7
GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay - Aogositra 2013 Fahaizana Mindrambola Antoky Ny Fahombiazana Eo Amin’ny Famokarana Mena-Boanjo Fahasahiana Sy Fikirizana No Antoky Ny Fahombiazana Ny Tohana Omen’ny Fandaharanasa Fanoitra Manoloana Ny Fampisamboram-Bola Ny Madinika Fampisamboram- Bola Madinika Ho Fampivoarana Ny Sehatrasa Fihariana Ireo Orinasa Mpampindrambola Madinika Miara- Miasa Amin’ny Fandaharanasa Vokatra Vaovao Eny Anivon’ireo Mpampindram-Bola Madinika: Mamaly ny Filan’ny Mpandrary SOFIA ANALAMANGA FANOITRA ITASY TSARA HO FANTATRA MATSIATRA AMBONY Matoandahatsoratra I zay mahay mindrana mitombo harena».Tsy afaka mivelatra ny sehatrasa madinika raha tsy misy ny tohana amin’ny fanamorana ny famatsiam- bola.Olana mianjady amin’ny sehatrasa madinika anefa ny fahatahorana manatona orinasa mpampindrambola ny madinika noho ny tahotra amin’ny tsy fahamerenam-bola sy ny fitakiana antoka ary ny fikarakarana ny taratasy rehetra. Ny Fandaharanasa FANOITRA manokana dia efa miezaka ny manala ireo sakana ireo mba tsy ho vesatra eo amin’ny sehatrasa fihariana misy ny findramam- bola fa kosa ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny sehatrasa atao. Maro ireo orinasa mpampidram-bola efa miara- miasa amin’ny Fandaharanasa toy ny Cecam, ny Ov, ny Pamf ary ny Tiavo.Ireo orinasa efatra ireo dia miara-miasa mba hanome tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny rehetra. Ao anan’ity gazem-pifandraisana ity dia ho hita ato ny mahakasika izay fiaraha-miasa eo amin’ireo sampana mpampindram-bola ny madinika sy ny Fandaharanasa FANOITRA izay; ary ny vokatra enn’izany eo amin’ireo sehatrasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra; izay misitraka ny tohana fanamorana fahazoana famatsiam-bola amin’ny faritra iasan’ny Fandaharanasa. Mamakia finaritra ary tompoko! FANOITRA.

GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

  • Upload
    others

  • View
    4

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

G A Z E T Y M I V O A K A I S A K Y N Y R O A V O L A N A L a h . 0 1 7 J o l a y - A o g o s i t r a 2 0 1 3

Fahaizana Mindrambola Antoky Ny Fahombiazana Eo Amin’ny Famokarana Mena-Boanjo

Fahasahiana Sy Fikirizana No Antoky Ny Fahombiazana

Ny Tohana Omen’ny Fandaharanasa Fanoitra Manoloana Ny Fampisamboram-Bola Ny Madinika

Fampisamboram-Bola Madinika Ho Fampivoarana Ny Sehatrasa Fihariana

Ireo Orinasa Mpampindrambola Madinika Miara-Miasa Amin’ny Fandaharanasa

Vokatra Vaovao Eny Anivon’ireo Mpampindram-Bola Madinika: Mamaly ny Filan’ny Mpandrary

S O F I A

A N A L A M A N G A

FA N O I T R A

I TA S Y

T S A R A H O FA N TAT R A

M AT S I AT R A A M B O N Y Matoandahatsoratra

Izay mahay mindrana mitombo harena».Tsy afaka mivelatra ny sehatrasa madinika raha

tsy misy ny tohana amin’ny fanamorana ny famatsiam-bola.Olana mianjady amin’ny sehatrasa madinika anefa ny fahatahorana manatona orinasa mpampindrambola ny madinika noho ny tahotra amin’ny tsy fahamerenam-bola sy ny fitakiana antoka ary ny fikarakarana ny taratasy rehetra. Ny Fandaharanasa FANOITRA manokana dia efa miezaka ny manala ireo sakana ireo mba tsy ho vesatra eo amin’ny sehatrasa fihariana misy ny findramam-bola fa kosa ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny sehatrasa atao. Maro ireo orinasa mpampidram-bola efa miara-miasa amin’ny Fandaharanasa toy ny Cecam, ny Otiv, ny Pamf ary ny Tiavo.Ireo orinasa efatra ireo dia miara-miasa mba hanome tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny rehetra. Ao anatin’ity gazetim-pifandraisana ity dia ho hita ato ny mahakasika izay fiaraha-miasa eo amin’ireo sampana mpampindram-bola ny madinika sy ny Fandaharanasa FANOITRA izay; ary ny vokatra entin’izany eo amin’ireo sehatrasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra; izay misitraka ny tohana fanamorana fahazoana famatsiam-bola amin’ny faritra iasan’ny Fandaharanasa.Mamakia finaritra ary tompoko!

FANOITRA.

Page 2: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

FAHASAHIANA SY FIKIRIZANA NO ANTOKY NY FAHOMBIAZANAVavolombelon’ny asa ny bainga”

ary “tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto”: ohatra mivaingana sy azo

tsapain-tanana manamarina ireo oha-pitenenana ireo ny tantaran-dramatoa RAHARIMANANA Marie Rosette. Renim-pianakaviana 49 taona ,efa-taona izao no namoizany ny vadiny ary mamelona irery ny zanany mianadahy. Nandalo fotoan-tsarotra Ramatoa Rosette satria alohan’ny nahafatesan’ny vadiny izay nokaon’ny aretina dia nandany vola betsaka izy tamin’ny fitsaboana azy.Tsy mora ny fiainany ary tsy afaka hiantehatra aman’olona amin’ny famelomana ny fianakaviany izy.Tao anatin’izany fotoan-tsarotra toy izany no nipoiran’ny toe-tsaina mpandraharaha izay natory tao aminy.Nanokatra asam-pihariana fiompiana akoho manatody lava tamin’ny vola kely sisa teo an-tanany Rosette,niroborobo izany asa izany nefa tsapa fa kely ny vola miditra amin’ny fianakaviana noho ny tsy fahampian’ny vola entina miasa.Nitsiry ny hevitra hanatona ny CECAM mba hindrambola hoentina hanatevenana ny sehatrasa; izy rahateo efa mpikambana tao amin’ny CECAM tamin’izany fotoana izany.Ny findramana voalohany dia nahafahany nampitombo 230 isa ny akoho izay nompiany. Niroborobo ny fiompiana nefa indrisy fa maty avokoa ireo akoho noho ny aretin’akoho mahery vaika nandalo teo amin’ny faritra.Na dia izany aza ny zava-niseho dia tsy kivy izy fa vao maika nadrisika azy hioitra indray ka hampiasa ny tahiry teo am-pelatanany ividianana omby vavy gasy iray izay natao ho fangalana ronono.Nandeha io fiompiana io ary mbola maro ny fanirian’i Rosette.Nahatsapa fa miasa irery izy ka tamin’izany fotoana.Naheno fandaharana tamin’ny onjampeo mikasika ny Fandaharanasa FANOITRA izay manohana ireo orinasa madinika izy ka nanantona ny mpanolotsaina orinasa. Nanomboka teo ny fiarahamiasa. Fiompiana omby vavy be ronono no isan’ny toro-hevitra azon-dramatoa Rosette voalohany. Findramana faharoa tany amin ny CECAM no nentina nanantanterahana izany.Tetsy an-daniny dia nisesy ny fiofanana izay narahiny: kolontsaina mpandraharaha,

Tamin’ny taona 2010 Andriamatoa RAKOTONDRAVOAVY Parfait no nanomboka niara-niasa tamin’ny

fandaharanasa FANOITRA teto amin’ny faritra Itasy. Sehatrasa madinika fanodinana voanjo ho menaka sy torto no iandraiketany. Filohan’ny kaoperativa iray ivondronan’ireo mpanao menaka ao Manazary koa izy. Rehefa natao ny drafitra fampivelarana ny sehatrasany dia nivoitra fa mba hanatratrarana ny vina izay napetraka (Fanatsarana ny fitaovana sy ny asa momba ny fanodinana voanjo) dia ilaina ny tohana maro ary anisan’izany ny fidirana amin’ny sehatra fampisamboram-bola madinika. Somary nisalasala ihany anefa Andriamatoa Parfait noho ny fahatahorana ny hindram-bola. Niezaka ny nandresy lahatra azy ireo mpanolo-tsainan’ny orin’asa teo anivon’ny IVO FANOITRA. Tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny fiofanana kolotsaina mindram-bola sy mitahiry ary koa tamin’ny fandrafetana ny drafitra fandraharahany ahafahana mahita ny zava-misy eo anivon’ny orin’asany (fahafaha-mamokatra, ny haben’ny vokatra vokarina, ny tsena, vola miodina…) no nanaovana izany. Niarahana nidinika taminy sy nazavaina azy izany ka hita fa afaka miditra soa aman-tsara tamin’izany findramam-bola madinika izany izy. Nentina teny anivon’ny rafitra mpampindram-bola madinika tao Analavory ny tetikasany. Fampisamborana hanaovana tahiry voanjo hoenti-manodina amin’ny fotoana mahasarotra ny voanjo no natao tamin’izany. Izy rahateo koa moa efa nahazo ny fiofanana fanadiovana ny voanjo niarahana tamin’ny IVO Fanoitra. Nitombo ihany koa ny tombony azo tamin’izany

fitantanana, fanodinana ronono; sns, izay notohanan’ny FANOITRA. Nihatsara sy niroborobo ny famokarana ronono: ronono 17 hatramin’ny 20 litatra isan’andro ny vokatra.Nanao ny asa mifanentana tamin’ny toe-tsaina mpandraharaha Rosette: matihanina sy manara- penitra ka nitombo ny isan’ny mpanjifa, nitombo nanaraka izany ihany koa ny vola miditra teo aminy, nandeha tsara ihany koa ny famerenam-bola. Nitatra ny sehatrasa ka nividy môtô izay findramana fahatelo notanterahina mba hanafainganana ny fanaterana entana.Nanitatra tamin’ny famokarana masomboly ihany koa izy, izany dia vokatry ny fiarahany niasa tamin’ny tetikasa PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara tamin’ireo foara sy varotra fampirantiana maro niarahana tamin ‘ny Fandaharanasa FANOITRA ihany koa izy izay nampitombo ny fahitany lalam-barotra, isan’ireny ny foara TSIMOKA ny FIER MADA ary ny andro eran-tany ny kaoperativa teny Anosy izay nihaonany tamin ‘ny FOFIFA ka nahazoany lalambarotra 10 taonina tamin’ny taon-dasa ary 10 taonina ankehitriny ho an’ny famokarana masomboly tsaramaso. Nitombo ny fidiram-bolan’i Rosette izay nahafahany nampitombo ny fananana ao antokan-trano sy nanohanany ny fianaran-janany izay nahavita soa aman-tsara ny fianarana Bacc+ 3 teo amin’ny resaka “Transit”. Mbola maro ny vina lavitr’ezaka kasaina ho tanterahinaka isan’ireny ny famokarana Fromage sy crème fraîche ary ny fanokafana tsena eo Mahitsy, eo ihany koa ny tetikasa hanodinana ny tsaramaso ho akora hafa ankoatry ny masomboly.

Niaina, CEJ AMBOHIDRATRIMO - CCIA

satria ny menaka voadio dia afaka namidiny lafolafo kokoa. 3 000 000 Ariary no nindraminy teny anivon’ny Première Agence de Microfinance Analavory, ary izay ihany koa ny vola azony ary nampiasainy mandritrin’ny 12 volana. Ny fiofanana fitantanana narahiny ary koa ny fanaraha-maso sy ny toro-hevitra avy amin’ny IVO FANOITRA no nahafahany nampiasa io vola io ara-dalàna. Ny tombony azony moa dia nahafahany nanatsara ny fari-piainany tao an-tokantrano (fividianana vata fampangatsiahana, vata fahita lavitra lehibe…), fa tsy hadinony koa ny nanompana ny ampahany tamin’izany tombony izany ho amin’ny fanampiana ny vola hoenti-miasa sy ny fampiasam-bola maharitra. Hitany fa tena nahitany tombotsoa ary nahomby ny fampisamborana voalohany. Nanao fampisamborana faharoa indray izy. Ny antoka nentina moa efa nitombo rahateo. 6 000 000 Ariary no nangatahany ary 5 000 000 Ar no nomen’ny PAMF azy nandritry ny 12 volana ary nentiny nanangona. Ny tombony azo moa ankoatry ny fampiasam-bola maharitra dia nahazahoany nanatsara ny toeram-pivarotana mofo sy kafe izay azy ihany koa. Resy lahatra tanteraka ny amin’ny tombotsoa azo any amin’ny fampisamboram-bola Andriamatoa Parfait. Mivelatra tsara ny asany ary azo lazaina fa tratra ny vina napetrany. Ankehitriny dia efa hiditra amin’ny fampisam-borana fahatelo izy ary miakatra hatrany ny teti-bidin’ny vola hindraminy. Nahomby ny fiaraha-miasa niarahany tamin’ny IVO FANOITRA.

Julia CES Miarinarivo

U N I O N L A N D Y V O A J A N A H A R Y : FAMPISAMBORAM-BOLA MADINIKA HO FAMPIVOARANA NY SEHATRASA FIHARIANA

FA N O D I N A N A V O A N J O :Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013 Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

2 3

itasy

a

na

lam

an

ga

© P

ROSP

ERER

Fitaovana sy ezaka maro no ampiasain’ireo mpanodina voanjo tahaka an’i Parfait vao mahazo ny Menaka jifaina eny an-tsena eny

© P

ROSP

ERER

Isan’ny be mpitady sy mampiasa ny sehatrasa fiompiana akoho gasy amin’izao fotoana

Page 3: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

Mpandrary enina (06) mivondrona ao amin’ny TMM (Tantsaha Miara-Miavotsa) ao Andoharanomaitso

no nahazo findramam-bola tamin’ny alalan’ny tolotra FMA ( Fikambanana Miombon’Antoka) tsy mila antoka ara-materialy, tao amin’ny TIAVO (Tahiry Ifamonjena Amin’ny Vola). Mifandray ara-barotra amin’ny orinasa iray atao hoe “ts’artfibre” ireto mpandrary enina ireto. Iray ny sakana tsy tena ahafahan’izy ireo mamaly ara-dalàna ny filan’ilay mpividy ny vokatra dia ny tsy fahampian’ny vola fikirakira, indrindra ny hividianana ravindahasa, akora fototra ilaina. Manampy trotraka izany ny filan’ny mpividy ireo vokatra ao anatin’ny fotoana fohy sy voafetra.Tao anatin’izay no nanome tantsoroka ireo mpanolotsaina ny orinasa ao amin’ny Distrika Isandra ka nanazava ireo tolotra vaovao azon’ireo sehatrasa madinika jifaina eny anivon’ireo rafitra mpampindam-bola ny madinika, ka hanampy azy ireo amin’ny fanatontosana ny kaomandy.Niroso ary Ramama Hélène sy ny ekipany ka niditra mpikambana tao amin’ny TIAVO Andoharanomaitso tamin’ny alalan’ny FAE (fanamorana ny saran-draharaha fidirana ho mpikambana sy ny saran’ny findram-bola voalohany). Dingana vita ny nahatafiditra ho mpikambana nefa etsy andaniny mbola sakana ihany koa ny antoka hahafahana mindrana vola,soa ihany fa nisy ny tolotra

findramana vaovao toy ny FMA eo anivon’ireo mpampindram-bola madinika, tsy mila antoka ara-materialy fa mila ny antoka ara-môralin’ireo mpikambana mitambatambatra.Tafavoaka soa aman-tsara ny findramam-bolan-dRamama Hélène sy ny ekipany. “Afaka nanatanteraka ny kaomandy soa aman-tsara ihany izahay no sady afaka ny ahiahy mahakasika ireo mpampindram-bola madinika: ny vola tafaverina amin’ny fotoana nifanarahana ary nanana tahiry avy hatrany ao amin’ny TIAVO izahay”, hoy izy tsy nihambahamba namaly.. Efa eo andalam-panavaozana ny findramana faharoa ry zareo amin’izao fotoana izao. Efa maro ihany koa ny olona mpiray tanàna no manontany ny fomba nataon’izy ireo nahazahoana ny findramana.

RAZANAPAHATELO Tahina

A N D O H A R A N O M A I T S O / D I S T R I K A I S A N D R A :

© P

ROSP

ERER

Ireo mpandrary manatanteraka ny kaomandy

Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

4 5

mat

siat

ra a

mbo

ny

© P

RO

SPE

RE

R

Rehefa avy nahazo ny fanazavana avy amin’ny teknisianin’ny TIAVO Andoharanomaitso Ramama Hélène dia velon-tsiky ery

sofia

ny iray tananà tao Andilatomendry no nitahiry sy nindrana vola tamin’ny PAMF. Tsy nijanona tamin’ireo mpamokatra mena-boanjo ihany izany fa niitatra hatrany amin’ireo mpitondra sy mpivarotra kisoa mandeha mankany amin’ny Faritra Atsianana (Mananara Nord).Ho an-dRamatoa Clotilde dia isan’ny tombony azony tamin’ny fampiasana ny volan’ny PAMF ny nahavitany trano vaovao efitra roa ny faran’ny taona 2011. Ary ny fahitan’ny mpiray tanàna izany no tena nahasarika sy nampiroboka azy ireo mba hindram-bola ihany koa. Ny taona 2012 dia mbola nanao fangatahana findramam-bola fanindroany izy ary nahazoany omby iray mariky ny tombom-barotra.Nanampy azy betsaka tamin’ny fampiasana sy fanodinana ireo vola nindraminy ny karazana fiofanana sy tohana avy amin’ny Fandaharanasa FANOITRA, ary mila fifehezan-tena matotra ny fampiasana vola indramina raha tiana ny hahita fahombiazana, araka ny nambaran-dRamatoa Clotilde.

Njara/GUMS/MDR

FAHAIZANA MINDRAMBOLA ANTOKY NY FAHOMBIAZANA EO AMIN’NY FAMOKARANA MENA-BOANJO

A N D I L A N T O M E N D R Y - M A N D R I T S A R A :

© P

ROSP

ERER

Clotilde nandritra ny fitsidihana tany Manazary Itasy

Singa iray miantoka ny fampandrosoana ny tohana ara-bola porofon’izany ilay fitenenana hoe “ny vola no hozatry

ny fiainana ary ny vola no maha rangahy”, izany hoe tsy afa-mihetsika mihitsy isika raha tsy misy ny vola. Koa rehefa tsy misy na tsy ampy izany hoentina miasa dia tsy hotanteraka ny ezaka rehetra.Ny fahatsapana izany toe-javatra izany no nahatonga ny fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpampindram-bola madinika sy ny Fandaharanasa FANOITRA. Ny PAMF no miara-miasa akaiky amin’ny IVO FANOITRA FFTS ato amin’ny Distrika Mandritsara, nanomboka ny taona 2010, mba hanampy ny sehatrasa madinika mahakasika izay fampindramam-bola izay.Efa maherin’ny 5 taona izao no niorenan’ny PAMF taty Mandritsara kanefa mbola misalasala ny ankamaroan’ny olona na dia ny hanontany fotsiny ny antompisian’ireny sy ny soa entin’ireny mpampindram-bola madinika ireny aza.Nanomboka nanao fanentanana ireo sehatrasa madinika ny mpanolotsaina tao amin’ny IVO FANOITRA FFTS Mandritsara tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana kolotsaina mitahiry sy mindranavola an’ireo mpahazo tombotsoa avy amin’ny Fandaharanasa FANOITRA mba hanampiana azy. Isan’ ny nhazo ny fiofanana ny tao Andilatomendry kaominina ambanivohitra Antanandava, distrika Mandritsara ny volana may taona 2011. Vita soa aman-tsara ny fiofanana, sahy ny nisava lalana avy hatrany Ramatoa RASOAMANANJARA Clotilde, mpamokatra mena-boanjo, ka nanao fangatahana indram-bola ary nahazo ny findramam-bola an’olon-tokana na “credit individual” tamin’ny PAMF na dia teo aza ny fanakiviana nataon’ny olona sasany amin’ny fitanisana fa lafo ny tanimbary, ny omby sy sarety, sns. Io vola nindraminy io no nentiny namokarana menaka nanomboka ny fetin’ny 26 jona 2011. Tsy nitsaha-nitombo aty aoriana ny faharisian’ny mpanao mena-boanjo avy ao Andilatomendry nanatona ny PAMF hindrana vola ho entina ampiasaina amin’ny fambolena voanjo sy famokarana mena-boanjo. Ny taona 2012 dia saika

Page 4: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013 Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

6 7

inona no tanjon’ny fandaharanasa fanoitra amin’ny famatsiam-bola:

Ho fampivoarana sy fampiroboroboana ny sehatrasa madinika eny

ambanivohitra mba ahafahany mahazo izay famatsiam-bola maharitra ary mifanaraka amin’ny filàny. Manao izay hanamorana ny fahazoan’ireo sehatrasa madinika ireo ny tolotra sy ny vokatra omen’ireo mpampindram-bola ny madinika ireo ny Fandaharanasa FANOITRA. Mikendry ihany koa ny ahafahan’ireo sehatrasa madinika miatrika ny olana sedrainy amin’ny fampandehanana ny orinasany hiarovana azy amin’ny olana sy sakana mety hanimba ny antonasany. Mijery ihany koa ny Fandaharanasa FANOITRA ny fomba rehetra ahafahana miatrika ny olana amin’ny tsy famerenam-bola izay sedrain’ny rafi-pitantanam-bola amin’ireo fampisamborana omeny satria ho an’ny rafi-pitantanam-bola raha ohatra ka misy izay tsy famerenam-bola izay dia miteraka fatiantoka ho azy ary mety hitarika amin’ny fikantonan’ny orinasa mpamatsy vola. Misy fihantraikany ihany koa amin’ny sehatrasa madinika izay mila famatsiam-bola amin’ny orinasa mpampindram-bola izany.Zava-misy:

Betsaka ny sahirana amin’ny fitadiavana famatsia-mbola misy ny tsy mahazo famatsiam-bola mihitsy noho ny halavitan’ny toerana ahitana azy ireny ary misy toerana izay tena tsy misy mpampindram-bola madinika. Misy amin’ireo sehatrasa

madinika ihany koa no tsy afaka misambotra noho ny tsy fahampian’ny antoka na ny tsy fananana antoka mihitsy, ny tsy fananana ny antontan-taratasy ilaina toy ny karapanondro satria fepetra iray voalohany takiana amin’ny sehatrasa madinika ny fananana karapanondro, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatrasa madinika ny tolotra omen’ireo rafi-pitantanam-bola misy. Raha orinasa vaventy dia misy ny fiantohana na “assurance” fa ho an’ny orinasa madinika kosa dia mbola tsy misy izany avy amin’ireny trano fiantohana. Amin’ny ankapobeny, azo lazaina ho zava-baovao ho an’ny sehatrasa madinika izany fampisam-boram-bola sy fiantohana izany. Eo koa ny mbola tsy fahampian’ny toe-tsaina ilaina ahafahany miatrika ny fampiasana sy ny maha zava-dehibe tahiry sy fampisamboram-bola izany alohan’ny hisamborany vola.tsy miraika amin’ny resaka fiantohana ny orinasa gasy:

Ny antony amin’ny ankapobeny dia betsaka ny olana mety ho sedrain’ny sehatrasa madinika eny ambanivohitra izay isan’ny mampisalasala ry zareo trano fiantohana. Heverin’ny sehatrasa madinika ho fandaniam-bola amboniny ireny fa tsy araky ny maha fiantohana azy, izany hoe tsy ampy fifampitokisana. asa atrehin’ny fandaharanasa fanoitra:

Tsy mpampindram-bola ny Fandaharanasa FANOITRA fa hanome tohana rafi-pitantanam-

FA N O H A N A N A I R E O S E H AT R A S A M A D I N I K A :NY TOHANA OMEN’NY FANDAHARANASA FANOITRA MANOLOANA NY FAMPISAMBORAM-BOLA NY MADINIKAIsan’ireo tohana omen’ny fandaharanasa FANOITRA ny fanamorana ny fahazoana ny famatsiam-bola amin’ireo sehatra madinika. Aoanatin’ity lahatsoratra ity no anehoana amin-tsika ny tanjon’ny fandaharanasa amin’ny fametrahana ity sokajy ity ao anatin’ny Fanmpandehanana ny Fandaharanasa FANOITRA

bola sy sehatrasa madinika hampivelarana azy.Nisy ny fiofanana nomena ny sehatrasa madinika toy ny kolontsaina ilaina mikasika ny fampiasana sy maha zava-dehibe ny tahiry sy fampisamboram-bola mialohan’ny hampanatonan’ny Fandaharanasa FANOITRA ny sehatrasa madinika amin’ireo rafi-pitantanam-bola madinika. Ankoatra izay dia misy koa fanampiana ireo rafi-pitantanam-bola madinika ireo amin’ny fanatevenana ireo kesy efa mijoro ary indrindra amin’ny fananganana kesy vaovao any amin’ny kaominina mbola tsy misy nefa betsaka sehatrasa madinika. Nisy ihany koa ny fanampiana ireo rafi-pitantanam-bola madinika ireo mba ho fanatsarana ny tolotra izay omeny mba tena hifanaraka amin’ny filan’ny sehatrasa madinika, fiaraha-miasa amin’ny tompon’ndraiki-panjakana amin’ny fanaovana karapanondrom-pirenena ho an’ireo sehatrasa madinika izay mbola tsy manana izany.Nandritra ny telo taona niasany dia nifantoka tanteraka tamin’ny fanamorana ny fahazoan’ireo orinasa madinika famatsiam-bola maharitra entina hanatsarana na

hanavaozana na hampitomboana ny fitaovam-pamokarany ny tohanana tantsoroka nentin’ny Fandaharanasa FANOITRA.Noho izany,mandritra ny telo taona ho avy dia hifantoka tanteraka amin’ny fanamorana ny firotsahan’ireo sehatrasa madinika ho mpikambana any amin’ireo orinasa mpampindram-bola madinika mpiara-miombon’antoka aminy ireo ny fandaharanasa FANOITRA, ary mikendry indrindra izay hisian’ny

karazana tolotra fampisamboram-bola mamaly ny filàn’ireo orinasa madinika tohanany.Hisy araka izany ny paik’ady entina miatrika izany ka anisan’ny misongadina amin’izany ireto manaraka ireto :• Hisy ny vola voatokana isa-

paritra entin’ny Fandaharanasa hiatrehan’ireo orinasa madinika ny fepetra ara-bola takian’ireo orinasa mpampindram-bola madinika mba ahafahan’izy ireo mirotsaka mpikambana sy mahazo fampisamboram-bola avy eo. Ireto avy ireo karazana fepetra ara-bola takian’ireo orinasa mpampindram-bola

madinika voakasik’izany : sara-pirotsahana, anjara-biriky raikitra, anjara-biriky miova, ary ny sarany takiana amin’ny antotan-taratasy fangatahana fampisamborana voalohany. Ireo orin’asa madinika mahazo izany tohana izany dia tsy maintsy manao petra-bola mitohy mandritry ny iray taona sy tapany raha ela indrindra mba hanonerana tsikelikely ireo tohana ara-bola azony ka mba ahafahana mampiasa izany vola izany indray avy eo ho an’ire oorinasa madinika hafa. Dia miodina toy izany foana io vola io mandra-pahatapitry ny Fandaharan’asa.

• Ireo orinasa mpampindram-bola madinika mpiara-miombon’antoka amin’ny Fandaharanasa FANOITRA ihany koa dia hahazo tantsoroka izay ahafahan’izy ireo manome karazana tolotra fampisamboram-bola tena mifanaraka amin’ny filàn’ireo orinasa madinika tohanany.

Nalaina avy tamin’ny horonam-peo FANOITRA, volana May 2009

Nangonin’i Tsanta

Page 5: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013 Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

MIARA-MIOMBON’ANTOKA AMIN’IREO MPANDRAHARAHA MADINIKA ENY AMBANIVOLO

Amin’ny maha rafitra m p a m p i n d r a m - b o l a madinika azy dia tanjon’ny

CECAM ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fampandrosoana ny faritra izay hiasany. Maro ireo tolotra omeny amin’izany, izay natao indrindra hamaly ny filan’ny mpikambana mba ho fampiroroboana ny asany sy ny tontolo ambanivohitra. Singanina amin’izany ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa tanana. Fehiny, tolotra isan-karazany hahafahana manohana ireo asa mampidi-bola sy miteraka asa, ka mampitombo ny fidiram-bolan’ireo mpikambana no aroson’ny CECAM. Ankehitriny dia tsy mitsahatra ny manatsara ireo tolotra omeny ny CECAM mba hahafahana mamaly ny filan’ireo sokajin’olona marefo nefa te-hivoatra sy manana tetik’asa tsara. Raha ny fampisamborana arahina fanabeazana na ny Crédit avec Education (CAE) no fantatra hatrizay, izay natokana ho an’ireo fikambanam-behivavy, dia tsy diso anjara koa ankehitriny ireo mpandraharaha madinika eny ambanivolo na ny MER izay tohanan’ny fandaharanasa PROSPERER, satria misy ny tolotra vaovao natokana ho azy ireo, dia ny fampisamborana hiara-miombon’antoka na ny Crédit à Caution Solidaire (CCS).

Maro amin’ny tantsaha mpandraharaha no manana faniriana

hanitatra sy hanatsara ny asa fihariany. Ny tsy fahampiana ara-bola hoenti-mihetsika matetika no sakana voalohany tsy ahatanterahan’ireo tantsaha mpandraharaha ireo izany. Efa maro anefa ireo orinasa mpampindram-bola madinika amin’izao fotoana izao izay tena vahaolana mifanojo amin’ny filan’ny tantsaha mpandraharaha, anisan’izany ny TIAVO na Tahiry Ifamonjena Amin’ny Vola. Matetika ny tantsaha mpandraharaha no matahotra miditra mpikambana amin’ny orinasa mpampindram-bola madinika. Izy ireny anefa dia manana tolotra maro mifanandrify amin’ny findramana rehetra (olon-tsotra, mpamboly, mpiompy, mpandraraha) izay ilaina ary manana tahiry maro karazana ihany koa.Tsy tokony hampatahotra ny tantsaha mpandraharaha manam-panirina hanatsara ny fihariany ny mindrana vola amin’ny orinasa mpampindram-bola madinika satria alohan’ny hanomezana ny vola indramina dia misy ny fifampiresahana amin’ny teknisianina mpanolontsaina, izay manao kajikajy amin’ny ampiasaina ny vola, ny amin’ny zana-bola ary ny amin’ny hamerenana ny vola nindramina.

Amin’ny ankapobeny dia ireo MER marefo no omena tohana mba hahafahany manitatra sy mampitombo ny asa fihariany. Anisan’ny fepetra takiana hahazoana io tohana io ny fivondronana ao anaty fikambanana ka mpikambana 4 ka hatramin’ny 8 raha be indrindra no ilaina. Etsy andanin’izay dia tokony mifankafantatra sy mifampatoky tsara ireo mpikambana satria ny fiaraha-miombon’antok’ izy ireo no solon’ny antoka ara-pitaovana mahazatra hatrizay. Ankoatry ny famatsiana ara-bola azon’ny mpikambana tsirairay dia entanina koa izy ireo mba hanao petra-bola mirindra. Tsy namaivanana ihany koa ny fanafamisana orina azy ireo satria dia misy ny fanofanana isan-karazany omena mandritra ny fivoriana, in-droa isam-bolana fara fahakeliny, izay miompana indrindra amin’ny fanatsarana ny

asa fihariana sy ny fidiram-bola amin’ny ankapobeny. Ohatra amin’izany ny fampianarana ny fiainana anaty fikambanana, ny fitantanana ara-bola, ny fampiroboroboana ny asa fihariana.Ety am-boalohany dia faritra dimy izay hiara-miasa amin’ny fandaraharanasa PROSPERER no anaparitahana ity tolotra vaovao io, ka ireto avy izy ireo: Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Vataovavy Fitovinany ary Sofia.Efa misy ireo mpanentana na ny Animateur isam-paritra izay nofidiana mba hiara-hiasa amin’ireo MER vonona hiditra anaty fikambanana, koa manentana antsika mba hanatona ny kesy CECAM

Holy RAZOMANANA

98

C E C A M : T I AV O :

MAMPIFANDRAY NY FILAN’NY SEHATRASA MADINIKA NY TIAVO AMIN’NY TOLOTRA ATOLONY

© P

ROSP

ERER

Mifandray akaiky amin’ireo sehatrasa madinika eny ambanivohitra ny CECAM amin’ny fanolorana ireo tolotra mifanaraka amin’ny filan’izy ireo

T S A R A H O FA N TAT R A

fidirana mpikambana:• 7000 ariary ary mitondra karapanopndro sy sary

tapaka 2• Raha fikambanana dia mitondra 12000 ar mila

solontena 2 miaraka amin’ny karapanondro ary sary tapaka 1 avy.

tolotra: • Tahiry sy fampitrosana• Tahiry: Kirakira• Tahiry maharitra ahazoana zana-bola

farafahakeliny 06% isan-taona

fampitrosana: • Trosa tsy mamokatra, izany hoe asa rehetra

atao nefa tsy ahitana na ahazoana vokatra dia ao avokoa ohatra ny fampidirana mpianatra, fanaovana trano, fampidirana mpianatra

• Trosa mamokatra na trosa mpandraharaha dia natokana ho an’ny mpivarotra sy asa mampidi-bola. Natao ho an’ny olona rehetra izay manana tetikasa mazava.

• Trosa ho an’ny fambolena Samy 3 isan-jato ny zana-bolan’ny trosa tsy mamokatra sy ny trosa fambolena fa ho an’ny trosa mpandraharaha kosa dia 2, 5 isan-jato ny zana-bola.Ny famerenana dia 1 volana ka hatramin’ny 36 volana: raha trosa fambolena dia 8 volana satria amin’izay no miakatra ny vokatra, raha trosa mpandraharaha dia hatramin’ny 12 volana.

Ekipa FANOITRA NasionalyRihana fahatelo20, Rue Henry RAZANATSEHENO Antaninarenina101 Antananarivo, MADAGASCARE-mail: [email protected]él: 034 14 210 12

Analamanga, Itasy

Ampasambazaha, lot D59/3601Avenue du Général Lecierc, 301 - Fianarantsoa, MadagascarTél: 75 509 13E-mail: [email protected]

Ankadivato, Lot IIL 110, rue Auguste Rajakoba101-Antananarivo, MadagascarBP 7706, Tel: 22 290 68E-mail: [email protected]

Antsahavola, 1 lalana Solombavambahoaka Frantsay 77101-Antananarivo, MadagascarTél: 22 265 04E-mail: [email protected]

Andohatapenaka I, Lot IVM 104 RD101- ANTANANARIVO, MADAGASCARTél: 033 02 019 60E-mail:[email protected]

Analamanga, Matsiatra Ambony,Itasy, Sofia

Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany

A n a l a m a n g a , Itasy, Sofia

Louis Bosco NAINA

Page 6: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

talen’ny famoahana:RATSIMANDRESY Vladmir

tonian’ny lahatsoratra:RAMAHAZO Andrianony

RAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.

nanatontosa:RANDRIANARISON Verohanitriniaina

RAKOTOVAO Navalona JuliaRAZANAPAHATELO Tahina,

RAKOTONDRABE AnjarasoaRAZAFIMAHATRATRA Tsanta N

Holy RAZOMANANALouis Bosco NAINA

Infographie: FAMPIONONA Joastin

RAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.

tranoprinty:

Dépôt légal: Novembre 2009

isan’ny natonta: 6000

[email protected]

Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

1110

F I A L A M B O LY

TANTARAAN-TSARY

Tantara: TsantaSary: Joastin F.

Ny FANDRAHARAHANA

DISO

4Rehefa

navadika ny sary eto ankavia dia nisy zavatra tsy nandeha

araka ny tokony ho izy.Aiza avy ary

izy ireo?

Raha tany am-boalohany, tsy nisy afa-tsy mpandraharaha 26 no

niara-niasa nanangana ity “Union” ity, amin’izao fotoana kosa dia mahatratra 50 eo ireo mpikambana ao anatiny.Tsiahivintsika fa tamin’ny herintaona toy izao, dia efa nandray anjara nandefa lamba landy 1000 isa hampiratiana tany Louisianne, Etats Unis, ny fikambanana, vokatry ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Peaces Corps.Mbola nitohy io fiaraha-miasa io tamin’ity taona ity ka nahatonga azy nandray anjara indray tamin’ny fandefasana entana hamidy nandritra ny “Jazz Fest” izay natao ny 25 ka hatramin’ny 28 Aprily 2013, tany Louisianne Etats Unis. Lamba landy 206 no nalefa tamin’izany. Ny vidin’ny lamba landy iray nampiratiana dia mihodina eo amin’ny 50 000 Ar ka hatramin’ny 70 000 Ar arakaraka ny kalitaony.Ny fandefasana entana ampirantiana sy amidy nandritra ireo “festival” tany ivelany ireo dia tontosa vokatry ny

fampiharan’ity “Union” ity ireo torohevitra maro azony teo anivon’ny Ivo fanoitra Avaradrano, ny fanamorana findramam-bola izay tafiditra anatin’ny asan’ny FANOITRA, ary ny fiaraha-miasa akaiky nisy tamin’ireo mpandraharaha sy ny PAMF Antsahavola. Ny olana goavana nosedrain’ireto mpanenona landy ireo dia ny tsy fahampian’ny vola teo an-tanana hahafahana mividy ny akora fototra ilaina hanatrarana ny kaomandy ilain’ny tsena. Izay no nahatonga azy ireo nitodika tamin’ny sampana mpampindam-bola madinika. Ny vola nampindramina no nahafahan’izy ireo izay tao anaty koperativa nandravina ny olana. Amin’izao fotoana izao dia mandrotsaka ny anjara birikiny izy ireo ho an’ny “Union” arakaraka ny entana lafony mba ho fampandehan-draharaha sy ho tahiriny ankoatra ny tahiry izay efa apetraky ny tsirairay eo anivon’ny CECAM sy ny PAMF.

Vola, CES Avaradrano, CITE

“IZAY MAHAY MINDRANA MAMPITERA-BOLA NO MAHAZO TOMBONY”

U N I O N L A N D Y V O A J A N A H A R Y :

Ny Union Landy Voajanahary dia fivondronan’ny kaoperativa telo mikirakira ny landy ao amin’ny faritra Ambohitrabiby, kaominina Talata Volonondry, distrika Avaradrano.

Page 7: GAZETY MIVOAKA ISAKY NY ROA VOLANA Lah. 017 Jolay ... · PARECAM. Milanja 18 taonina ny vokatra ary naondrana tany Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Nandray anjara ... Julia

12

NAHANDRO

MADELEINE AMIN’NY TANTELY

SY VOASARY MANKIRANA

• Zavatra ilaina• Atody 2• Siramamy 50g• Dibera 75g• Tantely 50g• Lafarinina 120g• Leviora 1 sotro kely• Ranona voarasy mankirana 1• Fomba fikarakarana azy:• Afanaina amin’ny hafanana

220° ny lafaoro, sasana madio tsara ny voasary mankirana

• Afangaro ny siramamy sy ny atody

• Atsonika anaty vilany eo ambony afo ny dobera sy ny tantely miaraka mandritra ny 30 segondra ary afangaro amin’ny atody sy siramamy efa nafangaro teo aloha.

• Arotsaka avy eo ny lafarinina sy ny ranomboasary mankirana sy ny hoditr’ilay voasary mankirana nokikisana

• Afangaro tsara izy rehetra ary atao anaty moule-na madeleine

• Andrahoina anaty lafaoro amin’ny mari-pana 220° mandritra ny 4 minitra rehefa vita anaty moule, ary anaty mari-pana 170° mandritra ny 4 minitra indray avy eo

Mazotoa homana tompoko!

Lah. O17 Jo lay-Aogositra 2013

TOLOTRA MIFANARAKA AMIN’NY TANTSAHA

Valin’ny lalao diso 4tamin’ny laharana teo aloha

Mpampindram-bola ny olona izay te hivoatra hamatsiana tetikasa ary

manome fahafahana ny olona rehetra hanao tahiry sy petra-bola ny PAMF. Manohana ny mpanjifa mba hivoarana amin’ny

fandraharahana. Miasa amin’ny toerana mbola tsy misy banky izy ary manana masoivoho 9 izay miasa miaraka amin’ny tantsaha any amin’ny toerana saro-dalana ary koa ny renivohim-parintany.

PA M F :

tolotra: • Manao fampindramam-bola

maharesy lahatra fa manana tetikasa tena mahomby sy mampidi-bola ary afaka mamerina ny vola nindramina. Ny vola indramina amin’izay dia vola ahodina sy atao fikirakira toy ny ividianana fitaovana mba hampiroboroboana ny tetikasa.

• Ho an’ny mpamboly manokana dia misy ny atao hoe Credit Sompitra na GCV izay fampindramam-bola mahakasika ny fitahirizana an-tsopitra vokatra aorian’ny fotoam-pijinjana. Tehirizina ny vokatra mba ahafahana maka tombony bebe kokoa amin’ny vokatra.

• Misy ny fampindramam-bola ho an’ny orinasa madinika sy salan-tsalany na PME

Ny zana-bola:2,5% isam-bolana ary mihena isaky ny renivola sisa tavela izay mihatra ho an’ny tolotra fampindramam-bola rehetra

hatramin’ny 10.000.000 Ariary: Zana-bola 5,25% isa-taona

2. maherin’ny 10.000.000 Ariary: arakaraky ny fe-potoana ipetrahan’ny vola ao no ikajiana ny zana-bola isa-taona

fepetra:Nohamaivanina ny fepetra sy taratasy alaina amin’ny mpindram-bola:

• Mazava ny tetikasa vatsiana vola

• Mila mpiantoka: vady sy olona iray hafa

• Manana fidiram-bola mahasahana ilay findramam-bola

• Raha fikambanana dia mila manana mpiara-miombona antoka mifankafantatra sy mifampahatoky tsara

• Mila antoka materialy zavatra ao an-tokatrano na fitaovana na fiarakodia arakaraka ny vola indramina

Ny antontan-taratasy: ho an’ny mpindrana sy mpiantoka• Devis na tetibolan’ny vola

indramina• Sary tapaka• Dika mitovin’ny

karapanondro• Fanamarinam-ponenana

Ho an’ny fampindramam-bola PME indray dia mila formalisé ilay orinasa

taHiry:Mamporisika ny olona hanao petra-bola mba hialana amin’ny tahiry ambany ondana sy ny loza mety hitranga ohatra ny vaky trano, hain-trano sns, mba hanatsarana koa ny fitantanam-bola ao an-tokatrano sy manatratra ny tanjona manokana. Ohatra ny fanaovana trano sy ny fanambadiana. Mba hitsinjovana ny fahanterana sy ny vodiandro mierika

Tolotra:• Fikirakira azo alaina isan’andro

sady 5,5 % ny omena ny tompon’ny tahiry isa-taona

• Petra-bola voafetra na dépôt à terme :

1. 1.000.000 Ariary ka