25
FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY LOKANY TARATASY FANDRAISANA ANJARA FAMONGORANA NY HERISETRA SY LAMINASA AORIAN’NY 2015 Ity amboara ity dia atolotra ho fankasitrahana ny fomba tsara eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena hahatratrarana ny tanjon’ny fenitry ny SADC mikasika ny Miralenta sy Fampandrosoana izay mitaky amin’ny Firenena Mpikambana ny fampihenana amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy mandra-pihavin’ny taona 2015. Voakasik’izany ny fisorohana,ny setry,ny tantsoroka na ny fomba fiantrehana mifandray tendro toy ny 365 andro iadiana amin’ny herisetra, ny drafitrasa nasionaly hamongorana ny herisetra. Ity loaka ity dia natao hampisongadinana ireo fomba fiasa enti- manavao hisorohana ny herisetra sy hahafahana mitondra fandinihana mpisava lalana mikasika ny laminasa aorian’ny taona 2015. Ny tsipika tondro amin’ny faran’ ny efajoro dia midika fa misy safidy tokony atao.Tsindrio eo amin’ilay tondro, fidio ny tokony ho izy. Lohatenin’ny tetikasa FANAMAFISANA ORINA NY ADY ATAO AMIN’NY HERISETRA AMIN’NY ALALAN’NY FAMPIOFANANA SY FANENTANANA ENY ANIVON’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA MATSIATRA AMBONY Mpanolotra Fanampin’anarana Anarana Andry RANDRIANARIFIDINARIVO Iza no soloinao tena Fikambanana Andraikitra CJDH/CAFF Mpisehatra ara- sosialy CECJ/CAFF;Mpikambana

genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I

AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY LOKANYTARATASY FANDRAISANA ANJARAFAMONGORANA NY HERISETRA SY

LAMINASA AORIAN’NY 2015Ity amboara ity dia atolotra ho fankasitrahana ny fomba tsara eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena hahatratrarana ny tanjon’ny fenitry ny SADC mikasika ny Miralenta sy Fampandrosoana izay mitaky amin’ny Firenena Mpikambana ny fampihenana amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy mandra-pihavin’ny taona 2015. Voakasik’izany ny fisorohana,ny setry,ny tantsoroka na ny fomba fiantrehana mifandray tendro toy ny 365 andro iadiana amin’ny herisetra, ny drafitrasa nasionaly hamongorana ny herisetra. Ity loaka ity dia natao hampisongadinana ireo fomba fiasa enti-manavao hisorohana ny herisetra sy hahafahana mitondra fandinihana mpisava lalana mikasika ny laminasa aorian’ny taona 2015.

Ny tsipika tondro amin’ny faran’ ny efajoro dia midika fa misy safidy tokony atao.Tsindrio eo amin’ilay tondro, fidio ny tokony ho izy.

Lohatenin’ny tetikasa

FANAMAFISANA ORINA NY ADY ATAO AMIN’NY HERISETRA AMIN’NY ALALAN’NY FAMPIOFANANA

SY FANENTANANA ENY ANIVON’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA MATSIATRA AMBONY

Mpanolotra Fanampin’anarana AnaranaAndry RANDRIANARIFIDINARIVO

Iza no soloinao tena

Fikambanana AndraikitraCJDH/CAFF Mpisehatra ara-sosialy

CECJ/CAFF;Mpikambana ao amin’ny CJDH

Vavy/Lahy (safidio) Lahy Vavy

Firenena MALAGASYAdiresy Mailaka [email protected] 0344759670

Ny faritra misy (*) dia tsy maintsy fenoina.

Page 2: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

1. FAFAN’NY POROFO : Ampidiro eto ny porofon’ ny tetikasanao . Ampidiro eto (téléchargez-na omeo ny rohy ) . Raha nalefa tany amin’ny biraon i GL ,dia lazao eto.  *

SEHATRA POROFOPolitika ENYLalàna ENYTaratasy ENYTatitra amin ‘ny haino amanjeryFamelabelarana ambava na-an tsoratraBoky kely ENYPamphlets ENYHafa ENY

2. FANOLORANA NY ASA NATAO

Famintinana*Filazalazana fohifohy momba ny asa nataonao .Inona no ahazoanao milaza fa fomba tsara io tetikasa io ? voateny 150.

Ny asa fanentanana sy fampiofanana izay nataon’ny vondrona tanora niarahana tamin’ny fikambanana Vitrika sy ny Fikambanana Vonjy Herisetra/CECJ izay mpiaraka miombon’antoka akaiky, dia maneho ny fandraisana anjara amin’ny fampihenana ny tranga herisetra sy tsy fahafantarana ny Zo maha-olona eny anivon’ny Kaominina ambanivohitra amin’ny Distrika efatra misy (Fianarantsoa I- Lalangina- Vohibato ary

Isandra).Tamin’ity taona ity dia voatendry hitondra ny anjara birikiny ho any

amin’ny Distrika Fianarantsoa I, Kaominina Matsiatra Ambony; Distrika lalangina, Kaominina Andrainjato-Est sy Iavonomby Vohibola, Distrika Isandra; ary Distrika Isandra, Kaominina Ambondrona ny solo-tenan’ny ekipa tao amin’ny vondrona tanora sy ny fikambanana vitrika ary koa ny CECJ ka hiara-mitantsoroka handresy ny herisetra mba hahatratrarana ny tanjona ho fampihenana amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy.

Anisan’ny fomba tsara io satria taorian’ny asa natao, dia tsy sahirana tsony ny olona vokatry ny fisian’ireo andrimaso-pokonolona nofanina amin’ny

Page 3: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

fomba fandraisana olana; ka efa fandraisana anjara sahady amin’ny fanafoanana herisetra ara-moraly. Tanjona fototra *Inona ny zavatra nokendrena ho tratrarina (Voateny 250 )*Ny zavatra nokendrena nandritra ny asa dia mizara roa (2):

I. Fitsidihana arakaran’ny fampahafantarana ireo tambazotra miady amin’ny herisetra sy ny asany ary ireo mpiaraka mionbon’antoka aminy amin’ireo Tompon’andraikitra isam-paritra:

Ny tanjona amin’ity fitsidihana ity dia mampahalala ireo Ben’ny tanàna ny mombamoba ireo vondrona sy fikambanana mitantsoroka amin’ny fanafoanana ny tranga herisetra; ary koa mangataka fiaraha-miasa aminy sy ny vahoaka iadidiany mba hipariahan’ny tambazotra eny amin’ny Kaominina ambanivohitra ka tsy ho sahirana intsony ny olona hiakatraka andrenivohitra raha sendra olana;

Mampahafantatra sy manentana ny Ben’ny tanàna ny tetik’asan’ny Ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy rah any herisetra no Asian-teny;

Mampandray anjara ireo Ben’ny tanàna amin’ny fampihenana ireo tranga herisetra misy sy ny tsy fahalalan’ny olona ny Zony.

II. Fanentanana ireo vahoaka arahan’ny fampiofanana ny andrimaso-pokonolona izay efa najoro toy ny tao amin’ny Kaominina Ambondrona; Iavonomby Vohibola ary Andrainjato-Est mba hisian’ny tambazotra isam-paritra:

Manentana ny olona ny amin’ny Zo maha-olona indrindra mahakasika ny Zon’ny fianakavina;

Mampanome lanja ny lehilahy ny maha manan-danja ny vehivavy eo anivon’ny tokan-trano sy fiarahamonina ary ny firenena;

Mampandray anjara ny vahoaka ho fampihenana ny tranga herisetra izay tsy mitasaha-mitombo;

Manamora ny fandraisana an-tànana ireo niharan’ny herisetra amin’ny alalan’ny fanofanana ireo andrimaso-pokonolona.

Hodidina na zava-nisy niaingana *Inona no nahatonga ny tetikasa ? inona ny olana na tranga izay nohezahana novahana ? Voateny 300

Page 4: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Maro ny olona manontany, maro koa anefa ireo olona mahafantatra ny fisian’ny Ivo toerana fandraisana an-tànana ireo niharan’ny herisetra toy ny Vonjy Herisetra, Aro Zo ary koa ny Clunique juridique raha ny ao andrenivohitra Matsiatra ambony no jerena. Tsapa tao anatin’izany raha nanao fanadihadina teny amin’ny Ivo toerana Vonjy herisetra izahay fa vitsy kokoa ny olona avy any amin’ny Kaominina ambanivohitra no afaka manantona ivo toerana toy itony vokatry ny halaviran-toerana, eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny làlana vokatry ny asan-dahalo izay mampitaraina ny olona. Koa satria tsy misy mpitandrofilaminana raikitra fa misafo fotsiny, toy ny ao amin’ny Kaominina Iavonomby Vohibola sy Ambondrona, dia toa mahazo vahana ny hala-botry ka mahatonga ny lonilony amin’ny samy mpiara-belona, ny asan-dahalo mangony fotsiny.

Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fitaterana izay toa mahalana, toy ny mankany amin’ny Kaominina Ambondrona. Vokany, dia toa mandrimandry manana aretina avokoa ny vahoaka any ambanivohitra satria tsy misy ny olona azo itarainana, misy ihany koa Ben’ny tànana izay tsy mipetraka eo an-toerana fa monina aty andrenivohitra ka samy manao ny fiainany ny olona.

Tafiditra ao anatin’ny asa koa ny fanentanana teny anivon’ny sekoly izay ahitana ankizy mipetraka lavitra izany lavitra ny Kaominina misy ny sekoly ny Fokontany misy azy. Vokatry ny dia an-tongotra izay adiny maromaro dia toa zary matory ny ankizy rehefa ao am-pianarana araka ny filazan’ny mpampianatra.

Arak’izany dia niezaka ireo mpiaraka miombon’antoka nanao dia rodobe eny ifotony mba hitondra na dia fisorohana ihany aza amin’ireo mety ho tranga herisetra mivantana na ankolaka tamin’ny alaln’ny fihainona sy fiaraha-mamaha olana teny anivon’ny Kaominina ambanivohitra Teo ihany koa ny fanampiana ireo andrimaso-pokonolona izay efa nandray ny andraikiny fa tojo fahasahiranana raha sendra olana sarotra.

Hetsika fototra, dia *Inona avy ny dingana /asa na hetsika samihafa tamin’ny fampiharana ? Voateny 300 DINGANA I: Fanomanana

Momba ireo Mpizaika-Fanomanana ara-moraly satria efa fantatra fa faritra mena no toerana hotsidihana-Fanomanana ireo hevi-teny hoentina mampiofana ny andrimaso-pokonolona miaraka amin’ny filohan’ny fikambanana sy ireo mpiara-mizaika-Famaritana ny isan’ny mpizaika izay ahitana mpahay lalàna iray ary mpisehatra ara-sosialy ny telo ka samy mitazona loha hevitra isany

Momba ny asa hatao any amin’ny Kaominina

Page 5: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Araka ny zava-misy eny anivon’ny Kaominina hanaovana atrik’asa indrindra ny amin’ny fampiofanana ireo Andrimaso-pokonolona dia nofantenina ireo lohahevitra haroso amin’ny mpiofana toy ny:-Fampahafantarana amin’ny akampobeny ny fisian’ny fikambanana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy-Fampitana amin’ny mpiofana ny Zo maha-olona arak any sokajy misy azy ireo eny ambanivohitra mba tsy ho topon-trano mionona ireo Andrimaso-pokonolona raha anontanian’ny vahoaka aorian’ny fampiofanana-Fampianarana azy ireo ny paik’ady sy ny fomba fandraisana olona raha misy tranga herisetra -Fampahalalana azy ireo ny dingana arahina aorian’ny fandraisana tranga herisetra

Momba ny fifandraisana amin’ny Ben’ny Tanàna -Fampandrenesana ny Ben’ny Tanàna na ny mandimby azy ny atrik’asa hatao any-Famaritana ny daty hanaovana ny atrik’asa izay maharitra telo andro isaky ny zaika atao eny anivon’ny Kaominia ambanivohitra

Momba ny fitaovana hoenti-miasa-“Ordre de mission” sy “fiche de presence”-Kahie sy fitaovam-panoratana hoan’ny mpiofana-Boky kely fanentanana-Dépliant

Fomba fampitana ny fiofanana-Fanontanina mila valiny na « questions/réponses »-Zara asa na « devoir de groupe »-Fampiharana avy hatrany ny zavatra noraisina na « autoscopie »

DINGANA II : Fanatanterahana ny asaAndro 1-Fidinana eny amin’ny Kaominina ambanivohitra-Fihaonana mivantana amin’ny Ben’ny Tanàna-Fifampiresahana sy famelabelarana ny anton-dia-Fanomanana ny efitrano sns…..-Fanentanana ny vahoakaAndro 2-Fiofanana rano ray ireo Andrimaso-pokonolonaAndro3

Page 6: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

-Fihainona sy fandraisana an-tànana ireo olona niharan’ny herisetra ka sahy namaky batsilana vokatry ny fanentanana, izay niarahana ihany koa tamin’ny andrimaso-pokonolona voaofana sasantsasany

ANDRO 1: Fihaonana mivantana amin’ny Ben’ny Tanàna Kaominina Andrainjato-Est miaraka amin’ny solo-tenan’ny fikambanana CECJ sy ny CJDH ary ny Association vitrika

Andro1: Vahoaka vorilalina tranopokonolona, fanentanana Kaominina Alatsinainy Ialamarina Distrika Lalangina; sy Kaominina Andoharanomaitso Distrika Isandra

Fanentanana sekoly kaominina ambanivohitra

Page 7: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

ANDRO 2: FOTO-KEVITRA 7 NY FIFAMPIRESAHANA IZAY NOENTI-NANOFANA IREO ANDRIMASO-POKONOLONA; FAMPIOFANANA IREO ANDRRIMASO-POKONOLONA IARAHANA AMIN’NY SOLO-TENAN’NY VONDRONA TANORA, MANAZAVA NY FOTO-KEVITRA 7 FIFAMPIRESAHANA

ANDRO2: FAMARITANA NY ASA VITA NA NY FIOFANANA AZO AMIN’NY ALALAN’NY FAMPIHARANA NA AUTOSCOPIE, Kaominina Ambondrona Distrika Isandra, sy ny Kaominina Andrainjato-Est Distrika Lalangina

Fiarahamiasa sy fanorenana tambazotra *Ny hetsika natao hampihenana ny herisetra ve nahafahana nanorina fiaraha-miombona antoka sy tambazotra ? Teo an-toerana,teo amin’ny firenena,faritra na eran-tany ? Voateny 200

Ny hetsika izay natao hampihenana ny herisetra dia nahafahana nanorina fiaraha-miombona antoka sy tambazotra satria saika nitovy tanjona fototra iraisana ny isam-pikambanana sy vondrona dia ny fandraisana anjara ny ady atao amin’ny herisetra mba hanatratrarana ny tanjon’ny SADC di any hampihena amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra ny taona 2015. Manamarina izany ny voalaza tery ambony fa naira-nitantsoroka ny avy ao amin’ny fikambanana Vitrika, ny Vondrona tanora hoan’ny Zo maha-olona, ny fikambanana Tena manga ary ny fikambanana CECJ/CAFF izay isan’ny reny sy fototra niorenan’ireo sampana fikambanana ireo. Ireo no miramiasa mba ho tonga fantsona iray ny fikambanana ka Ivo toerana iray ihany no andraisana ireo niharan’ny herisetra dia ao amin’ny foibe izay tafiditra ao amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy Fianarantsoa. Arak’izany dia miara-miasa amin’ny Distrika FI sy ny Fokontany 50 ireo rantsa-mangaika mitolona amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Eo ihany koa ny fiarahamiasa amin’ny Ivo toerana fitsabona raha sendra misy voa mafy

Page 8: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

ny olona; ny Fitsarana

sy ny

mpitandro filaminana misy eo an-toerana. Porofo *Omeo eto ny porofo manamarina izany fiaraha-miasa sy tambazotra izany, ohatra : tetikasa iombonana amina fikambanana hafa, fifanekem-piaraha miasa amina rafim panjakana sy fanjakana .*Voateny 300

Fiaraha-miasa amin’ny CECJ/CAFF

IREO POROFO SY FOMBA FIASA MIARAKA AMIN’NY FIKAMBANANA CAFF

Fifanarahana miaraka amin’ny Ivo toerana mandray an-tànana ny ankizy AMBALAKILONGA

Fitsinjarana ny sora-bola *

Sora-bola Ariary (farito)

Taona 2014

Sora-bola manokana ho any miralenta

24 000 000 Teti-bola natokana

hanaovana ny asa avy

amin’ny projet MPPSPF/CAFF

Page 9: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Sora-bola Ariary (farito)

Taona 2014

Ny miralenta ao amina tetikasa fototra (farito mazava )

Totaliny 24 000 000Sora-bola na zavatra natolotry ny fikambanana mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka (Farito mazava )

60 000 Teti-bola natokan’ny

CAFF hiasan’ny

CJDH amin’ny asa voatendry

ho azy ho an’ny Kaominina

ambanivohitra mitotaly (09)

ISAKY NY KAOMININA 60 000 (09)Totaliny 540 000

Mpahazo tombotsoa (isany)*

Sokajy Vehivavy

Lehilahy

Totaliny

% Vehivav

yMpahazo tombotsoa mivantana, olona voaofana; fanentanana antsekoly sy amin’ny vahoaka

163 163 326 50%

Mpahazo tombotsoa ankolaka s indirects,ohatra amin’ny alalan’ny ny tambazotra hafa (CECJ, Vitrika, Tehana manga)

234 121 355 65,91%

Mpahazo tombotsoa en ligne (ohatra fidirana amin’ny tranokala,lisitry ny famparihahana,lahatsoratra fampianarana )

5 1 6 83,33%

Page 10: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Totaliny 402 285 687 58,51%

Olana nosedraina *Inona no tena olana goavana nosedraina? Ahoana ny namahana azy ?Voateny 300

Ny tena olana goavana nosedraina dia ny famorina ireo olona any an-toerana ny amin’ny fanentanana azy ireo eny na dia nampilazana mialoha azy izy ireo; teo ihany koa ny ahiahin’ny vahoaka izay tsikaritra fa matahotra ireo mpizaika, hita izany tao amin’ny Kaominina Ambondrona sy Iavonomby Vohibola satria misy mitsikilo ny sasantsasany amin’ny mponina manodidina; ka raha vao be resaka dia aina no manefa araka ny nambaran’izy ireo ihany. Ny fomba natao mba hamahana izany elanelana izany dia niezaka ireo ekipa nanao “koka” teny an-tsena ka nampiaina avy hatrany ny zavatra tina ampitana.

Teo ihany koa ny fahasarotana ny amin’ny fampiasana tahirin-kevitra hany ka tsy mahazo izay lazaina ny olona tsy mahay mamaky. Ny fomba namahana ny olana dia nampiasa sary manambara ny tina ampitana ny ekipa ary nasaina ho valin’ireo mpanatrika ny tin’ny sary hambara ka vetivety ihany dia nazava ny fifampiresahana.

Nisy ihany koa ny olana saro-bahana indrindra resaka ady tany rehefa nifarana ny seminera; ka maro ireo olona voakasika izany no tsy mahafantatra ny lalàna mifehy ny fananan-tany sy ny Zony ao amin’ilay tany fa zary toa fahazarana fotsiny ilay hoe tany lava volo sy tanim-panjakana. Ny fomba namahana ny olana dia fanazavana aminy ny karazana tany voafehin’ny lalàna mifehy ny fanan-tany eto Madagasikara; eo ihany koa ireo dingana arahina mba hahazoana tombotsoa amin’ny tany ary ireo tambazotra na rantsa-mangaika tokony ho zorana izay miainga avy amin’ny Sefo Fokontany, Ben’ny Tanàna sy ireo sampan-draharaha voasana izany.

Fanarahamaso sy tombanezaka *Inona ny fomba fanarahamaso sy fitaovana nentinao nanao tombanezaka ny akon’ny hetsika hiadina amin ‘ny herisetra izay nataonao ? Mety ho mikasika ny ara-toetra na ara-patra (qualitatif ou quantitatif)Voateny 300.

Ny fomba fanarahamaso ireo tombanezaka ny akon’ny hetsika hiadina amin’ny herisetra izay natao dia ny fanaovana tatitra na « rapport des missions » vantany vao vita ny asa ; eo ihany koa ireo takila na « billet de transport » izay manamarina ny toerana naleha. Manaraka izany ireo taratasy fanamariham-pahatongavana na « fiche de présence » izay anarahana maso ireo vokatra azo avy amin’ny asa dia ny isan’ireo izay nandray ny fanentanana. Eo ihany koa ny taratasy mandidy na koa « ordre de mission » avy amin’ny tomponan’andraikitra mahefa na koa ny filohan’ny fikambanana izay manamarina fa nirahana ny ekipa hanao asa amin’ny toerana iray ka

Page 11: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

vosonia sy tomboka kase ny Sefo na Lehibe eny an-toerana izany izay vao afaka manomboka ny asa.

Arak’izany, dia nampiasa fitaovana toy ny antota-kevitra na koa « dépliant », boky kely, sary peta-drindrina, fakana sary na “appareil photo” izahay mba oentina nandrefy sy namatra ireo asa vita.

Vokany *

Fampiharana *Ahoana ny fihatsaran’ny fahazahoana ny velarany, ny antony, ny vokany, ny vidiny/sy na fisorohana nyherisetra taorian’ ny hetsika nataon’n y fikambananao ? Voateny 300.

Nisy tokoa ny vokatra azo tamin’ny alalan’ny asa sy hetsika nataony fikambanana ho fisorohana ny herisetra, dia ny antotan’isa

Porofo *Manomeza fanambarana telo farafahakeliny avy amin’ olona nahazo tombotsoa entinao manamarina izay voalazanao ato amin’ny fampiharana.Omeo ny anarany sy ny andraikiny .Voateny 150.

Esantionany ny amin’ny vokatra azo taorian’ny fanentanana sy fampiofanana ireo olona nokendrena hanaovana atrik’asa mba hanenana ny ady atao amin’ny herisetra mianjady ny vehivavy. Sary voalohany maneho ny antotan’isa azo tamin’ny alaln’ny fanentanana tao amin’ny Kaominina Andrainjato-Est, Distrika Lalangina ; sy isan’ireo andrimaso-pokonolona voaofana tao amin’ny Kaominina ihany (sary 2).

Page 12: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Fampahefana ny vehivavy (Fanamamafisana traikefa ) *Ahoana ny fomba nampahefana ny vehivavy voan’ny hersisetra taorian ‘ny tetikasa nataonao tamin’izy ireo ? Voateny 200 .

Nomena sehatra ny vehivavy mba hirotsaka ho isan’ireo andrimaso-pokonolona izay toa ny lehilahy avy hatrany no mibana ao an-tsain’ny maro fa asan-dehilahy izany. Izany fomba fijery vaovao izany no antony nanamafisana ireo traikefa mba hipetraka amin’ilay hoe 50isan-jato ny vehivavy mandray anjara na koa mikambana ao amin’ny atrik’asa fiofanana ireo andrimaso-pokonolona.

Izany koa dia mba hamporisihana ny vehivavy handray ny adidiny eo amin’ny hetsika atao hanenana ny tahan’ny herisetra.Porofo *Manomeza fanambarana avy amina vehivavy nahazo tombotsoa entinao manamarina izay voalazanao teo amin’ny fampahefana ny vehivavy .Omeo ny anarany sy ny andraikiny.Voateny 100.

Page 13: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Lehilahy mitondra fanovana *Nisy lehilahy nanohana anao ve tamin’ny ady natao hanenana ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Manomeza ohatra .Voateny 300.

Maro tokoa ny lehilahy nanohana ny hetsika natao mba handray anjara ny ady atao hanenana ny herisetra atao amin’ny vehivavy toy ny fiofanana izay natao tany amin’ny Kaominina ambanivohitra ; niezahana araka izany hampitovy ny isan’ireo vehivavy sy lehilahy amin’ny fandraisana anjara izay hitantsika any amin’ny sary. Maro ihany koa ireo lehilahy namaly ny antso tamin’ny alalan’ny fanentanana. Porofo *Manomeza fanambarana iray farafahakeliny nataona lehilahy izay nandray anjara tamin’ny hetsika hamongorana nyherisetra sy entina manamarina ny zavatra voalazanao .Aza adino ny anarany,ny andraikiny Voateny 100.

Page 14: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Fanovana eo anivon ‘ny ankohonana *Ny hetsika ady amin’n y herisetra ve nitondra fanovana teo amin’ny fifandanjaham- pahefana eo anivon’ ny ankohonana ? Manomeza ohatra vitsivitsy .Voateny 300.

Porofo *Manomeza porofon’ izany fiovana eo amin’ ny ankohonana izany amin’ny fanambarana nataona vehivavy niharan ny herisetra iray farafahakeliny.Aza adino ny milaza ny anarany sy fanampin’anarany, ny fikambanana sy ny andraikiny. Voateny 100 .

Fandraisan’anjaran’ny daholobe *Ahoana ny fomba nisarihanao ka nahatonga ny daholobe handray anjara amin’ ny ady hamongorana ny’herisetra atao amin’ny vehivavy ?Inona ny akon’ izany ? Voateny 200.Ny fomba nisarihana ka nahatonga ny daholobe handray anjara amin’ny hamongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia nisy ny fampisehoana horonan-tsary mitondra ny lohateny hoe “I Neniko 3” izay narahina fandihadiana sy famelabelarana ny mahazo ny vehivavy sy tsindry hazolena izay zakainy ao ambany tafo-trano.Nisy ihany koa hetsika filaharam-be izay nataon’ny solo-tenam-pikambanana isan-tsokajiny tany amin’ny Kaominina Talata Apano Distrika Vohibato ny andron’ny 8Marsa2015.

Fanovana teo amin’ny fiarahamonina *Inona ny fanovana hita teo amin ‘ ny fiarahamonina taorian ‘ny hetsika hiadiana amin’nyherisetra atao amin’ny vehivavy ? Manomeza ohatra vitsivitsy .Voateny 300 .

Page 15: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Porofo *Manomeza porofon’ izany fanovana izany amina fanambarana nataona olona iray eo amin ‘ny fiarahamonina.Aza adino ny milaza ny anarany,ny fikambanany sy ny andraikiny.Voateny 100.

Fiaraha miasa akaiky miaraka amin’ny haino aman-jery *Ahoana ny fomba niarahanao niasa tamin ‘ny haino aman-jery mba ho famparihahana ’izy ireo ny tetikasa miady amin’ny hersisetra araky ny fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana ? Voateny 150. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo Haino aman-jery toy ny fahitalavitra VIVA, Radio mampita Fianarantsoa, Radio TSIRY, Radio Televisiona Soafia izay manohana ny hetsika iarahana amin’ny fikambanana foibe CAFF

Po rofoRaha azo atao dia manomeza tatitra tamina haino aman-jery iray mikasika ny vokatr’izany hetsika izany Lien URL, Pdf, You tube

Fanamafisana fahaiza manao *

Fomba ahoana no nahafahan’ ny hetsika miady amin’ny herisetra nampivelatra ny fahaizana, sy namorona sehatra hanehoan- kevitra ,hanomezana hasina ny fahaiza -mitarika sy ny hampahefana (ny vehivavy?

Porofo *Manomeza porofo maneho ny firotsahana antsehatrin’ ny mpiaramonina :fanambarana olona niharan’nyherisetra. Omeo ny anarany,ny fikambanany,ny andraikiny.

Page 16: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Fiovana teo amin’ny fihetsika *Ny fihetsika eo amin’ny sehatry ny filaminana, ao anatin’ny kabary politika, sy eo anivon’ny fiarahamonina ve ,niova taorian’ny hetsika famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ? Omeo farafahakeliny ohatra iray :na fanambarana nataona mpiasam- panjakana , na fanambarana nandritra na fivoriambe na fihaonana mikasika ny fanarahamaso ataon’ ny mpitandro filaminana.Voateny 200.

Porofo *Manomeza fanambarana iray farafahakeliny maneho izany fiovana teo amin’ ny fihetsika izany .Omeo ny anaran’ilay olona, ny fikambanany sy ny andraikiny .Voateny 100

Page 17: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

FANARAHA-MASO TENY ANIVON’NY MPITSABO CHU TAMBOHOBE FIANARANTSOA

Fanovanana mikasika ny politika taorian ny hetsika famongorana ny herisetra amin’ny vehivavy .

Ampiasao ity faritra ity hilazanao ny fiovana nisy teo amin’ny politikan’ny fanjakana taorian’ ny hetsika famongarana ny herisetra,ohatra ny fanovana lalàna ,ny fitsipika ,na fanitsiana ny ny lalàmpanorenana.

Porofo Manomeza porofon’ izany fanovana izany .

Fiovana hafa niseho taorian’ny hetsika miady amin’ny hersisetra atao amin’ny vehivavy

Ambarao eto izay fiovana hafa rehetra niseho taorian’ny hetsika hiadina amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy .

Lesona azo notsohahina sy fanavaozana. *1) Inona avy ny lesona azo notsoahina taorian’nyhetsika famongorana ny

herisetra atao aminy vehivavy?

Ny lesona azo notsoahina taorian’ny hetsika dia ny fanitarana hatrany ny hetsika famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy any amin’ny Kaominina izay miisa 88 eto Fianarantsoa izay toa lavitra andrina. Hatsaraina ihany koa ny fomba fiady rah any eto andrenivoitra no jerena.Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tambazotra hafa mba hisin’ny fifampitokisana amin’ny olona niharan’ny herisetra sy ny tambazotra miady amin’izany.

Page 18: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

2) Ahoana ny fampiharana izany? Voateny 300.

Ny fomba hampiharana azy dia ny fanavaozana sy fanihizana ny lamin’asa izay apetraky ny foibe indrindra ireo atrik’asa ilaina fidinana eny ifotony toy ny fiofanana, fanentanana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fomba fiady mba ialana amin’ny fanahian’ny olona dia ny fametrahana lamin’asa toy ny fandaharana amin’ny Radio ohatra: Fanontaniana mila valiny momba ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Eo ihany koa ny fitsidihana isan-tokatrano na “visite à domicile” izay ampitombona hatrany.

Manaraka izany ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ireo mpiaraka miombon’antoka sy ny tambazotra hafa ohatra: ny fisian’ny Ivo toerana tokana izay itambaran’ireo tambazotra hafa ankoatra ny efa misy.

Hamafisina ihany koa indrindra ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana na koa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana, ary ireo mpitsabo mba hiaraka hitantsoroka ny ady atao hampihena ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.

Fampianarana sy fizarana traikefa amina fikambanana na rafitra hafa *Ahoana ny fomba nampianaranao na nizaranao traikefa tamin’ny fikambanana na rafitra hafa ? Omeo ny anaran’izany fikambanana na rafitra hafa izany, ny fotoana sy ny fomba nihaonana sy nifampizarana ny traikefa ?

Talohan’ny hanatanterahana ny asa dia nisy ny atrik’asa fiofanana na semineram-piofanana izay niarahana tamin’ny tompon’andraikitra voalohany dia ny fikambanana CAFF ka nifampizara traikefa ny fikambanana CECJ; CJDH; VITRIKA.Porofo *Omeo ny porofon’ izany fandraisanao andraikitra izany, ohatra fanambaran’ny mpitarika ny fikambanana, na mpiasampanjakana na hafa _Voateny 100.

Page 19: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Faharetana sy famerenana *Ahoana ny fomba hanohizana ny ezaka hiadiana aminy herisetra atao amin’ ny vehivavy ,aorian’ny taona 2015 ?

Mba ho fampaharetana ny ezaka hiadiana aminy herisetra atao amin’ny vehivavy, aorian’ny taona 2015 dia hiezaka hitady mpamatsy vola ny fikambanana CJDH mba hahaleo ten aka tsy hiankin-doha amin’ny hafa intsony.Eo ihany koa ny fametrahana Ivo toerana manokana handraisana an-tànana ireo niharan’ny herisetra ho an’ny fikambanana CJDH.

Ahoana ny fomba hahafahan’ ireo fikambanana hafa mamerina sy maka tahaka izay nataonao ?Ahoana ny fomba hanampian’ny fikambanana misy anao hahatanterahan’ izany ?Voateny 300 .

Mba hahafahan’ireo fikambanana hafa mamerina sy maka tahaka izay natao, dia nisy ny fomba fandravonana sy fizarana traikefa na koa “journée de partage” tamin’ny alalan’ny hetsika fitsidihana ireo Ivo toerana hafa ivelan’ny faritra iadidiana , izay mitovy fijery sy fomba amin’ny fikambanana miady. Araka izany dia nisy fifanampiana amin’ny samy mpikambana toy fomba fananganana tetikasa vaovao ohatra, ny fomba fanaovana tatitra sns.

Page 20: genderlinks.org.za · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY …

Ireo solo-tenam-pikambanana isan-tsokajy izay mitovy fijery sy fomba aminy ady atao amin’ny herisetra

izay nanohona hetsika tany Mananjary

1 2 3 4 5- Me Beatrice : Mpanentana

sady mpikambana ao amin’ny PSI Madagascar (1)

- Me Lalaina: MPikambana ao amin’ny Aro Zo (2)

- Me Daniela: MPikambana ao amin’ny CAFF/CECJ. SDPAS Lalangina (3)

- Me Jeanine: Filoha sady mpikambana ao amin’ny Vitrika (4)

- Mlle Ony: Mpikambana sady mpanentana ao amin’ny Clunique juridique (5)

- Mr Hilaire : Mpitarika sady mpamorina ny fikambanana Tehina manga, Tanora Gasy garan’teen ao Fianarantsoa (1)

- Mr Andry: Mpitarika sady mpikambana ao amin’ny CJDH (2)

- Mr Jorida: Tompon’andraikitra voalohany amin’ny “Réseau de secours aux violences”(3)

- Mr Herizo : Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Zokiolona/CAFF (4)

1

2 3

4