71
Ndao hanao skoto 2 1 TENY FANOLORANA Efa nivoaka tamin’ny taona lasa ny boky « Andao hanao skoto ». Toa mampanonta- ny teny hoe angaha isika tsy manao skoto no mila entanina hatrany hoe « Andao hanao skoto »?. Izao taona arivo fahatelo diavintsika izao dia mitaky fanovana toe-tsaina amin’ny tsirairay. Mihazakazaka be manko ny lafiny fandrosoana raha eo amin’ny lafi- ny teknolojia. Ary tsy afa-misaraka amin’izany ny teny izay ifandraisana sy hifanerase- rana. Haingana be ny nanovana ny teny fampiasana ao anaty finday ho teny Malaga- sy. Haingana be tahaka izany koa ny fampidirana ny teny Malagasy tao amin’ny www.google.mg. Midika izany fa tsy maintsy mila haingana koa isika miofana araka izay azo atao mba tsy hilaozan’ny toetr’andro ny fahalalantsika. Fiofanana no antony hamoahana izao boky izao. Niezahana hatrany ny hamaly ireo filana sy hetahetan’ny mpiandraikitra. Ary anisan’ny tanjona napetraka dia ny hahala- lan’ny mpiandraikitra ny fototra ijoroan’ny skotisma. Mba tsy hampiroaroa saina ny mpiandraikitra amin’ny fitarihana ireo zandry kely amin’ny fibeazan-tena izay ataony. Mino izahay fa ireo boky telo izay navoakan’ny faritany Antananarivo afovoany izay dia mba hitondra tsirim-pahalalana kely ho an’ny mpiandraikitra.Ary irina hatrany ny tsy hionon’ny mpiandrikitra amin’ny fanofanana izay natolotry ny faritany fa mbola hitrandraka hatrany amin’ny tahirin-kevitra hafa sy dinika ary fifanakalozan-kevitra amin’ireo zoky. Eto dia mirary soa hahatontosanareo ny andraikitra izay efa noraisinareo Ary mam- pahery anareo araka ny tenin’i Paoly hoe « Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. TAKATRA MAHEFA Filoham-paritany Antananarivo Afovoany.

Ndaho hanao skoto 2 - petit-fichier.fr · Ara-batana : Ilay ankizy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fikoloana sy fanabezana ny vata- ny.Tsy ny hanana bika tsara fotsiny anefa

  • Upload
    others

  • View
    7

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Ndao hanao skoto 2

1

TENY FANOLORANA

Efa nivoaka tamin’ny taona lasa ny boky « Andao hanao skoto ». Toa mampanonta-ny teny hoe angaha isika tsy manao skoto no mila entanina hatrany hoe « Andao hanao skoto »?. Izao taona arivo fahatelo diavintsika izao dia mitaky fanovana toe-tsaina amin’ny tsirairay. Mihazakazaka be manko ny lafiny fandrosoana raha eo amin’ny lafi-ny teknolojia. Ary tsy afa-misaraka amin’izany ny teny izay ifandraisana sy hifanerase-rana. Haingana be ny nanovana ny teny fampiasana ao anaty finday ho teny Malaga-sy. Haingana be tahaka izany koa ny fampidirana ny teny Malagasy tao amin’ny www.google.mg. Midika izany fa tsy maintsy mila haingana koa isika miofana araka izay azo atao mba tsy hilaozan’ny toetr’andro ny fahalalantsika. Fiofanana no antony hamoahana izao boky izao. Niezahana hatrany ny hamaly ireo

filana sy hetahetan’ny mpiandraikitra. Ary anisan’ny tanjona napetraka dia ny hahala-lan’ny mpiandraikitra ny fototra ijoroan’ny skotisma. Mba tsy hampiroaroa saina ny mpiandraikitra amin’ny fitarihana ireo zandry kely amin’ny fibeazan-tena izay ataony. Mino izahay fa ireo boky telo izay navoakan’ny faritany Antananarivo afovoany

izay dia mba hitondra tsirim-pahalalana kely ho an’ny mpiandraikitra.Ary irina hatrany ny tsy hionon’ny mpiandrikitra amin’ny fanofanana izay natolotry ny faritany fa mbola hitrandraka hatrany amin’ny tahirin-kevitra hafa sy dinika ary fifanakalozan-kevitra amin’ireo zoky. Eto dia mirary soa hahatontosanareo ny andraikitra izay efa noraisinareo Ary mam-

pahery anareo araka ny tenin’i Paoly hoe « Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

TAKATRA MAHEFA Filoham-paritany Antananarivo Afovoany.

Ndao hanao skoto 2

2

NY FOTOTRA IJOROAN’NY SKOTISMA (Principes fondamentaux du scoutisme) Raha atao indray mijery dia singa telo no mandrafitra ny fototra ijoroan’ny skotisma: ny tanjon’ny skotisma, ny fototra, ary ny fomba skoto. Ary na inona na inona fikambanana skoto dia samy miorina amin’ireo zavatra telo ireo. Hojerentsika eto ambany ny famaritana ny atao hoe skotisma araka izay hamaritan’ny lalam-panoren’ny skotisma eran-tany azy. 1 Famaritana Le Mouvement scout est un mouvement éducatif pour les jeunes,fondé sur le volontariat; c’est un mouvement à caractère non politique, ouvert à tous sans distinction d’origine, de race ni de croyance, conformément aux but, principes et méthode tels qu’ils ont été conçus par le Fondateur et formulés ci-dessous. (Article 1.1de la Constitution mondiale) Raha adika tsotra dia toy izao : Ny fikambanana skoto dia firohotam-panabeazana ho an’ny tanora izay miorina amin’ny fanoloran-tenan’ny tsirairay. Fikambanana tsy manao politika, misokatra ho an’ny rehetra ka tsisy fanavahana ara-piaviana, na ara-pirazanana, na ara-pinoana izay mifanara-ka amin’ny tanjona, ny fototra ary ny fomba nanorenan’ny Mpanorina azy. Tsy hamakafaka ny famaritana izahay eto fa fanontaniana tari-dalana kosa no omena ho an’ny mpiandraikitra ho entiny mamakafaka sy miresadresaka amin’ireo mpiandraikitra na filoha na tari-panofanana. -Inona no tiana hambara amin’ny hoe « firohotam-pahabeazana » (mouvement éducatif) ? -Fa maninona no notsindriana hoe « ho an’ny tanora » ? -Inona no azon’ise hambara momba ny hoe “miorina amin’ny fanoloran-tenan’ny tsirairay”? -Inona no dikan’ny hoe “tsy manana endrika politika”? -Misokatra ho an’ny rehetra tsy misy fanavana ara-piaviana, ara-pirazanana na ara-pinoana. Manomeza ohatra mifanaraka amin’ny tanjona, ny fototra ary ny fomba nanorenan’ny Mpanorina azy. Iza no namorina ny skotisma? Hazavao ny tanjona, ny fototra, ny fomba? 2-tanjon’ny skotisma Ity indray ny tanjon’ny skotisma izay nalaina tao amin’ny lalam-panorenan’ny skotisma eran-tany: Le Mouvement scout a pour but de contribuer au développement de jeunes en les aidant à réali-ser pleinement leurs possibilités physiques, intellectuelles, sociales et spirituelles, en tant que personnes, que citoyens responsables et que membres des communautés locales, nationales et internationales. (Article 1.2 de la Constitution mondiale) Raha jerena indray mitopy maso dia ireto voalaza ireto no zavatra azo ambara : Ara-batana : Ilay ankizy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fikoloana sy fanabezana ny vata-ny.Tsy ny hanana bika tsara fotsiny anefa fa ny hanana vatana salama mba hiatrehana ny asa andavanandro. Ara-tsaina : Afaka mampiasa ny sainy amin’ny famoronana. Ny fanaovana izany dia ataony ao anatin’ny fanarahana ny rariny sy ny hitsiny. Manana toe-tsaina afa-mamaha olana, tia karokaro-ka. Afaka mandray tsara ny fahalalana vaovao. Manana toe-tsaina afaka miala ny mety ho sakant-sakana rehetra. Mahatana ny teny nomeny, ary maha-ira-tena. Mahay maka fanapahan-kevitra samirery izay tanterahiny amin’ny fahaiza-manao izay ananany.

Ndao hanao skoto 2

3

Ara-pihetseham-po : Mahalala ny fihetseham-pon’ny hafa sy ny an’ny tena, mahay maneho ny hevitra ao anaty ary mahafehy mandanjalanja tsara ny teny havoaka. Ara-piaraha-monina : Tsy miolonolona samirery fa mandray anjara feno ao anaty fiaraha-monina. Manana fahaiza-miara-miasa sy mitarika. Liana sy mahay mihaino ny hafa ary memela azy haneho hevitra.Tsy mionona fotsiny amin’ny fanaovana asa soa fa efa mandray an-tanana ny asa imbonana ao anaty rafi-piaraha-monina. Ny teny enti-manatanteraka izany dia ny hoe “manompo”. Ara-panahy : Mahafantatra tsara izay inoany. Mikatsaka an’Andriamanitra ary miaina izany amin’ny fiainana andavanandro amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana iresahana Aminy sy ny fanampiana ny hafa. 3- Fototry ny skotisma (les principes du scoutisme) Ny fikambanana skotisma dia miorina amin’ireo zavatra telo ireo : Adidy amin’Andrimanitra Adidy amin’ny hafa Adidy amin’ny tena Adidy amin’Andrimanitra : Raha dinihantsika tsara dia mifamatotra amin’ny fivelarana ara-panahy izay voalaza tao amin’ny tanjon’ny skotisma izy ity. Indray andro rehefa nanontaniana I Baden Powell momba ny hoe aiza ny hampidirana ny resaka fivavahana amin’ny skotisma, dia hoy izy : «Elle n’y entre pas du tout, elle est déjà là. C’est un des facteurs fondamentaux à la base du scoutisme et du guidisme.» (Allocution à la Conférence mixte des Commissaires, High Leigh, 1926) Baden Powell dia mametraka ny lanjan’ny finoan’ny tsirairay ho ambony, hoy izy : «Une organisa-tion comme la nôtre manquerait son but si elle ne donnait à ses membres une connaissance de la religion. Mais en général on se trompe sur la manière de faire. Si l’on traitait davantage la religion comme faisant partie de la vie quotidienne, elle n’y perdrait rien de sa dignité et elle y gagnerait sur l’emprise des hommes.» (La Route du succès, page 221) «Le devoir envers Dieu, le devoir envers le prochain et le devoir envers soi-même en tant que serviteur de Dieu sont la base de chaque forme de religion. Les moyens du devoir envers Dieu varient selon les confessions, mais nous insistons sur un point: le garçon doit observer et mettre en pratique la religion qu’il professe, quelle qu’elle soit.» (Aids to Scoutmastership, page 36) «Dieu n’est pas un personnage à l’esprit étroit, comme certains semblent l’imaginer, mais un Es-prit d’Amour, (…) qui bénit tous ceux qui cherchent vraiment à faire de leur mieux, à son service, suivant les lumières qu’ils reçoivent.» (Éclaireurs, page 326) Ireo tenin’i BP ireo dia ampy hanazavana ny adidy amin’Andriamanitra. Anjarantsika kosa ny mire-saka sy manadihady ary mampivelatra bebe koa hatrany ny fahalalana izay ananantsika. Adidy amin’ny hafa : Tsy mionona fotsiny amin’ny fanampiana ireo namana akaiky na havana akaiky (rahalahy , anabavy, ray aman-dreny) fa tena mirotsaka bebe kokoa amin’ny vondrona samihafa eo anivon’ny fiaraha-monina (fiangonana, sekoly, fokontany) miitatra izany ka lasa afaka miara-miasa amin’ny kaominina, ny faritra, ny firenena ary ny sehatra iraisam-pirenena. Ohatra ny ady amin’ny sida, doro ala, ady amin’ny tondra-drano sns … Manalavitra ny fitiavan-tena fa minisy lanja kokoa ny mahasoa ny hafa. Marina loatra anie ry zalahy ilay hiran’ny Mpanazava Afo manao hoe «...mampandefitra ny mahasoa ny tena … hikaroka sy hitolona ho an’ny fahasambarana ho an’ny fahasambaran’ny olona... »

Ndao hanao skoto 2

4

Eo ampanefana ny adidy amin’ny hafa dia misy zavatra telo tokony ho tsy ho hadinoana : -Ny hajan’ny maha-olona (la dignité humaine) -Ny fandriam-pahalemana (la paix) -Ny tontolon’ny zavaboaary ( l’intégrité de la nature) 1-Ny fanajana ny zo maha-olona dia mandray anjara betsaka ny skoto ary miara-miasa amin’ireo

fikambanana miaro ny zon’olombelona, na eo amin’ny sehatry ny firenena io na amin’ny sehetra iraisam-pirenena. Ny OMMS (Organisation Mondiale du Mouvement Scout) dia miara-miasa amin’ireo Agence ao amin’ny firenena Mikambana( Nations Unies) amin’izany. Eo amin’ny seha-try ny firenena dia afaka miara-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana izy (ONG).

2-Raha niforona ny Boys scout Association dia hitandro ny firahalahiana sy fandriam-pahalemana maneran-tany no tena nataony ho zava-dehibe. Na dia lehilahy mahery an’ady aza i BP dia tsy namolavola ny tanora ho mpiady akory izy fa ny ho tia tanindrazana. Tao aorian’ny ady lehibe voalohany dia hita taratra izany, ary niha-niparika eran-tany ny skotisma.

3-Ny Conférence mondiale tamin’ny 1971 tany Tokyo dia namaritra mazava tsara izany fiarovana

ny tontolo iainana izany. Mba hahazoan’ny tanora ny miresaka sy mifanakalo ary misolo vava ny zavaboaary dia ilaina indrindra ny fanaovana ny sahanasa eny ankalamanjana. Koa amintsika skoto, fiangonana aman’arivony ny eto Madagasikara izay samy manapaka hazo noely isan-taona, afaka manolo-kevitra ve ise manoloana izany mba iarovana ny tontolo iainana?

Adidy amin’ny tena : Ny manatanteraka ireo zavatra roa voalaza etsy ambony dia ny vatan-tenantsika skoto. Noho izany, mila mitaiza vatana mba hananana toe-batana tomady isika (mahaiza mifantina ny sakafo hahanina, mba manao ala vokona na mandeha an-tongotra rehefa tsy maika…), mamahana ny fahaizana amam-pahalalana, mba hibanjinana io fanampiana ny hafa io. Vatana tsy farofy sy saina feno hakingana no afaka manampy ny hafa fa tsy isika indray no enta-mavesatra ho an’ny hafa. Tsy any an-dasy ihany ry zalahy ilay manao

ala vokona sy mandeha an-tongotra fa tohizana amin’ny fainana andavanandro a! fitaizam-batana ireny fa tsy filam-baniny akory. Tahaka izany koa ny tsy tokony ihi-nana hena be loatra rehefa mihoatra ny 18 taona ny olona.

« Ainsi, en devenant scout, tu fais partie d’une grande armée de jeunes de toutes nationalités et tu as des amis dans tous les continents. » Eclaireur pejy 288.

Ndao hanao skoto 2

5

4- Ny fomba skoto (la methode scoute) Toy izao ny volaza ao amin’ny lalam-panorenen’ny skoto maneran-tany : La méthode scoute est un système d’autoéducation progressive fondé sur: • une promesse et une loi; • une éducation par l’action; • une vie en petits groupes comprenant, avec l’aide d’adultes qui les conseillent, la découverte et l’acceptation progressives par les jeunes des responsabilités et la formation à l’autogestion tendant au développement du caractère, à l’accès à la compétence, à la confiance en soi, au sens du service et à l’aptitude aussi bien à coopérer qu’à diriger; • des programmes progressifs et attrayants d’activités variées fondées sur les centres d’intérêts des participants et comportant des jeux, des techniques utiles et la prise en charge de services à la communauté; ces activités se déroulent principalement en plein air, en contact avec la nature. (Article 3 de la Constitution mondiale) Toy izao kosa ny voalaza ao amin’ny fitsipika fototry ny MTEM And.13: Ny fomba fanabeazana dia ny fibeazantenan’ny tsirairay izay miorina sy mivoatra amin’ny: - Lalàna sy Fanekena, - Fiainam-bondrona, - Fandaharana mivoatra sy manintona ahitana fihetsiketsehana maro sy miovaova izay tanterahi-na indrindra eny ankalamanjàna. Raha atao indray mijery dia hita ihany fa somary sarotrarotra ny fomba fandikan-teny ka misy zavatra pitsopitsony izay tsy voalaza ato amin’ny fitsipika fototra MTEM nefa tafiditra ao anatin’ilay atao hoe “tsy azo ialana” (essentiel) Ka misy zavatra fito ilay atao hoe “tsy azo ialana”: -Fanabeazana amin’ny asa tonga dia vavany (Education par l’action) -Fifandraisan’ny olon-dehibe sy ny tanora (Relation adulte jeune) -Fiainana ankalamanjana (vie dans la nature) -Tontolon’ny nofy sy eritreritra (cadre symbolique) -Lalana sy fanekena (loi et promesse) -Fiainam-bondrona (vie en petits groupes) -Fisondrotana isam-batan’olona (progression personnelle) Fanabeazana amin’ny asa tonga dia vavany : Tsy kabary lava reny, tsy torinteny mampatory, fa tonga dia asa « tonga dia vavany" » ny an’ny skotisma. Ao anatin’izany asa izany no hanovozan’-ny tanora ny fahalalana, ao no hampivoarany ny tenany, ao ny hanatrarany ny zava-kendreny. Ny programa skoto dia tokony hiorina amin’ny asa tonga dia vavany, raha tsy izany dia tsy azo lazai-na hoe programa skoto (vakio fandaharana mivoatra sy manintona) Fifandraisan’ny olon-dehibe sy ny tanora : Ny andraikitry ny olon-dehibe ato amin’ny skotisma dia ireto zavatra 3 ireto : miaro (sécurise), manolon-kevitra (propose), manolon-tsaina (conseille).

Ndao hanao skoto 2

6

Ny olon-dehibe dia manampy ireo tanora mba hampivoarany ny tenany. Tsy polisy na zandary akory ny olon-dehibe ka variana manara-maso sy manakiana fotsiny ny fihetsika sy ny ataon’ny tanora. Ny manampy ny tanora hampivelatra ny maha izy azy ny andraikiny. Ary manampy ireo tanora hahatakatra ny zavatra andrasan’ny fiaraha-monina aminy. Noho izany ny olon-dehibe dia mahay miresaka sy mifanakalo hevitra amin’ny tanora. “Le scoutisme est un Mouvement de jeunes, soutenu par des adultes; ce n’est pas seulement un Mouvement de jeunes organisé par des adultes. En effet, le Scoutisme offre le potentiel pour créer une communauté « apprenante » de jeunes et d’adultes engagés ensemble dans un partenariat d’enthousiasme et d’expérience … » Fiainana ankalamanjana : Ny fiainana ankalamanjana dia tsy afa-misaraka amin’ny skotisma. Ny ankalamanjana no manamora ny fampiharana ny fomba skoto. Tsy ny vatana fotsiny no volavolain’ny ankalamanjana fa ny toe-tsaina, toe-panahy, ny toe-po. Ny ankalamjana no mahatonga ny olona hanana toe-tsaina tia mamorona. Eo amin’ny fiaraha-monina, ny ankalamanjana no mahatonga ny olona hiombona bebe kokoa. Ary hoy B.P hoe “«À côté des livres imprimés et de la Révélation, Dieu nous a donné à lire le grand Livre de la nature. Je ne veux pas faire de l’étude de la nature une forme du culte qui puisse remplacer la religion; je veux seulement signaler que, dans certains cas, comprendre la nature conduit à la religion…» (La Route du Succès, page 198)

Tontolon’ny nofy sy eritreritra : Raha vao miresaka hoe skotisma dia misy kisarisary maro ton-ga ao an-tsaina. Raha ny hevitry ny hoe éclaireur dia miaramila natao hisava lalana, mbola misy ve izany ankehitriny ? ary izany tokoa ve ny ataon’ny skoto ankehitriny ? Ny zavatra tiana ho resa-hiana ao dia ny fananana toe-tsaina tia karokaroka sy faharanitan-tsaina ary olona ilaina. Fa ny tontolon’ny nofy sy eritreritra dia misy lohahevitra iray tiana ho resahina ao (thématique). Ny ohatra alaina eto dia ny momba ny bokin’ny atiala (le livre de la jungle), misy tontolom-piaraha-monina amboadia izay miara-miaina amin’ny olom-belona. Misy kisarisary maro isan-karazany ao anatin’izany rehefa tena hampiharina amin’ny fomba fanabezana ka ny mpiandraikitra dia mitana ny anjaran-toeran’ny mpanabe ao anatin’ny tantara ; akelà, bagerà, balo. Mihamiova tsikelikely izany lohahevitra izany arakaraka ny hisondrotan’ny taonan’ny tanora. Izany hoe raha mbola kely ny taonan’ireo ankizy dia misy ilay atao hoe tantara iainanana(histoire à vivre) rehefa mihalehibe izy dia ilay tontolon’ny nofy sy eritreitra sisa tavela fa miala tanteraka ilay tantara iainana. Rehefa mpiandalana izy miditra bebe kokoa amin’ny zavatra tena izy. Ohatra ny haingon-tsehatra amin’ny afon-dasy dia mety dinika sy nofinofy teo amorom-patana. Ka nahatonga azy ireo hamoaka lohahevitra iray. Ny zavatra hitan’ny maso noharian’ny zanak’olombelona ankehitriny dia mandray anjara betsaka amin’izany ny tontolon’ny nofy sy eritreritra, ka sahia ary manonofy. Ny tontolon’ny nofy sy eritreritra dia mandrisika ireo tanora hanana toe-tsaina tia mamorona, tia karokaroka. Ny tontolon’ny nofy sy eritreritra dia manamora ny fidiran’ny tanora amin’ny tontolo tena izy.(Mbola hisy fotoana hanazavana ity lohahevitra iray ity)

Raha mbola azo atao

mandehana eny an-

tsaha manangana

lasy.

Ndao hanao skoto 2

7

Lalana sy fanekena : Ny firotsahana ho isan’ny mpikambana ho skoto maneran-tany dia ny fanaovana fanekena. Ao anatin’izany dia misy fitsipika moraly izay antsoina hoe lalàna skoto. Na inona na inona fombafomba sy teny enti-manonona ny fanekena dia zavatra telo no tena ifotorany dia ny adidy amin’Andriamanitra, adidy amin’ny hafa, adidy amin’ny tena. Tsy misy fanerena ny olona hanao fanekena na amin’ny fomba ankolaka na mivantana. Tahaka ny tsy fisiana’ny fanerena ny olona hiditra ho skoto (il n’y a pas de scoutisme obligatoire). Ny lalàna skoto dia tsy misy endrika fandrarana na fanasaziana . Tsy misy mihitsy skoto azo saziana noho ny tsy fahatanterahany ny andalana lalàna skoto iray. Ny lalàna sy fanekena dia miova araka ny sampana sy fikambanana. Loharano iray ihany no nanovozana azy rehetra dia izay efa nataon’i B.P hatrany amboalohany. Fiainam-bondrona : Raha jerena amin’ny fiainana andavanandro, ny ankizy sy tanora mitovitovy taona dia mora miaraka avy hatrany, miara-milalao, miara-miresaka. Izay fironana ara-boajanahary izay no hararaotin’ny skotisma ho lasa fomba enti-manabe ireo tanora. Ny ankizy mpiray vondrona amin’ny ankapobeany dia 4 ka hatramin’ny 8. Ireo vondrona kely ireo no miara-mamolavola sy manatanteraka tetikasa iombonana. Ny vondrona kely ireo dia hahazoana vokatra tsara kokoa raha miohatra amin’ny vondrona be. Afaka maneho hevitra malalaka ny rehetra ary mahatsiaro ho malalaka. “le Conseil d’Unité : pouvoir exécutif « Le Conseil d’Unité est l’institution qui exerce le pouvoir exécutif. C’est le Gouvernement de l’uni-té. Parfois appelée Conseil des chefs de Patrouilles, cette instance réunit les chefs d’équipe et les animateurs adultes. C’est une erreur fréquente de penser que la fonction des animateurs adultes est de diriger l’Unité. Ce pouvoir appartient au Conseil d’Unité. En pratique cela signifie que les animateurs d’unité doivent s’interdire de prendre toute décision importante en dehors du conseil d’Unité. »

« Lunité scoute, une république des jeunes »

Ndao hanao skoto 2

8

Fisondrotana isam-batan’olona : Ny skotisma dia manome lanja ny ezaka vitan’ny tsirairay. Ary manome sehatra hahafan’ny tanora mamaritra ny zava-kendreny. Ny tanora tsirairay dia samy tompon’andraikitra amin’ny fampivoarany ny tenany. Ny ezaka hataony dia arakaraka izay tratry ny heriny ihany. Tsy mihazakazaka maka ambaratonga sy talenta fotsiny izy, fa miara-mamaritra ny zava-kendreny sy fanamby ho vitany miaraka amin’ny mpiray sokajy aminy sy ny mpiandraikitra azy. Ny olona afaka manampy azy amin’izany dia ireo skoto zokiny ara-taona sy ny mpiandraikitra azy. Rehefa vita ny lahasa natao dia miara-manombana ny ezaka vita miaraka amin’ny mpiandraikitra sy ny mpiray sokajy. Ary dia ilay tanora mihitsy no asaina mamaritra ny lalana nodiaviny sy ny ezaka vitany. Ny ezaka vita dia tsy maintsy marihina amin’ny fanomezana ilay tanora ny talenta na ambaratonga mifanaraka amin’izany.

« le but principale du système des patrouilles est de donner une véritable responsabilité

au plus grand nombre de garçons, pour leur developper le caractère. Si le chef donne

un vrai pouvoir à son chef de patrouille, qu’il attend beaucoup de lui et qu’il laisse le

bride sur le cou pour le travail qu’il confie, il aura plus fait pour épanouir la responsa-

bilité de ce garçons qu’aucun programme scolaire n’autait jamais fait. »,

Eclaireur pejy 43.

Ndao hanao skoto 2

9

Ity ambany ity ny kisarisary mamintina izany voambara momba ny fomba skoto.

Fanabeazana

amin’ny

asa tonga

dia vavany

Fifandraisan’ny

olon-dehibe sy

ny tanora

Fiainana

ankalamanjana

Tontolon’ny

nofinofy sy

eritreritra

Fiainanam-

bondrona

Lalana

sy

fanekena

Fisondrotana

Isam-

batan’olona

Lehibe maneran-tany ity fikambanantsi-

ka ity:

- eo amin’ny 25 000 000 no isan’ny sko-

to am-perinasa amin’izao fotoana izao.

250 000 000 eo ho eo kosa ny isan’ireo

olona efa nandalo tato amin’ny fikamba-

nana.

Ndao hanao skoto 2

10

SAMPANA MAVO

Eto amin’ny MTEM, ny lovitao no Tily Sampana Mavo, sampana zandriny indrindra satria 6 ka hatramin’ny 11 taona. Ny fitaizana dia manana tanjona dia ny handray anjara amin’ny fanabeazana amin’ny maha-olona feno:ara-batana, ara-tsaina,ara-panahy, ara-moraly, ara-piaraha-monina ary ara-pihetseham-po. Amin’ny maha-zaza azy dia ny fiainana nofinofy no fitaovana entina manabe.Noraisina ho fototra ampiasaina amin’izany àry ilay boky nosoratan’I Rudyard Kipling (1865-1936) hoe “Le livre de la jungle” tamin’ny taona 1894.Maro ny mpandray anjara resahina ao anatin’io tantara io ka ireto no tena malaza indrindra amin’izany:

MPONIN’NY ATIALA

AKELA (loup): mpitondran’ny atiala, mpitarika ny vahoaka afaka, mpitarika amin’ny haza sy manefa ny tarazo rehetra. Mamoaka ny aloalo. Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny andiany.

BALOO (ours): mpampanoa sy mpampianatra lalàna ny andiany, mpanampy an’I Akela ary eo mandrakariva amin’ny fotoana ilàna azy. Mpandraharaha.

BAGHEERA (panthère noir): kinga ary mandresy hatrany noho ny hakingany, mpampianatra ny andiany ho kinga, mpampilalao, manampy an’I Akela mitarika amin’ny haza.

HATHI (éléphant): mpitana sy mpitahiry ny tarazon’ny andiany, mpitandro ny fahadiovana. KAA (serpent) : mpanavotra an’I Mowgli, mpampianatra lalana ihany koa, miadam-pihetsika nefa mahavita zavatra tsara.

CHIL (vautour): mpampita hafatra sy vaovao, iraka matsilo maso ary azo itokisana satria kinga amin’ny fampitana hafatra.

MANG (chauve-souris): mpitsiditsidika ny fihazan’ny andiany, mpitsinjo lavitra

SAHI (hérisson): MERE LOUVE sy PERE LOUP: nandray sy nikarakara an’I Mowgli tao amin’ny atiala

FRERE GRIS (loup): sakaizan’I Mowgli niara-niriaria taminy tao amin’ny atiala MOWGLI (petit homme): zazakely tonga tao amin’ny atiala, mitovy amin’ny sahona ka nantsoin’ny mponin’ny atiala hoe: Mowgli. Kinga sy manan-tsaina. Ireo fahavalon’ny vahoaka afaka:

Ndao hanao skoto 2

11

SHERE-KHAN ( tigre ): mitady izay hevitra rehetra handringanana an’I Mowgli TABAQUI (chacal), BANDARLOGS (singes), DOLL, WONTOWN (chiens) - Fanamarihana: • Ny antsoina hoe “Vahoaka afaka dia ireo manaiky sy manaraka ny lalàn’ny

atiala • Ny fahavalo kosa dia ireo vahoaka tsy tan-dalàna • Ny fanalahidim-pitenenana no ifampiresahana sy hifankafantaran’ny

vahoaka afaka Manana ny fomba fanabeazana sy ny tarazo iainany ny lovitao

Fomba fanabeazana tarazo

Lalàna sy fanekena Ambaratonga sy talenta

Fiarahabana Famoriana Hiaka Fanalahidim-pitenenana Tarabolana Aloalo

Ireto no anisany lehibe amin’izany

I FIFAMORIANA

1.Fifamoriana: fanokafana

Mp . Loup in-7 Lvt . mamaly Ialahi ny lovitao, manao antsasa-paribolana Mihiaka isaky ny 6 rehefa tonga Ohatra: Jaky- Yaouh MP . Loup Lvt . yaou Mp : Hiaka andiany (ohatra: andiany seeonee) Lvt: Fanalahidim-pitenenana +Yaou MP: Loup Lvt: Yaou

Ndao hanao skoto 2

12

Izahay no lovitao Malagasy kely Falifalylava izao Kinga raha hiremby Ka ny fihazana atao Ao anaty ala ao Dia fanaovan-tsoa ifalian’ny fo Izahay dia mahay Raha hitady remby Soa ombieniombieny

Akela, Baloo, Hathi No ekenay teny Babakoto, tabaqui Tsy tianay ireny Mère Louve, Bagheera No mibaiko hoe: mihazà ‘zay fanaovan-soa Hifalian’ny fo Izahay dia mahay Raha hitady remby Soa ombieniombieny

Rehefa lehibe izahay Any indray andro any Dia ho tily tsara indray Vonona hatrany Ho an’Andraimanitray Sy ny Tanindrazanay Ka fanaovan-tsoa Hifalian’ny fo Izahay dia mahay Raha hitady remby Soa ombieniombieny

IZAHAY NO LOVITAO

2. FAMARANANA

MP: Loup in-7 Lvt . mamaly Ialahi ny lovitao, manao antsasa-paribolana . Mihiaka isaky ny 6 rehefa tonga Vaovaon’ny andiany MP: Loup Lvt: Yaou Ho tiavinay

vFanamarihana

- Avy any ankavanan’ny 6 no misy ny ZE - Amin’ny HL sy ny hiaka- andiany ihany no manao FP (fanalahidim-pitenenana) - Alohan’ny fifamoriana fanokafana sy aorian’ny fifamoriana famaranana no atao ny “culte” - Tokony eny an-kalamanjana foana no hatao ny fifa moriana

Ndao hanao skoto 2

13

II. NY FANEKENA LOVITAO Fizotry ny fanekena lovitao:

1. Fitsapana: atomboka amin’ny lalao iraisana, atao hisongadinan’ny lovitao hanao fanekena, lalao izay zakany. Tsy fanadinana io.

2. Miantso I Akela, manao antsasa-paribolana ny andiany. Mihira sapaoritra: Izahay no lovitao.

3. Ireo tsy vita fanekena sy ireo tsy vonona hiroso amin’ny fanekena dia asain’I Akela misitaka eny amin’ny toerana izay tsy ahitany sy tsy handrenesany ny zavatra miseho eo.

4. Asaina miroso eo aloha izay hanao ny fanekeny, mifanandrify amin’ny fehitenda sy ny marika ravinala ary ny karatra maha-mpikambana azy.

5. Miteny Akela: “Faly isika anio fa misy lovitao maniry hiditra ao amin’ny fikambanantsika, nasehony teo ny fikirizany tamin’ny ………… mba ho mendrika ity fikambanana ity izy. Efa fantany tsara ny lalàna lovitao ary efa fantany ihany koa ny hevitry ny fanekena. Ka moa ekentsika ny handraisana azy tanteraka ho namatsika, ka hanaovany ny fanekeny?” (avela hiteny izay manana ambara, indrindra fa ny zokin’ny Enina) Tsara raha asaina averin’ilay lovitao hanao fanekena ny lalàna lovitao : “Eken’ny lovitao rehetra eto amin’ny fikambanana ny fanirian’ise, fantatra fa hain’ise tsara ny lalàna nefa mba te handre izany indray izahay, ka mba lazao anay àry”: Lovitao hanao ny fanekena mamaly: “Manoa ny lehibe ny lovitao; tsy manaonao foana ny lovitao” Akela: “Koa raha lanintsika izany dia ho raisintsika izy hanao ny fanekeny”

6. Hazavaina amin’izay ny fizotry ny fanekena: ny lovitao hanao ny fanekeny manatsotra ny tanany manao ny fiarahabana lehibe (grand salut), ny MP sy ny lovitao sisa kosa dia manao ny fiarahabana tsotra (petit salut) no sady mamerina ao am-pony ny fanekena efa nataony. Rehefa vita izany dia miara-miredona ny hira fanekena lovitao ny lovitao rehetra.

7. Akela: Mangataka an’ise àry hanao ny fanekena/ Lovitao: “Manaiky aho, hiezaka hatrany

Hanompo an’Andriamanitra; Hiasa ho an’ny tanindrazana; Hanoa ny lalàna lovitao; Hazoto hanampy olona isan’andro”

Ndao hanao skoto 2

14

Hiran’ny fanekena:

Manaiky aho, tsy anio ihany fa hiezaka hatrany hanompo Anao ry Ray Andriamanitro hatrizay

Manaiky aho, tokoa tokoa Fa hiasa an-kerim-po Ho an’ny tany mamiko Madagasikara taniko

Isan’andro aho hazoto Hanampy olona hilofo Ka ho toaviko ao am-po Ireo lalàna an-kiroa

8. Apetaka ny mariky ny fanekena (fehitenda, marika ravinala), ary ny karatra maha-mpikambana

9. Miarahaba I Akela: “Faly mandray an’ise ho isan’ny mpikambana lovitao izahay ary mandray ny tanan’ise havia manomboka izao ho marika fa mpirahalahy avo-koa ny lovitao rehetra nahavita ny fanekena vao nataon’ise teo” Asaina mitodika any amin’ny andiany izy ka manao petit salut ho solon’ny fifampiarahabana.

10. Mamonjy ny toerany ny lovitao vao nahavita ny fanekeny ary mihika ny Enina misy azy.

11. Antsoina amin’izay ireo rehetra nasaina nisitaka. Akela: “hanehoatsika amin’ireto rahalahintsika vaovao ireto fa faly isika dia ndeha hiaraka hiakam-pifaliana" Faranana amin’ny hira “Ho tiavinay…”

V Fanamarihana - Tsy mahazo manao salut ny lovitao tsy mbola vita fanekena. Ekena kosa ny mandray azy amin’ny tanana havia. - Mialoha na aorian’ny fanekena no hitondrana am-bavaka ny lovitao hanao/ vita fanekena. - Ireo teny ataon’i Akela ireo dia ohatra fotsiny, nefa tokony ho voatana kosa ny vontoatiny mba tsy hisy hivaona. - Tsy maintsy i Akela no mampanao fanekena amin’ny maha-tarazo lehibe azy, raha tsy manana Akela ny andiany dia miantso filoha na Mp efa vita fanekena Mpiandraikitra. - Tsy maintsy mandalo fanomanana tsara ny lovitao hanao fanekena mba ahafantarany ny dikan’ny fanekena ataony. - Eny ankalamanjana ny toerana hanaovana ny fanekena. Tsy mety eny amin’ny Fiangonana

Ndao hanao skoto 2

15

III. TARABOLANA Ny tarabolana dia fivoriamben’ny andiany eo amin’ny vato fisainana atao

mandritra ny alina diavolana. Fakana tahaka akaiky ny fivorian’ny mponin’ny atiala izy ity.

Fotoana filazana amin’ny fomba aofisialy ny vaovaon’ny atiala na tsara na ratsy, fanolorana ambaratonga sy talenta, filazana ny valin’ny haza lehibe, ny tontolon’ny lasy, fankasitrahana ny loup mendrika, fanitsiana ny lovitao, fanatanterahana ny fampakarana, fanaovana ny hira sy ny angano atiala.

Raha ny tena tsara dia amin’ny alina misy diavolana no anatanterahana azy, raha sendra tsy misy volana dia azo atao ny manamboatra sarim-bolana.

Toerana avo, vato fisaka, no hipetrahan’i Akela.

Fizotry ny tarabolana - Samy maka ny toerany daholo ny mpitarika ny tarabolana

rehetra - Mihira ny andininy voalohany amin’ny hira tarabolana ny

mpitarika ihany. - Rehefa maheno ny hira fiantsoana ny lovitao rehetra dia mamaly hoe YALAHI! Efa milahatra isaky ny enina izy ireo amin’izany ary mandady manatona an’i Akela no sady mihira ny andininy faharoa mandrapahavitan’ny atsasam-paribolana eo anoloan’I Akela. - Hiraina kosa ny andininy fahatelo rehefa vita ny atsasam-paribolana.

Hiran’ny tarabolana

Hivory ny andiany, miantso izao

‘nareo re no tiany, ka avia avia Akela mitady,

samia re mandady Mankanesa aty

Hivory ny andiany, miantso izao ka ny fifaliany isika ka andao Akela efa any

Baloo koa toy izany Miandry ny lovitao

Hivory ny andiany, miantso izao Ka ny boribory ndeha re atao Akela efa eto, ary isika ireto Hiara-milalao

Ndao hanao skoto 2

16

- Mitarika ny hiakabe ny zokin’ny enina mendrika, mipetraka any an-kavanana indrindra.

ZE miteny A ( sady mitsangana) Lovitao rehetra : KE (mitsangana no atsangana ny tanana havanana atao sofin’ny Akela) LA (atsangana ny tanana havia ka mbola atao sofin’i Akela ihany) ARAKA IZAY AZO ATAO Akela irery miteny: HANINONA? Lov: Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany yaou! (mijaridina tsara, mampidina ny tanana havia, avy eo ny tanana havanana)

- Asain’i Akela mipetraka ny loups rehetra.Toy ny fipetrak’i Akela daholo ny fipetraky ny rehetra: mitingitingina, ny tanana roa manao endrika salut ka apetraka eo anelanelan’ny fe.

- Manomboka ny fiarahabana i Akela, avy eo mampahafantatra ny mponin’ny atiala manatrika eo

- Mizara fitenenana I Akela amin’ny filazana ny vaovao rehetra. - Elanelanina hira na tantara atiala fohy ny vaovao. - Famaranana: mandamina sy milamina mivoaka ny faritry ny

tarabolana.

v Fanamarihana - Ny fampianarana ny tarabolana dia amin’ny fotoana tsy maha eo ny tsy vita fanekena; tsara raha faranana amin’ny hikam-pifaliana ny tarabolana; - Tsy maintsy amin’ny alina no anaovana ny tarabolana, tsy tokony hatao alina loatra anefa; - Tsy tokony hatao maharitra ela ihany koa, ora iray raha ela indrindra; - Toerana tsy misy lobolobo no anaovana azy, mahitsy, mazava, misy vato fisainana, lavitry ny tanana. - Anarana no ifampiantsoana fa tsy cheftaines na ankizy; - Tsy maintsy manao fiovan’endrika (déguisement)

Ndao hanao skoto 2

17

Asan’ny mpitarika sy ny feony tsirairay avy:

Mpitarika Asany feony

Akela mitarika ny fivoriana, mizara fitenenana yaououououou

Baloo milaza ny vaovao momba ny lalàna: Mmmm

Bagheera milaza ny valin’ny haza lehibe Brrrrrrrrr

Chil mpilaza hafatra sioka

Kaa mpilaza ny vaovao samihafa Sssssssssssssss

Hathi mitandro ny fandriampahalemana Hiiiiiiiiiiii

Bandarlogs Mpanakorontana.Tsy omena fitenenana ny bandarlogs.

betroka

IV. NY AMBARATONGA SY TALENTA

1. AMBARATONGA Misy efatra (4) ny ambaratonga hita ao amin’ny lovitao: Miana-mandady(MM): mamantatra izy hoe: INONA (3 volana) Vakimaso Voalohany (VM 1): “Ahoana koa” (9 volana), afaka mitrandraka talenta Vakimaso Faharoa (VM 2): mampihatra (9 volana) Mpiremby (Mpb): mampihatra sy mampita (1 taona)

Mba hanatanterahana izany dia misy sehatra 15 ahatongavana amin’ny fanabeazana amin’ny maha olona feno (fomba 7), ary mba tsy hivaona amin’ny zava-kendren’ny skotisma sy ahalalantsika ny zavatra mety ho takatry ny isan’ambaratonga.(ao anaty boky torolalana Sampana mavo)

2. TALENTA

Ny talenta dia fahaiza-manao manokana ananan’ny olona tsirairay avy; fanomezam-pahasoavana miafina na miseho. Misy ny ara-boajanahary ary misy kosa ny novolena.

Misy tanjona ny fanolorana ny talenta ny lovitao:

Ndao hanao skoto 2

18

- Fankasitrahana na fampiezahana ny lovitao (encouragement) - Ampahafantarana ny lovitao ny tenany ka hampitombo ny fahatokisan-tenany - Famaliana mihitsy ny fanabeazana skoto, fanabeazana miandalana.

Endriny sy Karazany 4cm

2.5cm

Lokony Sokajy Anaran’ny talenta

mavo Fampaherezana ho amin’ny asam-pamokarana

Mpanao sy tia asa tanana Tia fambolena Tia fiompiana Tia hira sy mozika

manga Fiheverana ny Fiangonana sy ny Tanindrazana

Tia Soratra Masina Tia tanindrazana Tia fandriam-pahalemana Tia kolontsaina Mpitaridalana Mpianatra mazoto Mpikajy ny tontolo ianana Mpiaro ny zo

mena Fiezahana ho hery velona eo amin’ny fianakaviana

Tia koja an-trano

maitso Filamatra ara-skotisma

Mpilasy Tia fanatanjahan-tena Tia fahadiovana Mpamory zava-madinika mpamalifaly

Ndao hanao skoto 2

19

v Fanamarihana - Ilaina ny ahitan’ny besinimaro ny marika talenta ananany, ka apetaka

eo amin’ny fanamiana. Raha mbola tsy misy apetaka dia aleo tsy tolorana, noho izany, tokony hanamboatra ny lovitao na ny MP.

- Tokony manaiky ny MP rehetra fa tena ananan’ny lovitao iray ny talenta. - Toetra fa tsy fahaiza-manao fotsiny ny talenta: misy toetra tiana ananana na esorina - Adidin’ny Mpiandraikitra ny mitsirika sy mampivoatra ny talenta ananan’ny beazina. Mamporisika ihany koa ny lovitao haneho ny talentany.

V. SAINA Lovitao

- efa-joro mirefy 40 x 60 cm - misy salut louveteau (bleu marine), tsy miloko ny anatiny - Saina ao an-dasy tsy midina raha tsy vita ny lasy - Mp no mampiakatra sy mampidina ny saina

Ndao hanao skoto 2

20

LOVETISMA

Ny fanabeazana skotisma dia mifototra amin’ny fiainana « Lalana sy ny faneke-na » Eo amin’ny sampana MAVO, amin’ny maha taonan’ny ankizy tia nofinofy sy maka sary an-tsaina azy dia noraisina ho fitaovana hanabeazana ny tantara avy ao amin’ny angano nosoratan’i Rudyard kipling mitondra ny lohateny « Le livre de la jungle », Io no nipoiran’ny teny hoe « lovetisma » Voasoratra voalohany io boky io tamin’ny taona 1894. Raha tsorina izany ny lovetisma dia fitaovana iray entina manabe amin’ny alalan’-ny skotisma ao amin’ny sampana mavo satria misy ifandraisany amin’ny toetra sy ny toe-tsain’ny ankizy ary ny fietseham-pon’ny fiaraha-monina ao. Voasoratra voalohany io boky io tamin’ny taona 1894. Tiana marihina kosa anefa fa tsy voatery ny lovetisma ihany no hany fanabeaza-na ato amin’ny sampana mavo fa azo ampiasaina tsara koa ireo angano hafa. Raha fehezina ny angano dia fiaraha-monina iray ahitana biby sy olona miara-monina, nefa ny olona no mampisy lanja sy heviny io fiaraha-monina io. Hita ao: Ny fisedrana Ny tsara toy ny fiaraha-miaina, ny fiaraha mihaja sy ny ratsy izany manakoronta-na ny fiaraha-monina Ny fanarahana sy fiainana ny lalàna Ny fiaraha-mihira sy milalao ary ny fiarahana mihaza Ny fandinihana ny zava-misy (ny natiora) hivoarana Ny fianarana zava-baovao Ny fanatanterahana ny teny nomena Noraisina ary ireo « personnages » tao amin’io angano io handrindrana ny fana-beazana sy ny fitantanana ato amin’ny sampana mavo. Anisan’ireto izany : Akela : (loup) filohan’ny andiany maneho ny fahefana sy ny fandrindrana Baloo (ours), mpampianatra lalàna Bagheera : (panthère) mampilalao

Ndao hanao skoto 2

21

Chill (vorona), mpampita hafatra Kaa : bibilava Mowgli : zanak’olombelona tafiditra tao anaty ala Shere khan (tigre) maneho ny haratsiana Bandar-log (singes) Miaina ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna Père loup sy Mère louve miaraka amin’ny zanany louveteau efatra no fianakavia-na nitaiza an’i Mowgli. Amin’ny ankapobeny dia eo anivon’ny Andiany no ivelaran’ny enina sy ny tsirairay amin’ny sampana mavo. Ahoana ary ny hahatonga ny ankizy ho tena « lovitao »avy amin’ny alalan’io

angano io ary inona ny andraikitr’ise mpiandraikitra sampana mavo?

TSARA HAZA DAHOLO E!

Ndao hanao skoto 2

22

FKA (Filan-kevitry ny sokajy)

Mety alaim-panahy avy hatrany isika ka raha vao mahare ny teny hoe filan-kevitra dia toa mahita sary an-tsaina avy hatrany hoe misy raharaham-pitsarana ao izany. Toy ireny hita any am-pianarana sy any amin’ny fitsarana any amin’ny miaramila. Ny tena ilana ny FKA dia sehetra iray afahana mifanabe. Ara-tantara Tany am-boalohany dia fitanan-kaja (cours d’honneur) no tena nahafatarana azy. Ary taty aoriana dia niova ho filan-kevitry ny sefo (conseil des chefs). Natao ny filan-kevitra mba entina hanomezana valisoa ireo skoto mendrika ary entina hanasaziana ireo skoto hita fa nihoa-pefy na tsy nitana ny teny nomeny. Nandritra ny ady lehibe voalohany ny taona 1914 – 1918 dia lasa tany am-bava ady ny ankabeazan’ny mpiandraikitra skoto. Ny filan-kevitry ny antoko izany no sisa nahafahana nampandeha ny antoko ka izay zokiny indrindra tamin’ny lohan-tsokajy no nitarika izany ary nanendry LS iray ho mpitantsoratra. Ary hita fa nahomby tokoa izany fomba fitantana izany. Nanomboka teo ny ny FKA no rafitra fara-tampony amin’ny fitantana ny antoko.Noho izany, na misy mpiandraikitra na tsy misy mpiandraikitra dia tokony handeha ny raharahan’antoko raha mbola mijoro ny lohan-tsokajy. Fomba fiasa : Ny filan-kevitry ny antoko dia tsara raha atao indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny. Nefa amporisihina indrindra ny antoko mba hanao izany isan-kerinandro Izany dia mba hahafana manatanteraka ny fivorian-tsokajy isan-kerinandro. Ao anatin’ny filan-kevitry ny antoko no handihina ny fomba hampandehanana ny antoko na lasy na fisindana, ny fivoahana an-tsaha, atrikasa ary hanombanana ny ankizy beazina tsirairay . Izay hoe efa tokony ho vita fafana (tableau) dia ny mialoha izany rehetra izany mba hanamorana ny fomba fiasa.

Ndao hanao skoto 2

23

Ny asa sy ny andraikiny (rôles et fonction) : Ny filan-kevitry ny antoko no manendry ny Lohan-tsokajy sy Solon-dohan-tsokajy rehefa avy nandalo ny filan-kevitry ny sokajy. Manomana sy mikarakara ny firo-soan’ny ankizy zazavao hanao fanekena na manemotra izany raha hita fa mbola tsy ampy ny fepetra ilaina. Marihina anefa fa tsy azon’ny filan-kevitry ny antoko atao ny misakana ny ankizy tsy hanao fanekena ny manemotra no azo atao ary izany dia tsy maintsy arahina fanazavana ho an’ilay mpikambana ny antony.Ao anatin’ny filan-kevitry ny antoko koa no hanapahana ny fanomezana ambaraton-ga na talenta ho an’ny mpikambana iray . Ny mpanatrika ny filan-kevitry ny sokajy.: -Ny mpiandraikitra tompon-toerana, ny mpanampy, ny mpampilalao -Ny lohan-tsokajy sy ny solon-dohan-tsokajy. -Mpikambana nantsoina hanatrika izany manokana. -Olona nantsoina manokana hitondra fanofanana na fanazavana lohahevitra iray. Ny andraikitry ny mpikambana ao amin’ny filan-kevitry ny antoko. Ny mpiandraikitra tompon-toerana : Izy no mitarika ny fivoriana ka manome anjara fitenenana ny tsirairay. Ary mitsipaka (droit de veto) ireo hevitra hita fa mivaona amin’ny tanjon’ny skotisma maneran-tany sy ny zava-kendren’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. Tsy amim-patezerana anefa ny fomba fanehoan’ny heviny fa ao anaty fanajana ny hevitry hafa ary ao anaty fanazavana mari-pototra mba tsy handratra ny hambom-pon’ny hafa ka mety hiteraka ratra anaty. Ny mpiandraiktra mpanampy sy mpampilalao : Izy ireo dia mitana ny andraikitry ny mpanolon-tsaina na mpanolon-kevitra Ny lohan-tsokajy sy ny Solon-dohan-tsokajy : Mitondra ireo volavolan-kevitra avy any amin’ny filan-kevitry ny sokajy. Manolotra ireo boaikely tokony ho tolorana ambaratonga na talenta ary mitondra fanazavana amin’ny ezaka efa vitan’ilay boaikely. Mitondra ihany koa ireo olona hita fa nandika ny fitsipika hifampifehezana ka mety hiteraka korontana ho an’ny antoko iray manontolo na fiangonana.

Ndao hanao skoto 2

24

Ny mpitantsoratra : Amin’ny ankapobeany dia saika ny mpiandraikitra mpanampy na mpampilalao no mitana izany andraikitra izany nefa tsara indrindra raha toa ny Lohan-tsokajy no atao mpitantsoratra. Ny fizotran’ny fivoriana sy ny fanapahan-kevitra noraisina no raketina an-tsoratra. Ny asan’ny mpikambana ao amin’ny filan-kevitry ny antoko Raha toa ka mpikambana tao anaty sokajy no entina ao anaty filan-kevitry ny antoko dia tsy maintsy efa nampafantarina mialoha izy ary miaraka amin’ny lohan-tsokajiny. Malalaka ny fandraisana anjara fitenenena nefa izany dia ao anaty fanajana tanteraka. Ny tsy famelana ny mpikambana haneho ny heviny na tsy fihainoana izay lazaina dia mety hiteraka fikomiana ho azy na ho an’ny sokajiny. Ny mpanatrika ny filan-kevitry ny antoko dia tsy maintsy manao fanamiana. Tsy tokony hisy teny enti-mampitahotra ireo mpikambana tonga hanatrika ny filan-kevitry ny antoko; ohatra mpikambana zazavao hanao fanekena. Samy miezaka ny tsirairay ary miezaka manakatra zavatra manjo ny tsirairay sy ny manahirana azy. Ezahina mandrakariva ny tsy hisian’ny fifandirana na famoahana teny tsy voahevitra ka mety miteraka fanafitoinana ho an’ny hafa. Ny fizotrany :

Atomboka amin’ny hira sapaoritra Atao ny hiakan’ny sy ny hiran’ny FKA Atao ny fanompoam-pivavahana Manao teny fiarahabana ny mpitarika ary milaza ny laha-dinika Maheno ny fanehoan-keviny mpanatrika Mitarika fanofananana ny mpiandraikitra Samihafa Faranana amin’ny hira sapaoritra

Tompo tia ô mihainoa Izao fivavakay mitalaho Ny fanahinay hamasino Ho tonga namanao

Tompo tia ô mijere Ieto zanakoa marobe Ny Fanahinao mamonje Anay mpanomponao

Hiran’ny FKA

Ndao hanao skoto 2

25

FILAN-KEVITRY NY SOKAJY Anisan’ny motera iray mampandeha ny raharahan-tsokajy ny filankevitry ny sokajy. Eto anefa dia tsara ihany ny manavaka ny atao hoe filan-kevitry ny sokajy (conseil de patrouille) sy ny fivorian-tsokajy (réunion de patrouille). Raha hazavaina tsotsotra dia izao : ny filan-kevitry ny sokajy dia resaka sy dinidinika no atao. Ny fivorian-tsokajy kosa dia asa tonga dia vavany no atao ao ka hanatanteraha ireo sahanasan’ny sokajy. Ao anatin’ny filan-kevitry ny sokajy no andaminana ny olana sy ny raharaham-bolan’ny sokajy. Ny zavatra rehetra notapahana tao anaty filan-kevitry ny sokajy dia tokony ho voarakitra ao anaty kahien-tsokajy. Manana andraikitra lehibe noho izany ny lohan-tsokajy amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny zavatra notinapaka Ny filan-kevitry ny sokajy dia ialohavan’ny fanomanana izay ataon’ny lohan-tsokajy sy ny solon-dohan-tsokajy ary indraindray dia maka hevitra amin’ny mpiray sokajy izay hitany fa anisan’ny mendrika. Dia izy ireo no manapaka ny lohahevitra ho dinihina mandritra ny filan-kevitry ny sokajy ary mandrakitra izany ao anatin’ny kahien-tsokajy. Tsy maintsy hilazana mialoha ny mpiray sokajy rehetra vita fanekena mialoha ny fivoriana. Ary raha misy lohahevitra tian’ny mpiray sokajy ho dinihina dia tsy maintsy resahiny amin’ny lohan-tsokajy mba hahafahana manomana ny fivoriana. Mazava ho azy fa tsy maintsy ny lohan-tsokajy no mitarika ny filan-kevitry ny sokajy. Azon’ny solon-dohan-tsokajy atao anefa ny mitarika ny filan-kevitry ny sokajy rehefa nahazo alalana tamin’ny lohan-tsokajy ka amin’izay dia tsy maintsy izay zavatra efa noman’izy ireo mialoha ihany no resahina. Manaraka tsara ny lahadinika ary miezaka manala izay resaka hita fa mivaona amin’ny lahadinika. Izany anefa tsy misaka ny fandraisana ireo hevi-baovao ka tokony ho dinihina amin’ny manaraka. Anjaran’ny lohan-tsokajy ny manome anjara fitenenana ny tsirairay ka mamela malalaka azy ireo haneho hevitra.

Mila mamadibadika ny lelany tsara ny lohan-tsokajy alohan’ny hamoahany fanapahan-kevitra. Raha maro ny mpiray sokajy manohana hevitra iray dia misy izany vitsy anisa mitsipaka ilay hevitra. Ny zava-kendrena dia ny mba ialana amin’ny tsangan-tanàna izay mety hiteraka fizarazana.Raha toa ka misy hevitra mety hampifanditra na mampifanolana dia tsara raha hahemotra amin’ny andro manaraka ny fandiniha ny lohahevitra. Azo antoka amin’izay fotoana izay fa mety ho hita ny vahaolana satria hoy ny ntaolo hoe “tanety lava misy fisaina” ka amin’ny andro manaraka efa samy tony ho hita ho azy ny vahaolana.

Ndao hanao skoto 2

26

Azo dinihina ao anatin’ny filan-kevitry ny sokajy koa anefa ny mpikambana iray mety hiteraka korontana na fanelingelena be eo amin’ny fanatanterahana sahanasa na tetik’asan’ny sokajy. Marihina anefa fa tsy sazy ara-batana toy ny ramandady na mandoalika na fikasian-tanana no atao. Ohatra mifoka sigara ilay mpikambana hita fa mety hiteraka doron-tanety ny fangalarany mifoka sigara dia azo atao tsara ny manajanona azy tsy handeha fivoahana an-tsaha miaraka amin’ny sokajy. Ireto avy ny zavatra matetika dinihina amin’ny filan-kevitry ny sokajy :

1. Fitondran-tenan’ny sokajy ka tokony hiteraka famaizana 2. Fomba fanangonana ny latsak’emboky ny sokajy sy ny

hampiasana azy 3. Fandinihana sy ny fifanarahana atao momba ny lasy na fivoahana

an-tsaha 4. Fandraisana ireo mpikambana vaovao, fifidianana izay solon-

dohan-tsokajy na ny lohan-tsokajy 5. Fandinihana ny fizahan-tany na asa soa hatao. Fiketrehana ny fety

aman-danona ataon’ny sokajy na iraisan’ny amin’ny antoko 6. Tatitry ny sokajy

Ny tatitry ny asa vitan’ny tsirairay ao anaty sokajy dia tokony vita tatitra mazava ao anaty kahien-tsokajy ka atolony ny filan-kevitry ny antoko. Mila manana kahie mirakitra ireo karazana sahan’asa vitan’ny sokajy koa ny sokajy. Misy ireo teknika fampiasa, ny lalao, ny hira, misy sary. Ny zavatra rehetra nodihina tamin’ny filan-kevitry ny sokajy dia azo dinihina amin’ny filan-kevitry ny antoko saingy tsy maintsy omena ny mpiandraikitra mialoha mba hahafahany mandamina sy manomana ny fivoriana. Tsara raha mivory isaky ny herinandro ny filan-kevitry ny antoko mba hahafahana mandray ireo tatitry ny sokajy.

Ndao hanao skoto 2

27

Ny fiofanana tsara sy azo raisina vokatry ny fanaovana ny filan-kevitry ny sokajy dia fandraisany boaikely anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany, ny sokajy ka hahafahana maneho hevitra ankalalahana ary izany dia hahatonga azy ho toy ireo olona manana ny maha izy na toy ireo olona mpandraharaha ireny. Iza? Ny mpiray sokajy rehefa vita fanekena Aiza? Ao amin’ny toeram-pivoriana Any an-dasy Eo anivon’ny natiora Any an-tanan’ny iray ao anatin’ny sokajy Rahoviana? Ara-potoana :Isaky ny tapa-bolana. Ny sokajy izay tsy dia manana zavatra ho resahina dia tsy manan-javatra be atao, tsy manana sahanasa be atao, ary tsy ampy ny fanahin-tsokajy ao aminy. Tsy ara-potoana : isaky ny misy zavatra tsy maintsy ho dinihina manokana Isaky ny tapitra ny fivorian-tsokajy na antoko na fivoahana an-tsaha Ahoana? Avy amin’ny fiantsoan’ny lohan-tsokajy Efa voalamin’ny mialoha ny lahadinika rehetra ary ny mpiray sokajy dia efa samy nandefa ny soson-kevitra ho dinihina Ny lohan-tsokajy no mitarika ny fivoriana Teny ierana ny fitantana ny sokajy. Tokony hanjaka ny fifanakalozan-kevitra fa izany antoka iray hampirindra ny asan’ny tanterahina eo anivon’ny sokajy.

Ndao hanao skoto 2

28

ORA SAHAN’ASA TOMPON’ ANDRAIKITRA

2.30 Fifamoriana : hikan-tsokajy + hira hira sapaoritra : indreto vonona vaovao samihafa

Fanompoam-pivavahana

L.S.

2.45 Fijerena ny fahadiovan’ny mpikambana : vatana, fanamiana … LS sy ny SLS

2.50 Hira : Sambosa mafana arahina fihetsika: Manao fihetsika ny LS ka izay fihetsika ataony no hirain’ny mpiray sokajy

L.S

3.00 Lalao : Mitsoka litera morsa @ sifile ny SLS ny mpiray sokajy kosa manoratra tsipika na teboka amin’ny kahieny na taratasy., Tsy jerena aloha ny dikany fa izay mahamarina tsy misy diso no maharesy

SLS

3.10 Lalao : Rehefa vita ilay lalao tetsy ambony, ka miara-milalao ny rehetra. Misesy manisy dikany ilay tsipika sy teboka, ohatra Dia manisy soratra A ilay boaikely. Raha tsy hay kosa dia miteny izy hoe « Afa-po » tsy tenina akorry ilay valiny fa izay efa voatondro ho an’ny manaraka ihany no teneniny.

L.S

3.45 Ambaratonga sy talenta : Abidy maorsa Lalao : Mitady ohabolana momba ny rano ny mpampilalao ka avadika ho abidy maorsa izany avy eo (Ohatra :Ny mamba ny mandoto rano ka ny amalona no tsy mahita rano hosotroina)

Zo (Mpikatroka)

4.00 Hira : Rainay any an-danitra any Petera (Mpikatroka)

4.15 Teny indraim-bava avy amin’ny LS : Manome toro-marika ho an’ny mpiray sokajy ny zavatra tokony ho hainy. Manomana ny fivoriana manaraka

LS

4.25 Famaranana : Hikan-tsokajy + hira Hira sapaoritra : Ho tiavinay mandrakizay Hafatra

Fanompoam-pivavahana.

LS

FIVORIAN-TSOKAJY (ASABOTSY IRAY)

VONTOATINY : MORSA

Ndao hanao skoto 2

29

FANDAHARANA SABOTSY HARIVA NB : Marihina mialoha fa endrika fotsiny ihany ity fa ny Mpiandraikitra tsirairay dia samy manana ny fomba fiasany amin’ny fanaovana fandaharana Sabotsy hariva iray nefa ireto misy ireo izay heverina fa fara-fahakeliny tsy azo ialana raha hanao izany :

TSY MAINTSY ATAO AN-TSORATRA MAZAVA TSARA NY ZAVATRA

ATAO

ASIANA TANJONA MAZAVA

TSY MIVOANA AMIN’NY FANDAHARANA HERINTAONA SY TELOVOLANA

FANDAHARANA AZO TANTERAHINA SY MANAJA NY FOTOANA

OHATRA TANJONA : Fitoriana fandriam-pahalemana ZAVA-KENDRENA

Fitoriana izany amin’ny toerana manodidina ny local

Ny olona itoriana dia mahalala ny hevitry ny tena hoe fandriam-pahalemana

KARAKARAM-PANDAHARANA

ORA VOTOATINY TOMPON’ANDRAI-

KITRA TOERANA

13h30 Filan-kevitry ny Antoko MP Local

14h30 Saporitra - Fanazavana ny fanda-

harana MP Local

14h45 Lalao trifana MP Local

15h Radio trottoir « Fitoriana fan-

driam-pahalemana » LS An-dalambe

16h30 Tatitra isan-tsokajy Sokajy Local

17h Fiaraha-mivavaka Rehetra Local

17h30 Famaranana MP Local

Ndao hanao skoto 2

30

FKA

LALAO TRIFANA

RADIO TROTTOIR

TATITRA

FIARAHA-M

IVAVAKA

TANJO

NA

F

ampa

hafa

ntar

ana

sy to

ro-la

lana

F

anal

ana

ham

oha-

mo

Fito

riana

fand

riam

a-pa

hale

man

a F

izar

ana

amin

’ny

mpi

ray

anto

ko

Fan

gata

hana

F

amel

an-k

elok

a

FIZOTRA-

NY

Hom

ena

docu

men

t ke

ly e

fa v

oaom

ana

mia

loha

ny

LS a

ry

haza

vain

a am

iny

ny

ao a

natin

y. H

azav

aina

am

iny

koa

ny fi

zotr

y ny

rad

io tr

otto

ir

Miz

ara

amin

’ny

toer

na m

arom

aro

ny

Mp

ary

mam

pian

tso

fifam

oria

na.M

iaza

ka

man

atoa

na iz

any

soka

jy ts

iraira

y ka

iz

ay s

okaj

y m

ahav

i-ta

mih

iaka

voa

loha

-ny

no

mah

azo

isa

Ale

fa m

anao

fana

diha

dian

a an

-dal

ambe

ny

sok

ajy

tsira

iray

amin

’ny

toer

ana

sam

i-ha

fa.M

anon

tany

ireo

olo

na n

y fa

hazo

any

ny a

tao

hoe

fand

riam

a-pa

hale

man

a ar

y ra

isin

a –a

n-ts

orat

ra iz

any.

Avy

eo

dia

omen

a ila

y «

Sig

net p

our

la p

aix

» ila

y ol

ona

ary

man

aing

a az

y ha

mak

y ila

y si

gnet

izay

ahi

tana

ny

hevi

tra

sy h

afat

ra

mom

ba n

y fa

ndria

m-p

ahal

eman

a.T

okon

y ha

havi

ta fa

nadi

hadi

ana

olon

a eo

am

in’n

y 30

eo

ny s

okaj

y iz

any

hoe

tsy

mita

razo

ka

amin

’ny

olon

a ira

y ne

fa m

azav

a ts

ara

amin

y ny

ant

on’n

y fit

oria

na a

tao

Man

ao k

araz

ana

seho

ny

isan

-ts

okaj

y ar

y m

a-na

eho

amin

’ny

rehe

tra

ny h

evi-

tra

voha

ngon

y m

omba

ny

fana

-di

hadi

ana

nata

o-ny

Om

ena

tara

tasy

mad

io

tsira

iray

ny a

nkiz

y ar

y as

aina

man

orat

ra a

o iz

ay z

avtr

a ts

y ne

ty

nata

ony

nand

ritra

ny

herin

andr

o.O

men

a ta

rata

sy a

vy in

dray

avy

ka

man

orat

ra a

o ny

ez

aka

tant

erah

ina.

Avy

eo

reh

efa

sam

y na

ha-

vita

dia

sam

y m

andr

o-vi

tra

ilay

tara

tasy

voa

-lo

hany

ka

atsi

py a

naty

af

o iz

any

avy

eo.M

isy

anki

zy ir

ay a

vy m

iva-

vaka

ho

an’n

y re

hetr

a

FAHARE-

TANY

1h

15m

n 1h

30

30m

n 30

mn

FITAOVA-

NA

Kah

ie s

y pe

nina

K

iririo

ka

Fan

drai

sana

sor

atra

S

igne

t pou

r la

pai

x m

aro

(30/

soka

jy)

Ara

kara

ka n

y so

kajy

tsira

iray

Tar

atas

y ira

y is

an’o

lona

, afo

m

irehi

tra

eo a

fovo

any

FANAZAVANA

Ndao hanao skoto 2

31

FIZAHAN-TANY (Explorations)

Ny fizahan-tany dia anisan’ny sahanasa tena mahafinaritra indrindra any an-dasy raha hay tsara ny milalao azy. Azo atao ny mandefa ny boaikely na mpiandalana tsiroaroa na isam-bondrona. Azo atao koa ny mandeha am-bisikeleta raha misy ny enti-manana. Tena tsara raha toa ka eny ankamanjana no matory (belle nuits). Ary toerana nivantanana dia mba hanaovana asa soa izy mba ho mariky ny fisaorana azy. Ohatra manao tsaka rano, mandraoka vary avy naha, na mamafa tokotany sns …Ary aza manao zavatra hita fa tsy ho vita. Amin’ny ankapobeny dia manana ny zava-kendreny ny fizahan-tany. Raha ho an’ny ankizy avy aty andrenivohitra dia tsara ho azy ny mahalala ny tontolo misy eny ambanivohitra toy ny tendrombohitra manan-tantara, ny farihy, ny tranon’ny ntaolo, ny toeram-piompiana sns … . Raha ho an’ny sokajy avy any ambanivohitra kosa dia tsara hahalalany ny toerana ety andrenivohitra toy ny farihy manan-tantara, ny rova, ny lapan’ny praiminisitra taloha, ny toeram-pitsarana, ny zaridaina, ny tsena, parc zoologique sns ….

Tsara raha mitondra sarin-tany, fankan-tsary (appareil photo), penisilihazo afahana manao sary….Ary tantaraina an-tsoratra ny zavatra rehetra natao sy ny lalana nodiavina izany hoe manao “journal”

Ity misy lalao iray azo atao amin’ny fanaovana fizahan-tany Ny mpilalao : sokajy na fokonolona na mandeha tsiroaroa Fitaovana : Valopy maromaro, taratasy, fankan-tsary, penisilihazo,

penina. Fanomanana : Manomana ny sahanasa izay ataon’ny sokajy any am-panaovana

fizahan-tany ny mpiandraikitra. Ohatra ireto avy ny zavatra azo atao : 1-Manondro ny toerana aleha 2-Manangona karazana vato, na hazo maina, na ravina eny an-dalana 3-Mahandro sakafo, na manamboatra fantana mandeha 4-Mihaona amin’ny mpitondra fiangonana na sefo fokontany 5-Maka sary ny endriky ny fiangonana na biraon’ny fokontany 6-Manamboatra firavaka vita amin’ny ankora misy eo an-toerana 7-Manomana seho an-tsehatra iray mitantara ny dia nalehany Ireo rehetra ireo dia avadika ho hafatra miafina ka atao amin’ny valopy

iray . Ary asiana nomerao araka ny filaharany sy ny ora tokony hamahana azy. Ny valopy ilany kosa dia mihidy misy ny valin’ny hafatra miafina. Rehefa tsy voavaha izany ny hafatra miafina dia sokafana ilay valopy mihidy. Mazava ho azy fa mihena ny isa arakaraka ny hamahana ireo valopy mihidy.

Ndao hanao skoto 2

32

Fiaingana Zarain’ny mpiandraikitra eo

am-piaingana ny valopy misy ny hafatra miafina isaky ny sokajy. Koa satria ny ohatra raisintsika eto dia misy asa takiana fito noho izany ny sokajy iray dia manana valopy fito. Omena azy ireo koa ny valopy fito misy ny valiny. Rehefa tsy voavahany ilay hafatra dia azony atao ny manokatra ny valopy misy ny valiny.

Rehefa tafaver ina ao amin’ny toerana ilasiana izy dia takiana aminy ireo asa rehetra tokony ho notanterahina.

Endriny hafa Raha amin’ny tanan-dehibe

no manao fizahan-tany dia jerena mialoha ny toerana hanaovana f izahan-tany ka mifanaraka amin’ny mpivarotra, na mpiandry tanàna, na mpitondra fiangonana. Valopy roa ihany no omena eo ampiaingana ka ny hafatra dia manondro ny toerana aleha sy ny asa takiana amin’izany. Ireo olona ireo no manome ny valopy roa isaky ny sokajy.

Ndao hanao skoto 2

33

Tetik’asa ho an’ny sampana mena Ny fandaharam-panabezana ho an’ny mpiandalana dia tokony hahitana taratra sahady ny fahaizany manatanteraka tetik’asa; Ny mpiandraikitra izany dia tokony hahafehy tsara ny fomba fanarahamaso sy fampiaharana tetik’asa hahafahany manantanteraka ny andraikiny. Indro atolotra ary fomba fanatanterahana tetik’asa Ny tetik’asa resahina dia tsy fitadiavam-bola satria ny beazina dia tsy natao hitady vola fa andraikitry ny mpanohana izany. Fa kosa hafahan’ny tsirairay mivelatra sy maneho amin’ny fiarahamonina fa misy sy miaina ny sampana; ny fileovana; ary ny fokonolona.

Ireto ny tetika ampiasana raha hanangana tetik’asa

1- Fanangonana filana

• Jerena ireo olana misy amin’ny mpikambana tsirairay ka iny no

hitadiavana vahaolana tanterahina amin’ny alalan’ny tetik’asa

• Inona avy ireo tian’ny beazina mba ho trandrahina ka azo

tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa

• Misy koa ireo hetsika hirotsahan’ny fikambanana ka aseho

amin’ny alalan’ny tetikasa

2- Fandravonana sy fanomanana

• Fametrahana ny hahamehana: fanivanana ireo filana ka tsirihana

izay azo tanterahina sy tokony hahazoan’ny tsirairay tombony

• Fametrahana tanjona iray mazava sy matotra

• Fitsirihana ny fitaovana mety hampiasaina rehetra mandritry ny

hetsika

• Teti-bola

3- Fandrafetana

Inona : faritana eto ny zavatra atao. Ny karaza’ny asa mety ho hita

mandritry ny tetikasa

Iza : no manatanteraka ny asa tsirairay sy ny hiantefan’ny asa.

Aiza: ny toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika tsirairay avy

Ndao hanao skoto 2

34

Oviana: tanisaina eto no fotoana rehetra hanatanterahana ny asa

Fomba: tanisana ireo fomba enti-manatanteraka ny asa

Vokatra andrasana : inona avy ny vokatra andrasana isaky ny asa tsirairay

mba hahafahana manao tomban’ezaka

4- Tomban’ezaka Ny tomban’ezaka dia tanterahina foana mandritra sy aorian’ny hetsika ka ny fahatratrarana ny vokatra nadrasana no arofenitra ho an’izany

• Inona no nety sy tomombana ara-dalana

• Inona no lesoka tokony ho hatsaraina

• Inona no fanatsarana mbola azo hanampiana azy hahazaoana

vokatra tsaratsara kokoa

Ndao hanao skoto 2

35

FANEKENA TILY : Manatanteraka ny fanekeny ny Tily iray rehefa nampahafantarina azy ary ekeny ireto :

MOMBA AN’ANDRIAMANITRA :

• Mino ny fisian’Andriamanitra ary manaiky an’I Jesoa kristy ho mpamonjy

• Mahafantatra ny rafitry ny fiangonana sy ny mampiavaka ny fiangonana misy azy

• Mahafantatra ny fitaizam-pinoana ataon’ny fiangonana

• Manaiky ny fitaizam-pinoana ary mazoto mivavaka MOMBA NY TANINDRAZANY :

• Mahafantatra ny Tantaran’ny Firenena Malagasy

• Mahafantatra ny Rafi-pitondrana misy

• Mahafantatra ny Fizaram-paritra , ny foko sy izay fomba mampiavaka azy ireo

• Mahafantatra ny zon’olom-belona sy ny zon’ny ankizy

• Mahafantatra ny fomba sy ny soatovina Malagasy indrindra fa ny fahendrena mampiavaka ny Malagasy

• Mahafantatra izay tantaram-pianakaviany MOMBA NY FIKAMBANANA :

• Mahalala ny Fototra sy zava-kendren’ny fikambanana

• Mahafantatra ny Rafitry ny fikambanana sy ireo fitsipika mifehy

• Mahafantatra Ireo sampana misy ato amin’ny MTEM sy ny mampiavaka azy

• Mahazo tsara ny Votoatin’ny Fanekena Tily

• Mahay tsianjery ny lalàn’ny Tily ary mahazo tsara ny hevitr’izany.

• Mahafantra ny Tantaran’ny Skotisma , Tily sy Mpanazava , Sampana Mena

• Mahay ireo Tetika sy Teknika Fototra ( Vona , Tombana , Morse , tsongo-dia , vonjy voina )

• Mahay tsara ny Hira faneva sy hika isan-karazany

• Mahafantatra ireo Tarazo fototra eto amin’ny fikambanana ( famoriana , fifampiantsoana , fanamiana ..)

Ndao hanao skoto 2

36

Raha efa vita Fanekena tany amin’ny Sampana Maitso ny sampana Mena dia tsy mamerina fanekena Tily intsony , fa raha mbola tsy nanao fanekena Tily kosa fa mpikambana vaovao dia fara-fahekeliny 03 volana aorian’ny nidirany no tokony hanaovany fanekena raha resy lahatra izy. Tsy azo atao velively ny manery ny Tily hanao fanekena fa ANTSITRAPO tanteraka no hanaovana izany.

Ireo Mpiandraikitra efa nahavita fanekena Maha-mpiandraikitra ihany no afaka mampanao fanekena Tily ary ankalamanjana no hanatanterahina izany.

Toy izao ny votoatin’ny Fanekena : “Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ary noho ny fahasoavan’I Jesoa Kristy tompon’ny Fiangonana no anekeko amin’izao ilatsahako ho Tily eto madagasikara izao fa :

• hanompo an’Andriamanitra • hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny Namana • hanoa ny lalan’ny Tily.

Aorian’ny fahavitan’ny fanekeny vao afaka mitondra ny fehitendam-pivondronana ilay Tily ary mametraka eo amin’ny paosiny avanana ny marika RAVINALA.

LALAN’NY TILY :

Folo ny lalan’ny Tily : 1. Toka-teny ny Tily 2. Mahatoky ny Tily 3. vonona hanasoa namana ny Tily 4. Havan’ny olona rehetra ary mpirahalahy daholo ny Tily 5. Manaja olona ny Tily 6. Antra biby sy tia zava-maniry ny Tily 7. Mpankato ny Tily 8. Mihira sy mitsiky ny Tily raha sendra ny sarotra 9. Sahy,mahery fo , maharitra amin’ny asany ny Tily. 10. Madio tena,eritreritra,fiteny ,fihetsika ny Tily.

Ndao hanao skoto 2

37

DINAN’NY MPIANDALANA : ♦ Amin’ny maha-fianana tena izy ny sampana Mena , dia mila manana fitsipi-

pitondran-tena ho arahiny ny Mpiandalana. Fitsipika izay mifehy ny fiaraha-monina sy amin’ny maha-kristianina azy ka ezahiny ho tandremana.

♦ Arakaraka ny fitsipika sy ny dina hifampifehezan’ny fiaraha-monina misy azy no hanaovana Laniera ka hananganana DINA hifampifehezan’ny Mpiray Fileovana.

♦ Ohatra : Ny Mpiandalana dia • Manaja ny Tontolo iainana ka tsy mikapakapa na mandoro- ala

fa miaro izany • Ny Mpiandalana dia tsy Mifoka sigara na mamo eny andalam-

be • Ny Mpiandalana dia tsy miteny ratsy eny imasom-bahoaka • Mari-potoana mandrakariva ny Mpiandalana • Araka izay azony atao dia mandeha antongotra ny

Mpiandalana mba ho fitaizam-batana sy fiarovana ny Tontolo iainana

• Sns … Araka izay fitsipika mifehy ny fiaraha-monina no hamoahana io ary tsy mifanohitra amin’ny Lalan’ny Tily. Tsy lalana vaovao koa anefa fa DINA hifampifehezana mba hitaizana ny Mpiandalana ho olona tandalana. Amin’ny maha DINA azy , dia misy hatrany sazy kely na fepetra iraha-manaiky ho an’izay tratra mandika izany. Azo atao ny mametraka izany eo anivon’ny Faritany ,Fileovana , Fokonolona

IZAY KENDRENA AMIN’NY FANABEAZANA SAMPANA MENA : Amin’ny fiafaran’ny fandalovany ato amin’ny Sampana Mena iriana ny hahaomana lehilahy : • Tompon’ny ho aviny ka afaka hanana sy hametraka safidy eo amin’ny

fiainany, ary afaka hitantana izany,

Ndao hanao skoto 2

38

• Olon’ny fiaraha-monina (fianakaviana, firenena, fiangonana, fikmbanana,...) ka mahay mitandro izany. Afaka mivelatra anatin’ny fiaraha-monina sy afaka mampandroso izany,

• Tompon’andraikitra, ka sahy mijoro amin’ny maha-izy azy, tompon’antoka feno amin’ny fianany andavanandro,

• Manana foto-kevitra ijoroana ho fiatrehany ny fiainany. Izany dia haseho araka ireto seha-mpanabeazana ireto :

• Olon’ny fiaraha-monina (fianakaviana, firenena, fiangonana, fikmbanana,...) ka mahay mitandro izany. Afaka mivelatra anatin’ny fiaraha-monina sy afaka mampandroso izany,

• Tompon’andraikitra, ka sahy mijoro amin’ny maha-izy azy, tompon’antoka feno amin’ny fianany andavanandro,

• Manana foto-kevitra ijoroana ho fiatrehany ny fiainany. Izany dia haseho araka ireto seha-mpanabeazana ireto :

ARA -BATANA ARA-TSAINA ARA-PANAHY

Mahalala ny toe-batan’ny Zatovo 17 – 20 taona

Mahakolokolo sy mitaiza mitohy ny vatany ho tomady mandrakariva

Mahafehy ny tenany

Mahay sy maha-fantatra fomba tsotra enti-mamonjy voi-na

ο Liam-baovao

ο Tia-kikaroka,tia-misedra,tia-mandalina

ο Tia zava-baovao ary mahay mametraka tanjona ka mamadika izany ho tetik’asa

ο Mahay manatratra tanjona amin’ny alalan’ny Tetik’asa

ο Malala-tsaina ka afaka-mamakafaka sy mandray ny zava-miseho

ο Manana fomba fijery mivelatra

ο Miorina ary masaka ara-pinoana izay narahiny

ο Afaka manambara sy mitory an’I Jesoa Kristy

ο Maneho ny fiainany ho fanasina sy fahazavana ka vavolombelon’I Jesoa Kristy amin’ny fitondran-tena izay ananany Manana fitaizam-pinoana matotra ( vavaka , famakiana soaratra masina , sahy mijoro

vavolom-belona)

Ndao hanao skoto 2

39

ARA-PIARAHA-MONINA

ARA-PIHETSEHAM-PO ARA - MORALY

ο Manana ny maha-izy azy eo anivon’ny fianakaviany ary andry azo ianteherana

ο Azo ametrahana fitokisana rehefa mandray andraikitra

ο Mahay miaro ny zony sy ny manodidina azy

ο Mpitarika sy mpanentana amin’ny hetsika izay atao eo anivoan’ny fiaraha-monina Olon’ny fihavanana sy fahandriam-

pahalemana

ο Afaka maneho sy mandanjalanja ny fihetseham-pony

ο Manaiky sy manaja ny tenany amin’ny hafa amin’ny fanehoana ny fitiavany

ο Afaka maneho ny heviny ao anaty fitoniana

ο Mahay mihaino , tsy mora tezitra ary maha-tsindry fo

ο Mahay mandanjalanja ny teny avoakany mba tsy handratra ny hafa.

ο Matotra sy marina

ο Mahay miania ary manaja ny hafa

ο Mahafantatra sy mahay manaja ny soatoviana misy eo amin’ny fiaraha-monina

AMBARATONGA SAMPANA MENA AMBARATONGA MPIOMANA :

Famaritana : Tovolahy vao miditra ato amin’ny Sampana Mena no ato amin’ny

ambaratonga Mpiomana Mety ho efa nanao Tily Sampana Maintso izy nefa mety vao izao ihany

koa vao niditra Tily

Ndao hanao skoto 2

40

Raha izay vao niditra ho Tily : • Ato no hianarany ny Fototry ny skotisama ( Toe-tsaina sy ireo teknika

skoto) • Enim-bolana ka hatramin’ny herintaona no hanalany ny Ambaratonga

Mpiomana • Telo-volana aorian’ny nidirany dia tokony ho efa hainy avokoa ny

mahakasika ny fanabeazana Tily ka tokony atao fanekena izy. • Aorian’ny nanovany fanekena Tily , dia izay izy vao tena miditra

mamantatra ny fiainan’ny Sampana Mena ka miomana sy mitrandraka izay fahaiza-manao tiany hivelarana

Raha efa nanao Tily : • Iray volana no fotoana omena azy hizarany ireo tarazo sy fombafomba ato

amin’ny Sampana Mena ( Fanamiana , hika , hira sn ) sady hizarany miaraka amin’ireo mpiray fokonolona aminy

• Azony atao ny manamafy ireo talenta efa nananany tao amin’ny Sampana Maintso ka hisafidiany izay fibeazantena ataony ahazoany Talenta Sampana Mena

• Ampahafantarina ilay Tily ireo Talenta na fahaiza-manao ratovina ato amin’ny sampana Mena.

• Kendrena aorian’ny Dingana maha-mpiomana ny hisafidianany Fahaiza-manao iray ho hibeazany tena mandritra ny maha-mpiatrika azy.

Mandritra ny Ambaratonga Mpiomana no hijereny ireto :

Inona no zavatra tiako atao manokana

• Miezaka ilay mpiandalana mandehandaha araka izay azo atao. Mandehandeha mahita raha hoy ny fitenenana. Ao anatin’izany dia miezaka izy mandeha mijery ireo karazana seha-pihariana isankarazany , mijery ireo fomba-fiainan’ny olona rehetra , mijery ireo fomba fanao Ao anatin’izany no mety ahitan’ilay mpiandalana izay zavatra manaitra azy ka tiany ho tanterahina.

• Mety manana safidy maro ilay mpiandalana eto . • Tsarovy fa ny maha-mpiandalana ny Mpiandalana dia izy tia mandeha.

Noho izany dia kendrena ny ahavitan’ny Mpiandalana iray ny tontalin’ny lalana vitany .

Ndao hanao skoto 2

41

Misafidy izay fahaiza-manao tiany horantovina : • Asehon’ilay mpiandalana ny Mpiandraikitra ireo safidiny. Anjaran’ny

Mpiandraikitra no manampy azy ka mamakafaka izay tetik’asa ho atao • Ilay Mpiandalana avy eo no mametraka ny safidiny manokana am’zay

tetik’asa manokana ataony. • Fijerena amin’ny Antsimpiriany ny fanatanterahina ilay tetik’asa : Manomboka eto dia mandamina ny tetika rehetra hanatrarana ilay tanjona no atao. ( Fahaizana takiana , vola, fotoana , fitaovana , sns..).

Izany hoe mametraka ny Planina maty paika rehetra hiatrehany ny asa izay ho ataony.

• Firosoana amin’ny fanatanterahana ka miatrika ny Dingana Mpiatrika. • Rehefa resy lahatra ilay Mpiandalana , dia miroso amin’ny DONAK’AFO

izy ary mivonona hiatrika ny asa fibeazantena izay ho ataony. • MANDRITRA NY FANATANTERAHINA NY DONAK’AFO NO

HANOLORANY amin’ny endrika TETIK’ASA ny fibeazan-tena ataony. Aorian’io fanolorana io no HAMETRAHANA aminy ny MARIKA AMBARATONGA MPIATRIKA

Ankoatran’ireo dia ireto misy zavatra izay tsy maintsy tanterahiny : Raha vao miditra ao amin’ny Sampana Mena dia manaraka ny ambaratongan’ny Mpiomana mandritra ny 5 na 6 volana : Raha mbola tsy nanao Tily : Ampianarina ireto :

• Momba ny Skotisma sy ny Skotisma Tily

• Momba ny Fikambanana MTEM

• Hevitry ny lalàna sy Fanekena Tily

• Ireo Hira sapaoritra

• Fomba sy tarazo Tily Mahay ireo teknika tokony ho tanterahina Manaraka ny Fiainan’ny Mpiandalana Raha toa ka efa nanao Tily ( S maintso ) , dia ferana ho 3 volana ny Ambaratonga Mpiomana ka ijerena ireto :

• Fanamafisana sy famerenana izay azo tao amin’ny Fikambananana

• Fanomanana ny donak’afo

• Fanarahana ny Fiainan’ny Mpiandalana

Ndao hanao skoto 2

42

AMBARATONGA MPIATRIKA : • Mandritra ny Herintaona dia manatanteraka ilay tetik’asa kely ataony ilay

mpiandalana. • Ny Mpiray fokon’olona aminy sy ny mpiandraikitra no manampy azy eto. • Mety samy manana ny tetik’asany ny mpiandalana tsirairay ao anaty

fokonolona koa dia mifandamina izy ireo amin’ny fifanampiana mba samy ahavita azy.

• Ary satria asa mitohy sy maharitra no ataony , dia ny andavan’andron’ilay

Mpiandalana mihintsy no alaminy hanatanterahiny io asany io fa tsy isaky ny asabotsy na alahady akory.

• Mba ahatanteraka azy io koa , dia heverina ny fanampian’ny Raiamamndreny na namana ilay mpiandalana , noho izany dia zava-dehibe ny fampahafantarana ny Raiamdreny ny asa ataon’ilay Mpaindalana.

• Tsara ho marihina anefa fa tsy sehatra hitadiavam-bola akory no atao fa fanabeazana ka hianaran’ilay Mpiandalana zavatra maro.

• Ny fahavitan’ilay tetik’asa no hirosohany amin’ny Dingana Mpihary. • Tokony efa vita donak’afo vao miroso amin’ny ambaratonga Mpiatrika ka

maharitra eo amin’ny Herintaona ny faharetany ary takiana aminy ireto : • Famitana ny Ambaratonga Tily • Fanomanana asa fikarohana ho an’ny fokonolona • Mahay teknika skoto rehetra • Marihina fa ny fahavitan’ny Mpiandalana ny zavatra ataony ( tetik’asa ,

fiofanana ,..) dia tokony hanomezana azy marika manokana ( Brevets). • Ohatra raha nandalina manokana momba ny Fiompiana ilay Mpiandalana

dia Mariky ny Mpiompy no atolotra azy. Tsy omena fotsiny anefa io fa zavatra tena voafolany no omena azy.

AMBARATONGA MPIHARY : Ato amin’ny mpihary dia Mpiandalana efa nahavita tetik’asa manokana , ka afaka mizara sy manampy ny hafa. Eto dia fiomanany handao ny fianan’ny Mpiandalana no ataony ka hanehoany vokatra mazava :

Ndao hanao skoto 2

43

• Mitaona olona iray hiditra Tily , Solofo dimbin’ny Ala hoy isika.Anjarany no mamolavola io mandritra ny maha mpiomana ilay Tily.

• Manara-maso ny fiatrehan’ny Mpiandalana iray ny Maha mpiatrika azy • Mandeha manangana Fokonolona na sampana Mena. • Misolo na manampy Mpiandraikitra any amin’ny Sampana Hafa mandritra

ny fotoana voavetra. • Ho an’ny Mpihary , dia mitarika Tetik’asa ho an’ny Fokonolona no tena

ataony. • Manomboka amin’ny famolavolana ka mandra-pahaviatn’izany tetik’asa

izany. • Ny Tetik’asam-pokon’olona dia mety hiseho amin’ny sehatra maro. • Ny fahavitan’io tetik’asam-pokolona io no hahavitan’ny Maha Mpiary azy. Eto dia tsy voatery miasa irery ilay Mpiandalana fa mety Mpihary maromaro izy no miara-miketrika hahatafita ilay asam-pokonolona. Aorian’ny Maha-mpuihary dia tokony hisy lanonana be hanehoana ny vokatra ka hirosoana amin’ny Maha Mena fify. NY TALENTA SY NY MARIKA: Famaritana : Ny atao hoe talenta dia fahaiza-manao manokana ananan’ny olona iray : Antom-pisiany : Tsy tontolon’ny nofinofy intsony ny sampana Mena fa tontolo amolahana ny fiaraha-monina andavan’andro. Fitrandrahana Talenta ao amin’ny Sampana Mena dia manampy azy : • Ahafantatra ny maha-izy azy ireo fanomezam-pahasoavana manokana

ananany • Hisafidy izay tiany ho folahana amin’ny fiainana Karazana Talenta : Misy karazany 2 ny talenta : • Talenta voajanahary • Talenta novolena sy noratovina Mizara roa ny fakana Marika na talenta ho isika ho an’ny Mpiandalana : • Ny marika momba ny fahaizana Manokana dia omena azy ao amin’ny

Mpiatrika • Ny marika momba ny fahaizana mizara , na asa iombonana dia ao amin’ny

Mpihary no hanomezana azy.

Ndao hanao skoto 2

44

IREO FAHAIZA-MANAO NA “BREVET” ALAINA ATO AMIN’NY SAMPANA MENA DINGANA MPIATRIKA :

MPITSABO SY MPAMONJY VOINA

Manana fahaiza manao momba ny fitsaboana maika ka afaka mamonjy olona amin’izany

Afaka manoro ny olona ny amin’ny fitaizam-pahasalamana amin’ny ankapobeany

Tafiditra ao ireto : Mahay manindrona sy manao pensement Mahay mamelona olona safotra Mahay sy mahafantatra tsara ireo karazam-

panafody fampiasa andavan-andro Mahay ireo zava-maniry fitsaboana Raok’andro

Malagasy

TEKNOLOJIA SY TEKNINA

- mahafantatra ny fivoaran’ny teknolojia ankapobeny ankehitriny

- elektronika - informatika - mecanique

Ndao hanao skoto 2

45

FAMBOLENA – FIOMPIANA – FANJONOANA - FIHAZANA

Fambolena ( fikarakarana , fitsaboana ) Fiompiana ( fikarakarana , fitsaboana ) Mpihaza Mpanjono

MPANAO TAOZAVATRA

Manana fahaiza manao amin’ny resaka asa-tanana

• Vy • Vato • Hazo • Tenona • Fampiasana ireo akora maro

MPANAKANTO

Manana fahaiza-manao amin’ny resaka asa famoronana sy filalaovana zava-kanto. • Mpihira , mpitendry zava-maneno ,

mpanao hoso-doko, mpamorona tonokalo , mpikabary, mpanao angano..

Ndao hanao skoto 2

46

MPANENTANA SY MPITANTANA

Manana fahaiza manao momba ny

fitarihana sy fandaminana • Mpitory teny • Mandrindra ( gestionnaire) • Oragnisateur • Fanentanana hetsika • Fitarihana sy fanatanterahina

tetik’asa

DINGANA MPIHARY :

MPIADY AMIN’NY VIH SY NY SIDA

Nanao hetsika momba fanentanana amin’ny Ady amin’ny SIDA sy ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo

Nahavita fanetanana tamin’izany

Ndao hanao skoto 2

47

MPIARO NY TONTOLO IAINANA

Nahavita nanao fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny

Diorano , fambolenkazo sns

ALPHABETISATIONALPHABETISATIONALPHABETISATIONALPHABETISATION

Nanao hetsika ho fampianarana ny olona amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra

CIVISMECIVISMECIVISMECIVISME

Nanao hetsika fanentanana momba ny zon’olombelona na ny maha-olompirenena mandray andraikitra

Mpanentana momba ny fandriampahalemana

DONAKAFO : Famaritana : Ny atao hoe Donak’Afo ato amin’ny sehatry ny mpiandalana dia Tarazo iray izay natao hanabeazana ireo tanora mpikambana, mba ihoarany ny dingana ambaratonga mpiomana ho mpiary ; ary koa hirotsahany marina ho isan’ny Mpiandalana Tily Eto Madagasikara. Tanjona : Ny Tanjona amin’izany dia : Fanabeazana Fanafena toetra

Ndao hanao skoto 2

48

Fandinihan-tena Fivavahana, Fibebahana Fanapahan-kevitra Fitarihana hiatrika ny Làlana Fampahafantarana ny zavatra miandry raha hirotsaka Fehiny: Fanefena Tanora zazalahy ho tena lehilahy sahy hisedra ny sarotra ary hitady ny làlana sarotra hatrany ho diaviny, tsy hidify horohoro, ary tsy hihemotra raha sendra zava-tsarotra.

Ndao hanao skoto 2

49

NY FAMORONANA LALAO Raha miresaka fiandohana isika dia tsara raha mamaky tsara izay voalaza ao amin’ny Baiboly araka ny Genesisy 1. Ny zavatra voamarika avy hatrany dia ny fomba fanaovan’Andriamanitra tomban’ezaka isaky ny mahavita zavatra iray Izy. Hoy izy « Hitan’Andriamanitra fa tsara… ». Tsy avy hatrany dia tonga lafatra ny zavatra nataony fa ny teny miverimberina dia ny hoe « TSARA ».Izay toe-tsaina miabo (positif) izay no tena tsara hanana raha te-hanana toe-tsaina mpamorina. Mijery ny lafy tsaran’ny zavatra foana fa tsy ny lafy ratsiny. Hoy Baden Powell raha milaza izay « Regardez le beau coté des choses plutôt que le sombre ». Ny faharoa dia ny fahaizana mifanakalo hevitra amin’ny mpiara-miasa eo amin’ny famoronana tiana hatao. « Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika » Genesisy 1 : 26. Io fahaizana mifanakalo hevitra io dia tena ahitana fahombiazana sy miteraka vokatra tsara. Raha adika tsotsotra izany dia anisan’ny singa iray voanjanahary ao amin’ny olombelona ny famoronana satria Andriamanitra dia mpamorona ary isika dia mitovy endrika aminy. Ka ny atao eto dia ny hanampy ny mpiandraikitra hamoaka izay fomoronana ao anatiny izay fa tsy voatery ho an’ny mpanakanto, na poeta, na mpamoron-kira, na ho mpahandro sakafo sns ihany akory ny famoronana fa natao ho antsika rehetra araka ny talenta izay efa nomen’Andriamanitra antsika. Tsy tongatonga ho azy akory raha misy olona iray lasa matihanina amin’ny zavatra nataony na noforonony fa vokatry ny asa famoronana tsy mitsahatra sy mivoatra izay zary lasa toy ny sakafo fihinana isan’andro, ary ny fahaizana miara-miasa amin’ny ekipa misy ny tena. Ny fananana toe-tsaina tia mamorona koa dia mila fizarana miala amin’ny mahazatra ny rehetra. Ohatra hoe satria ny fomba filalaovana baolina dia nodakana tongotra ary maninona moa raha mba entina tanana indray ny baolina. Hitantsika amin’izay fomba fisainana izay fa efa miteraka famoronana sahady. Ka izay indrindra no ilana fahasahina hanova ka ialana amin’izay mety ho fahazaran’ny fiaraha-monina. Satria tsy mora ny manova indrindra raha efa zavatra na lalao efa mahazatra ny rehetra no atao. NY LALAO AO AMIN’NY SKOTISMA Eto isika dia hijery ny fomba filazan’ny Baden Powell ny atao hoe lalao Hoy izy : «Le jeu est le premier grand éducateur. Cela est vrai des animaux aussi bien que des hommes. Nous apprenons aux louveteaux, en jouant, de petites choses qui les rendront capables de faire sérieusement de grandes choses.» (Livre des Louveteaux, page 215)

Ndao hanao skoto 2

50

«Le jeu est pour un garçon la chose la plus importante dans la vie.» (Livre des Louveteaux, page 217) «Un des buts du scoutisme est de mettre à la disposition du garçon des jeux et activités d’équipe qui peuvent promouvoir sa santé et sa force physique et contri-buer à développer son caractère.» (Aids to Scoutmastership, édition de 1944, page 45) «Il est important d’organiser tous les jeux et compétitions, autant que possible, de manière que tous les éclaireurs y participent, parce que nous ne voulons pas avoir seulement un ou deux joueurs brillants et tous les autres qui ne valent rien. Tous doivent pouvoir s’exercer et atteindre un certain niveau.» (Aids to Scout-mastership,édition de 1944, page 45) «Joue, ne te borne pas à regarder.» (La Route du succès, page 39) «Notre travail devient facile quand nous le considérons comme un jeu où nous sommes les joueurs d’une équipe, chacun jouant à sa place, tous jouant ensem-ble pour le bien de l’équipe; et quand nous entrons dans cet esprit, nous découvrons bientôt que ce n’est pas seulement un jeu, mais un grand jeu.» (Franchis l’obstacle,pages 57-58) NY SINGA FOTOTRA MANDRAFITRA NY LALAO SY NY TOMBOTSOA AZO AVY AMINY Misy singa dimy fara fahakeliny hita amin’ny lalao iray. Fa raha tsy eo ireo singa dimy ireo dia tsy azo heverina hoe lalao ny lalao iray.

Asa tonga dia vavany (l’action) Tsy maintsy mihetsika ny tsirairay. Ary misy angovo mivoaka avy ao anaty. Ary mandray anjara ny rehetra. Eo manko ny tena mampiavaka ny fampianarana (instruction) sy ny fanabeazana (éducation). Satria manomboka mitady ny maha izy azy ny ankizy.

Ny nofinofy sy ny eritreritra (l’imaginaire) . Rehefa milalao ny ankizy dia

mamorona lohahevitra ho azy ao an-tsainy izy, ary izany no manosika azy hianatra mafimafy kokoa hatrany. Raha lalao tsy mampiseho nofinofy dia tsy manentana velively ny ankizy hilalao.Raha milalao piraty dia hoatra ny mahatsiaro mihitsy izy fa izy ilay Jack lehiben’ny piraty tsy azo samborina ho azy amin’izao. Tsy maintsy misy zavatra na biby na olona nataony ho ohatra ao an-tsainy ao. Ary eo no tena andraisany an-tanana ny fanabeazana ny tenany.

Ndao hanao skoto 2

51

Ny vondrona (les associations). Tsy misy lalao ka tsy ahitana vondrona. Izany hoe tsy misy ekipa. Tsy maintsy misy foana io na dia ny mpanohana ety ivelan’ny lalao aza. Ka eo no mahatonga ny ekipa ho miforona. Ny ankizy dia mianatra any anatin’ireny vondrona ireny.

Ny andraikitra (les roles). Tsy maintsy misy foana ny fizarana andraikitra ao

anaty lalao iray mba hahatrarana ny tanjona dia ny fandresena. Raha ratsy ny fizarana izay andraikitra izay dia mety hiteraka faharesena eo amin’ny ekipa. Nefa ao anatin’izay andraikitra izay koa no hanovozana fahaizana amam-pahalalana vaovao. Ohatra nisy mpilalao mbola tsy nanao goal mihitsy hatramin’ny nilalaovany scouting ball dia hahazo fahalalana vaovao izy amin’izay andraikitra izay vao noraisiny izay.

Ny fitsipika (les règles). Tsy misy lalao mandehandeha ho azy izany fa tsy

maintsy misy foana ny fitsipika mifehy azy. Ny fisian’ny fitsipika dia mampiseho ny fiombonan-kevitra amin’ny mpifanandrina na dia misy azy ny fitiavan-tena kely mitokana.

Raha fintina dia ireto farafahakeliny ny tombontsoa azo avy amin’ny lalao: Hahafahana mifehy ny toe-po sy toe-tsaina. Hahazoana traikefa vaovao vokatry ny asa tonga dia vavany sy ny andrana natao Mampitombo ny fivelarana ara-tsaina Ny lalao ny hahatsampana fahombiazana na tsy fahombiazana eo amin’ny tena. Ny lalao no manamorana ny fifandraisana amin’ny hafa. Ny lalao ny hahafahana mifehy ny tena. Ny lalao no hahafahana misedra sy fananana ny nofinofy eo amin’ny famoronana. Ny lalao no loharanon’ny fialamboly sy fialan-tsasatra. NY FOMBA FAMORONANA LALAO. Efa nitondrana fanazavana lava dia lava ihany ny fomba famoronana lalao ity ao amin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe “TILY ANDEHA HILASY”. Ka tsara ny hamakian’ny mpiandraikitra io. Eto kosa izany dia miezaka hanome ohatra mivaingana ka anjaran’ny mpiandraikitra avy eo no manitatra. Matetika isika rehefa mamorona lalao dia miainga avy amin’ny lalao efa nisy ka eo no manatsara fa tsy maka tahaka be fahatany ka manjary manimba ny ny lalao.

Ndao hanao skoto 2

52

1-POLISY VOLERA Fitaovana : vatokely telo (polisy), tsaramaso iray (volera) Manoritra faribolana tokony ho 25 sm ny savaivony . Asiana tsipika roa manapaka eo afovoany. Ary asiana faribolana kely eo afovoany tokony ho 6 sm ny savaivony. Asiana antsa-paribolana kosa ny sisiny efatra manaraka ilay tsipika natao savaivon’ny faritra. Toy ny hita eto amin’ny sary eto ambany. Isany mpilalao : olona 2 Apetraka eo afovoany ny volera ary eo amin’ny sisin’ny faribolana kely afovoany kosa ny polisy. Rehefa mipaika indray mandeha ny volera dia mipaika indray mandeha koa ny polisy. Resy ny volera rehefa tsy afa-mihetsika intsony eo amin’ny zorony iray. Tokony tsy hihoatra ny 20 sengondra ny fotona hieritreretana. Faharetan’ny lalao : Atao 10 mn ny faharetan’ny lalao. Raha tsy azo nandritra izany ny volera dia atao hoe maharesy ny volera. 2-POLISY VOLERA. Mitovy amin’ny teo aloha ihany ny fitsipi-dalao saingy atao lehibe eo amin’ny kianja ny faritra ilalaovana. Ka mahatratra 20 metatra indray ny savaivon’ny faribolana ary 6 m kosa ilay savaivo kely eo afovoany. Izany hoe lasa olona 3 ilay vatokely 3 ary olona iray ilay vatokely natao volera.

Ndao hanao skoto 2

53

FITSIDIHANA RAY AMAN-DRENY (VISITE DES PARENTS)

Fantatronareo chef sy cheftaine fa maro ny antony nahatonga ireo ankizy tezaint-sika hanao skoto : -misy ireo notaomin’ny namany tany am-pianarana na teny an-tanànany … -ao ireo nitsiriritra fotsiny amin’izao ka tafarobaka , -ny sasany nohentaninareo teny ho eny . Izany rehetra izany dia tsy fantatr’ireo ray aman-dreniny akory fa ny hanao skoto no mahamaika ireo zaza ireo. Ilaina indrindra anefa ny fahafantaran’izy ireo ny zavatra ataon-janany any ivelan’ny tokan-trano any. Eo no miditra ny fitsidihana ray aman-dreny. Inona ny atao hoe FITSIDIHANA RAY AMAN-DRENY ? Ny fitsidihana ray aman-dreny dia fihaonana mivantana amin’ireo tompon-janaka . Mety ho ao an-tokantranony na any amin’ny toeram-piasana izany, arakaraka ny mahamety anareo sy ilay ray aman-dreny hotsidihana. * Tompon-janaka: ireo ray sy reny niteraka na fianakaviana mitaiza (dadatoa,dadabe…) na ireo olona nanangana. Masi-mandidy tanteraka ireo amin-’ireo zanany manao skoto ireo. « tsy an’ny pastera na mpampianatra… na an’ny chef sy cheftaine ireo ankizy skoto fa an’ny tompon-janaka »

Inona ny antony hihaonana amin’izy ireo ? Ilaina dia ilaina mihitsy ary tsy maintsy atao ny fihaonana amin’ny ray aman-dreny . Ny antony dia izao: - mampafantatra azy ireo ny tenanareo izay hiandraikitra ny zanany mba hanome antoka ny fialan-janany ao an-trano isaky ny fotoam-pivoriana (asabotsy na ala-hady hariva…).Mahazo toky izy ireo fa ianareo no mitazona azy mandritra io fo-toana io. - manome lanja ny maha tompon’andraikitra voalohany azy ireo ianareo, « tsy manao rano dikain’ny zinga ». Ratsy dia ratsy raha misy zavatra takiana aminy (vola, fitaovana…), na mahazo an-janany vao ho fantany fa manao skoto ny za-nany indrindra izay vao mba hitany maso ianareo.

Ndao hanao skoto 2

54

Raha fintina dia manemitra fifampitokisana eo amin’ny ray aman-drenin’ireo anki-zy skoto sy ianareo mpiandraikitra io fitsidihana io. Manala ny ahiahy mety misy any anatiny any indrindra amin’izao vanim-potoana maha sarotra ny fanabeazana izao.

Inoana moa ny atao rehefa mitafatafa amin’izy ireo? Raha toa ka vao voalohany ianareo no ho any dia ireto no zava-dehibe tsy maint-sy lazaina: - mamelabelatra ny mombamomba ny skotisma ataon-janany, ny sahan’asa atao-ny isaky ny mivory ary ny zavatra atao mandritra ny lasy. - asiana resaka ihany koa ny fanamiana , - ampahafantarina ny toerana sy ny androm-pivoriana miaraka amin’ny ora fidira-na sy firavana. Tsy dia ivalamparana loatra ny momba ny skotisma raha toa ka efa nandalo fa-nabeazana ireo tompon-janaka. Ireto kosa no anton-javatra hafa mahatonga anareo mpiandraikitra hanao fitsidi-hana: - hanantateraka hetsika ianareo. Ankotra ny voalaza ao anaty taratasy nozaraina-reo dia ilaina ny manafy izany am-bava indrindra raha lasy sy mahakasika fitadia-vam-bola ilay hetsika. Ny sampana mavo no tena mila izany matetika. - mampiantso anareo ireo tompon-janaka. Mankany ianareo mihaino azy ireo. Manazava raha ilaina. Fadio tanteraka ny manepoka fotsiny amin’izao. - mamantatra fa tsy dia hita matetika ilay ankizy nandritra ny fotoana vitsivitsy. Anotaniana ny antony. Anisan’ny mpiara-miasa akaiky aminareo kokoa ireo tompon-janaka ireo raha fanabeazana no resahana: izy ireo mantsy no nahalala ny zanany taloha anareo. Aza atao ambanin-javatra ny mifampizara hevitra amin’izy ireo.

Inona ny endrika amam-bika entina amin’izany ? Tsy olona niara-niaina taminareo ireo ray aman-dreny. Tsy mbola fantatrareo ara-ka izany izay fombany, ny toetsainy, ny finoany, ny fandraisany izany hoe mpian-draikitra izany. Noho izany ilaina ny fahaizanareo misafidy ny akanjo ho entinareo mihaona amin’izy ireo. Miankina amin’ireo mantsy ny fomba hitsarany anareo. Ka misy ny ankanjo fitondra mivoaka mahazatra andavanandro dia izay no tena eza-hana anaovana amin’io fitsidihana io fa tsy mamorona akory. Manao azy daholo na inona finoany na inona fiasainany.

Ndao hanao skoto 2

55

Ilaina àry ny mitondra ankanjo eo anelanelan’ny tsy mihaja loatra nefa koa tsy « vorontina » loatra. Raha mihaja loatra mantsy, mety mampiafiafy ireo ray aman-dreny sahirankirana. Raha « vorontina » indray, mety tsy ho asian’ny olona hasi-ny, « misy izany sao ianao mihevitra ! ». Ho an’ny cheftaine: - ny volo: bangoy tsara, na lava na fohy. Jereo mba tsy hisy zavatra misavoritaka toy ny potina kofehy. Afaka asiana haingony fa mahaiza misafidy sy mampiady loko ( loko tsy mifangarika). - ny tarehy: kavina tsy dia mirentirenty loatra apetaka, ampandeferina kely aloha ilay kavina « anneau » be itony, ohatra. Ny loko mena atao masimasy hoy iana-reo izay, ilay mitovitovy loko amin’ny molotra. - ny akanjo ambony: raha mafana ny andro tonga dia akanjo maivana entina, toy ny t-shirt, body sainga amin’ilay tsy mampiseho tratra na lamosina na kibo, lobaka na izay mitovitovy karazana amin’izany. Raha mamirifiry indray dia manaova akanjo bà tsotra mivaky na mikatona na « blouson ». - ny akanjo ambany: manaova pataloha manana didiny tsotra sy efa mahazatra toy ny « jean ». Ny tena tsara aloha dia mizipo avy hatrany saingy mila mifanara-ka amin’ny akanjo ambony ny halavany na izay mety ho bikany. Tsy hoe tsy maintsy lava fa mamasoka koa mantsy ilay hoe « tsy mahay mihaingo ». Ny « short » fohy sy « mini-jupe » aloha dia aleo mihitsy entinareo rehefa amin’ny fotoana hafa fa tsy amin’io fitsidihana io. - ny kiraro: diovina tsara ny faladihy raha mampiseho voditongotra ny kiraro anao-vana. Mifanentana ny lokon’ny bà sy ny kiraro miaraka amin’ny halavany. Aza atao avo loatra kosa raha voatery mitondra kiraro misy vodiny avo. Sarotra ny misafidy haingo ho anareo cheftaine. Mora omena tsiny izay mantsy ianareo vehivavy amin’ity resaka haingo ity. Maontina loatra lazaina fa « masera », mirentirenty loatra lazaina fa « maolamaola ». Koa anjaranareo ny miezaka mamoaka sy mitady io fitafy eo anelanelany io fa tsipy hevitra ihany ireo voalaza eo ambony ireo mba ho arofanina ho anareo. « Art » ilay izy fa tsy misy raikipohy ( formule) raikitra. Ny tanjona fotsiny dia ny hoe tsy ny fitafy izay nanao-vanareo nandritra ny fitsidihana no ho lasa resaka nony nivoaka ny tokantran’ilay ray aman-dreny ianareo na koa hampihemotra azy ireo. Koa raha avy mianatra

Ndao hanao skoto 2

56

ianareo na avy miasa no ho any, nefa ny fitafinareo mety hiteraka izay dia aleo mihitsy ahemotra ny fitsidihana. Ho an’ny chef: - ny volo: io no tena manahirana ho an’ny lehilahy, izany hoe ny hetim-bolo. Ha-tramin’izao taona 2007 izao aloha, dia mbola tsy eken’ny ray aman-dreny mihitsy ny mpiandraikitra ny zanany manalava volo, asa ny any aoriana any ! Noho izany, mitaky fampandeferana izay haitraitrakelintsika io miandraikitra io. - ny akanjo ambony: manaova lobaka na t-shirt, asitrika raha ilaina izany, avela amin’izao kosa raha tsy manendrika. Blouson atao ambonin’akanjo raha mangat-siaka ny andro na akanjo bà na izay sahalahala amin’izany. - ny akanjo ambany: fadio ny pataloha rovitra, ny manao short, ny misy rojorojo be ireny. - ny kiraro: atoavy tsotra tahaka ny fanaon’ny be sy ny maro dia efa ampy. Ho an’ny chef dia tsotra ny hafatra aoka akanjo tsy mampiseho jiojio fiaina no anaovana. Inona no mahazava-dehibe ny fihaonana amin’ny ray aman-dreny? Tsarovy ny ankizy izay beazina ao amin’ny skotisma dia tsy an’i Mpiandraikitra na mpampianatra azy, na an’i mpitondra fiangonana fa an’i ray aman-dreniny. Mba hanekena ny fidiran’ny ankizy ho skoto dia tsy maintsy efa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny ray aman-dreniny. Isaky ny fivondronana moa dia efa saika misy hatrany ny taratasy fenoin’ny ray aman-dreny eo am-pampidirana ny zanany ho mpikambana. Ka izay indrindra no ampirisihana ny mpiandraikitra hihaona amin’ny ray aman-drenin’ny ankizy beazi-na. Eo no fotoana hanazavana ny ray aman-dreny ny atao skotisma, ny tanjona, ny zava-kendrena, ny fomba fanabeazana ao ka izay no hahazoana ny fon’ny ray aman-dreny. Mora ho an’ny mpiandraikitra avy eo ny manentana ny ray aman-dreny hividy fanamiana ho an’ny zanany sy hitarika ny zanany hilasy.Tsy misy ray aman-dreny hanampy ny zanany hanao skoto raha tsy mazava tsara aminy ny atao skoto.Ny lasy manko tsy haitraitra akory na fialam-boly fotsiny fa sady

Ndao hanao skoto 2

57

mampatsilo ny sain’ny ankizy no mampatanjaka ny vatany no mitondra fahasala-mana ho an’ny ankizy. Ny ankabeazan’ny ray aman-dreny manko tsy voatery nobeazina tamin’ny fanabezana skoto ka mandrary miteraka fisalasalana ho azy ny mandefa ny ankizy hilasy. Fanazaran-tena 1 inona no tena mahazava-dehibe ny fihaonana amin’ny ray aman-dreny? 2- Misy akony amin’ny resaka atao amin’ny ray aman-dreny ve ny fomba fitafy? 3- Inona no fiaraha-miasa azo atao miaraka amin’ny ray aman-dreny? 4-Inona no olana niainan’ise teo amin’ny fihaonana tamin’ny ray aman-drenin’ny mpikambana?

Ndao hanao skoto 2

58

SAKA SY NY TOTOSY Tanjona : Fanehoana tanjaka ho an’ny tanora Toerana : Malalaka Fitaovana : Kiririoka Mpilalao : Rehetra fa izay matanjaka no saka sy totozy. Azo atao ny manao saka 2 na 3 sy totso-sy 1 na 2 ihany koa saingy samy manana ny adverserany (ohatra; maitso manenjika ny maitso…) Azo atao ny manovaova rehefa vita. Faharetany : 5mn Fizotrany : Mijoro mahitsy ny rehetra (eo amin’ny sary). Azo atao mihoatra ny laharana Atao mihitsy ny tanan’ny tsirairay tsy miandray fa mifandona ny loha-rantsara anakvia sy ankava-nana. Manome mari-pahavonona ny saka sy ny toto-zy ary mifanenjika rehefa manome baiko ny mpitaira-ka. Eny am-pandehanana anefa dia mitsoaka kiriorio-ka ny mpiatarika, mihodina indray mandeha ny rehe-tra mijoro manaraka ny fizotran’ny famantaran’andro. Ny tanana tsy midina. Rehefa tratra ny totozy dia resy Fepetra : -Tsy azon’ny saka sy ny totosy atao ny manapaka ny tanan’ny mpilahatra fa ny lalatsara ihany no hizorany. -Tsy azo ampidinina ny tanana fa mahitsy foana toy ny sary ery ambony.

LALAO KENDRY Tanjona : Fanehoana fahaiza-manao Adaptation manoloana toe-javatra iray Fahaizana mihoby sy mankahery ny osa Fitaovana : Baolina 2 (raha mihoatra ny 3 ny vondrona). Tsatoka 1 (na ilany but foot na basket). Toerana : toerana malalaka Mpilalao : Rehetra Mpampilalao : 2 raha mihoatra ny 3 ny vondrona. Fizotrany: Zaraina vondrona 4 ny mpanatrika. Asaina milahatra tsirairay aloha sy aoriana ny mpi-lalao ao anaty vondrona 1 (ekipa). Mifidy tanjona na but iray (tsatoka). Apetraka eo amin’ny 9 m miala amin’ny tsatoka ny baolina. Ary asiana marika eo satria eo no andakan’ny tsirairay ilay bao-lina mikendry ny tsatoka. Mifanina amin’izany ny ekipa 2 (vondrona 2) samihafa. Fepetra : Tsy maintsy mihorakoraka mihoby ny namany ny vondrona eo am-pandakan’ny ekipany. Miaraka amin’izay ny adversaire tsy mahazo mihoraka fa mangina. Izay mhatafiditra but betsaka (mandona ny tsatoka ny baolina) no maharesy. Izay manakora ny adversaire kosa analana isa 1 ho saziny.

Ndao hanao skoto 2

59

FISY TEKNIKA « SCOUTING BALL »

Ny scouting ball dia lalao baolina fanaon’ny skoto, lalao baolina miaraka amin’ny fehitenda izy io. I) NY KIANJA HILALAOVANA Ny kianja hilalaovana ny scouting-ball dia mitovy amin’ny kianja filalaovana handball ny refiny (20 x 40 m) na latsaka kely. A : Antsasa-paribolana, faritra misy ny « goal », tsy azon’ny mpilalao itsahana ny tsipika. B : toerana hanatanterahana ny « penalty ». D : Fetran’ny kianja amin’ny sakany, faritra anombohana ny lalao F : Faritra ilalaovana ny “corners”. II) NY MPILALAO Fito (7) no isan’ny mpilalao eny amin’ny kianja isan-tarika ary tsy voafetra ny mpisolo toerana. Manao akanjo mitovy (maillot) misy marika 1, 2, 3 .. sy anarana ny iray tarika, ary manao fehitenda atao rambo, misisika ao amin’ny pataloha ao aoriana (tsy afototra akory). Ny “goal” ihany no tsy manao io rambo io. Tsy maintsy voasoratra ao anatin’ny taratasin-dalao (feuille de match) avokoa ny anaran’ny mpilalao rehetra.

Ndao hanao skoto 2

60

III) NY BAOLINA Ny baolina ilalaovana ny scouting-ball dia baolina “hand”: izany hoe 19 cm ny savaivony ary 400g - 500g ny lanjany. Azo leferina ny baolina “volley” na ny “rugby”. Azo atao koa ny manamboatra baolina amin’ny lamba na zavatra hafa, mitovy habe amin’ny voalaza etsy ambony, mety na tsy afaka mitontona tsara aza. IV) NY MPITSARA Efatra (4) no isan’ny mpitsara ny lalao, ka roa (2) mitsara ny lalao eny amin’ny kianja, iray (1) eny amin’ny latabatra mandray an-tsoratra ny fizotry ny lalao : manisa ny baolina maty, mijery ny faharetan’ny lalao sy ny fisolosoloan’ny mpilalao, ny fahadisoana ataon’ny mpilalao, iray (1) mpisolo toerana, ary mifanampy amin’ny mpitsara eny amin’ny latabatra. Manao akanjo mitovy ny mpitsara rehetra ary samy manana kiririoka. Tsy miditra ao anatin’ny kianja ny mpitsara fa eny amin’ny sisiny no manara-maso ny fizotran’ny lalao. Masimandidy ny mpitsara mandritra ny lalao. V) NY FAHARETAN’NY LALAO 2 x 10 mn ka hatramin’ny 2 x 20 mn no faharetan’ny lalao, arakaraka ny taonan’ny mpilalao sy izay ifanarahan’ny mpitsara sy ny tarika roa mpifaninana. 5 mn ka hatramin’ny 10 mn ny fialan-tsasatra eo amin’ny fisasahan’ny fotoana ilalaovana. Misy fanalavam-potoana 2 x 5 mn raha mitovy ny isa amin’ny fotoana ara-dalàna ka tapitra avy hatrany raha vao misy baolina maty, raha tsy izany dia manao “tir au but”. VI) NY FILALAOVANA NY SCOUTING-BALL Ny zava-kendrena amin’ity lalao ity dia izay ahafatesana baolina betsaka indrindra mandritra ny fotoana ilalaovana, ka isa iray isaky ny baolina maty no azon’ny tarika. Izay tarika manana isa be indrindra no mpandresy rehefa vita ny lalao. Marihina fa amin’ny scouting-ball dia any atsimo no misy ny mpiandry tsato-kazo (goal)-ny tarika avy any avaratra.

Ndao hanao skoto 2

61

1) Baolina maty Rehefa maharay na mahataty tsara ny baolina ny “goal” dia maty ny baolina. a) tsy maty ny baolina raha voatanisan’ny “goal” b) tsy maty ny baolina raha mitontona amin’ny tany vao voarain’ny “goal” d) tsy maty ny baolina raha manitsaka ny tsipika na mivoaka ny faritra voatokana ho azy ny “goal” e) tsy maty ny baolina raha avy any ivelan’ny kianja filalaovana no nanimpazana azy f) na mianjera aza ny “goal” ka tsy mivoaka ny faritra voatokana ho azy, ka maharay tsara ilay baolina dia atao hoe maty. g) Ny mpitsara irery ihany no afaka milaza na maty ny baolina na tsia, ary tsy maintsy eken’ny rehetra.

2) Ny tsy azo atao Mandritra ny lalao dia tsy azo atao ny : a) misintona rambo raha tsy mitondra baolina akory ilay mpilalao b) manipitsipy ny rambo voasintona, fa manofaofa izany avo dia avo kosa ho hitan’ny mpitsara d) manohitra ny fanapahan-kevitry ny mpitsara e) manitsaka ny tsipika mametra ny faritra voatokana ho an’ny “goal” na ny miditra ao anatiny. f) Miteniteny foana na miteny ratsy g) Tsy azon’ny “goal” atao ny misintona rambo (tsy manao rambo rahateo izy) sy mivoaka ny faritra voatokana ho azy. h) Mampilalao olona tsy voasoratra ao anatin’ny taratasin-dalao. i) Manao fihetsika mahery setra mety hampidi-doza na handratra ny hafa j) Mandaka na mitazona ny baolina amin’ny tongotra. Averina lalaovina eo amin’ny faritra nanaovana fahadisoana ny baolina. Izay mpilalao nanao fahadisoana dimy (5) (manao ny tsy azo atao) dia miala ny kianja tsy mahazo milalao intsony ary tsy azo soloina. Voasazin’ny “penalty” ny tarika misy ny mpilalao manao fahadisoana 2.e). Ny “penalty” dia baolina atsipy makany amin’ny “goal” avy eny amin’ny faritra B, ka azon’ny tarika ankilany ny manao rindrina fiarovana eny amin’ny 3m. Azon’ny mpitsara atao ny manala avy hatrany mpilalao raha ilaina izany na dia tsy nanao fahadisoana 5 aza (karatra mena)

Ndao hanao skoto 2

62

3) Ny rambo Ny rambo dia fehitenda mivalona roa (50 sm), ka asisika anaty pataloha aorian’ny mpilalao. Ny “goal” ihany no tsy manao rambo. Ny 1/3-ny rambo (15 sm) no misisika fa ny ambiny (35 sm) dia mirazorazo eny ivelany. Tsy azo fatorana ny rambo. a) izay mpilalao mitazona na manatontonina baolina, ka voasintona ny rambony, dia miala ny kianja filalaovana ary tsy miditra milalao raha tsy efa misy baolina maty. b) izay mpilalao misintona rambo, nefa tsy mitondra baolina akory ilay voasintona dia miala ny kianja filalaovana ary tsy miditra milalao raha tsy efa misy baolina maty. d) ny rambo voasintona dia tsy maintsy arantiranty ho hitan’ny mpitsara fa tsy azo atsipitsipy.

4) fampiasana ny faritra samihafa eo amin’ny kianja

A : tsipika mametra ny faritra voatokana ho an’ny “goal”. Antsasa-paribolana eo afovoan’ny D ka 4 m no savaivony. Tsy azo itsahana io tsipika io. Izay mpilalao manitsaka ny A dia voasazin’ny “penalty”. Raha mpanafika no manitsaka ny A dia mahazo fahadisoana iray. B : toerana anipazana ny “penalty”. Eo afovoan’ny kianja, 6 m miala amin’ny tsipika mampisasaka ny kianja. D : tsipika mametra ny sakan’ny kianja, faritra anombohana ny lalao amin’ny voalohany sy rehefa misy baolina maty. E : tsipika mametra ny lavan’ny kianja, ilalaovana ny “touches” raha mivoaka eny ny baolina. Toy ny amin’ny “rugby” ny filalaovan ny “touches” amin’ny scouting-ball. F : zoron’ny kianja ilalaovana ny baolina raha toa ka mivoaka eny amin’ny faritra D ny baolina. Azo atao ny manipy avy hatrany ny baolina any amin’ny “goal” avy eo amin’ny F.

Ndao hanao skoto 2

63

5) ny kiririokan’ny mpitsara Ny kiririoka lava iray (tiret) dia milaza fa maty ny baolina na manomboka ny lalao, na mitohy ny lalao aoria’ny baolina maty na fahadisoana. Ny kiririoka fohy iray (point) dia milaza fa maty ny lalao noho ny fahadisoana na baolina mivoaka na zavatra hafa mety ampiatoana ny lalao. Ny kiririoka lava in-telo (3 tirets) dia milaza fa tapitra ny lalao (fizaram-potoana voalohany na faharoa na fanalavam-potoana) Tsy maintsy hajain’ny rehetra ireo kiririoka ireo.

6) Samihafa

azon’ny mpanazatra atao ny mangataka fiatoan’ny lalao anomezana toromarika ny mpilalaony, 30 segondra farafahabetsny ary in-telo raha be indrindra mandritra ny lalao iray. Araraotiny ny mangataka io fotoana io rehefa misy fahadisoana na baolina maty. Loharano nanovozana :

Lahatsoratr’i Dangoro Ranitra - Gazety Vonona n°3 – Foibe TEM taom-piasana 2002 - 2006

Ndao hanao skoto 2

64

Ndao hanao skoto 2

65

Ndao hanao skoto 2

66

Ndao hanao skoto 2

67

Ndao hanao skoto 2

68

Ndao hanao skoto 2

69

Ndao hanao skoto 2

70

Ndao hanao skoto 2

71

• Tandremana tsara mba tsy ho vitsy loatra na be loatra ny entana ho entina

• Homanina mialoha ny kitapo ho entina

• Soratana an-taratasy dia ny mialoha avokoa ny zavatra mety ilaina rehetra

• Mitondra hatrany rano fa tsy ampoizina ny mety liana izany tampoka

• Miezaha mitondra vatomamy (bonbon) na “chocolat” mba hahafahana manovo hery

• Mitondra aro orana

• Ataovy ambony izay entana mety ilaina matetika

• Mitondra “torches éléctrique”

• Aza adinoina ny famataran’andro

• Velarina anaty rivotra mandritra ny 30 minitra izay vao avalona ny lamba firakotra

“sac de couchage”

Fijerena ny toerana

Ny safidy toerana sy ny fiarovana azy

Ezahina mba tsy hanakaiky hantsana loatra

Ny aloka, indrindra fa ny tolakandro dia miaro amin’ny korontana ateraky ny daniky ny masoandro ela loatra

Na izany aza tandremana tsara ny hazo vaventy izay mety hanintsana rantsan-kazo ka mety andratra na hanimba zavatra

Tandremana indrindra ny ravin-kazo maina izay mety hahatonga fahamaizana

Fitodiky ny fanorenana

Tokony hitodika mihantsinana hatrany ny fitodiky ny tranolay (ny masoandro vao maraina dia manampy amin’ny fifohazana)

Ny fanorenana tsara rindra manoloana ny fiavian’ny rivotra dia hanena be dia

be ny olana eo amin’ny afo sy ny fofona izay mety andreraka.

FANOMANANA NY LASY MBA HAHALAVORARY SY MBA HIALANA

AMIN’NY VOKA-DRATSY METY HISEHO