32
Rindran-damina Mandritra ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny Taona 2015 Fantatro fa Velona ny Mpamonjiko “Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy” (Joba 19:25).

Rindran-damina Mandritra ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny ......fanampiny hampianarana hira an’ ireo ankizy (jereo ny pejy 3, 5, 9, ary 15). Torolalana ho an’ ny Fampisehoana

  • Upload
    others

  • View
    2

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Rindran-damina Mandritra ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny Taona 2015Rindran-damina Mandritra ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny Taona 2015
Fantatro fa Velona ny Mpamonjiko
“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy” ( Joba 19:25).
II
Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ny Tompo Ry Fiadidian’ny Kilonga sy Mpampianatra Hira ao amin’ ny Kilonga, Amin’ity taona ity ianareo dia hanana fahafahana hanampy ny ankizy hahatsapa sy hahatakatra ilay fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika azy ireo izay lehibe tokoa. Ny ankizy dia hianatra amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa afaka mino an’i Jesoa Kristy izy ireo noho ilay anjara asa lehibe dia lehibe sahaniny ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra. Ny ankizy koa dia hianatra fa hiha- matanjaka ny finoan’izy ireo rehefa mitandrina ny didy, manompo, mizara ny filazantsara, sy manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izy ireo ary miomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.
Misaotra anareo noho ny asa fanompoana feno fanolorantena ataonareo. Mivavaka ho anareo izahay ary ma- toky ny fahaizanareo mitia ny ankizy sy mampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary manampy azy ireo hiaina araka ireo fitsipika ao anatin’izany.
Ny Fiadidian’ ny Kilonga Maneran-tany
Torolalana ho an’ ny Fotoana Ifanakalozana
Fampianarana Filazantsara Ampiasao ity boky kely ity rehefa hiomana hampianatra lesona 15 minitra isan-kerinandro mandritra ny fotoana ifanakalozana ianao. Azonao anampiana ny lesona isan- kerinandro ny fampiasana ireo boky hafa ankatoavin’ny Fiangonana, toy ny L’ Ami na ny Liahona. Ireto torola- lana manaraka ireto dia hanampy anao amin’ny fandra- fetana sy ny fanolorana ny lesona.
Tiavo Ireo izay Ampianarinao. Asehoy ny fitiavanao ireo ankizy amin’ ny alalan’ ny fahafantarana ny anarany sy ny fahatakarana izay zavatra mahaliana azy sy ny talen- tany ary ny zavatra ilainy.
Ampianaro amin’ ny alalan’ ny Fanahy ny Fotopampiana- rana. Rehefa manomana lesona ianao dia mivavaha mba hahazo fitarihana ary miezaha hanamafy orina ny fijo- roanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay ampianarinao. Hanampy anao hampianatra amin’ ny alalan’ny Fanahy izany.
Amporisiho ny Olona Hianatra Amim-pahavitrihana. Ity boky kely ity dia tsy natao mba hahafantaranao fotsiny hoe, inona no hampianarina fa koa hoe, ahoana no fomba hampianarana sy hanasana ny olona hianatra amim-pahavitrihana. Afaka hampianatra ny fotopam- pianarana amin’ny fomba mahomby kokoa ianao raha manao ireto zavatra telo manaraka ireto isaky ny lesona:
1. Ampahafantaro ny fotopampianarana. Ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana izay hianaran’ireo ankizy. Eritrereto ny fomba hanaovana izany na amin’ny alalan’ny teny na amin’ny alalan’ny zavatra hita maso. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy dia jereo ireo lesona ho an’ny herinandro voalohan’ny volana Martsa sy ny herinandro voalohan’ny volana Jolay.)
2. Hamorao ny fahatakaran-javatra. Ataovy izay hahazoan’ny ankizy fahatakarana lalindalina kokoa ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fomba
samihafa enti-mampianatra izay mampanolo-tena azy hianatra, toy ny fihirana hira, sy filalaovana tantara, ary ny famakiana soratra masina.
3. Amporisiho ny Fanaovana Fampiha- rana. Omeo fahafahana ireo ankizy hampihatra ny fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Eritre- reto izay fomba hahafahan’izy ireo maneho ny zavatra tsapany mikasika ilay fotopampianarana na hahafa- hany mametraka tanjona mifanaraka amin’izany.
Ity boky kely ity dia manome lesona feno ho an’ ireo heri- nandro sasantsasany ao anatin’ny taona. Ho an’ ireo heri- nandro hafa dia hevitra vitsivitsy no hita ao fa tsy lesona feno. Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra ireo. Afaka mahazo hevitra hafa ianao amin’ny alalan’ny famakiana ireo lesona hafa ao anati- n’ity boky kely ity. Rehefa misy Alahady fahadimy, dia ampiasao izany fotoana izany hamerenana lesona efa na- tao teo aloha. Afaka mitarika anao ny Fanahy rehefa ma- molavola sy manomana asa atao ho an’ ireo lesona ianao.
Miaraha miasa amin’ny mpampianatra hira rehefa ma- nomana lesona ianao. Ny fihirana hira dia hanampy amin’ny fanamafisana ireo fotopampianarana izay am- pianarinao. Indraindray dia afaka manasa mpampiana- tra ianao miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasiny mba hanampy anao amin’ny ampahany sasany amin’ ny fampianarana filazantsara.
Misy lesona sasany izay manoro hevitra ny mba hana- sana vahiny handray fitenenana ao amin’ ny Kilonga. Tokony hahazo fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana ianao alohan’ny hanasana ireo va- hiny ireo handray anjara.
Ahitana fomba enti-mampianatra maro miaraka amin’i- reo lesona, izay hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra. Ireo lesona ireo koa dia ahitana sary izay hanampy anao hahita hoe tahaka ny ahoana ilay asa
Fanampiana: Ny fana- sana ny ankizy hianatra avy ao amin’ny soratra masina dia hanampy azy ireo hampitombo ny fitiavana ny tenin’Andria- manitra mandritra ny an- drom-piainany. Manomana isan-kerinandro fomba hana- sana ireo ankizy hampiasa ny soratra masin’izy ireo sy hia- natra avy amin’izany. Mety misy ankizy sasany tsy ma- nana soratra masina. Misy ankizy hafa mety mbola tsy mahay mamaky teny. Ireo asa atao hianaran-javatra hita ao amin’ity rindran-damina ity sy ireo teknika enti-mampianatra ao amin’ny pejy 7, sy 12, ary 18 dia hanolotra hevitra ho anao mikasika ny fomba ham- pianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina.
1
Fanampiana: Afaka mahita loharanom-pampianarana hafa ao amin’ny L’Ami sy ny Lia- hona ianao, toy ny pejy lo- koina, tantara ary asa atao. Ampiasao ireo loharano hafa ireo mba hanatevenana ny lesona ampianarinao.
atao. Na dia zava-dehibe aza ny fampivoarana ny fahai- zana mampianatra dia ny fiomananao ara-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao no ha- nasa ny Fanahy hanamafy ireo fotopampianarana ao am-pon’ny ankizy.
Fotoam-pihirana Ny hira ao amin’ny Kilonga dia tokony hanorina tontolo feno fanajana, sy tokony hampianatra ny filazantsara ary hanampy ireo ankizy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fifaliana izay tonga amin’ny ala- lan’ny fihirana. Ny 20 minitra ao anatin’ny fotoana
ifanakalozana dia tokony hatokana amin’ny fampiana- rana hira. Izany dia hahafahanao hanana fotoana ampy hampianaranao hira vaovao sy hanampiana ireo ankizy hankaf mihira.
Ity boky kely ity dia ahitana hira vaovao iray izay hiana- ran’ ireo ankizy amin’ ity taona ity (jereo ny pejy 28–29). Hita ao ihany koa ny fizarana iray izay mitondra ny lo- hateny hoe “Ahoana no Fomba Hampiasana ny Hira ao amin’ ny Kilonga” (jereo ny pejy 26–27) sy ireo hevitra fanampiny hampianarana hira an’ ireo ankizy (jereo ny pejy 3, 5, 9, ary 15).
Torolalana ho an’ ny Fampisehoana Mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo
Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivo- riana fanasan’ ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny sampana dia tanterahina man- dritra ny telo volana farany amin’ny taona. Raha vao manomboka kely ny taona dia mifampiresaha amin’ilay mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana izay misahana ny Kilonga mba handinihina mialoha izay drafitra hatao. Rehefa vita ireo drafitra dia mangataha fankatoavana aminy.
Kendreo ny hampisehoan’ireo ankizy ny fandaharam- potoana mifototra amin’ireo lohahevitra isam-bolana amin’ny fotoana ifanakalozana. Mandritra ny taona ma- nontolo dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ny ankizy sy ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana.
Rehefa manomana ny fomba hizaran’ireo ankizy izay za- vatra nianarany mikasika ny lohahevitra tamin’ity taona ity ianao, dia mieritrereta fomba izay ahafahan’izy ireo manampy ny mpiangona hifantoka amin’ny fotopampia- naran’ny filazantsara izay ampianarin’izy ireo.
Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto: • Ny famerenana dia tsy tokony handanindany foana
ny fotoana ianarana na fotoana natokana ho an’ny fianakaviana.
• Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fam- piasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
Ireo Loharanon-kevitra Ampiasaina ao amin’ity Boky Kely ity
Ireto fanafohezan-teny ireto dia ampiasaina matetika ao amin’ity boky kely ity:
CPE Chants pour les Enfants
EPPGA L’Enseignement, Pas De Plus Grand Appel
Maro ireo lesona izay manoro hevitra ny mba hampiasana sary. Afaka mahita sary ao amin’ ny Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara ianao, sy ao amin’ny amboaran- tsary manaraka ny boky fampianarana ao amin’ny Kilonga, ary ao amin’ireo gazetibokin’ ny Fiangonana sy ao amin’ny internet ao amin’ny images.lds.org.
Fandaharam-pampianarana ho an’ ny taona 2015
Fandaharam-pampianarana Ankapobeny Kilasy Garderie: Voyez vos petits enfants; Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 3; Mahery Fo 8–11: Kilonga 7
Fandaharam-pampianarana Fototra Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 3; Mahery Fo 8–11: Kilonga 7
Fampisehoana mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo Tsy ilaina ny fanomezana ny ankizy tsirairay taratasy ahitana ny zavatra tokony holazainy. Ny fampisehoana mahomby dia ahitana ny fandraisan’ny ankizy anjara amin’ny fomba maro samihafa.
2
Janoary Janoary: Mino an’Andriamanitra Ray Mandrakizay ary i Jesoa Kristy Zanany Isika “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:1).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Rain’ny fanahiko Andriamanitra.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mampisehoa fonon-tanana vitsivitsy samihafa amin’ny ankizy ary hazavao fa tsy mitovy ireo fonon-tanana ireo, toy ny tsy mampitovy antsika tsirairay avy. Haza- vao fa na inona na inona tsy fitoviantsika dia manana fanahy iray daholo isika ao anatin’ny vatantsika ary ma- nome aina antsika ny fanahintsika. Mba hampisehoana izany dia anaovy ny fonon-tanana iray ary ahetsike- tseho ny rantsantananao. Hazavao fa ilay fonon-tanana dia toy ny vatantsika ary ny tanana dia toy ny fanahin- tsika. Asao ny ankizy hihaino ny valin’ilay fanontaniana hoe “Iza no Rain’ny fanahiko?” rehefa mamaky ny fehe- zanteny roa voalohany ao amin’ny Malakia 2:10 ianao. Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe “Rain’ny fanahiko Andriamanitra.” Asao ny ankizy hiaraka hamaky izany aminao. Hazavao fa mpikambana ao anatin’ny fianaka- viam-be iray isika rehetra—fianakavian’Andriamanitra.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mampise- hoa sarin’ny fianakaviana iray ary hazavao fa rehefa nale- fan’ny Ray any an-danitra teto an-tany isika dia nalefany hipetraka ao anatin’ny fianakaviana iray. Angataho ny an- kizy mba hampiseho amin’ny alalan’ny rantsantanany ny
isan’ny olona ao amin’ny fianakaviany. Lazao ny ankizy fa hihira hira iray mampianatra mikasika ny fianakaviany any an-danitra sy ny fianakaviany eto an-tany izy ireo. Anga- taho ny ankizy iray mba hivoaka ny efitrano, dia asaivo misafidy toerana iray hanafenana sarin’ny fianakaviana iray ireo ankizy hafa. Asao amin’izay ilay ankizy hiverina ka hi- tady ilay sarin’ny fianakaviana iray eo am-pihiran’ny an- kizy ny “Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, 113). Raha mbola lavitra ny misy ny sary ilay ankizy dia asaivo mipetraka ny ankizy rehetra fa rehefa mihamana- kaiky ilay sary izy dia asaivo mitsangana tsikelikely izy ireo. Avereno atao amin’ny ankizy hafa izany arakaraka ny fahampian’ny fotoana eo. Ifanakalozy hevitra ny hafatra fo- nosin’ilay hira ary mijoroa ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Avelao ny ankizy tsirairay mba hifandimby hijery fitaratra. Lazao azy ireo fa isaky ny mijery ny fitaratra izy ireo dia tokony hahatsiaro fa mahita zanak’Andriama- nitra iray.
Fanampiana: Mivavaha mba hahazo fitarihana ary ka- tsaho ny Fitarihan’ny Fanahy rehefa manomana ny fotoana ifanakalozanao ianao. Rehefa miomana sy mampianatra mia- raka amin’ny Fanahy ianao dia hanamafy ny fahamarinan’ny zavatra ampianarinao Izy.
Hira: “Fantatro fa Tia Ahy ny Mpamonjy Ahy” (pejy 28–29 ao amin’ity rindran-damina ity na ao amin’ny Friend, Ôkt. 2002, 46–47)
Lesona atao amin’ny alalan’ny
fampiasana zavatra azo tsapain-tanana
“Ny lesona atao amin’ny ala- lan’ny fampiasana zavatra azo
tsapain-tanana dia mampita fi- tsipika tsy azo tsapain-tanana amin’ny alalan’ny fampiasana
zavatra azo tsapain-tanana fahita mahazatra” (EPPGA,
164). Ity lesona atao amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra
azo tsapain-tanana ity dia hanampy ny ankizy hahata-
katra ny toetoetry ny fanahiny raha oharina amin’ny vatany.
Fanampiana: Manomàna fomba hoentina mampahafan- tatra ny fotopampianarana amin’ny ankizy ary hanam- piana azy ireo hahatakatra sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Mieritrereta fomba izay ahafahanao manome faha- fahana ny ankizy: • Haneho hevitra momba ilay
fotopampianarana. • Hamaky soratra masina mi-
fandray amin’ilay fotopampianarana.
• Hanao fihetsika mifandray amin’ilay fotopampianarana.
3
Fanampiana: Hoy ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Mila mampiasa bebe kokoa ny hira ao amin’ny fihirantsika isika mba hahatsapana ny Fa- nahin’ny Tompo, mba hampi- raisana antsika ary mba hanampiana antsika hampiana- tra sy hianatra ny fotopampia- narantsika” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1994, 13; na Ensign, Nôv. 1994, 12). Ampiasao ireo fanampiana sy asa atao ao amin’ity rindran- damina ity mba hianarana fomba samihafa ahafahanao mampiasa ny hira mandritra ny fotoana ifanakalozana.
Tian’ny ankizy ny mijery ny asan’ny tanany manokana.
Raha nanamboatra boaty mampihodinkodina
horonan-taratasy ianao dia azonao ampiasaina indray
izany ho an’ireo lesona hafa. Raha hanatanteraka ity asa atao ity koa dia azo atambatra miaraka fotsiny
ny sary mba hanaovana horonan-taratasy tsotsotra.
Herinandro 2: Zanak’Andriamanitra i Jesoa Kristy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mametaha sary telo eny amin’ny solaitrabe: I Jaona Manao Batisa an’i Jesoa, Miseho amin’ireo Nefita i Kristy, ary Ny Fa- hitana Voalohany. Zarao ho vondrona telo ny ankizy, ary omeo iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Matio 3:16–17; 3 Nefia 11:6–8; Joseph Smith—Tantara 1:17. Asaivo mifanakalo hevitra mikasika ilay soratra masina izy ireo ao anatin’ny
vondrona misy azy ary avy eo manao tatitra amin’ny an- kizy ambiny mikasika (1) ny zava-niseho tao, (2) ny za- vatra nolazain’ny Ray any an-danitra, ary (3) ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo izy ireo tamin’i- zany. Asao ny ankizy iray hamaky ny Jaona 5:39. Haza- vao fa afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa Zanak’Andriamanitra i Jesoa Kristy rehefa mamaky ny soratra masina ary mivavaka.
Herinandro 3 sy 4: Tia ahy ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asaivo tendren’ny mpitendry pianô ny feo (note) roa voaloha- n’ilay hira izay mampianatra mikasika ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ary asao ny ankizy hamantatra ilay hira. Ampio feo (note) iray isaky ny mandeha izany mandra-pahafantatry ny ankizy izany. Iaraho mihira ilay hira dia ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’izany momba ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy antsika. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hevitra omen’ny ankizy. Avereno atao isaky ny hira tsirairay izany. Ampiasao ireto hira mana- raka ireto: “Mon Père Céleste m’aime” (CPE, 16), “Remer- cions notre Père” (CPE, 15), “Je ressens son amour” (CPE, 42), ary “Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, 113).
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Omeo taratasy iray ny ankizy tsirairay ary asaivo ataon’izy ireo sary ny fomba iray ahafantarany fa tia azy ireo ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny ma- noro ny ankizy hampiasa ireo hevitra notanisainao teo
amin’ny solaitrabe nandritra ilay asa natao tetsy ambony. Apetaho miaraka ireo sary ireo ary asehoy ao anatin’ny boaty iray mampihodinkodina horonan-taratasy izany (jereo ny EPPGA, 178–79) na avelaro toy ny amelaranao horonan-taratasy ireny. Asaivo tendren’ilay mpitendry pianô ny iray amin’ireo hira voatanisa etsy ambony ireo eo am-pijeren’ny ankizy izany.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Soraty eo amin’ny tapa-taratasy misaratsaraka ireo fomba vitsivi- tsy entin’ny Ray any an-danitra mampiseho ny fitiavany antsika ary ireo fomba vitsivitsy entintsika mampiseho ny fitiavantsika Azy. Arotsahy ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo tapa-taratasy ireo ary asao ny ankizy iray mba hamoaka sary iray isaky ny mandeha. Vakio mafy tsirai- ray izany. Raha toa ka zavatra mampiseho ny fitiavan’ny Ray any an-danitra antsika izany dia asaivo manangana ny tanany anankiray ny ankizy. Raha toa izany ka mampi- seho ny fitiavantsika ny Ray any an-danitra dia asaivo mametraka ny tanany eo amin’ny fony izy ireo.
Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira
Diniho ity zavatra manaraka ity mba hanampiana ny an- kizy hianatra ny “I Know That My Savior Loves Me” (pejy 28–29 ao amin’ity rindran-damina ity):
Mampisehoa sary irain’ny Mpamonjy izay mitsodrano ireo ankizy Nefita ary tantarao amin’ny teninao mano- kana ilay tantara hita ao amin’ny 3 Nefia 17:11–24. Hirao amin’ny ankizy ny andalana voalohan’ilay hira ary
ampiaraho amin’ny fihetsika iray izany izay mifandray amin’ilay andian-teny hoe “beautiful place” (toy ny hoe mamelatra ny tanana ohatra). Asaivo mihira sy manao ilay fihetsika miaraka aminao ny ankizy. Asao ny ankizy mba hieritreritra fihetsika izay mifanaraka amin’ny anda- lana tsirairay ao amin’ilay hira. Dia miaraha mihira sy manao ireo fihetsika.
4
Febroary I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” ( Jaona 3:16).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Apetraho manodidina ny efitrano ny sarin’ny Fiaraha-misakafo Farany, I Kristy tao Getsemane, ny Fanomboana ary ny Fitsanganana tamin’ny Maty. Tondroy ireo sary ary la- zao ny ankizy fa zava-niseho tao anatin’ilay herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ireo. Lazao ny ankizy fa hamaky soratra masina iray izay mifanaraka amin’ny iray amin’ireo sary ianao. Angataho izy ireo mba hieritreritra mangina hoe inona ilay soratra masina mifanaraka amin’izany. Vakio ny Lioka 22:13–14, 19– 20. Asaivo mitsangana sy mitodika any amin’ilay sary
mifanaraka amin’izany ny rehetra. Ifanakalozy hevitra ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary. Avereno atao amin’ireo sary hafa izany (Getsemane: Lioka 22:39–44; Fanomboana: Lioka 23:33–34, 46; Fitsanganana ta- min’ny Maty: Jaona 20:11–18). Mihira hira toy ny “Il envoya son Fils aimé” (CPE, 20) na “Velona ny Raiko” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, 115). Mijoroa ho vavolom- belona fa maty ho antsika i Jesoa mba hahafahantsika hiaina miaraka amin’ny Ray any an-danitra indray.
Herinandro 2 sy 3: Afaka ny ho voavonjy ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fanekem-pinoana faha- telo ary asao ny ankizy mba hamerimberina kely izany miaraka aminao. Hazavao vetivety izay teny tsy azon’ny ankizy. (Ohatra, ny Sorompanavotana dia ilay zavatra nataon’i Jesoa mba hahafahantsika mibebaka sy mive- rina any amin’Andriamanitra.) Fafao ny teny iray na roa ao anatin’izany dia iaraho vakina indray izany. Averim- bereno izany mba hanampiana ny ankizy hahatadidy izany.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tantarao ity tantara manaraka ity ary asao ny ankizy mba hitsan- gana sy hilalao izany miaraka aminao. “Nandeha tamin’ny lalana anankiray ny lehilahy iray (mandehandehana eo
am-pitoerana eo ihany). Nianjera tao anaty lavaka izy ( mipetraha). Niezaka mafy izy saingy tsy tafavoaka tao mihitsy (mody manaova fihetsika hoe miezaka ny mivoaka ianao). Niantso vonjy izy (miantsoa vonjy moramora). Nisy lehilahy iray hafa nandeha tamin’io lalana io ihany. He- nony ny fiantsoan’ilay lehilahy vonjy (miantsoa vonjy mo- ramora indray). Nampidina tohatra tao amin’ilay lavaka izy. Nivoaka tao amin’ilay lavaka tamin’ny alalan’ilay to- hatra ilay lehilahy (mody manaova fihetsika miakatra amin’ny tohatra iray). Voavonjy ilay lehilahy.” Ifanakalozy hevitra ny zavatra mety ho tsapan’ilay lehilahy fony izy tao anatin’ilay lavaka ary rehefa voavonjy. Lazao amin’ny ankizy fa rehefa manao zavatra tsy mety na manota isika, dia toy ny mianjera ao anaty lavaka lalina iray ka tsy
Fanampiana: Hahatakatra tsara kokoa ireo fotopampiana- rana ny ankizy rehefa ampifan- draisina amin’ny zavatra izay efa fantany. Rehefa manomboka ny lesona tsirairay ianao dia avereno resahina ilay fotopam- pianarana nampianarina ta- min’ny herinandro lasa ary ampifandraiso amin’ireo faha- marinana nampianarina tami- n’io andro io izany.
Mianatra amin’ny alalan’ny
Fanaovana Fihetsika
fanaovana fihetsika izy ireo.
5
mahatafavoaka ny tenantsika irery ao isika. Mampisehoa sarin’i Jesoa iray ary lazao ny ankizy fa afaka manampy antsika sy mamonjy antsika mba hahafahantsika miverina miaina indray miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra i Jesoa Kristy toy ny nanampian’ilay olona iray io lehilahy io hivoaka ny lavaka.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Asao ny ankizy hamaky ny Almà 7:11–12 ary hitady ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara izay zavatra hitany. Lazao ny ankizy fa i Jesoa dia mahatakatra hoe nisy nanafintohina isika, na malahelo na matahotra na marary. Afaka manampy an- tsika handresy ireo zavatra ireo izy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto:
Feno fankasitrahana ny Mpamonjy aho satria ___________.
Ny Mpamonjy dia hanampy ahy mba___________.
Asao ny ankizy mba hizara ny fomba hamaranany ireo fe- hezanteny ireo na asaivo zarain’ny ankizy amin’izay olona mipetraka eo akaikiny ny valinteniny.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Lazao ny ankizy fa ao anatin’ny soratra masina dia ahitana tantara maro momba ireo olona nahazo fitahiana noho ny So- rompanavotana. Tantarao ny vitsivitsy amin’izy ireo. Mety ho hita ao anatin’ireo tantara ireo i Almà Zanany (jereo ny Almà 36:5–27), i Paoly (jereo ny Asan’ny Apôstôly 8:1–3; 9:1–20), ary i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:1–8). Isaky ny avy mitantara tantara iray dia avereno resahina amin’ny ankizy izany. Atsipazo eny amin’ny ankizy iray ny taratasy miforiporitra iray dia angataho izy mba hilaza zavatra iray momba ilay tantara. Asaivo atsipin’ilay ankizy eny aminao indray ilay taratasy. Tohizo izany mandra-pi- lazan’ny ankizy ny ankamaroan’ireo antsipirian-javatra manan-danja ao amin’ilay tantara. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Sorompanavotana.
Herinandro 4: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, ary hitsangana amin’ny maty koa aho.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao ho vondrona roa ny ankizy ary omeo sary mampiseho za- va-niseho iray izay mifandray amin’ny Fitsanganana ta- min’ny maty ny vondrona tsirairay (azonao ampiasaina ohatra ny sary maneho ny Fanomboana, ny fandeve- nana an’i Kristy, ilay fasana foana, i Maria sy ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ary i Jesoa mampiseho ny fe- riny amin’ny mpianany). Lazao izy ireo mba tsy hamela
ireo vondrona hafa hahita ny sariny. Asaivo manome fanorotoroana kely ny vondrona tsirairay mba hanam- piana ny ankizy hafa hamantatra ny zavatra mitranga ao amin’ilay sarin’izy ireo. Rehefa marina ny zavatra nola- zain’izy ireo momba ilay sary dia asehoy an’ireo von- drona hafa izany. Hazavao hoe, satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra.
Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira
Mba hanampiana ny ankizy hianatra ny “Il envoya son Fils Aimé” (CPE, 20), dia ataovy ireto zavatra manaraka ireto: • Rehefa mihira ianao dia asaivo isain’ny ankizy
amin’ny rantsantanany hoe impiry izy ireo no nihira ny teny hoe “Il envoya” na asaivo mitsangana izy
rehefa mihira ilay fanontaniana ary mipetraka rehefa mihira ilay valiny.
• Zarao ho vondrona roa ny ankizy. Ny antsasany mihira ireo fanontaniana ao amin’ilay hira ary ilay antsasany iray hafa mamaly amin’ny alalan’ny fihirana ny valiny.
Fanampiana: Afaka mia- natra zavatra amin’ ny alalan’ ny fihetsika sy ny asa atao ny ankizy. Ampandraiso anjara izy ireo rehefa mitantara tantara ianao amin’ ny alalan’ ny fame- lana azy ireo hanao fihetsika tsotra. Aorian’ny asa natao iray dia afaka manampy azy ireo ia- nao hiomana amin’ny fotoana ianaran-javatra manaraka amin’ny alalan’ny fanaperana amim-panajana ilay asa na kilalao natao. Ohatra, asaivo hirain’ny ankizy moramora ny andalana vitsivitsy ao anatin’ny hira iray, na avelaro eo anoloa- nao ny tananao, dia asao ny an- kizy hijery anao rehefa mihira izy ireo. Rehefa ampifanakaike- zinao kokoa ny tananao dia mi- hira moramora kokoa izy ireo. Isaory izy ireo noho ny fane- hoany fanajana.
Tian’ny ankizy ny mandray anjara ao anatin’ny fianarana. Rehefa mandrindra ny fotoana ifanakalozanao ianao dia mieritrereta fomba ahafahana mampandray anjara ankizy bebe kokoa ao anatin’ireny asa atao mba hianaran-javatra ireny. Ohatra, ity asa ity dia mitaky ny fandraisan’ny vondrona kelin’ankizy iray anjara fa tsy olona iray na roa.
6
Martsa Miresaka amin’ny alalan’ny Mpaminany Andriamanitra “Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola” (Lioka 1:70).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Voantson’Andriamanitra ny Mpaminany.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: So- raty eo amin’ny taratasy lavalava misaratsaraka ireto teny manaraka ireto: Voantson’, Andriamanitra, ny, Mpami- nany. Omeo ankizy dimy ireo taratasy lavalava ireo. Ala- haro eo anoloan’ny ankizy ao amin’ny Kilonga ireo ankizy ireo ka aza atao araka ny filaharana marin’ireo teny ireo. Asao ny ankizy hafa mba handamina ireo teny araka ny filaharany marina. Iaraho mamaky ilay fehezanteny.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mano- màna fanorotoroana omena momba ny fomba niantsoa- n’Andriamanitra an’i Mosesy sy i Lehia ary i Joseph Smith. Ohatra, mety azo atao toy izao ny fanorotoroana omena mikasika an’i Mosesy: “Nantsoin’Andriamanitra hanao asa aho rehefa niresaka tamiko avy teo amin’ilay roimemy nirehitra afo Izy”; “Nantsoin’Andriamanitra aho mba hanoratra ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Bai- boly”; ary “Nantsoin’Andriamanitra aho mba hitarika ny vahoakany hivoaka an’i Egypta.” Mifidiana ankizy telo hi- solo tena an’ireo mpaminany ireo, ary asao izy ireo mba hanorotoro kely ny Kilonga mba hamantarana ireo mpa- minany ireo. Asao mba hanangana ny tanany ny ankizy rehefa eritreretiny fa fantany ilay mpaminany. Asaivo
miara-miteny ny valiny ny ankizy. Rehefa fantatr’izy ireo hoe iza ireo mpaminany ireo dia mamakia soratra masina mikasika izany mpaminany izany (Mosesy: Eksodosy 3:4–5; Lehia: 1 Nefia 1:5–6; Joseph Smith: Joseph Smith—Tantara 1:16–17). Hazavao fa voantson’Andria- manitra i Mosesy sy i Lehia ary i Joseph Smith. Lazao amin’ny ankizy fa ny mpaminany rehetra dia voantson’Andriamanitra.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Anontanio ny ankizy hoe, “Iza no mpaminanintsika ami- n’izao fotoana izao?” Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fian- gonana ankehitriny. Hazavao fa voantson’Andriamanitra izy. Asaivo ifanakalozan’ny ankizy hevitra izay mizarazara ao anatin’ny vondron’ny kilasy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny mpaminany ankehitriny. Asao ny an- kizy iray avy amin’ny kilasy tsirairay mba handroso eny aloha ary hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ny zava- tra nifanakalozan’izy ireo hevitra tao anatin’ny vondrona nisy azy. Asao ireo ankizy hafa mba hamantatra ny di- kan’ny fihetsika ataony. Angataho ilay ankizy mba hizara ny fitahiana azony teo amin’ny fiainany tamin’ny fanara- hany ny mpaminany araka izany fomba nasehony izany.
Herinandro 2: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Alohan’ny hanombohan’ny fotoana ifanakalozana dia mametraha sa- rin’i Jesoa Kristy eo amin’ny solaitrabe ary sarony amin’ny alalan’ny sarin’ireto mpamimany manaraka ireto izany: Isaia, Jaona Mpanao Batisa, Nefia, ary Joseph Smith. Omeo anankiray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ny kilasy tsirairay: Isaia 9:6; Marka 1:6–8; 2 Nefia 25:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24.
Asaivo vakin’ny an- kizy iray kilasy
ilay
soratra masina ary asaivo fantariny hoe iza ilay mpami- nany mijoro ho vavolombelona ary inona no zavatra ijo- roany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Asaivo tondroin’ny ankizy ao anatin’ilay kilasy anankiray ny sari- n’ilay mpaminany izay vao avy novakiny teo ny momba azy ary asaivo zarainy amin’ny Kilonga ny zavatra niana- rany. Esory eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ilay mpami- nany. Avereno atao amin’ ireo mpaminany hafa izany. Tondroy ny sarin’i Kristy ary lazao ny ankizy fa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany rehetra.
Fanampiana: Hahatsapa ny Fanahy ny ankizy rehefa mi- zara ny fahatakarany ny fitsi- piky ny filazantsara. Afaka mizara ny zavatra nianarany izy ireo amin’ny alalan’ny te- niny na ny zava-kanto nataony na ny hira.
Hira: “Suis les prophètes” (CPE, 58)
Fampahafan- tarana ireo
Voantson’ Andriamanitra
taratasy lavavala.
Herinandro 3: Ahazoana fiarovana ny fanarahana ny mpaminany.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asehoy ny sarin’i Mosesy ary hazavao fa i Mosesy dia mpaminany iray izay nitarika ny vahoaka ho any amin’ny toerana azo antoka. Hazavao fa nandevozin’i Farao, mpanjakan’i Egypta ny Isiraelita ka dia nasain’ny Tompo nentin’i Mosesy nivoaka tao Egypta izy ireo. (jereo ny Eksodosy 3:10). Tantarao ilay tantara ao amin’ny Eksodosy14, ary asao ny ankizy mba hampiseho izay ambaran’izany amin’ny alalan’ny fihetsika. Ohatra: “Nanaraka an’i Mo- sesy namakivaky ny tany foana ny vahoaka (mandehan- dehana eo am-pitoerana eo ihany). Tonga teo amin’ny ranomasina izy ireo (manaova onja amin’ny alalan’ny ta- nana). Nitodika tany aoriana ny vahoaka (mitodiha any aoriana) ary hitan’izy ireo fa nanenjika azy ireo i Farao sy ny miaramilany (manaova feon-tsoavaly mihazakazaka
amin’ny alalan’ny fikapokapohan’ny tanana ny fe). Nataho- tra izy ireo (mampisehoa tahotra).” Vakio ny Eksodosy 14:13, dia tohizo ilay tantara. “Nasain’ny Tompo ningai- n’i Mosesy ny tehiny (mody manaova fihetsika manainga tehina), ary dia nisaraka ny ranomasina (avelaro ny ta- nana). Nanaraka an’i Mosesy namakivaky ny ranoma- sina nandia tany maina ka tafapita teny amin’ny faritra ilany soa aman-tsara ny vahoaka (mandehandehana eo am-pitoerana eo ihany). Raha iny niezaka nanenjika azy ireo iny ny miaramilan’i Farao dia nasain’ny Tompo na- hinjitr’i Mosesy ny tanany ka dia nikatona indray ny rano (akambano ny tanana). Nilentika tao anatin’ny rano- masina ny miaramilan’i Farao. Avotra soa aman-tsara ny vahoaka satria nanaraka ny mpaminany izy ireo.”
Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra? Ny fametrahana io fanontaniana io rehefa manomana asa atao ianao dia hanampy ireo ankizy hianatra amin’ny alalan’ny fan- draisan’anjara. Ohatra, nampi- seho tamin’ny alalan’ny fihetsika ny tantaran’i Mosesy nanasa- raka ny Ranomasina Mena ny ankizy eto amin’ity sary ity.
Herinandro 4: Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra.
Avereno resahana ireo fotopampianarana nianaran’ny ankizy tamin’ity volana ity mandritra ny fotoana ifana- kalozana. Ohatra, azonao atao ny: • Mamerina na mampivelatra ireo asa natao nandritra
ireo fotoana ifanakalozana tany aloha.
• Asehoy ny sarin’ny mpaminany ankehitriny ary te- neno hoe, “atsangano ny tanana raha fantatrareo hoe
iza ity?” Angataho ny ankizy mba hibitsika ny anara- n’ilay mpaminany amin’izay eo akaikiny. Manasà an- kizy maromaro mba hizara ny zavatra tsapany momba ny mpaminany.
• Hirao ny fiverenan-kiran’ny “Suis les prophètes” (CPE, 58) rehefa eo am-panaovana fihetsika maneho ny zavatra hataony mba hanarahana ny mpaminany ny ankizy.
Fanampiana: Ny fangata- hana ny ankizy hamaky ny so- ratra masiny dia manamafy ny lanjan’ny soratra masina sy ma- nasa ny Fanahy. Raha azo atao dia asao ny ankizy mba hiaraka aminao hitady iray amin’ireo so- ratra masina ireo farafahake- liny. Afaka manampy ny ankizy hitady ilay soratra masina ianao amin’ny alalan’ny fanomezanao ny pejy misy izany sy ny fanon- droanao ilay andininy ao ana- tin’ny soratra masinao. Miaraha mamaky mafy ilay andinin-tso- ratra masina.
Fanampiana: Tamin’ity vo- lana ity ianao dia nampiasa ireto fomba fampianarana ireto: fanakorontanana fehezanteny, famakiana soratra masina, fifa- nakalozan-kevitra sy fampise- hoana hevitra amin’ny alalan’ny fihetsika, fijerena sary, fanao- vana fihetsika ary famerenana mandinika ireo asa natao teo aloha. Mitadiava fomba ahafa- hanao mampiasa ireo teknika ireo any amin’ny lesona hafa.
8
Aprily Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny Laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Fahafenoan’ny Filazantsara “Mino ny fandaminana mitovy amin’ izay nisy tao amin’ ny Fiangonana voalohany isika” (Fanekem-pinoana 1:6).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Niseho tamin’ i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: La- zao ny ankizy fa naorin’i Jesoa Kristy ny Fiangonany fony izy niaina teto an-tany. Antsointsika hoe “Fiango- nana Voalohany” izany ankehitriny. Hazavao fa neso- rina teto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa fotoana fohy taorian’ny nahafatesany ary naveriny tamin’ny laoniny izany taona maro taty aoriana tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Manomana taratasy lavalava efatra ka soraty isaky ny taratasy ny iray amin’ireto fehezanteny mana- raka ireto: 1. Novakin’i Joseph Smith tao anatin’ny Baiboly ny hoe,
“Ary raha misy ianareo _______ _______ , aoka izy hangataka amin’Andriamanitra.” Joseph Smith— Tantara 1:11
2. Nandeha tany _______ _______ i Joseph Smith mba _______. Joseph Smith—Tantara 1:14.
3. Nahita andrim-_______ teo ambonin’ny lohany i Joseph. Joseph Smith—Tantara 1:16.
4. Notondroin’ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy dia nilaza Izy hoe, “It no ________ ________.” Joseph Smith—Tantara 1:17
Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary omeo taratasy la- valava iray ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo mba ha- maky ilay soratra masina ary hitady ilay teny hamenoana ny banga. Asaivo bitsibitsihin’izy ireo amin’ny hafa ny valiny fa tsy ny banga eo amin’ilay taratasy akory no fe- noina. Asaivo alefan’ny ankizy any amin’ny vondrona iray hafa ilay taratasy lavalavan’izy ireo ary avereno izany mandra-pahitan’ny vondrona tsirairay ny valiny rehetra. (Valiny: 1. tsy manam-pahendrena, an’ala, hivavaka, pahazavana, Zanako Malalako)
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Ampiasao ireo asa atao, sy zavatra jeren’ny maso ary saribakoly kely ahetsiketsika amin’ny rantsantanana ao amin’ny manuel de la garderie, Voyez vos petits enfants, mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny pejy 88–91).
Herinandro 2: Nadikan’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe herin’Andriamanitra ka ataovy amin’ny endrika soramiafina izany (ohatra, azonao so- loina amin’ny alalan’ny sarin-javatra iray ohatra ny tare- hintsoratra tsirairay). Anontanio raha misy mahavaky ilay hafatra. Manorata maribolana eny amin’ny ilay ha- fatra. Manorata maribolana eny amin’ny solaitrabe izay
mampiseho hoe iza amin’ireo tarehintsoratra no soloi- n’ilay sarin-javatra, dia asaivo miara-miasa ao anatin’i- reo vondrona ny ankizy mba handika ilay soramiafina. Ampahatsiahivo ny ankizy mba tsy hiteny mafy ilay va- liny.) Iaraho mamaky ilay andian-teny. Vakio ny Foto- pampianarana sy Fanekempihavanana 1:29. Hazavao fa tsy afaka namaky izay voasoratra teo amin’ireo takela-
bolamena i Joseph Smith raha tsy nam- pian’ny Tompo. Asao ny ankizy mba hizara izay fantany mikasika ny fomba nahafahan’i Joseph Smith nandika ny Bokin’i Môrmôna. Manasà ankizy maro- maro mba hizara ny zavatra tsapany mi- kasika ny Bokin’i Môrmôna.
Fanampiana: Ahafahan’ny ankizy maromaro kokoa man- dray anjara ny fizarana azy ireo ho vondrona. Fantaro ny isan’ny ankizy ao amin’ny Kilonganao ary eritrereto ny isan’ny vondrona ilaina mba hampandraisana anjara ny an- kizy rehetra ao anatin’ny asa atao (jereo ny herinandro 1).
Hira: “L’Église de Jésus Christ” CPE, 48)
Mampaha- fantatra ny Fotopampianarana Ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana ampianarinao. Izany dia manampy ireo ankizy hahatakatra sy hampihatra izany tsaratsara kokoa. Mitadiava fomba ahafahan’ny ankizy mahita ireo teny fonosin’ny fotopampianarana sy mitadidy izany.
_ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _
9
Herinandro 3 sy 4: Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsara.
Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra: Ampaha- tsiahivo ny ankizy fa nesorina teto an-tany ny filazan- tsaran’i Jesoa fotoana fohy taorian’ny nahafatesany ary naveriny tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith izany taty aoriana. Hazavao fa ny atao hoe mame- rina amin’ny laoniny dia mamerina ny zavatra rehetra mba hiaraka indray. Manaova sarina Fiangonana tsotra izay misy mari-tsoratra toy ity aseho eto ity (jereo ny Efesiana 2:20; 4:11–13). Hazavao fa fony i Kristy tety an-tany dia nanorina ny Fiangonany Izy. Hetezo hisara- tsaraka ilay sary rehefa mampiana- tra momba ny Apôstazia ianao. Asaivo atambatry ny ankizy araka ny tokony ho izy ilay sary eo am- pihainoan’izy ireo ny fitendren’i- lay mpitendry pianô ny “Par un
beau printemps doré” (CPE, 57). Iaraho mihira ny andi- niny fahatelo.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manasà mpikambana vitsivitsy ao amin’ny paroasy mba ho tonga ao amin’ny Kilonga ka hilalao olona nandray anjara tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny (toa an’i Joseph Smith [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20], ny an- jely Môrônia [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35, 42–49], ireo Vavolombelona Telo [jereo “Ny Tenivavo- lombelon’ireo Vavolombelona Telo”], na i Jaona Mpanao Batisa [jereo ny F&F 13]). Afaka manao fitafiana tsotra entina milalao ilay olona izy ireo. Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Asao ireo mpitsidika mba hilaza hoe iza izy ireo ary asaivo milaza izay fantany momba azy ireo ny an- kizy. Asaivo mizara ny fijoroana ho vavolombelona ana- nany mikasika ireo olona lalaoviny ireo mpitsidika ireo.
Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira
Mba hanampiana ny ankizy hahay ny: “L’Église de Jésus Christ” (CPE, 48), dia ataovy ireto zavatra ma- naraka ireto: • Angataho ny ankizy mba hitsangana raha toa izy
ireo ka mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray. Avereno atao izany mba hahafantarana raha toa izy ireo ka mpikambana ao amina ekipa na
fikambanana iray na fiangonana. Avelao ny ankizy hanazava ny dikan’ny hoe mpikambana (manana anjara toerana lehibe ao amin’ny sehatra iray ianao). Ampidiro amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’i Jesoa Kristy anankiray ilay hira ary amin’ny alalan’ny fampamakiana ny ankizy miaraka ny Fotopampiana- rana sy Fanekempihavanana 115:4.
• Ampidiro ny andian-teny tsirairay amin’ny alalan’ny fangatahana ny ankizy mba hihaino ny valin’ny fanon- taniana iray rehefa hirainao amin’izy ireo ilay andian- teny. (Ohatra: Mpikambana ao amin’ny inona aho? Inona avy ireo zavatra anankiroa fantatro? Ahoana no fomba hanarahako Azy?) Dia asaivo mihira ilay andian-teny miaraka aminao ny ankizy. Tohizo izany mandra-pahain’ny ankizy ilay hira iray manontolo.
• Zarao ho vondrona roa ny Kilonga ary asaivo mihira ny teny roa voalohan’ny andian-teny tsirairay fotsiny ny vondrona anankiray (J’appartiens, je sais, sy ny sisa), dia asaivo fenoin’ilay vondrona iray hafa ilay andian-teny. Ampifamadiho indray ny anjaran’ireo vondrona ireo dia avereno izany.
So ra
tr a
M as
in a
Fan am
Jesoa Kristy Ireo Apôstôly Mpaminany
Mampiasa sary mitovy amin’ity iray ity rehefa manao ity asa ity. Raha toa ka maro ny ankizy ao amin’ny Kilonganao dia zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny an- kizy rehefa manao ity asa ity.
Fanampiana: Tsy tokony hisy hilalao ny anjaran’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ao anatin’ny tantara an-tsehatra iray.
Fanampiana: Asio hi- ran’ny Kilonga ao anatin’ny fampianaranao. Izany dia ha- nampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra nampianarina azy ireo. “Afaka mahatsapa sy mianatra zavatra haingana isika amin’ny alalan’ny hira . . . zavatra ara-panahy sasan- tsasany izay ho tena ela vao ho haintsika raha amin’ny fomba hafa” (Boyd K. Packer, ao amin’ny EPPGA, 46).
Tsindrio eto hakana ity sary ity.
10
Mey Mitondra ahy any amin’i Jesoa Kristy ireo Fitsipika sy Ôrdônansin’ny Filazantsara “Mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:4).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Mihamatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy rehefa mankatò aho.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hirao ny “La foi” (CPE, 50). Ataovy eo amin’ny taratasy lavalava ny fehezanteny tsirairay ao amin’ny andininy faharoa. Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary omeo taratasy lavalava iray ny vondrona tsirairay. Asaivo mitsangana ny von- drona tsirairay dia mihira ny andalana nomena azy araka ny filaharany ao amin’ilay hira. Asaivo mifanakalo tara- tasy lavalava ireo vondrona ary mamerina izany mandra- pananan’ny vondrona tsirairay fahafahana nihira ny andininy tsirairay. Asao ny ankizy mba hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ireo fomba entin’izy ireo ma- neho ny fankatoavana. (Azo atao anatin’ny vondrona misy azy ireo izany na miaraka amin’ny Kilonga iray
manontolo.) Mizarà zavatra niainana iray amin’ny ankizy izay nampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Apetaho eny amin’ny solaitrabe ny sarin’i Jesoa Kristy. Manaova sarina tohatra misy zanatohatra efatra izay mi- tondra mankeny amin’ilay sary. Iaraho manambara ny fanekem-pinoana fahefatra ary asao ny ankizy mba hita- nisa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazan- tsara dia soraty eo amin’ny zanatohatra tokony hisy azy avy izy ireo. Isao amin’ny rantsantananao izany rehefa manonona ny fitsipika sy ôrdônansy tsirairay ianao. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hitadidy ny fanekem-pinoana fahefatra.
Fanahy Masina
Finoana an’i Jesoa Kristy
Ampiasao ny Solaitrabe Afaka ny ho fitaovana mahomby anankiray enti-mampianatra ny solaitrabe. Mampiasa sarina tsipika tsotra mba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara.
Herinandro 2: Afaka mibebaka aho.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Haza- vao fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka isika rehefa manao zavatra ratsy, izay midika hoe mijanona tsy manota ary mitodika any amin’Andriamanitra. Ha- zavao fa ny fibebahana dia ahitana ny fanenenana, ny fangatahana famelana, ny fanitsiana ny tsy mety natao ary ny tsy famerenana izany intsony. Resaho vetivety ny mikasika ireo dingana ireo ka antitrantero amin’izany
ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika. Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary omeo zava-mi- tranga iray hianaran-javatra ny vondrona tsirairay. Asaivo vakin’izy ireo ilay zava-mitranga dia ifanakalo- zany hevitra ny fomba hataon’izy ireo mba hibebahana. Ohatra, misy olona iray tezitra dia novonoiny ilay iray tampo aminy. Inona no tokony hataony? Manehoa fan- kasitrahana noho ilay fahafahana mibebaka izay nome- n’i Jesoa Kristy antsika.
Fanampiana: Ny fanasana ny ankizy mba hizara zavatra ao anatin’ ny vondrona kely dia manome fahafahana ho an’ny ankizy maro kokoa handray anjara. Efa mipetraka ao ana- tin’ny vondron’ny kilasy ny ankizy mandritra ny fotoana ifanakalozana. Ireo vondrona ireo dia azo tazonina rehefa manao asa ao anatin’ny von- drona kely mitsitokotoko. Ireo mpampianatra isaky ny kilasy dia afaka manampy mba hi- sian’ny fandraisan’anjara sy mba hihazonana ny fanajana.
Hira izay tianao ao amin’ny Chants pour les Enfants
11
Herinandro 3: Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Manasà ankizy anankiroa ho eny anoloana mba hampi- sehoana ny dikan’izany fampanantenana izany. Asaivo miteny ilay ankizy voalohany hoe, “Mampanantena aho fa _____ (hampindrana ny bokiko anao) raha toa ka mampanantena ianao ______ (fa haverinao izany).” Asaivo manaiky izany ilay ankizy faharoa ary mandray ny tanan’ilay ankizy voalohany. Hazavao fa ny atao hoe fanekempihavanana dia fampanantenana ifanaovan’ny lafiny anankiroa. Soraty eo amin’ny faritra ilan’ny solai- trabe ny hoe “Andriamanitra dia Mampanantena” ary eny amin’ny faritra ilany hafa ny hoe “Isika dia Mampa- nantena.” Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fampanantenana amin’Andriamanitra ary manao fam- panantenana amintsika koa Izy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hirao ny “La foi” (CPE, 50). Ataovy eo amin’ny taratasy lavalava ny fehezanteny tsirairay ao amin’ny andininy faharoa. Zarao ho vondrona efatra ny ankizy ary omeo taratasy lavalava iray ny vondrona tsirairay. Asaivo mitsangana ny von- drona tsirairay dia mihira ny andalana nomena azy araka ny filaharany ao amin’ilay hira. Asaivo mifanakalo tara- tasy lavalava ireo vondrona ary mamerina izany mandra- pananan’ny vondrona tsirairay fahafahana nihira ny andininy tsirairay. Asao ny ankizy mba hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ireo fomba entin’izy ireo ma- neho ny fankatoavana. (Azo atao anatin’ny vondrona misy azy ireo izany na miaraka amin’ny Kilonga iray ma- nontolo.) Mizarà zavatra niainana iray amin’ny ankizy izay nampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy.
Ankizy ampiasaina mba ho fitaovana jeren’ny maso Ny fampiasana ankizy ho toy ny fitaovana jeren’ny maso dia hampifantoka ny sain’izy ireo ary hanomana azy ireo mba hianatra. Ohatra, ity fotoana ifanakalozana ity dia manomboka amin’ny alalan’ny fampiasana ankizy mampiseho ny hevitra fonosin’ny hoe fampanantenana.
Herinandro 4: Rehefa raisina ho mpikambana aho dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mampisehoa sarin’ny ankizy iray raisina ho mpikam- bana ary anontanio ny ankizy hoe inona no zavatra mi- tranga eo amin’ilay sary. Anontanio hoe: “Inona no atao hoe fanomezana ny Fanahy Masina?” Hamafiso fa ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ny fananana zo ha- nana ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Hirao ny “Le Saint-Esprit” (CPE, 56).
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manasà mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka anankiray mba
ho tonga ao amin’ny Kilonga. Omeo fanontaniana mba hapetraka aminy ny ankizy maromaro toy ny hoe: Inona no fisoronana hazoninao? Ahoana no fomba nahazoanao ny fisoronana? Ahoana no fomba handraisanao olona iray ho mpikamban’ny Fiangonana? Inona no dikan’izany hoe “fametrahan-tanana?” Inona no dikan’izany hoe “mandray ny Fanahy Masina?” Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy? Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra niainany mikasika ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo.
Fanampiana: Rehefa mi- zara ny zavatra tsapany momba ny filazantsara ny an- kizy dia manasa ny Fanahy izany. Ampio ny ankizy hahata- katra fa ilay fiadanana sy fitia- vana tsapany dia avy amin’ny Fanahy Masina. Ny zavatra to- kony hifantohana ao anatin’ny fotoana ifanakolazana herinan- dro 4 dia ny fanentanana ny ankizy hizara ny fomba nanam- pian’ny Fanahy Masina azy ireo. Ataovy izay hanamboara- nao tontolo feno fanajana mba hahafahan’izany mitranga.
12
Jona Mijoro ho Vavolombelona momba ny Fahamarinan’ny Zavatra Rehetra ny Fanahy Masina “Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampio ny ankizy hitadidy ny fanekem-pinoana voalo- hany amin’ny alalan’ny fizarana azy ireo ho vondrona telo. Manondroa vondrona iray dia asaivo milaza izao izy ireo, “Mino an’Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay isika.” Manondroa indray vondrona iray hafa ary asaivo milaza izao izy ireo, “Ary mino an’i Jesoa Kristy Za- nany.” Tondroy ilay vondrona fahatelo ary asaivo milaza izao, “Sy ny Fanahy Masina.” Avereno izany ka omeo fa- hafahana hilaza ireo andian-teny tsirairay ireo ny von- drona tsirairay. (Azonao atao ny mangataka ny ankizy madinika mba hanangana ny rantsantanany isaky ny andian-teny.) Hazavao fa ny mpikambana telo ao amin’Ny Andriamanitra dia ny Ray any an-danitra, i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Lazao ny ankizy fa ny Fanahy Masina dia fanahy iray izay tsy manana va- tana nofo sy taolana.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Asao ny ankizy mba hanokatra ny soratra masiny ary hiaraka hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
130:22. Angataho izy ireo mba hihaino ny antony tsy ananan’ny Fanahy Masina vatana. Vakio ny Fotopampia- narana sy Fanekempihavanana 8:2. Asaivo manondro ny lohany ny ankizy rehefa miteny ianao hoe “sainao” ary asaivo manondro ny fony rehefa miteny ianao hoe “ fonao.” Mizarà fomba hitenenan’ny Fanahy Masina ao an-tsainao sy ao am-ponao (jereo ny Galatiana 5:22). Angataho ny ankizy mba hizara fotoana nahatsapan’izy ireo ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Zarao ho vondrona dimy ny ankizy. Omeo iray amin’ireto sora- tra masina ireto ny vondrona tsirairay ary asaivo tadiavi- n’izy ireo ny fanampiana omen’ny Fanahy Masina antsika: Jaona 14:26 (mankahery sy mampianatra); 2  Nefia 32:5 (milaza amintsika ny tokony hatao); Môsià 5:2 (manova ny fontsika); Môrônia 8:26 (mameno fanan- tenana sy fitiavana antsika); Fotopampianarana sy Fane- kempihavanana 20:27 (mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy). Asao ny vondrona tsirairay hilaza amin’ny ankizy ambiny ao amin’ny Kilonga ny zavatra nianarany.
Herinandro 2: Miresaka amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mi- tenena amin’ ny feo malefaka dia malefaka hoe: “Ireo re- hetra izay mandre ahy dia ataovy eo amin’ ny orona ny fanondro. Ireo rehetra izay mandre ahy dia ataovy eo amin’ ny loha ny tanana.” Tohizo hatrany amin’ ny fari- tra hafa amin’ ny vatana izany mandra-pahenoan’ny an- kizy rehetra ilay feonao malefaka dia malefaka. Azonao faranana amin’ny fangatahana azy ireo mba hampifa- nindry ny tanany izany. Hazavao fa na dia niteny nale- faka aza ianao dia afaka naheno ny feonao sy nanao ny zavatra nasainao natao ireo ankizy rehefa nihaino tsara. Hazavao fa ny Fanahy Masina dia miresaka amintsika amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tampeno ny mason’ny ankizy anankiray ary tariho ho eny amin’ny toerana iray hafa ao amin’ny efitrano izy. Lazao ilay
ankizy hoe: “Raha matoky sy mihaino ahy ianao dia hoentiko miverina eny amin’ny sezanao.” Omeo torola- lana amin’ny alalan’ny feo malefaka mba hiverenany soa aman-tsara eny amin’ny sezany ilay ankizy. Anontanio hoe: “Inona no mampitovy izany amin’ilay fomba fitari- han’ny Fanahy Masina antsika?” Asehoy ny mahatonga ny Fanahy Masina ho azo oharina amin’ilay Liahônà amin’ny alalan’ny fizarana ilay tantara mikasika ny tsipìkan’i Nefia tapaka (jereo ny 1 Nefia 16:18–32). Ampiasao ireo fihe- tsika nampiasaina tany amin’ny lesona hafa ao anatin’ity rindran-damina ity ( Jereo ny Martsa, herinandro 3, na ny Aogôsitra, herinandro 4). Hazavao fa toy ny nitarihan’ny Liahôna ny olona araka ny finoany sy ny faharisihany no hitarihan’ny Fanahy Masina antsika koa araka ny fahama- rinan-toetrantsika rehefa mihaino ny feony isika.
Hira: “Le Saint-Esprit” CPE, 56)
Fanampiana: Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny mianatra ny fahamarinan’ny filazantsara avy amin’ny soratra masina. Ampio ny ankizy hifantoka sy hihaino rehefa vakina ny sora- tra masina. Na ny ankizy madi- nika aza dia afaka mihaino teny iray manokana na roa rehefa mamaky andinin-tsoratra ma- sina iray ianao.
13
Mampifanaraka ny lesona amin’ny zavatra ilaina Ampifanaraho amin’ny taonan’ny ankizy ny lesona. Ampiasao ireo hevitra sy asa atao avy ao amin’ireo boky hafa nankatoavin’ny Fiangonana, toy ny manuel de la garderie sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana.
Herinandro 3: Afaka mitarika sy miaro antsika ny Fanahy Masina.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ireo mpikambana sasany ao amin’ny paroasy mba hizara tan- tara mikasika ny fomba hitarihan’ny Fanahy Masina an- tsika na hiarovany antsika. Afaka mizara zavatra niainany manokana izy ireo na tantara avy ao amin’ny soratra ma- sina na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana (jereo ohatra ny Enseignements des Présidents de L’Église: Wilford Woodruff [2004], 46–47). Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary avezivezeo ireo vondrona na ireo mpitantara tantara man- dra-pahenon’ny vondrona tsirairay ny tantara rehetra. Asaivo hirahirain’ny ankizy any anatiny any ny “Le Saint- Esprit” (CPE, 56) rehefa mandeha mifindrafindra mba hi- haino ireo mpitantara tantara izy ireo.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Zarao roa ny solaitrabe. Soraty hoe “Fanapahan-kevitra lehibe” eny amin’ny tampon’ilay faritra iray ary “Manasa ny Fa- nahy Masina” eny amin’ny tampon’ilay faritra iray hafa. Asaivo tanisain’ny ankizy ao amin’ilay faritra voalohany ireo fanapahan-kevitra lehibe horaisin’izy ireo mandritra ny fiainany. Dia asaivo tanisain’izy ireo ao amin’ilay faritra faharoa ny zavatra hataon’izy ireo mba hanasana ny Fa- nahy Masina ho ao amin’ny fiainan’izy ireo mba hahafa- han’izy ireo mahazo fanampiana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Fanapahan-kevitra Lehibe Ho marin-toetra
Hatao batisa Hanao asa fitoriana Manasa ny Fanahy Masina Mivavaka Miangona Mamaky ny soratra
masina
Ampiasao ny Solaitrabe Fitaovana mahomby enti-mampianatra ny solaitrabe. Azo ampiasaina izy ireo mba hiarahabana ny ankizy, hametrahana fanontaniana, hampahafantarana ny fotopampianarana, hiraketana hevitra ary hampisehoana tantara na sahan-kevitra (jereo ny EPPGA, 162–63).
Herinandro 4: Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Iaraho mamaky ny Môrônia 10:5 ary mijoroa ho vavo- lombelona fa hanampy antsika hahafantatra ny marina ny Fanahy Masina. Lazao ny ankizy fa indraindray izy ireo dia mety hahatsapa hafanana anaty sy fiadanana rehefa any am-piangonana na rehefa manao asa fanehoam-pitiavana na rehefa mivavaka sy ma- maky ny soratra masina. Hazavao fa izany fia- danana tsapa izany dia ny Fanahy Masina izay mampahafantatra azy ireo fa ma- rina sy araka ny tokony ho izy ireo zavatra ireo. Zarao ho vondrona isaky ny kilasy ny ankizy ary asaivo ataony ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto: (1) Ma- nao ilay kilalao miaraka amin’ny goba hita ao amin’ny manuel de la garderie, Voyez vos petits
enfants (jereo ny pejy 29, 31). (2) Mizara zavatra niai- nana mifandray amin’ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo. (Azonao atao ny manasa ny mpampia- natra iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba hizara izay zavatra niainany aloha.)
Fanampiana: Ny fomba iray hanasana ny Fanahy dia amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana ny ankizy hizara ny zavatra hataony mba hiainana ireo fahamarinan’ny filazan- tsara. Eritrereto ny fomba aha- fahana manome azy ireo izany fahafahana izany mandritra ny leson’ny fotoana ifanakalozana.
14
Jolay Afaka Manaraka ny Ohatr’i Jesoa Kristy Aho Hoy i Jesoa hoe, “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Nankatò ny Ray any an-danitra hatrany i Jesoa Kristy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Manomàna taratasy kely miisa dimy izay ahitana ny iray amin’ireto teny manaraka ireto ao amin’ny lafiny ilany ary ny andinin-tsoratra masina mifandraika ami- n’izany ao ambadika: Tsy (Mosesy 4:2); ny sitrapoko (Lioka 22:42); fa (3 Nefia 27:13); ny Anao ( Jaona 6:38); no hatao ( Jaona 4:34). Zarao ho vondrona dimy ireo an- kizy ary omeo iray amin’ireo taratasy kely ny vondrona tsirairay. Hazavao fa milaza hafatra mitovy mikasika ny fomba niainan’i Jesoa Kristy ny fiainany ireo soratra masina rehetra ireo. Asao ireo mpampianatra mba ha- nampy ireo ankizy hahatakatra ilay hafatra ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Angataho ny vondrona tsirairay hitatitra ny zavatra nianarany rehefa mametraka ny
taratasin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hanampy anao handamina ireo teny ho eo amin’ny toe- rana tokony hisy azy dia vakio miaraka ilay fehezanteny avy eo.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Avelao ny ankizy hanolotra ireo fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana ireo didin’ny Ray any an-danitra. Angataho ny ankizy tsi- rairay hanoratra hevitra iray na haneho izany an-tsary amin’ny taratasy lavalava iray. Ampifandraiso ireo taratasy lavalava mba ho lasa rojon-taratasy. Asehoy fa tahaka ny fitombon’ny halavan’ilay rojo amin’ny alalan’ny asa fane- hoana fankatoavana tsirairay no hitomboan’ny finoan- tsika isak’izay mankatò isika.
Fampahafan- tarana ireo
ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana ampianarinao.
Izany dia manampy ireo ankizy hahatakatra sy hampihatra
izany tsaratsara kokoa.
Herinandro 2: Nandehandeha nanao soa i Jesoa Kristy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mampise- hoa kapa hoditra roa amin’ireo ankizy (na sary izay ahi- tana an’i Jesoa manao kapa). Hazavao fa nanao kapa tahaka an’ireo i Jesoa rehefa nandehandeha nanao soa. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: “Nandehandeha nanao soa [Izy] satria Andriamanitra nomba Azy” (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:38). Anga- taho ireo ankizy hiara-hamerina an’io fehezanteny io miaraka aminao. Asio sary izay mampiseho ireto zava- nitranga manaraka ireto manerana ny efitrano: I Jesoa mitsodrano ireo ankizy (jereo ny 3 Nefia 17:21–24), i  Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba (jereo ny Jaona
9:1–17), i Jesoa manangana ny zanakavavin’i Jaïro amin’ny maty (jereo ny Matio 9:18–19, 23–25), ary i Jesoa mamahana ireo olona 5.000 (jereo ny Jaona 6:5– 14). Angataho ny ankizy mba hanao toy ny hoe mampi- ditra kapa ary asaivo mandeha eny akaikin’ny sary iray izy ireo. Asao ny ankizy maromaro mba hamaritra ny zavatra ataon’i Jesoa ao amin’ilay sary. Asao izy ireo ha- merina ilay fehezanteny hoe “Nandehandeha nanao soa [Izy], satria Andriamanitra nomba Azy” alohan’ny han- dehanany eo akaikin’ny sary manaraka. Avereno isaky ny sary tsirairay izany.
Fanampiana: Ny fihetsike- tsehana mandritra ny fotoan’ny Kilonga dia mihazona ny ankizy handray anjara mavitrika sy hi- fantoka tsara. Arindrao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny isan’ireo Kilonganao. Ohatra, ny kilasin’ny Kilonga ahitana ankizy betsaka dia tokony han- dehandeha eo am-pitoerana ihany fa tsy handeha eny ami- n’ireo sary araka izay hita ao amin’ny herinandro 2.
Hira: “Viens et suis-moi” (Cantiques, no. 61)
Tsy ny
hatao
Fanampiana: Hahomby kokoa ny fianaran’ireo ankizy raha mampiasa karazana fomba fampianarana maro ianao. Ohatra, ao amin’ny herinandro 2, ireo ankizy dia mamantatra ny fotopampiana- rana sy mijery sary ary manao asa hanetseham-batana izay mifandray amin’ilay fotopam- pianarana.
15
Herinandro 3 sy 4: Mampianatra ahy ny fomba tokony hiainana ny ohatr’i Jesoa Kristy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lisitra roa izay ahitana zavatra tsy manaraka filaharana—lisitra iray misy soratra masina maromaro izay ahitana an’i Jesoa Kristy mampiseho ohatra mba harahantsika ary lisitra iray ahitana hira maromaro mifandray amin’ireo soratra masina ireo. Zarazarao ho vondrona maromaro ny ankizy. Omeo sary iray mampiseho ny iray amin’ireo zava-niseho ao amin’ny soratra masina izay notanisainao ny vondrona tsirairay. Asao ny vondrona tsirairay hampifandray ny sarin’izy ireo amin’ny soratra masina iray sy hira iray eny amin’ny solaitrabe. Angataho ireo vondrona han- deha tsirairay ka hampiseho ny sarin’izy ireo sy hana- zava ilay ohatra nasehon’i Jesoa ary hitarika ny sisa amin’ireo Kilonga amin’ny fihirana ilay hira. Ireto ma- naraka ireto ampiasaina: • I Jesoa Zazalahikely teo amin’ny Kianjan’ny Tempoly,
Lioka 2:42–49, “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” (CPE, 67)
• I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa, Matio 3:13–17, “Baptême” (CPE, 54–55)
• Mandehana Ianareo, Matio 28:19–20, “Proclamons la vérité” (CPE, 92–93)
• I Jesoa Manasitrana ireo Nefita, 3 Nefia 17:7–9, “Je viens vers toi” (CPE, 78–79)
Mijoroa ho vavolombelona fa i Kristy ihany no ohatra tonga lafatra tokony harahantsika.
Mifanka-
tiava
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Maneteza sarina fo avy amin’ny taratasy iray dia asio soratra hoe Mifankatiava. Ataovy ao anatin’ny soratra masinao ao
amin’ny Jaona 13:34 izany. Asao ny mpianatra iray hamadibadika ny sora- tra masinao mba hitady ilay fo. Haza- vao fa mampianatra ny fomba tiany
hitondrantsika ny hafa i Jesoa ao ami- n’io soratra masina io. Angataho ireo
ankizy hitady ny Jaona 13:34 ao amin’ny soratra masin’izy ireo ary hamaky izany mia-
raka. Omeo sarina fo taratasy misy ilay soratra masina ny ankizy tsirairay avy mba hataony ao anatin’ny soratra ma- siny manokana ary asao izy ireo hizara izany asa nataony izany amin’ny fianakaviany.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Angataho ireo ankizy hanao faribolana iray na maromaro. (Raha tsy misy toerana malalaka hanaovana izany dia asaivo mitodika mifanatrika amin’ny laharan’ankizy iray ny laharan’ankizy iray hafa.) Omeo ny vondrona tsirairay ny tady kely iray natsofoka tamin’ny bokotra iray ary mifamatotra ny lohany roa. Eo am-pihi- rana ny “Aimez vos frères” (CPE, 74), dia asaivo asosan’ireo ankizy manaraka ilay tady kely ilay bokotra. Ajanony tampoka ilay hira dia an- gataho ilay ankizy (na ireo ankizy) mitazona ilay bokotra mba hizara fomba izay azon’izy ireo hanehoana fitiavana amin’ny hafa. Farano izany amin’ny fanasana ankizy ma- romaro mba hitantara fotoana iray izay nanehoan’ny hafa fitiavana tamin’izy ireo.
Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira
Mba hanampiana ireo ankizy hianatra ny “Viens et suis- moi” (Cantiques, no. 61), dia ataovy izao manaraka izao: • Amporisiho ny ankizy hanaraka izay ataonao rehefa
mikasika ny oronao sy manetsiketsika ny tananao ary mampifanindry ny sandrinao ianao. Lazao amin’izy ireo fa afaka manaraka an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra nataony isika. An- gataho izy ireo hanao ny paikam-peon-kira amin’ny alalan’ny fikapohana ny felatanana iray amin’ny
rantsana roa amin’ny tanana ilany rehefa hiraina ilay hira.
• Manomana sarina dian-tongotra misy ny tonon’ilay hira. Asao ireo ankizy hametraka tsirairay eo amin’ny solaitrabe ireo dian-tongotra rehefa mihira ianao ary averin’izy ireo hiraina ny andian-teny tsirairay avy eo. Ataovy izay handaminana ireo dian-tongotra mba hi- tondra eny amin’ny sary irain’ny Mpamonjy.
“Viens et suis-moi,”
à Jésus Christ.
Ireo mpitarika hira dia afaka manao izay handraisan’ireo ankizy anjara mavitrika amin’ny fianarana ny fotopampianarana ao amin’ilay hira rehefa
hain’ny ankizy ny mampifandray ny tononkira sy ny feonkira ary ireo fitaovana jeren’ny maso. Afaka manala tsikelikely ireo dian-tongotra ireo ankizy mandritra ireo herinandro manaraka mandra-pahain’izy ireo ilay hira.
Tsindrio eto hakana ireo dian-tongotra.
16
Aogositra Zanak’Andriamanitra i Jesoa Kristy ary Andriamanitry ny Fahagagana Izy “Fa indro, Izaho no Andriamanitra; ary Andriamanitry ny fahagagana Aho; . . . ary tsy miasa eo anivon’ ny zanak’ olombelona Aho raha tsy noho ny finoany” (2 Nefia 27:23).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1: Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Manaova sarina tsipika kely folo eo amin’ny solaitrabe ka ny tsipika iray dia ho an’ny tarehintsoratra iray ao amin’ny teny hoe fahagagana. Angataho ireo ankizy ha- mantatra hoe inona ilay teny. Soraty ilay tarehintsoratra voalohany ary angataho ireo ankizy hamantatra indray hoe inona ilay teny. Soraty ilay tarehintsoratra faharoa dia angataho izy ireo hamantatra hoe inona ilay teny. Avereno isaky ny tarehintsoratra mifandimby izany mandra-pahitan’izy ireo ilay teny. Lazao amin’ireo an- kizy fa ny fahagagana dia zava-miseho tsy mahazatra izay tonga amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Zara- zarao ho vondrona ny ankizy. Samy omeo an’ireto tara- tasy lavalava misy soratra manaraka ireto ny vondrona tsirairay avy: ny, fahagagana, dia, mampiseho, fa, manana, hery, amin’ny, tany, i, Jesoa Kristy,. Angataho ny vondrona
tsirairay handahatra ireo teny amin’ny toerana tokony hisy azy. (Ireo taratasy lavalava misy soratra dia azo alaina ao amin’ny LDS.org.)
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tantarao amin’ny teninao manokana ilay tantaran’i Jesoa nampi- tony ilay tafio-drivotra (Marka 4:36–39) sy nameno tron- dro ireo harato (Lioka 5:1–11). Asao ireo ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ireo tantara (toy ny fanaovana ny feon’ny rivotra sy ny fitopan’ny onjan-drano ary ny fi- sarihana harato tsy misy na inona na inona sy harato feno trondro). Isaky ny tantara tsirairay dia mijoroa ho vavo- lombelona momba ny fomba hampisehoan’izany ny fana- nan’i Jesoa Kristy fahefana amin’ny tany. Asao ireo ankizy hifanakalo hevitra mikasika ny fomba nanampian’ireo fa- hagagana ireo ireo olona nila fanampiana.
Herinandro 2: Afaka manasitrana ny marary i Jesoa Kristy
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy. Angataho ny mpam- pianatra iray isaky ny vondrona mba hamaky na hitan- tara tantara ao amin’ny soratra masina izay ahitana an’i Jesoa manasitrana olona, toa ireo lehilahy roa jamba (Matio 9:27–31), olona manan-kilema (Jaona 5:1–9), ireo boka folo (Lioka 17:12–19), na ilay zanakalahin’ny tandapa (Jaona 4:46–53). Asao ireo ankizy hanao sary
mba hanehoana ilay tantara. Azonao atao ny mangataka ankizy vitsivitsy hizara ny sary nataon’izy ireo sy ny tantaran’izy ireo amin’ny Kilonga rehetra. Rehefa mi- zara ny tantarany izy ireo dia asao mba haka sary an- tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ireo olona nositranin’i Jesoa. Asao ny ankizy hizara ny sary nataon’izy ireo amin’ny fianakaviany any an-trano.
Hira izay tianao ao amin’ny Chants pour les Enfants
Fanampiana: Mianatra amin’ny alalan’ny fanaovan- javatra ny ankizy. Asao ireo ankizy hampiasa fihetsika mba hitantarana tantara iray. Ataovy miaraka amin’ireo an- kizy ireo fihetsika alohan’ny hi- tantaranao ilay tantara. Izany dia hanamora ny fihainoan’ireo ankizy sy ny fifantohan’izy ireo rehefa tantaraina ilay tantara.
Fanaovana asa ao anatin’ny vondrona kely mitsitokotoko
Ny fanaovana asa ao anatin’ny vondrona kely mitsitokotoko
dia mihazona ankizy betsaka kokoa mba handray anjara
mavitrika amin’ny fianarana. Efa mipetraka ao anatin’ny
vondron’ny kilasy ny ankizy mandritra ny fotoana ifa-
nakalozana. Ireo vondrona ireo dia azo tazonina rehefa
manao asa ao anatin’ny von- drona kely mitsitokotoko.
17
Herinandro 3: Manana fahefana handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ny mpikambana vitsivitsy ao amin’ny paroasy mba ho avy ao amin’ny Kilonga ka hitantara fohy ireto tantara ma- naraka ireto tahaka ny hoe nanatri-maso ireo zava- niseho ireo izy ireo: ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty (Jaona 11:1–45); ny fitsanganan’ny zanakavavin’i Jaïro tamin’ny maty (Marka 5:21–24, 35–43); ny fitsan- ganan’ny zanakalahin’ilay mananotena tamin’ny maty
(Lioka 7:11–16); ary ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty (Jaona 20:1–18). Afaka manao fitafiana tsotra entina milalao ilay olona ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ireo, toy ny saron-doha na akanjo lava. Ampori- siho izy ireo hijoro ho vavolombelona fa manana fahe- fana handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy ary hitsangana amin’ny maty avokoa ny tsirairay amintsika.
Herinandro 4: Tonga amin’ireo izay manam-pinoana ny fahagagana.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9: “Nefa indro, tsy avy amin’ ny famantarana ny finoana, fa ny famantarana no mana- raka ireo izay mino.” Hazavao fa ny teny hoe famanta- rana ao amin’io soratra masina io dia azo adika ihany koa hoe fahagagana. Angataho ireo ankizy hitsangana ary hiara-hamaky mafy ilay soratra masina. Resaho ilay teny hoe finoana. Hazavao fa tsy voatery ho zava- mitranga tena mahatalanjona foana ny fahagagana ary isika dia tsy maintsy manam-pinoana aloha izay vao ha- hita ireo fahagagana eo amin’ny fiainantsika. Hazavao ihany koa fa na manam-pinoana aza isika dia mbola ha- hatsapa alahelo sy fanaintainana ary fahoriana, kanefa fantatr’Andriamanitra ny zavatra ilaintsika ary hiahy antsika Izy.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tantarao amin’ny teninao manokana ny tantaran’i Mosesy nanga- taka tamin’i Farao mba hamela ny vahoakan’Andriamani- tra hiala tao Egypta (Eksodosy 7–10). Alohan’ny hanombohana ilay tantara dia asao ireo ankizy mba ha- nao ireo feo na fihetsika izay mifanaraka amin’ny sasany amin’ireo loza. Ohatra, afaka manetsika ny sandriny ireo ankizy ary manao feo toy fisasasasan’ny rano na mihao- traotra vatana mba hanehoana ny moka na mitrena
ohatra an’ny omby na mitaraina mba hanehoana ireo vay. Angataho ireo ankizy hihaino tsara rehefa mitantara ilay tantara ianao. Lazao amin’izy ireo fa rehefa manangana ny tananao ianao dia afaka manao ilay feo na ilay fihetsika hanehoana ilay loza resahanao izy ireo, ary rehefa mam- pidina ny tananao ianao dia tokony hijanona izy ireo. Rehefa avy mitantara ireo loza tsirairay ianao dia lazao amin’ireo ankizy fa mbola nandà tsy hamela ireo vahoaka handeha foana i Farao. Nahita fahagagana sy famantarana maro i Farao, saingy tsy nety nino an’Andriamanitra izy. Ampitahao amin’ny ohatra iray izay namoahan’ny finoana fahagagana ity tantara ity (ohatra, i Elia sy ilay manano- tena tao Zarefata, na i Daniela sy ireo liona, ny rahalaha- n’i Jareda na i Nefia sy i Lehia tao am-ponja). Raha mbola misy ny fotoana dia avelao ireo ankizy haneho fihetsika mifanaraka amin’ilay tantara.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Asao ny fianakaviana iray na roa ao amin’ny paroasy mba hizara ny fomba nitahian’ny fahagagana azy ireo rehefa nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. (Mangataha mialoha kokoa amin’ireo fianakaviana mba hananan’izy ireo fotoana hiomanana.) Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manam-pinoana isika dia hahita fahagagana eo amin’ny fiainantsika.
Fanampiana: Rehefa mi- zara amin’ny hafa ny zavatra izay nianarany tao amin’ny Ki- longa ireo ankizy dia manamafy ny fahatakarany sy ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ilay fotopampianarana izany. Ao amin’ny herinandro 2 izy ireo dia hamporisihina mba hizara ny zavatra nianarany tany an- trano. Hanome fahafahana ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara any an- trano izany ary hanamafy orina ny fianakaviana.
Hamorao ny fahatakaran-javatra. Rehefa milalao ireo tantara ao amin’ny soratra
masina ireo ankizy dia afaka mitadidy sy mahatakatra izany bebe kokoa izy ireo.
18
Septambra Mankatò an’i Jesoa Kristy Aho Satria Tiako Izy “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” ( Jaona 14:15).
Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”
Herinandro 1 sy 2: Maneho fitiavana amin’i Jesoa Kristy aho rehefa mitandrina ny didy.
Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mba hanampiana ireo ankizy hanao tsianjery ny Jaona 14:15, dia manaova sarina fo sy sary mampiseho ny Didy Folo. Zarao ho vondrona roa ny ankizy. Atsangano ambony eo anoloan’ny vondrona iray ilay sarina fo ary asaivo mitsangana izy ireo dia miteny hoe, “Raha tia ahy ianareo.” Atsangano ambony eo anoloan’ilay von- drona iray hafa ilay sary maneho ny Didy Folo ary asaivo mitsangana izy ireo dia miteny hoe, “Dia hitan- drina ny didiko.” Avereno imbetsaka izany. Afaka mia- natra ny ampahany voalohany amin’ny Jaona 14:21 araka izany fomba izany ihany ireo ankizy lehibe kokoa (“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy”).
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mano- màna taratasy kely maromaro izay ahitana didy iray avy isaky ny taratasy (toy ny hoe mamaky soratra masina sy manao fitafy maotina ary mitandrina ny tenin’ny fahen- drena). Ataovy ao anaty fitoeran-javatra iray ireo taratasy kely ary mangataha ankizy iray hifidy iray ary haneho amin’ny fihetsika ny fomba hitandremana ilay didy. Asaivo fantarin’ireo ankizy hafa ny zavatra ataon’io ankizy io. Hirao ny “Pour trouver la paix” (CPE, 68–69). Rehefa
mihira ny fiverenan-kira ianao dia asao ilay ankizy hita- rika ireo ankizy hafa haneho amin’ny fihetsika ny fomba ahafahan’izy ireo mitandrina ilay didy. Asao ny mpianatra maromaro hizara ny fomba hitahian’ny fitandremana didy azy ireo.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Asehoy ny “Mes principes de l’évangile” ary avereno resa- hana miaraka amin’ny ankizy ireo fitsipika. Hazavao fa ny fanarahana ireo fitsipika ireo dia mampiseho ny fitiavan- tsika an’i Jesoa Kristy. Soraty amin’ny taratasy misaratsa- raka ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Eksodosy 20:7; Eksodosy 20:8–10; Eksodosy 20:12; Jaona 13:34–35; Môsià 18:10; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:40–41. Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary omeo iray amin’ireo soratra masina ny von- drona tsirairay mba hovakiny miaraka. Asao izy ireo hampifandray ilay soratra masina amin’ny iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ary hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo miaina izany fitsipika izany. Asao izy ireo hizara ny eritreriny amin’ireo ankizy am- biny ao amin’ny Kilonga.
Fanaovana Tsianjery ny
jeren’ny maso mandritra ny fotoana hitanisana soratra
masina dia hanampy ireo ankizy hitadidy.
Fanampiana: Ny fanao- vana tsianjery ny soratra ma- sina dia afaka manampy ireo ankizy hianatra ireo fotopam- pianaran’ny filazantsara. Afaka ny ho loharano mitondra fam- paherezana sy fitarihana ireo tenin’ny soratra masina (jereo ny EPPGA, 171). Ao amin’ny herinandro 1 dia zavatra telo no hanampy ny ankizy hanao tsianjery ny soratra masina: ny famerimberenana sy ny andian- teny fohy ary ny fitaovana jerena amin’ny maso.
Tsindrio eto hakana ireto sary ireto.
19
Herinandro 3: Mitombo ny fitiavako an’i Jesoa Kristy rehefa mivavaka aho.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao ho vondrona kely ny ankizy. Asao ny vondrona tsirairay hamaky sy hiresaka an’ity soratra masina manaraka ity ka hitady ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka: 3 Nefia 18:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:28, 38; 88:63–64. Antitrantero fa mampianatra antsika hivavaka amin’ny Ray any an- danitra amin’ny Anarany ny Mpamonjy ary izany dia manampy antsika hahatsapa ho akaiky Azy kokoa.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Omeo tahadikan’ilay sary ao amin’ny pejy 19 ao amin’ny Manuel de la garderie, Voyez vos petits enfants ny ankizy tsirairay. Avelao ireo ankizy handoko ilay sary sy hitondra izany mody mba hizaran’izy ireo izany amin’ny fianakaviany.
Hamorao ny fahatakaran-javatra ary am- porisiho ny fanaovana fampiharana: Mi- hirà hira iray mikasika ny vavaka avy ao amin’ny Chants pour les enfants, toy ny “La prière d’un enfant” (CPE, 6–7) na “Le front baissé” (CPE, 18). Resaho amin’ny ankizy ny fomba hitomboan’ny fitiavanao ny Tompo rehefa miva- vaka ianao. Manaova tabilao mizara efatra eo amin’ny so- laitrabe. Soraty eo amin’ny tampon’ilay faritra voalohany ny hoe Ny Raintsika any an-danitra. Soraty eo amin’ny tampon’ilay faritra faharoa ny hoe Misaotra Azy noho ireo fitahiana. Soraty eo amin’ny tampon’ilay faritra fahatelo ny hoe Mangataka fitahiana Aminy. Soraty eo amin’ny tampon’ilay faritra farany ny hoe Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena. Angataho ireo ankizy hitanisa amin’ireo vondron’ny kilasin’izy ireo ireo fitahiana izay ananan’izy ireo fankasitrahana. Dia angataho avy eo ny vondrona tsi- rairay hilaza fitahiana iray izay ananan’izy ireo fankasitra- hana rehefa manoratra izany fitahiana izany ao amin’ny faritra faharoa ianao. Avy eo dia angataho ireo ankizy hi- fanakalo hevitra ao anatin’ny vondron’ny kilasin’izy ireo mikasika ireo fitahiana azon’izy ireo angatahina amin’ny Ray any an-danitra ary soraty ao amin’ny faritra fahatelo ny valintenin’izy ireo. Avereno jerena ny teny atao amin’ny vavaka.
Herinandro 4: Mitombo ny fitiavako an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina soratra masina aho.
Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tantarao ilay tantaran’i Jesoa Kristy nanasitrana sy nitsodrano ireo vahoaka 3 Nefia 17:7, 9–12, 20–24, na asao ireo ankizy lehibe hamaky izany ao amin’ny soratra masina. Asao ireo ankizy hanao sary mampiseho zavatra avy ao amin’ilay tantara. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nitomboan’ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy rehefa namaky ny soratra masina ianao.
Amporisiho ny fanaovana fampiharana: hirao ny “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” (CPE, 67). Lazao amin’ireo ankizy fa afaka mahafantatra bebe
kokoa ny momba an’i Jesoa Kristy izy ireo amin’ny ala- lan’ny famakiana na fihainoana soratra masina. Dia tanta- rao avy eo ilay tantara hita ao amin’ny Marka 10:13–16 mikasika ny nanomezan’i Jesoa tsodrano ireo ankizy. Mampisehoa sary iray misy an’i Jesoa Kristy mitsodrano ireo ankizy madinika. Asaivo ala