1
Mila mamantatra ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka ny fitondrana 2 Lah 1027 Alakamisy 12 martsa 2020 Politika Ny Valosoa sy fakafaka www.gvalosoa.com Ireo ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona, tarihan’ny filohany Rivo Rakotovao. Ny fambolen-kazon’ny antoko AREMA tany Tsiafahy. Hoan’ny olom-pirenena maro, tsy milamina ny zava- misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy politika miseho eo amin’ireo andrim-pan- jakana, na ny zava-mitranga eo anivon’ny Ceni sy ny HCC, ary indrindra ny fiarovan-tena eo lafiny ara- pahasalamana. Ity sehatra farany ity, miteraka re- sabe amin’izao fotoana eny anivom-piarahamonina andavanandro ifaneraseran’ny sarambabem-ba- hoaka eny. Niha- nitombo io resaka io, indrindra re- hefa re fa misy sambo tonga ao Toamasina mitondra teratany sinoa marobe. Ny antony araka ny fanaza- vana re tamin’ny fampahalalam-baovao dia ho amin’ny famitàna ny kianjaben’i Mahamasina. Io in- dray fa hanome olana vaovao ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny fitondrana Rajoelina. Isan-taona tsy maintsy misy olana vaovao hatrany apoitran’ny fi- tondrana. Ity resaka farany ity no mampivarahont- sana ny sarambabem-bahoaka ary manaitra mafy ny sain’ny mpanara-baovao sy ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena. Nahoana, hoy izy ireo, no mbola sahy manokatra seranana ho an’ireo olona avy any amin’ny firenena nipoiran’ny valan’areti-mandoza mandripaka olona manerana firenena maro mane- ran-tany ity ny fitondrana ity? Ary mahavariana fa la- zaina fa mihantona fa tsy nakatona ny sidina avy any Italia mankao Nosy be, izy ireo rahateo efa mi- hidy aman-trano izao, fa ity avy Shina ity, ohatra, dia toa ny fitondrana mihitsy no miantso sy mampiditra sinoa. Tsy fankahalana teratany Sinoa akory, fa izy ity efa tsy ijerena izay fifandraisana aminy, fa ny aim- bahoaka tsy maintsy arovana n’inona n’inona tom- bontsoa avy aminy. I Madagasikara dia firenena mahantra sy marefo amin’ny lafiny maro. Tsy haha- vita velively ny ataon’ny firenen-kafa efa mandroso sy matanjaka toa an’i Italia na Frantsa sy ny hafa isika. Tsy ho vitan’ny sarambabem-bahoaka velively ny hanangona sakafo maharitra anatin’ny andro ma- romaro, ka hikaton-trano avy eo. Ny hovidiana isan’andro aza sahirana mafy vao afaka. Mazava loatra fa tsy maintsy hivoaka isan’andro ny olom-pi- renena hividy sakafo, tsy maintsy hitady vola kely hivelomana, izany hoe tsy mety amin’ny fiainany ny tsy mivoaka ny tranony noho ny fahantrany. Ity re- saka fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina coro- navirus ity tsy azo atao an-tandrevaka sy kinanga velively, fa ho zava-doza eto. Tsy azo ifampitahana amin’ny firenen-kafa ny fepetra raisina, fa samy ma- nana ny mampiavaka azy. Raha mandeha be toy izany ny resaka ankehitriny eny anivom-piarahamo- nina, araka izany mbola tsy ampy ny serasera ataon’ny fitondrana amin’ny fepetra raisina na misy aza, fa ny reny sy hitan’ny vahoaka maso no mi- baiko ny fomba fiheverany sy izay saininy eo. Tsy izay famitana ny Kianjaben’i Mahamasina any no mahadodona azy sy manakorontana ny sainy, fa izay zavatra mety hanàla ny ain-dehibeny sy hana- potika ny ankohonany na ny fianakaviany, izay ny Malagasy. Sôh’son Fleury Rakotomalala mitombo sy miha-maro be ny vahoaka mihaino azy amin’ny facebook Fanesorana fitaovam-piadiana azo atao ny mitory ny fanjakana eny amin’ny Filankevi-panjakana hoy Rivo Rakotovao Zo napetraky ny lalam-pa- norenana ny tsy maintsy hiarovan’ny fitondram- panjakana ny Andrim-pan- jakana, toy ny Antanimie- randoholona, hoy ny Lo- holona Rivo Rakotovao, Filohan’ny Antanimieran- doholona. Io no faneho- an-kevitra anisan’ny ni- songadina nandritra ny valan-dresaka niaraka ta- min’ny mpanao gazety te- tsy amin’ny Lapan’i Ano- sikely tamin’ny fiando- han’ity herinandro ity. Azo atao tsara hoy ny Loho- lona Rivo Rakotovao ny mametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana misa- hana ny raharaham-pan- jakana : “Conseil d’etat”, na filankevi-panjakana, manoloana ny fihetsika nataon’ny fitondram-pan- jakana amin’ny alalan’ny fanesorana an’ireo fitao- vam-piadiana teny amin’ ny Lapan’Anosikely, sy ny famerenana an’ireo mpi- tandro filaminana mpiam- bina ny Filohan’ny Anteni- mierandoholona, sy ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra any amin’ ny toby misy azy ireo. Na- nohy nanazava izy fa tsy mbola laharam-pahame- hana ho an’nyAntanimie- randoholona, izany fame- trahana fitoriana eny ani- von’ny fitsarana izany, sa- tria mbola ao anatin’ny famitana ny fivoriana tsy ara-potoana ny Anteni- miera roa tonta. Nana- mafy ny loholona Rivo Rakotovao, fa tsy mandà velively ny fanaovana fa- narahamasoan’ireo fitao- vam-piadiana eny amin’ ny Antanimierandoholona ny mpikambana ao amin’ ny birao maharitra ny An- tanimierandoholona. Na- nohy nanazava kosa ane- fa ny filohan’ny Antani- mierandoholona, fa to- kony hatao ao anatin’ny fifanajana sy ny fanara- hana an’ireo dingana an- tanan-tohatra izany rehe- tra izany, satria firenena tan-dalàna i Madagasi- kara. Franck Razakambelo Antoko AREMA hanao kongresy eny ilafy ny 19-21 martsa ho avy izao Hanao kongresy ny an- toko AREMA, izany no fa- nambarana nataon’ny se- kretera nasionalin'ny an- toko, Simon Pierre, sy ny mpitantsoratra ny antoko, Ramatoa Annick Ratsi- raka, sy ny komity mpitan- tana, raha nanao fambo- len-kazo, ho fankalazana ny andron'ny vehivavy dia ny 8 martsa lasa teo izy ireo tany amin’ny kaomi- nin'i Tsiafahy, fokontany Tsiafahy, distrikan’Anta- nanarivo Atsimondrano, faritra Analamanga. Na- hatratra 300 teo ireo nan- dray anjara tamin’izany fambolen- kazo izany, na- hitana vehivavy, tanora, mpikambana AREMA. Feno 44 taona ny antoko AREMA amin’ny 19 mar- tsa ho avy izao, sady han- kalaza izany tsingerin- taona izany ny antoko no hanao kongresy ny 19- 20-21 martsa eny amin’ny FOFIKRI ILAFY. Handray anjara avokoa ny solonte- nan’ny antoko avy amin’ ny faritra 22 ahitana so- lontena 3 avy isaky ny distrika. Mafampana ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao fo- toana, mihetsiketsika avo- koa manao kongresy na manao fihaonana noho izany ny antoko sasany eto amin’ny firenena. Efa nahavita ny azy ny antoko AVI, ny antoko TIM, ny antoko HVM, dia ny an- toko AREMA indray izany no hanatanteraka ny azy hanomboka ny 19 martsa ho avy izao. Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha… Isambilo Filoha Ravalomanana Zava-doza ny coronavirus, hidio ny sisintany Z avadoza ho an’ny mponina eto ambo- nin’ny tany ny resa- ka valanaretina CORO- NAVIRUS. Manoloana iza- ny indrindra, amin'ny ma- ha ray aman-dreny eto amin'ny Firenena ny filo- han’ny RMDM (Rodoben’ ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madaga- sikara), Marc Ravaloma- nana dia nanaitra sy na- nao Antso avo amin'ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena ny tenany indrindra ny mini- siteran’ny fahasalamana amin'ny tokony handrai- san’izy ireo andraikitra amin’ny hijerena ny tsy hi- diran’io areti-mandoza io eto Madagasikara. Mano- loana izany dia tokony hi- dina ny sisintanin'i Mada- gasikara, indrindra ho an' ireo sidina avy any Eo- ropa, izay voakasiky ny CORONAVIRUS. Ny Mpi- tondra hoy ny filoha Marc Ravalomanana no tompo- nandraikitra voalohany amin'ny fiarovana ny va- hoaka. Marefo loatra ny fi- renentsika manolona iza-ny zava-doza izany, ka tsy maintsy hentitra ny fepetra tokony ho raisina. Ny firenen-dehibe toa an’i Etazonia aza izao hoy izy efa manafoana ny sidina sasany mankany aminy, vola mitentina hatrany amin’ny 8,3 tapitrisa do- lara no natokany iadiana amin’ny virus covid-19, izay mitondra ny vala- naretina coronavirus, ka aiza ho aiza isika amin’ izany, noho izany tokony hatao hatrany ny fisoro- hana ny tsy hidirany eto. Helisoa Mitombo isa hatrany ankehitriny ireo olona hatahoran’ny fitondràna Andry Rajoelina, anisan’izany ny mpanorina ny Monde Justice Fleury Rakotomalala. Mitombo sy miha-maro hatrany ny vahoaka manaraka sy mihaino azy, ary namafisin’ny depiote Fidèle Razara Pierre io, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny tenany. Misy antony ao hoy ity farany matoa be mpa- naraka i Fleury Rakotomalala. Ny mahatonga izany raha ny fijerin’ny maro azy dia maro ny tsy mety ataon’ ny mpi- tondra ankehitriny no voatantarany amin’ny fanadiha- diana izay ataony. Raha ny filazan’i Fleu-ry Rakotomalala aza amin’ ny fandaharana ataony dia misy ireo manome vaovao na renseignement azy amin’ireo olona ao anaty fitondràna, manambara ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena aminy. Tsy zakan’ny mpitondra fanja- kàna mihintsy ny fandaharana ataon’ity olona efa nilat- saka filohampirenena ity nefa voailika, ao amin’ny tam- bazotran-tserasera facebook, ka mitady hevitra izy ireo hanapotehana azy. Na nisy aza anefa ny fanamelohana an’i Fleury higadra 5 taona an-tranomaizina miampy fampisamborana dia tsy nampihemotra azy izany, fa vao mainka aza mitombo hatrany ny mpankafy azy amin’ny fanadihadiana izay ataony amin’ny facebook. Helisoa

Politika Lah 1 027 Al ak mi sy rt 2 ’’’.˘& ˛ # . ˚ Filoha Ravalomanana … · 2020. 3. 12. · siteran’ny fahasalamana amin'ny tokony handrai-san’izy ireo andraikitra

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

  • Mila mamantatra ny zava-misy marina

    iainan’ny vahoaka ny fitondrana

    2Lah 1027 Alakamisy 12 martsa 2020Politika

    Ny Valosoa sy fakafaka

    www.gvalosoa.com

    Ireo ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona, tarihan’ny filohany Rivo Rakotovao.

    Ny fambolen-kazon’ny antoko AREMA tany Tsiafahy.

    Hoan’ny olom-pirenena maro, tsy milamina ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.Eo ny krizy politika miseho eo amin’ireo andrim-pan-jakana, na ny zava-mitranga eo anivon’ny Ceni syny HCC, ary indrindra ny fiarovan-tena eo lafiny ara-pahasalamana. Ity sehatra farany ity, miteraka re-sabe amin’izao fotoana eny anivom-piarahamoninaandavanandro ifaneraseran’ny sarambabem-ba-hoaka eny. Niha- nitombo io resaka io, indrindra re-hefa re fa misy sambo tonga ao Toamasina mitondrateratany sinoa marobe. Ny antony araka ny fanaza-vana re tamin’ny fampahalalam-baovao dia hoamin’ny famitàna ny kianjaben’i Mahamasina. Io in-dray fa hanome olana vaovao ho an’ny vahoaka syny firenena ny fitondrana Rajoelina. Isan-taona tsymaintsy misy olana vaovao hatrany apoitran’ny fi-tondrana. Ity resaka farany ity no mampivarahont-sana ny sarambabem-bahoaka ary manaitra mafyny sain’ny mpanara-baovao sy ny mpamakafaka nyfiainam-pirenena. Nahoana, hoy izy ireo, no mbolasahy manokatra seranana ho an’ireo olona avy anyamin’ny firenena nipoiran’ny valan’areti-mandozamandripaka olona manerana firenena maro mane-ran-tany ity ny fitondrana ity? Ary mahavariana fa la-zaina fa mihantona fa tsy nakatona ny sidina avyany Italia mankao Nosy be, izy ireo rahateo efa mi-hidy aman-trano izao, fa ity avy Shina ity, ohatra, diatoa ny fitondrana mihitsy no miantso sy mampiditrasinoa. Tsy fankahalana teratany Sinoa akory, fa izyity efa tsy ijerena izay fifandraisana aminy, fa ny aim-bahoaka tsy maintsy arovana n’inona n’inona tom-bontsoa avy aminy. I Madagasikara dia firenenamahantra sy marefo amin’ny lafiny maro. Tsy haha-vita velively ny ataon’ny firenen-kafa efa mandrososy matanjaka toa an’i Italia na Frantsa sy ny hafaisika. Tsy ho vitan’ny sarambabem-bahoaka velivelyny hanangona sakafo maharitra anatin’ny andro ma-romaro, ka hikaton-trano avy eo. Ny hovidianaisan’andro aza sahirana mafy vao afaka. Mazavaloatra fa tsy maintsy hivoaka isan’andro ny olom-pi-renena hividy sakafo, tsy maintsy hitady vola kelyhivelomana, izany hoe tsy mety amin’ny fiainany nytsy mivoaka ny tranony noho ny fahantrany. Ity re-saka fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina coro-navirus ity tsy azo atao an-tandrevaka sy kinangavelively, fa ho zava-doza eto. Tsy azo ifampitahanaamin’ny firenen-kafa ny fepetra raisina, fa samy ma-nana ny mampiavaka azy. Raha mandeha be toyizany ny resaka ankehitriny eny anivom-piarahamo-nina, araka izany mbola tsy ampy ny seraseraataon’ny fitondrana amin’ny fepetra raisina na misyaza, fa ny reny sy hitan’ny vahoaka maso no mi-baiko ny fomba fiheverany sy izay saininy eo. Tsyizay famitana ny Kianjaben’i Mahamasina any nomahadodona azy sy manakorontana ny sainy, faizay zavatra mety hanàla ny ain-dehibeny sy hana-potika ny ankohonany na ny fianakaviany, izay nyMalagasy.

    Sôh’son

    Fleury Rakotomalala

    mitombo sy miha-maro be ny vahoakamihaino azy amin’ny facebook

    Fanesorana fitaovam-piadiana

    azo atao ny mitory ny fanjakana eny amin’ny Filankevi-panjakanahoy Rivo RakotovaoZo napetraky ny lalam-pa-norenana ny tsy maintsyhiarovan’ny fitondram-panjakana ny Andrim-pan-jakana, toy ny Antanimie-randoholona, hoy ny Lo-holona Rivo Rakotovao,Filohan’ny Antanimieran-doholona. Io no faneho-an-kevitra anisan’ny ni-songadina nandritra nyvalan-dresaka niaraka ta-min’ny mpanao gazety te-tsy amin’ny Lapan’i Ano-sikely tamin’ny fiando-han’ity herinandro ity. Azoatao tsara hoy ny Loho-lona Rivo Rakotovao nymametraka fitoriana enyamin’ny fitsarana misa-hana ny raharaham-pan-jakana : “Conseil d’etat”,na filankevi-panjakana,manoloana ny fihetsikanataon’ny fitondram-pan-jakana amin’ny alalan’nyfanesorana an’ireo fitao-vam-piadiana teny amin’ny Lapan’Anosikely, sy nyfamerenana an’ireo mpi-tandro filaminana mpiam-bina ny Filohan’ny Anteni-mierandoholona, sy ireo

    mpikambana ao amin’nybirao maharitra any amin’ny toby misy azy ireo. Na-nohy nanazava izy fa tsymbola laharam-pahame-hana ho an’nyAntanimie-randoholona, izany fame-trahana fitoriana eny ani-von’ny fitsarana izany, sa-tria mbola ao anatin’nyfamitana ny fivoriana tsy

    ara-potoana ny Anteni-miera roa tonta. Nana-mafy ny loholona RivoRakotovao, fa tsy mandàvelively ny fanaovana fa-narahamasoan’ireo fitao-vam-piadiana eny amin’ny Antanimierandoholonany mpikambana ao amin’ny birao maharitra ny An-tanimierandoholona. Na-

    nohy nanazava kosa ane-fa ny filohan’ny Antani-mierandoholona, fa to-kony hatao ao anatin’nyfifanajana sy ny fanara-hana an’ireo dingana an-tanan-tohatra izany rehe-tra izany, satria firenenatan-dalàna i Madagasi-kara.

    Franck Razakambelo

    Antoko AREMA

    hanao kongresy eny ilafy ny 19-21 martsa ho avy izao

    Hanao kongresy ny an-toko AREMA, izany no fa-nambarana nataon’ny se-kretera nasionalin'ny an-toko, Simon Pierre, sy nympitantsoratra ny antoko,Ramatoa Annick Ratsi-raka, sy ny komity mpitan-tana, raha nanao fambo-len-kazo, ho fankalazanany andron'ny vehivavy diany 8 martsa lasa teo izyireo tany amin’ny kaomi-nin'i Tsiafahy, fokontanyTsiafahy, distrikan’Anta-nanarivo Atsimondrano,faritra Analamanga. Na-hatratra 300 teo ireo nan-dray anjara tamin’izanyfambolen- kazo izany, na-hitana vehivavy, tanora,mpikambana AREMA.

    Feno 44 taona ny antokoAREMA amin’ny 19 mar-tsa ho avy izao, sady han-kalaza izany tsingerin-

    taona izany ny antoko nohanao kongresy ny 19-20-21 martsa eny amin’nyFOFIKRI ILAFY. Handray

    anjara avokoa ny solonte-nan’ny antoko avy amin’ny faritra 22 ahitana so-lontena 3 avy isaky nydistrika. Mafampana nytoe-draharaha politika etoamintsika amin’izao fo-toana, mihetsiketsika avo-koa manao kongresy namanao fihaonana nohoizany ny antoko sasanyeto amin’ny firenena. Efanahavita ny azy ny antokoAVI, ny antoko TIM, nyantoko HVM, dia ny an-toko AREMA indray izanyno hanatanteraka ny azyhanomboka ny 19 martsaho avy izao. Hitsikitsikatsy mandihindihy foana faao raha…

    Isambilo

    Filoha Ravalomanana

    Zava-doza ny coronavirus, hidio ny sisintany

    Zavadoza ho an’nymponina eto ambo-nin’ny tany ny resa-

    ka valanaretina CORO-NAVIRUS. Manoloana iza-ny indrindra, amin'ny ma-ha ray aman-dreny etoamin'ny Firenena ny filo-han’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’nyDemokrasia eto Madaga-sikara), Marc Ravaloma-nana dia nanaitra sy na-nao Antso avo amin'ireotomponandraikitra rehetraeto amin’ny firenena nytenany indrindra ny mini-siteran’ny fahasalamanaamin'ny tokony handrai-san’izy ireo andraikitraamin’ny hijerena ny tsy hi-diran’io areti-mandoza ioeto Madagasikara. Mano-

    loana izany dia tokony hi-dina ny sisintanin'i Mada-gasikara, indrindra ho an'ireo sidina avy any Eo-

    ropa, izay voakasiky nyCORONAVIRUS. Ny Mpi-tondra hoy ny filoha MarcRavalomanana no tompo-

    nandraikitra voalohanyamin'ny fiarovana ny va-hoaka. Marefo loatra ny fi-renentsika manolonaiza-ny zava-doza izany,ka tsy maintsy hentitra nyfepetra tokony ho raisina.Ny firenen-dehibe toa an’iEtazonia aza izao hoy izyefa manafoana ny sidinasasany mankany aminy,vola mitentina hatranyamin’ny 8,3 tapitrisa do-lara no natokany iadianaamin’ny virus covid-19,izay mitondra ny vala- naretina coronavirus, kaaiza ho aiza isika amin’izany, noho izany tokonyhatao hatrany ny fisoro-hana ny tsy hidirany eto.

    Helisoa

    Mitombo isa hatrany ankehitriny ireo olona hatahoran’nyfitondràna Andry Rajoelina, anisan’izany ny mpanorinany Monde Justice Fleury Rakotomalala. Mitombo symiha-maro hatrany ny vahoaka manaraka sy mihainoazy, ary namafisin’ny depiote Fidèle Razara Pierre io,raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina irayny tenany. Misy antony ao hoy ity farany matoa be mpa-naraka i Fleury Rakotomalala. Ny mahatonga izany rahany fijerin’ny maro azy dia maro ny tsy mety ataon’ ny mpi-tondra ankehitriny no voatantarany amin’ny fanadiha-diana izay ataony. Raha ny filazan’i Fleu-ry Rakotomalalaaza amin’ ny fandaharana ataony dia misy ireo manomevaovao na renseignement azy amin’ireo olona ao anatyfitondràna, manambara ny zava-misy ankehitriny etoamin’ny firenena aminy. Tsy zakan’ny mpitondra fanja-kàna mihintsy ny fandaharana ataon’ity olona efa nilat-saka filohampirenena ity nefa voailika, ao amin’ny tam-bazotran-tserasera facebook, ka mitady hevitra izy ireohanapotehana azy. Na nisy aza anefa ny fanamelohanaan’i Fleury higadra 5 taona an-tranomaizina miampyfampisamborana dia tsy nampihemotra azy izany, fa vaomainka aza mitombo hatrany ny mpankafy azy amin’nyfanadihadiana izay ataony amin’ny facebook.

    Helisoa