6
1 AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947 Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected] FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN-DRAZANA DRAZANA DRAZANA DRAZANA 1. TANJONA Vokatra tsaratsara kokoa sy azo antoka (hena, atody, zezika); Fanampin’ny vola miditra; « boatin-drakitra » 2. FANATSARANA NY TRANONY Inona ny asan’ny tranon’akoho? Fiarovana @ fahavalo (bibidia, halatra, toetr ’andro, aretina); Manamora ny fanaraha-maso ny tahiry sy ny vokatra (zezika, atody, taranaka); Manamora ny fikarakarana (sakafo, rano, fiarovana, fampanarahana, …); Manome ny fepetra ilain’ny biby mba hamokarany (toetr’andro, fahanginana, sns) Inona ny fanatsarana azo entina @ tranony? - Asiana tavy misy fanafody eo @ fidirana; - Sarahina ny akoho tsy mitovy ambaratongany : lehibe (2 isaky ny metatra tora-droa); mitarika (1-2 isaky ny m²); vantony (5 isaky ny m²); - Mampiasa lafika (taim-bakona mitombo ny zezika); - Asiana toerana fanatodizana (1/akoho 3) (30*30*30 cm) misy lafika, diovina isan-tapa-bolana; - Asiana fiteroteronana; - Asiana tavim-pihinanana (volo, 1m/200) sy tavi-pisotroana (tavoahangy na volo, 40 l/100 akoho); - Asiana kesika fanalana tsingoatra na parasy, avaozina isam-bolana (fanafody carbalap 1 sotrokely + lavenona 2 sotrokely + fasika 5 sotrokely isaky ny akoho); - Asiana toerana fanokanana eo anilany (biby vaovao sy marary);

FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINDRAZANA · 2 AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947 Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected] Rehefa manara-maso ny fiompiana

  • Upload
    others

  • View
    72

  • Download
    6

Embed Size (px)

Citation preview

1

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

FANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTINFANATSARANA NY FIOMPIANA AKOHO NENTIN----DRAZANADRAZANADRAZANADRAZANA

1. TANJONA � Vokatra tsaratsara kokoa sy azo antoka (hena, atody, zezika);

� Fanampin’ny vola miditra;

� « boatin-drakitra »

2. FANATSARANA NY TRANONY

• Inona ny asan’ny tranon’akoho?

• Fiarovana @ fahavalo (bibidia, halatra, toetr ’andro, aretina);

• Manamora ny fanaraha-maso ny tahiry sy ny vokatra (zezika, atody,

taranaka);

• Manamora ny fikarakarana (sakafo, rano, fiarovana, fampanarahana, …);

• Manome ny fepetra ilain’ny biby mba hamokarany (toetr’andro,

fahanginana, sns)

• Inona ny fanatsarana azo entina @ tranony?

- Asiana tavy misy fanafody eo @ fidirana;

- Sarahina ny akoho tsy mitovy ambaratongany : lehibe (2 isaky ny metatra

tora-droa); mitarika (1-2 isaky ny m²); vantony (5 isaky ny m²);

- Mampiasa lafika (taim-bakona � mitombo ny zezika);

- Asiana toerana fanatodizana (1/akoho 3) (30*30*30 cm) misy lafika, diovina

isan-tapa-bolana;

- Asiana fiteroteronana;

- Asiana tavim-pihinanana (volo, 1m/200) sy tavi-pisotroana (tavoahangy na

volo, 40 l/100 akoho);

- Asiana kesika fanalana tsingoatra na parasy, avaozina isam-bolana

(fanafody carbalap 1 sotrokely + lavenona 2 sotrokely + fasika 5 sotrokely

isaky ny akoho);

- Asiana toerana fanokanana eo anilany (biby vaovao sy marary);

2

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

Rehefa manara-maso ny fiompiana dia avy any @ kely no mandeha any @ lehibe

3. FANATSARANA NY SAKAFONY

• Inona no zavatra entin’ny sakafo? Inona no andrasana @?

Mameno ny filàn’ny biby ompiana:

→ Hery � manatavy tena, mivezivezy, mitombo; mamokatra atody;

→ Zarinofo � manolo ny sela maty, mitombo, mamokatra atody;

→ Mineraly � mamokatra taolana;

→ Vitaminina; singa madinika;

→ Rano

• Mahafeno ireo filàna ireo ve ny fiompiana nentim-paharazana? Inona ny fanatsarana

azo entina?

• Mamokatra ny sakafo eo an-toerana (mora vidy; tsisy aretina; azo antoka ny

kalitao; sns);

3

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

• Volena ahi-maitso ny toeram-piompiana;

• Mitondra ny karazan-tsakafo misy ireo filàna isan’ambaratongany:

Sokajin-tsakafo Mitondra Filàn’ny zanany

Filàn’ny lehibe

- Voa madinika (vary, apemba, katsaka, sns); - Mangahazo, vomanga, sns

Hery kely betsaka

Ampombom-bary na katsaka; Voa-na boribory ravina (soja, vonemba, sns) [nampangotrahana]; viky; vovo-trondro; patsa; Ramilamina maina; Radaka; valala; termites; sns

Zarinofo betsaka kely

Siran-dakozia; Vovo-taolana may; korofak’akora (nototoana na may); Akoran’atody nototoina

Mineraly kely kely

Rano antonony antonony

• Akohokely: mila totoina madinika ny sakafo; tsy fenoina ny tavy fa aeliny;

Ohatra (raha tsy misy sakafo hafa):

→ Mangahazo : 31,1 kg;

→ Rà-kena maina: 4,2 kg;

→ Soja voany: 40,7 kg; → Vovo-taolana may: 3,6 kg;

→ Apombo mafy: 20,5 kg;

→ Sira: 1 kg

(10 – 30 g/ akohokely isan’andro hatr@ 4 herinandro)

• Akoho lehibe sy vantony : (ohatra raha tsy misy sakafo hafa), hatr@ 120g

isan’andro

Akora (kg) Vantony Akoho lehibe

Apombo mafy 30 21,7

Apombo malemy 30 12,4

Soja voany 23,1 36

Vovo-taolana may 6,4 5,3

Mangahazo 8,4 24,6

Rà-kena maina 2 0

sira 0,5 0,5

Afaka atao koa ny manome fanampi-

tsakafo (tsakitsaky voatoto) 10 hatr@ 15 g

isan’andro isaky ny akoho ho an’ireo

akoho mirenireny fa tsy mivala

Afaka atao koa ny manome

fanampi-tsakafo (tsakitsaky) ho

an’akoho mirenireny :

- 20 g/andro/akoho : 1-2 volana

- 30 g/andro/akoho : 2-3 volana

- 40 g/andro/akoho

manomboka ny fahatelo

volany hatr@ fahaenim-bolany

4

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

4. FANATSARANA NY FITANTANANA � Saraina @ zanany ny reniakoho1 volana aorian’ny fahafoizany;

� Hamarinina ny isan’ny lahy sy vavy (akoho lahy 1 ho an’ny reniakoho 5, 10

raha mivala ny akoho)

� Tsy azo atao ny mampiaraka ny mpifady (tamboko iraika, mpianaka) ;

� Diovina isan’andro ny tavy (sakafo, rano);

� Havadibadika ny lafika mba ho maina na soloina (tanjona fiarovana ny

fahasalaman’ny akoho sy ny zezika)

� Tsara raha raisina an-tsoratra ny hetsika rehetra atao mba ahafahana mikajy

ny tombom-barotra.

5. FANATSARANA NY FAHASALAMANA • Fanarahana ny fitsipika « bio-sécurité »;

• Fanaovana ny vakisiny sy fanalana katsentsitra ara-potoana:

5

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

ARETINA FITSABOANA FISOROHANA FANAOVANA FISOROHANA FAMERENANA NY FISOROHANA

Pesta Tsy misy vakisiny Manomboka 3 herinandro Isaky ny 1 taona

Barika Eny vakisiny Manomboka 3 herinandro Isaky ny 3 volana

Tety Tsia vakisiny Manomboka 1 herinandro Indray mandeha ihany

Katsetsitra Eny Fanafody 3 herinandro Isan-3 volana

Parasy sy Tsingaotra

Eny Fanafody Isaky ny miseho Alohan’ny fotoana fisehoany

6. FANATSARANA NY TARANAKA

- Mpanome nofo (chair): 2 kg lanja velona afaka 45 andro;

- Mpanome atody (pondeuse): manatody manomboka ny 20 herinandro ka

mety mahatratra 280 mandritry ny herin-taona;

- Fampivadihana ny akoho gasy @ mpanome nofo na @ mpanatody lava

1 taona

6

AVSF Vatomandry en face de la place du 29 mars 1947

Tél : 034 69 473 21 – e-mail : [email protected]

7. KAJIKAJY TSOTSOTRA :

Famokarana Vatotr’akoho @ alalan’ny fiompiana akoho vavy 6 sy lahin’akoho 1

Famokarana :

Fiainany isa fatra

Manatody 20 Andro

Mikotrika 21 Andro

Mitarika 30 Andro

Misarizoro 10 Andro

Fitambarany 81 Andro

Ny renin’akoho 6 izany dia afaka mamokatra vatotr’akoho 21 isam-bolana tsy ankijanona 7

volana aorian’ny fanombohan’ny fiompiana.

Vinavina ny tombom-barotra mety ho azo mandritra ny telo taona :

Famaritana PU (Ar) Taona 1 (Ar) Taona 2 (Ar) Taona 3 (Ar)

Vokatra (akoho) 126 252 252

Vidim-bokatra 7 000 882 000 1 764 000 1 764 000

Vola mivoaka (fandaniana)

Vakisiny Tety 150 19 950 37 800 37 800

Vakisiny Kolerà 200 56 000 106 400 106 400

Vakisiny Pesta 200 34 000 53 200 53 200

Odi-viky 50 14 000 26 600 26 600

Vitaminina 30 16 800 31 920 31 920

Fiarovana ara-pahasalamana 140 750 255 920 255 920

Tsakitsaky fanampin-tsakafo 400 139 600 560 800 560 800

Fanatsarana trano 250 000

Totalim-pandaniana 530 350 816 720 816 720

Tombom-barotra 351 650 947 280 947 280

Tombom-barotra raha mamokatra

tsakitsaky

491 250 1 508 080 1 508 080

Raha mamokatra tsakitsaky ny mpiompy dia mitombo 1,5 avo heny ny tombom-

barotra azony miampy ny fiakaram-bokatry ny fambolena @ fampiasana ny zezika

voaangona.

Mahazo misafidy ny mpamokatra na mivarotra akoho 21 isam-bolana (izany hoe

mampanaraka ny akoho 2 isam-bolana) na mamoaka vatotr’akoho 63 isaky ny 3

volana (paka, fetim-pirenena, septambra ary fety faran’ny taona) raha miaraka

ampanatodizina ny reniakoho 6.

Ao anatin’ny herin-taona dia afaka mitarika inefatra

ny renin’akoho iray, izany hoe mamokatra

zanak’akoho 44 isan-taona ka 33 isa ny taona

voalohany ary eo @ 5% eo ho eo ny taha-

pahafatesana hatr@ faha enim-bolany