9
JESOSY, ILAY MPAMPIANATRA LEHIBE INDRINDRA Lesona 9 ho an'ny 30 May, , 20

Lesona 9 ho an'ny 30 May,, 2015. “Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.” (Lioka 4:32) Fahefana milaza ny hevitry

Embed Size (px)

Citation preview

JESOSY, ILAY MPAMPIANATRA LEHIBE

INDRINDRA

Lesona 9 ho an'ny 30 May, , 2015

NY FAHEFAN'ILAY MPAMPIANATRA“Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.” (Lioka 4:32)

Fahefana milaza ny hevitry ny Baiboly

Lioka 4:21-22

Fahefana mampianatra

Lioka 4:31-32

Fahefana amin'ny

demonia

Lioka 4:36

Fahefana mamela heloka

Lioka 5:24

Fahefana amin'ny

fahafatesana

Lioka 7:11-17

Fahefana amin'ny

zavaboary

Lioka 8:22-25

Fahefana mifona ho antsika eo

anatrehan'Andriamanitra

Lioka 12:8

Ny amin'ny inona no ananan'i Jesosy fahefana?

NY FAMPIANARAN'ILAY MPAMPIANATRANy fampianaran'i Jesosy, "Ilay Torinteny Teo An-Tendrombohitra" dia voasongadina ao amin'ny Lioka 6:20-49.

1. Ny Fahasambarana (and. 20-22). Sambatra ny malahelo, ny noana, ny

mitomany, sy ireo izay mijaly noho ny amin'i Kristy; satria mihevitra an'Andriamanitra izy ireo.

2. Ny fifalian'ny Kristiana (and. 23). Any an-danitra ny valisoantsika.

3. Ireo ozona tokony hitandremana (and. 24-26). Lozan'ny manan-karena, izay voky, izay

mihomehy, izay lazain'ny olona soa; satria mihevitra ny amin'izao fiainana izao izy ireo.

4. Fitiavana tsy misy fetra (and. 27-36). Fitiavana na dia ny fahavalontsika aza;

fanaovana amin'ny hafa araka izay tiantsika hataony amintsika; mampisambotra, tsy manantena honitra; mpamindra fo.

5. Mitsara ny hafa (and. 37-42). Aza mitsara na manameloka.

Mpanota toa ireo tsaraintsika koa isika.

6. Ny vokatry ny Kristiana (and. 43-45). Azo fantarina amin'ny

fitondran-tenany ny mpino.

7. Mihaino sy mankato (and. 46-49). Tsy maintsy mandray am-

pifaliana ny hafatra isika ary mivelona araka izany isan'andro. Raha tsy izany, dia toy ny manorina amin'ny tany malama isika.

NY FAMPIANARAN'ILAY MPAMPIANATRANy fampianaran'i Jesosy, "Ilay Torinteny Teo An-Tendrombohitra" dia voasongadina ao amin'ny Lioka 6:20-49.

IREO MPANARA-DIA AN'ILAY MPAMPIANATRA“Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankatò azy.’” (Lioka 8:21)Izay rehetra maniry ny hanara-dia an'i Jesosy dia tafiditra anisan'ny fianankavian'Andrimanitra. Ny fianankavian'Andriamanitra dia mifototra amin'ny fitiavana madio sy tsy misy fihatsaram-belatsihy.

Ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra ao amin'io fianankaviana io dia mitovy avokoa eo anatrehan'Andriamanitra. Nirodana avokoa ny rindrina nampisaraka rehetra.

Tsy misy na dia iray aza mpanota mihoatra ny anakiray, satria samy mpanota mibebaka

avokoa izy rehetra (Lioka 5:27-32).

Ny tompo sy ny mpanompo dia

mitovy ny fitondrana

azy(Lioka 7:1-10).

Ireo lavin'ny fiaraha-monina dia ekena; ny

salama sy ny farofy dia samy antsoina

(Lioka 14:15-24).

Tsy misy fanavakavahana ara-bolokoditra na firazanana

(Lioka 17:11-19).

MANONTANY AN'ILAY MPAMPIANATRA“Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?’” (Lioka 10:25-26) Indraindray ny olona no mametraka

fanontaniana amin'i Jesosy mba hamandrihana Azy amin'ny valiteniny. Mamaly amin'ny fanontaniana Izy mba hitondra azy ireo ho eo amin'ny fahamarinana. (Marka 11:27-33; 12:14-17).

Namaly ilay mpahay lalàna tamin'ny fampiasana ireo andalan-teny voasoratra ao amin'ny vatakely izay fampiasany mandritra ny fotoam-bavakany: Deoteronomia 6:5 sy Levitikosy 19:18. Ny fiainana mandrakizay dia mifamatotra amin'ny fitiavana: fitiavana an'Andriamanitra ary ny namako.

Mety hampihomehy ny famaliana ny fanontaniana napetraky ny tena ihany, noho izany dia namali-botana izy tamin'ny fangatahany an'i Jesosy mba hanazava ny teny hoe “namana”. Iza no miendrika ho tiavina?

NY LESOM-PITIAVANA “Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy? Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.” (Lioka 10:36-37)

Ny fanoharana momba an'Ilay Samaritana Tsara Fanahy dia voasoratra ao amin'ny Lioka 10:30-35. Zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra avokoa ny olombelona rehetra. Tokony ho tiavina sy entina mitovy avokoa. Ny tsirairay no "namantsika".

Ilay mpisorona sy ilay Levita dia samy nametraka tamin'ny tenany ny fanontaniana hoe: Inona no hanjo ahy raha mijanona hanampy ity lehilahy ity aho? Ilay Samaritana kosa nanontany tena hoe: Inona no hanjo ity lehilahy ity raha tsy manampy azy aho?

Voasoritra mazava tsara ao amin'ny Baiboly ny fototry ny tena fivavahana marina:

o Mika 6:8. “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’ i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena?”

o Jakoba 1:27. “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.”

NY LESOM-PITIAVANA “Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy? Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany.” (Lioka 10:36-37)

o Deoteronomia 10:12-13. “Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa hianao?”

“Ny tantaran'ilay Samaritana tsara fanahy, dia naneho an-tsary an'i Jesosy sy ny asany. Nofitahina, nokapohina, norobaina sy novonoin'i Satana ny olona ka navela ho faty; nangoraka ny toerana mampahantra antsika anefa ny Mpamonjy. Nilaozany ny voninahiny mba hahatongavany hamonjy antsika. Hitany isika fa efa ho faty ary noraisiny ho andraikitra ny momba antsika. Nitsabo ny ferintsika Izy. Notafiany tamin'ny akanjom-pahamarinany isika. Nanokatra fialofana azo antoka ho antsika Izy, ka nanomana izay rehetra ilaintsika ho andraikiny. Maty mba hanavotra antsika Izy. Nanondro ny ohatra nomeny Izy raha niteny tamin'ny mpanaraka Azy hoe: "Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo " "Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa.’”

E.G.W. (Ilay Fitiavana Mandresy, tk. 54, pj. 538)