafody Isaky ny miseho Alohan’ny fotoana fisehoany
6. FANATSARANA NY TARANAKA
- Mpanome nofo (chair): 2 kg lanja velona afaka 45 andro;
- Mpanome atody (pondeuse): manatody manomboka ny 20 herinandro ka
mety mahatratra 280 mandritry ny herin-taona;
- Fampivadihana ny akoho gasy @ mpanome nofo na @ mpanatody lava
1 taona
6
AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947
Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]
7. KAJIKAJY TSOTSOTRA :
Famokarana Vatotr’akoho @ alalan’ny fiompiana akoho vavy 6 sy lahin’akoho 1
Famokarana :
Fiainany isa fatra
Manatody 20 Andro
Mikotrika 21 Andro
Mitarika 30 Andro
Misarizoro 10 Andro
Fitambarany 81 Andro
Ny renin’akoho 6 izany dia afaka mamokatra vatotr’akoho 21 isam-bolana tsy ankijanona 7
volana aorian’ny fanombohan’ny fiompiana.
Vinavina ny tombom-barotra mety ho azo mandritra ny telo taona :
Famaritana PU (Ar) Taona 1 (Ar) Taona 2 (Ar) Taona 3 (Ar)
Vokatra (akoho) 126 252 252
Vidim-bokatra 7 000 882 000 1 764 000 1 764 000
Vola mivoaka (fandaniana)
Vakisiny Tety 150 19 950 37 800 37 800
Vakisiny Kolerà 200 56 000 106 400 106 400
Vakisiny Pesta 200 34 000 53 200 53 200
Odi-viky 50 14 000 26 600 26 600
Vitaminina 30 16 800 31 920 31 920
Fiarovana ara-pahasalamana 140 750 255 920 255 920
Tsakitsaky fanampin-tsakafo 400 139 600 560 800 560 800
Fanatsarana trano 250 000
Totalim-pandaniana 530 350 816 720 816 720
Tombom-barotra 351 650 947 280 947 280
Tombom-barotra raha mamokatra
tsakitsaky
491 250 1 508 080 1 508 080
Raha mamokatra tsakitsaky ny mpiompy dia mitombo 1,5 avo heny ny tombom-
barotra azony miampy ny fiakaram-bokatry ny fambolena @ fampiasana ny zezika
voaangona.
Mahazo misafidy ny mpamokatra na mivarotra akoho 21 isam-bolana (izany hoe
mampanaraka ny akoho 2 isam-bolana) na mamoaka vatotr’akoho 63 isaky ny 3
volana (paka, fetim-pirenena, septambra ary fety faran’ny taona) raha miaraka
ampanatodizina ny reniakoho 6.
Ao anatin’ny herin-taona dia afaka mitarika inefatra
ny renin’akoho iray, izany hoe mamokatra
zanak’akoho 44 isan-taona ka 33 isa ny taona
voalohany ary eo @ 5% eo ho eo ny taha-
pahafatesana hatr@ faha enim-bolany